Voaasa ho atsy Maputo ny filoha Ravalomanana

385439_4387448681617_1261414324_n

Nahazo fanasana amin’ny fomba ofisialy hanatrika ny fivoriana karakarain’ny Troika-Sadc , izay hatao atsy Maputo (Mozambika)  manomboka ny 16 Aogositra 2012 ny filoha RAVALOMANANA.Midika izany fa isan’ireo tsy azo ialana amin’ny famahana ny krizy eto Madagasikara ny filoha Ravalomanana. Ho an’ny vahoaka maro an’isa dia ny fodiany eto an-tanindrazana sy ny filatsahany ho fidiana ho filohan’ny Repoblika no antenainy amin’ity fihaonana an-tampony ity.

 

17 pensées sur “Voaasa ho atsy Maputo ny filoha Ravalomanana”

  1. Matoa ny Filoha RAVALOMANANA voahasa any dia misy dikany lehibe izany!.. Ary raha ampifanatoniko amin’ilay fanambarany anio tao amin’ny Midi-Madagasikara fa hanao sonia izay fanapahan-kevitry ny SADC izy, dia mazava be izany ny resaka!
    Tsy sanatria adala akory i dada ka mandefa fitenenana mialoha toy ireny!

  2. Aza manaiky mihitsy Prezidà raha misy be fitetika hangataka anao tsy hilatsaka hofidina. Ianao tsy mbola mibaiko ny vahoaka hidina 13 Mai sy haka my Lapa no mbola mapi-geste ny miaramila putchistes ireo. Arovy fotsiny ny ainao. Na avy any ivelany inao no òibaiko dia lasa io. Mirary soa @ fihaonana.

  3. Fantatra fa misy ireo Miaramila vitsy an’isa lasa milisy mpiaro an’i Domelina.Dia tokony hifampiresaka amin’ny miaramila legalista tarihin’i Jeneraly Ranjeva mba hamaritra ny atao hoe:fitiavana ny firenena sy fiarovana ny vahoaka ary ny fialana amin’ny kolikoly indrindra.Alefa amin’ny MATV ny fihaonana fa tsy TVM.

  4. Tsy fantatra intsony hatreto izay tena position ny SADEC. Mihaona @ miaramila ve dia miaramila manohana an’i FAT ka mazava ho azy raha toa ka tsy manaiky ny fodian’ny filoha. Inona marina no tena hitiavan’ny SADEC an’ireto FAT ireto surtout i Fransman.

  5. Fihaonan’ny President rehetra izany no any, isan’izany President Marc RAVALOMANANA, fa inona ihany moa izany ‘lay Kely mbola tsy mikatona loha malemy iry, tokony ho menatra ihany annnn; milaza ho Filoha nefa naninona no tsy voaasa; tsy raharahian’ny olona? »sans qualité » Mahereza Dada ahhhhh,ANY AMINAO NY LAKILE. hainao ny tokony hatao, matoky izahay, FA RAHA MBA AFAKA MANERY NY TROIKA MOA IANAO DE MBA ATAOVY IZAY HAHAHAINGANA FA TSY ANDRINAY IZAY AHATONGAVANAO EHHHHH.

  6. Tsy olana io Trimobe annn; ny fihaonany t@ miaramilan’ny Foza anie de ny hahalalany ny tena sakana eto ehhhh, fantany tsara izao fa ireto miaramila manao pôlitika ireto no tena rangory fototry ny afo, Bloquage @zao hezaka ataon’ny SADC amin’ny famahana ny krizy izao ehhh. tsara hoy aho izany hoe izy mivantana mihintsy no mahita ny fizirizirin’ireo miaramila ireo tsy hamerina ny Filoha Ra8 eto.

  7. fa fanontaniana fotsiny hoe: mbola msy tokony ho antenaina ihany ve ny @’ity Fransmann???
    toa tsy matikilolo izy ity an??any Ambohitsiroatra any foana no hataony raharaha dia izao isika
    mihitsoka izao foana, izy sy i Beriziky izao no mitovy ny fomba fiasany, sady tsy hiira no sy hanao tsianjery.

  8. Ny loha malemy tsy mbola mikatona , ny tadipoitra mbola tsy tapaka @
    renimalalany sady taimbodiana ka maimbo daholo izay lalovany dia tsy
    voaasa intsony imason’olona fa mantsiny loatra.

  9. Tonga hahafantatra hatreto ny position n’ireo miaramila (izay tompon’ny basy) ny solontenan’i SADC
    Ary raha karazandr’i Simao-Salomao tsy vanink’olona isany io, dia efa voakarama hanao fanambarana diso mifanaraka amindry 3V isany

    Raha midrikina tsy hamela an’i ra8 ireo miaramila,
    dia mangataka isika mba hisian’ny hery hifanandrina amin’izy ireo miainga avy any ivelany

    REHEFA TONGA ETO NY PREZIDA, indreto izahay fa na ny malemy aza hitsangana hande HIARO AZY sy ny ankohonany!

  10. Manantena anao ny vahoaka malagasy Andriamatoa Filoha Marc RAVALOMANANA.

    Nompana , noharatsiana, nolaingaina, nampangaina ho mpamono olona ianao fa tsy maintsy miseho ny marina. Ireo mpandainga, mpangalatra, mpamono olona indray no manao gisa lahy mangala-ketsa. Manao avo vava nefa ampangain’ny vavany ihany, ampangain’ny ataony ihany.
    Mahita ny olona fa tsy jamba akory.

    Tsy maintsy mandresy ny tolona. Momba antsika Andriamanitra

  11. Minoa fotsiny iany !

    « Gisa lahy mpangala-ketsa » ha ha ha ha ha ! Iny indray no mbola tsy hitako, marina mafy !

  12. Tsy manan-jò hiteny izany ny miaramila! « Armées, aux casernes!!! »

    Erreur be ny fakana ny hevitr’ireo! Fa lasa toy ny entité politique izy ireo!

    Tsy azoko mihintsy ny paikan’ireto SADC ireto! …Ao raha!!??

    Tena aleo tsy misy tafika eto Madagasikara fa mankaleo be!

    Ampiasain’ny mpanjanaka hanohanany ireo saribakoliny fotsiny!

  13. Ô ry Andry tsy domelina a! efa tena zatra mpandainga ve nareo, sa efa tambavinareo ny fandaingana, sady mody tsy mahita fa voaasa any koa Zandry e!
    Incontournable izy, any rahateo koa R-BOMBE, de hifanandrina zany ny samy VALOMANANA. Ny iray aloha defa resy, tsy mahazo mody, ny iray kosa henjana be raha handrava mpanakorontana, toy ny Zanakosy manao la casse raha vao mivoaka ao @ magrobaka ao.
    De aza manantena, fa tsy ho azon’ny SADEC baikoana zany Zandry, eny fa na de hisy ni…ni aza, de mbola izy foana no tompon-teny farany. Any an-tanan’ny Zandry ny sort n-DRaosy, fa aza vianavinaina daholo ty revirevy rehetra ty e! afaka manoratra zay tianareo sy eritreretianreo nareo, fa saingy lainga sy revirevy tsy ho tanteraka avokoa ireny. Ny marina, de toa an-dRanavalona daholo nareo rehetra, manala andro sy manoratsoratra sisa azo atao e! RAFOTSY BE VERY LAONA, MIANDRY ZAY HIGADONANY.

  14. ity dada rabe ity ange dia miokonokona mampiomehy
    katsaka an woe voanjobory ahy woe zanakosy ahy woe
    tenenina daholo izay fanaratsiana any ramose.Ary hono woa mba haninona any maputo koa ireo miaramila mpanongampanjakana voky vola be ireo, tsy hadino aminizany koa i Ratsirahonana efa malazo lany tsoka any i Madama vololona ao ampefiloha, asa raha raha mba fantany ny vadiny io madame vololona ao ampefiloha io ary tena marina mihitsy izany tsy manaratsy akory izaho fa izany no tena SECRET marina
    haninona any, hanaratsy any i prezidà Ravalomanana any ve, hisambotra azy vé
    dia hita mihitsy fa miaramila potaka, miaramila matim-bola, miaramila tsy niady, miaramila vogan-dity, kasikasio eo ange i prezidà Ravalomanana fa tonga dia any ambany rangolahy daholo ilay isany mianakavy ireo, tafiditra ao koa i dada rabe, efa ela izay fa aleo aminizay hihetsika, ary eto koa tsy misy voatsindry aloka izany, fa rehefa izay dia izay, mbola averiko ihany fa tandremo woa sao dia mikasika any i Prezidà Ravalomanana fa tonga dia … hainareo ihany ny manaraka.Dia izay ary aloha fa ialahy io koa rabe dia miomàna dieny izao ny afaràny ialahy fa sao ialahy mihevitra woe tsy fantatray ny mombanialahy, na ato aminity site ity aza ialahy dia tsy maintsy fantatray satria mihoampampana loatra ilay TAIM-BAVA hatraminizay ka hatraminizao, ny nenina woa tsy eo aloha fa any aoriana.Mazava angamba izay.Ny saina no tokony hampiasaina fa tsy ny TAIM-BAVA.

  15. Ory RABE ô !
    Teo DADAnay tonga, teo MAMAnay naverin-dàlana dia izao
    mirediredinareo indray ny Gisa Lahy Mpangala-tseka fa handefa Miaramila haka an’i DADAnay !!!
    Hamboly katsaka aho oé, hioty tsaramaso aho oé, hangady voanjobory izahay e ! Tsssssssssss !

  16. Fantatrareo ve ny fofom-poza
    afaafa izay milaza loza
    eny, na lavitra be, dia izay ilay fofona
    malanilany, maimbo be zato sosona
    ao anatinizany ry tgv sy ny ekipany
    tsy tonga saina mihitsy ny aminy bikany
    tsiky tsy ravo milaza woe milamina madagasikara
    nefa Remenabila aza ity lasa wanted ahazoana dolara
    tandremo woa fa misy farany ny zavadrehetra
    aminizao toetranareo mianakavy maimbo voretra
    tondroiko manokana aminizany i rajoelina
    manaraka eo koa ilay mpanolon-tsaina fople hita mihitsy fa domelina

  17. Dia ampiko an-Dratsikirity
    izay toa tena mahadikidiky
    Mba diakona ihany anefa ny tena
    Dia tsy mieritreritra mampahonena
    Ary ahoana ity Razanakisoa
    Izay Dorkasy tokony hanasoa
    Nefa be fialonana an’i Dada
    satria tia loatra mampitahy
    Dia ireny koa tonga ry Panda
    Sady very saina sy be ahiahy
    Mba miasà toy ny kristianina
    Tiavo ny havanao afrikanina
    Arovy ny vahoaka sy ny firenena
    Fa izay no mariky ny fahendrena

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *