VOT : TSY HANAIKY RAHA TSY MIVERINA SY MILATSAKA RAVALOMANANA

IMG_7590

Nidina an-dalambe niainga teo Antanimena ary nihazo an’Ankorondrano androany ireo solontenan’ny vahoaka avy amin’ny faritra 22 manerana ny Nosy miaradia amin’ny Vondron’Olon-Tsotra na VOT. Fanaterana taratasy teny amin’ny masoivohon’i Afrika Atsimo no notanterahina voalohany, ka tomponandraikitra Malagasy miasa ao no nandray izany. Rehefa avy eo dia nihazo ny foiben’ny biraom-pifandraisan’ny Sadc indray izy ireo. Voarain’ireto solontenan’ny Sadc ireto ihany koa ny taratasy izay naterina. Raha fintina fohy dia anisan’ny voalaza ao anatin’izany taratasy izany ny fanamafisana sy fitakiana ny fiverenan’andriamatoa Ravalomanana tsy misy fepetra eto an-tanindrazany sy ny filatsahany ary ny fanampian’i Sadc ny vahoaka amin’ny fiarovana ny ainy.Ankoatra izay dia mitaky ihany koa ny fampiharana tsy misy fepetra ny lalàna velona mbola manakery accord de cotonou, satria ny fitondran-dRajoelina no fototr’izao krizy izao. Ambaran’izy ireo ihany koa fa ireo mpanongam-panjakana ireo no tena vato misakana amin’ny famahana ny krizy eto Madagasikara sy manao takalon’aina ny vahoaka malagasy. Ampangainay hoy ny VOT fa maiaraka amin’izy ireo ny miaramila vitsy an’isa mitam-piadiana. Ny famoahana ny gadra politika sivily sy miaramila mbola any am-ponja hatramin’izao izay voasoratra ao anatin’ny tondrozotra nataon’ny rehetra sonia. Toherinay ny fihetsika nataon’andriamatoa Fransman farany teo izay toa niteraka fanakorontanantsaina ho an’ny vahoaka malagasy noho ny fitongilanany niaro ny mpanongam-panjakana. Araka ny fanazavan-dRamatoa Sarah Zoé mpitarika ny VOT dia tafiditra ao anatin’ny dinika fifanankalozan-kevitra izay nataon’izy ireo tamin’ny faran’ny herinandro ity hetsika ity. Namafisiny fa tsy hanaiky mihitsy ny VOT raha tsy miverina eto an-tanindrazany andriamatoa Ravalomanana Marc.

16 pensées sur “VOT : TSY HANAIKY RAHA TSY MIVERINA SY MILATSAKA RAVALOMANANA”

  1. misaotra indrindra anareo VOT fa mbola misy anareo malagasy misy saina ka nahita io hevitra io. Midera anareo nandray anjara rehetra ary manohana sy mankahery anareo mandrampiverin’i Atoa MARC RAVALOMANANANA mianakavy, FILOHA VOAFIDIM-BAHOAKA MALAGASY MISY SAINA fa tsy tenda tia kely mivarotra tanindrazana, mpamono ny mpiray tanidrazana satria kamo be tenda sy kely ati-doha mihaingo ambony TSIKOKO ohatra ny tgv foza sy ny miaramila_potaka.

  2. ny ankolaky dada hoe mbola zaza minono loatra, tsy mahasaraka dia lany andro mitomany lava ao.
    ny sasany hono fanatika, tim io

  3. AZA DIA MANOME TSINY NY ZANAK’I DEADA ISIKA FA IREO NO TOKONY ANDRANDRAINA AMIN’NY FAHARETANY – TADIDIO FA ANDRIAMANITRA TSY ANDRIN’NY HAFA ANDRINY – AR HO HITANTSIKA EO NY TOHINY

  4. Tsy maninona na tsy tazana ny Ankolafin’ni DADA satria samy mitondra ny anjara-biriiny ny roa tonta e ! Soa aza fa misy io VOT io manatevin-daharana knou !
    Ny grevin’ny eny @ Oniversity koa tsy ratsy na dia mitondra faisana aza ny mpianatra afaka Bac t@ heritaona izay mbola tsy mianatra hatramin’izao.
    Manatevina ny lista n’ny conséquences n’ny fangalaran-tseza nataon’i RaDouma ZoZEFA avokoa izany.

  5. tena voaozona ve raha malagasy ka na dia manambatra hery ho iray mba hiadiana aza dia tsy vitany intsony? aleony izany samy mandahatra ny birikiny ombieny ombieny fa ilay trano hialofana aloha dia tsy ho vita na rahoviana na rahoviana.ny biriky ho lany ihany.

  6. inona no vaovao marina fa nahita ao tatsy amin’ny tranonkala iray hoe samy tsy misy mahazo milatsaka ho fidiana na i prezidà Ravalomanana na ilay dondrona rajoelina. Dia ahoana izany? hanaiky an’izany ve? Izay ilay tsy mba nisy hetsika mahery vaika fa nilaozana niandry ny sasany fotsiny, dia izao no vokany……

  7. Ny vaovao hita @ TV any ivelany aloha dia milaza fa nangataka ny fodian’i Dada i Maurice satria mihaino ny feon’ny vahoaka malagasy.

  8. @ RadoumelSagnana,
    Mba asehoy ny sarin’ny miaramila kely sisa miaro an’i RaDoumel e ! Ny basy sy ny Bala sisa ararara. Kely sisa satria vendrana nangalatahaka an’i RAMBÔ ngé e !!!

  9. baby ve tezitra e. miteny hoazy ange ny sary e. tsy credible am vahoaka malagasy intsony ireo ekipanareo ireo, raha vao misy resaka ra8 izany. Satria nangidy loatra ny asaratsin’ny le zalahy iny.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *