AOKA ISIKA TSY HO TAITAITRA AMIN’NY LAINGA AFAFIN’NY FAT

IMG_2072

Nisy ny iraka nampanaovina ireo Ct sy Cst tany amin’ny faritra niaviany tsirairay avy, momba ny fanomanana ny olona any amin’ny fototra ho an’ny ankolafy Ravalomanana. Ny Ct Sakra, avy any Ambatolampydia anisan’ny nanao tatitra tamin’ny vahoaka teny amin’ny kianjan’ny finoana Behoririka androany mhakasika izay iraka nampanaovina azy izay. Nambarany fa efa miandry ny filoha Ravalomanana ny vahoaka any an-toerana.  Nilaza ihany koa izy, fa amin’ny 11 ka hatramin’ny 14 Oktobra izao no hankalazaina ny « Dinan’ny Melaky tsy Mipoly ». Tsy mitovy any any Atsimo io hoy izy satria tsy misy mpangalatra, tsy misy mpamono olona ny any. Ny zavamisy any Atsimo no hanararaotan’ny fat hanondranana ny omby mankany ivelany. Raha tsy hampiharina io Dina io Sakra dia hifamono eto ny samy Malagasy. Nanasa ny mpitolona eto Antananarivo ny tenany mba hanatrika izany lanonana izany any an-toerana amin’io fotoana io. Ny fanirian’ny vahoaka any hoy izy, dia mba hihaona amin’ny mpitolona avy aty amin’ny Magro.Ny Ct Patrice avy Mahajanga dia mbola nitondra ny hetahetan’ny vahoaka avy any an-toerana. Tokony hisy mpitolona avy aty amin’ny Magro Behoririka hoy izy, hiditra mivantana any Mahajanga, ary torak’izay ihany ny mpitolona avy any, mba hifankaherezana.Fantatry ny vahoaka any an-toerana hoy izy, ny vaovaoa rehetra avy aty an-drenivohitra ary efa miverina amin’ny heriny ny zanak’idada.  Efa miomana hoy Patrice, ny vahoakan’ny Mahajanga amin’ny fitsenana ny filoha Ravalomanana Marc. Hanao hetsika lehibe ny zanak’idada amin’ny Sabotsy izao ao amin’ny Magro Mahajanga. Ny Cst Randrianjatovo Henri avy any Faratsiho kosa dia nilaza fa tsy matahotra ny fifidianana isika fa efa vonona amin’izany, na dia fantatra aza fa misy mampiditra basy an-tsokosoko eto. Ny vahoaka hoy izy dia milamina fa tsy misy mikorontana izany rehefa tonga ny filoha Ravalomanana. Ny sehatra iraisam-pirenena hoy ity olomboantendry ity, dia efa milaza fa tian’ny vahoaka ny filoha Ravalomanana Marc.  Noho izany mitady lalana amin’ny famerenana ny demokrasia eto izy ireo. Nambarany ihany koa fa ao amin’ny tondrozotra dia milaza fa misy ny fihaonan’ny samy Malagasy. Fanomboana ihany ireny fihaonana teo amin’ny filoha Ravalomanana sy Rajoelina ireny. Nanafatra ny vahoaka ny Cst Henri, mba tsy ho taitaitra amin’ireo olona izay miteny etsy sy eroa, satria lainga avokoa no afafin’ireny olona ireny. Namafisiny fa mazava ny voalazan’ny Sadc, ny ONU, fa ny tondrozotra ihany no hampiahrina eto amintsika.

19 pensées sur “AOKA ISIKA TSY HO TAITAITRA AMIN’NY LAINGA AFAFIN’NY FAT”

  1. Nilaza RAOSY fa handray an-tanana ny fodiany raha nitafa t@ delegasiona GTT Eropa namangy azy tany. Hanamora ny asan’ny SADEC aho hoy izy.
    Mazava be zany, fa tsy mahatoky intsony ny médiation n’ny SADEC sy ny Troika lery. Ary efa mivonona ny handositra ny fitsarana Afrikana Tatsimo.
    Tsisy solution intsony izany ny @n-dRosy afa-tsy ny fanaovana KAMIKAZE miditra any Dago @ mokondoha.
    Mety ihany aloha ny an’lery fa aleo migadra an-tanin’ny tena, toy izay higadra an-tanin’olona. Inona koa anefa no hatahorana ny fitsarana Sud AF raha toa ka mahatoky tena fa tsy nanao ratsy e! raha lazaina fa voabaikon-dRajoelina na manana influence @ fitsarana Sud Af izy, tsy tokony Raosy any an-toerana miaraka @ volabeany sy ny pouvoir « chiiic » ve no tsy hahavita izany? Izay akaiky vilany ane no feno harina hoy ny Ntaolo e!
    Matahotra zany lery fa ao raha. Mbola hisy dossier, vaovao indray ho tonga eo am-pelatanan’ny fitsarana Sud Af miala any indray, ary tena mahatsiravina be mihitsy le izy Rana a!
    Ny zava-misy aloha raha mitsoaka fitsarana eo lery, de moramora @ fitondrana gasy, ny mamerina azy any indray, hialana @ sakoroka, satria io fiverenan-dRaosy hampisy korontana io no tena mampanahy fatratra ny mpitondra.
    Ny 8 Octobra daty farany ahafahany ho présent any Dago koa moa ity efa akaiky, raha tsy izany tsy avelan’ny code électoral hilatsaka lery raha tsy présent 6 mois mialohan’ny datin’ny fifidianana, de tena hazakazaka be zany ny azy, ka tsisy fika afa-tsy ny kamikaze. Tsy mampiraika ny olona anefa na de miala any aza ny « ni…ni » fa lery mihitsy no tena vononana hisotro ny aleoko maty noho ny alahelo seza, ary potika tanteraka lery raha tsy misaina. Mahatsikaiky ihany, efa mba nahita pouvoir nandrita ny fito taona, nasondrotry ny vintana hampitombo ny hareny avo zato heny noho ny nahateo azy, mbola tsy afa-po ihany. Tsy aleo ve, mandefitra kely, manadio ny tena tsy milatsaka, tahaka ireny miaramila nanafika ireny, manao retraite kely aloha rehefa tsy ho laitra ny adve, de manangona hery sy manomana stratégie vaovao indray, ho enti-miady, zay vao miataky indray hahazoana antoka ny fandresena. Ralery efa hita zao fa tsy iny ny lalana, sady mahafaty, mbola manao kamikaze foana. Ary za milaza aminareo Zanakosy ireto, fa raha mbola mandrisika an-dRainareo @ io foana nareo, de hamotika azy tanteraka, ary manahy mafy aho, fa raha io no ataony, de na hiafara @ fahafatesany, enga ane mba ho lavavelona izy, na ho lasa exilé politique mandram-pahafatiny . Tsy mahita ve nareo fa risque be ho azy io. Rajoelina ane tsy miasa loha na hilatsaka na tsia eo izy e!
    Za mahita, fa tora-po tsy misy fisainana ny anareo mianakavy ny momba an-dRavalomanana lazainareo fa dadanareo iny, fa AU FINAL TSY TIANAREO RAINAREO INY, ARY MAMPORISIKA AZY HAMONO TENA IANAREO. Diniho daholo ny tsara woe, mahafeno ny critères rehetra hodiany hilatsaka ve ny situation ny @ zao eo sehatry ny FITSARANA na Sud Af io na Mada, eo @ MEDIATION IRAISAM-PIRENENA, NY FITODIAN-DAMOSIN’NY CI AMINY TSIKELIKELY, RAJOELINA, NY MIARAMILA NATAONAREO HO FAHAVALO HATRAMIN’IZAY, NY FRANTSAY ZAY NIBAIKO NY POLITIKA GASY NORAFESINAREO TSOTRA IZAO. De averiko foana, fa ny fanambonian-tena mihevitra ny hafa ho ambany, ny avonavon-toetra ho dadany sy tsy azon’iza na iza tenenina eny fa na de zavatra hahafaty ny tena aza. De mazava ny tenin’ny Deba woe, io volabeanao io, tsy hitondra anao any Mausolée. Mandiniha foana aloha ry Zanakidada, fa mbola misy grâce kely ahafahan’ny dadanareo hivoaka @ grande porte ao, ahafahany indray maka ny pouvoir @ ara-dalana sy madiodio , raha mametraka izao situation-ny izao ho ny FAHARETANA (patience) no ataony ho loha-laharana. Atsipy ny teny any am-pon’ny misaina. Ary tsy fantatra zay tia an’i dada, na ianareo mpanasohaso azy isan’andro, kanefa mahalala tsara ny hadalana nataony, na ireo mahasahy miteny mamafa harina an-tava, sy manoro ny lalana marina hivoahany. Ny tantara no aoka hitsara, ary zahay tsy matahotra na oviana na oviana handray ny fanakiananareo tsy hamokatra hatramin’izay.

  2. http://www.tananews.com/2012/09/retour-au-pays-marc-ravalomanana-prend-les-affaires-en-main/comment-page-1/#comment-99020
    Retour au pays : Marc Ravalomanana prend les affaires en main
    26/09/2012
    « Je vais moi-même prendre en main la concrétisation de mon retour à Madagascar. Je vais également faire en sorte de faciliter au mieux le travail des médiateurs », a déclaré Marc Ravalomanana. Ce dernier a donc décidé de s’activer à 15 jours de la date butoir pour son arrivée au pays afin que sa candidature aux Présidentielles soit recevable. Dans cette même allocution, l’exilé d’Afrique du Sud a demandé à ses partisans de se préparer pour les élections de 2013, tout en confirmant son intention de se présenter à la course à la Magistrature suprême. D’ores et déjà convaincu de sa victoire aux prochaines présidentielles, Marc Ravalomanana a ajouté qu’il dispose déjà d’un projet de redressement et de développement du pays pour son prochain mandat. »

  3. Ny Ct Sakra, avy any Ambatolampydia anisan’ny nanao tatitra tamin’ny vahoaka teny amin’ny kianjan’ny finoana Behoririka androany mhakasika izay iraka nampanaovina azy izay. Nambarany fa efa miandry ny filoha Ravalomanana ny vahoaka any an-toerana. Nilaza ihany koa izy, fa amin’ny 11 ka hatramin’ny 14 Oktobra izao no hankalazaina ny « Dinan’ny Melaky tsy Mipoly ». Tsy mitovy any any Atsimo io hoy izy satria tsy misy mpangalatra, tsy misy mpamono olona ny any

    Toa ohatry ny faly hampiresaka sy hivarotra olona fotsiny io rangaha io an ! KOA ATAO INONA ARY IZANY ILAY « Dinan’ny Melaky tsy Mipoly » SATRIA SADY TSISY MPANGALATRA ANY NO TSISY MPAMONO OLONA. SA MPANGALAM-BADIN’OLONA NO BETSAKA ?

  4. mahafinaritra ry dada fa tsapanao ihany fa tsy MISY AZONAO ANTENAINA
    afa tsy avy aminao ihany ny @ fahafahanao MODY an-tanindrazana??
    Homba anao lalandava ny AVO INDRINDRA ry dada Malala ka ho tody soa ianao ary ahita ny HEVITRA rehetra
    hitandrovanao ny ainao sy ny fianakavianao.

    Ary nenjean’i devoly angaha i dolin an??dia midėlira ny anao lahy,tsy tahotra tsy henatra fa manonononom-poana
    ny anaran’Andriamanitra, mitady hitraotra indray angaha ny devoliny dia  » miverena hono @’Andriamanitra ».
    MAHONENA!!!!!tė hijabaka eo koh!!!!

  5. Marc Ravalomanana a peut-être pris une bonne et sage décision.Puisqu’on parle de sagesse, je voudrais partager quelques proverbes exprimant la sagesse à travers le monde qui est dominé par le ciel.

    1./Mieux vaut un blâme déclaré qu’un amour dissimulé.Comme on parle d’amour, alors j’enchaine
    2./On ne peut pas empêcher un coeur d’aimer.Puisqu’on parle toujours d’amour, celui d’une mère ne meurt jamais,ainsi…
    3./ la terre est une mère qui ne meurt jamais.Cet amour est indéfini,éternel et intemporel.Donc…
    4./Il n’est jamais plus tard que minuit.La vieillesse fait partie du temps de cet amour indéfini.Alors…
    5./la veillesse ôte les jambes au cheval mais ne l’empêche pas de hennir ou rugir pour un lion qui doit maitriser sa fougue afin de se faire récompenser.Ainsi…
    6./ un lion rugissant n’attrape jamais aucune proie.
    Tout cela pour dire que l’amour doit prendre le dessus sur la colère.

  6. hi!hi!hi!!!!PTDrrrrrrr!!!tena latsaka kosa aho valo kah!!
    F ‘ aiza ihany ary ianao ity e!!!mivoaka sa miditra ???
    Ary Valo mazoto mamonjy Magro an!!mbola misy ny fotoana Valo a!!miverena @ lalatsara
    raha sendra solafaka, tsy musy tsy diso !raha ny mpitarika no mahalonilony anao dia avelao izy ho any
    fa ny Tanindrazana jerena dia mahaiza mijery izay ho asiana ny TONGOTRA na dia bė bôty aza( be mokony
    no tiako lazaina an!)

  7. Namoaka mazava ny antony efa nampigadra an-dRavalomanana noho ny kolikoly nataony fony izy vao nanangana ny orinasa tiko ny Gazette de la grande île androany, miaraka @ireo porofo mazava sy ny anaran’ny mpitsara nampiditra azy tany.
    Aza de io Andriamanitra io Ranavalona no tsy hahaiza-miaina ka ataonareo sy dadanareo fitaovana lava hanadiovan-tena a! Ny tokony hataoanareo, de tsy tongatonga ho azy izao zava-nanjo anareo sy dadanareo izao, ary tsy hahitanareo vahaolana mandrakity ny androany, fa aleo halan’olombelona, toy izay halan’ny Avo, fa ny famaizana ataony, de sarotra ny miala @ izany, ary tsy azo iadivana sy ampiasan-kery sy vola, satria miady @ hery tsy hita, zay mpitsara marina sy tsy miangatra, koa mba misaina sy mandinika, fa ny atahorako, de homenareo tsiny hatramn’Andriamanitra zay tsy mamaly ny vavakareo @izao mahazo ny dadanareo izao, ary mahita mihitsy aza zahay raha mamaky anareo eto, fa tsy lay tena Andriamanitra izy no hivavahanareo, fa dadanareo olombelona, de aza gaga raha mbola manafay ary hanafay anareo hatrany Andriamanitra.

  8. Tena misy voa angamba ny lohan’ity bogor ity !
    Raha ny tsy fitiavany an’ny Filoha Ravalomanana no jerena, tsy dia fantatro loatra, inona loatra no antony andaniany jiro ato !
    Mandehàna ry bogor manotrona ny zandrikelinareo, dia avelao ny malagasy hikararakara ny hoaviny â !
    Olon’Andriamanitra ary mahafantatra an’izay tokony ho ataony ny mpiaro ny ara-dalàna !
    Inona loatra no dia hamakianao loha an’izay mety hanjoa an’ny Filohan’ny vahoaka malagasy ?

    RAHA TENA MAFY BE IHANAREO, DIA AZA SAKÀNANA NY FAHATONGAVANY HO HITAN’NY VAHOAKA EO IZAY TENA ADINAREO ! AVELAO IZY AMETRAKA NY TONGONY ENY IVATO, DIA ENTO ANY TSIAFAHY RAHA MAHAVITA !!!

    Toa isaky ny hoe hiverina hamonjy ny tanindrazany ny Filoha, dia toa be tabataba sy lava soratra ny foza ? Angaha an-tenda ny aina, sa miantomboka lasa rano ny diky ?

    Efa martiora izy amin’ny VAHOAKA MALAGASY, koa rehefa izany ihany ataovy izay ataonareo, fa dia hifampitady eo daholo avy eo ê !

    Nandritr’izay efa-taona izay, efa hitan’ny vahoaka hoe iza avy no fary, ary iza no bararàta !

    Diavolan-kolava, ny demôkrasia mbola ho ela, raha tsy eo ny Filoha !

  9. Tsy misy manakana azy ry KM fa ny fitsarana no manakana azy, na justice gasy izany na ny justice Sudaf. fa maninona ny olona no miakatra fitsarana. satria nanao ratsy..
    ary fa maninona ny olona no mitady hitsoaka ny fitsarana.. satria matahotra ny marina hipoitra..

  10. ny fotsy lasa mainty
    rehefa heniky ny tay ny cerveau

    Tsy misy justice impartial zany eto r’ity an: fantaro ny dikan’ny hoe « impartialité » zay vao hasianay solo-nify ny akoho

  11. Zay anie no mahavoa ny zana-dra Risara baomba: couillonnel tel père tel fils tahaka an-dra Richard Ravalomanana ê!

    Tsy nanaraka ny dina fifehezana @ tany démokratika: on accède au poste de président de la République PAR LA VOIE DES URNES

    De nanongam-panjakana mba hampalalaka ary hivoahan’ny BIBY instincts bestiaux rehetr’izao

    AMPIANARO IHAN OA NY ZAZA

  12. Ho avy izy ! Dien’izao, homàno NY FITSARAM-BAHOAKA RE Ê !

    Il faut être un abruti fini, un handicapé du cerveau, pour se permettre de se pavaner au beau milieu des grands de ce monde, et SIGNER DES TRAITES QUAND ON NE SAISIT MÊME PAS LES TENEURS ! Une vraie tête à claque et cul à botter !
    Quand on est un putschiste, un hors-la-loi, le mieux serait de se terrer dans son trou !
    Droits de l’Homme, Droits de l’Enfant ??
    Sait-il au moins tout ce que cela veut dire, quand il s’était permis de « gazer » durant des mois des vieillards, des femmes enceintes, des bébés, des enfants, jusqu’à tuer leurs parents ?
    Il n’est même pas conscient du tort, qu’il fait à ses propres enfants !!

    En attendant, celui-là ne l’oubliera jamais car l’autre taré lui a volé TOUS SES DROITS !

    http://www.mydago.com/wp-content/uploads/2012/01/22-janvier-12-13.jpg

  13. Aoka lesy fa tena tsy tantiko mihintsy ny mahita io zaza io a!!!
    Mifona e!!!fa dia inona loatra rė no ao amin’ny lohan’ireto foza e!!

  14. Ô! ry KM a!
    Droit de l’homme ve no resahanareo? Ny tanan-dRajoelina tsy sahy nanome baiko handripaka sy hitifitra ny mpiray tanindrazana aminy. Firifiry moa no nogadrain-dRaosy tsy t@nantony, raha vao hita fotsiny fa manelingelina ny sezany, ary izay hitany hifaninana @ orinasany. Hainareo tsara io fa tsy tanisaiko. Ratsiraka niseho fotsiny teo @ Télé VIVA ane, de nanakatonany izany e! De tonga amin’ny Radio fahazavana izany, tsipihako kely lay fahazavana, toa Radio protestanta mivavaka io, kanefa radio miantso haine sy violence, manompa olona toa an-dry tonton Ambroise. De mahatsikaiky ireto, fa rehefa ny rainy no manao hadalana, mangoron-karena, nanodikodina volam-bahoaka, nivarotra bois de rose, de tsisy tsiny fa andriamanitra marina sy mpivavaka, fa raha ny olona de demony.
    Mahatsara an’ity sit ity mihitsy ny maha eto anay mba hanitsy anareo, fa miteniteny foana tsy ampy solaitra, à force, ho tonga saina ho azy eo woe, marina ny an’i Bogor.
    Ie de marina an’ise ry KM, ho ela velona ny demokrasia, de mahazaka azy e! tsy mahagaga koa fa ny marina mandratra toy ny antsy maranitra mitsatoka @ fo, hany ka tsy mahita havaly fa ny tosi-drà no mibaiko ny saina, tonga de litika miteniteny foana, de ha!ha!ha! hihomehezanay fotsiny. Ny olona latsaka an-davaka mila vonjy indray itony, no managam-bovona ho mafy be, zahay anefa indraindray mba manipy tady eny ihany hivoahany, fa eeeeee! aleon’ireto maty, toy izay menatr’olona. Raha za aloha nareo efa nisitrika velona aho, raha izao situation-nareo izao e!
    Tsy mahagaga koa moa fa aloka io, manaraka eny foana ny ratsy atao.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *