Araka ny voasoratra ao amin’ny artikla faha 6 ao anatin’ny tonjozotra dia azo atao  ny manala ireo olom-boatendry ao anatin’ny fitondrana tetezamita.Noho io dia nanampankevitra ny Ankolafy Ravalomanana ny hanolo ny minisitry ny fitsinjaram-pahefana, Rtoa Ruffine Tsiranana.Natolotra ny filohan’ny FAT ity taratasy mangataka ny hanoloana ity minisitra ity ary Atoa Guy Rivo Andrianarisoa no natolotry ny movansy hisolo azy.



Zarazarao e ! - Partagez !

PS : Tadidinao koa ve ity lahatsoratra nivoaka tato amin'i MyDago ity ?
PS : Vous souvenez vous aussi de cet article sorti sur MyDago ?

28 Comments

  • ranavalona dit :

    Sao dia mba hiteraka savorovoro indray ity fanapahan-kevitra ity ray olona???
    misy mahalala ve ,inona no antony???tsy ilay hisolo azy no maninona fa ilay
    fomba hanalana azy, ka sao hiteraka zavatra hafa ???ny ahy aloha dia olona tokana ihany no hitako
    fa MAIKA ny hanalana azy dia i DOMELINA, nefa asa raha izay no ahatsara zavatra ???tsy matikilolo
    mihintsy angaha i Fetison??mampalahelo ihany lery raha izany an!!aza dia ahilikilika ny ondry botry e!!

  • KintanaMananDrambo dit :

    Tohin’ilay resakao, na valin’ny fanontanianao !
    Sakamalao sy avozo ê, samy manana ny hanitra ho azy ! Ary ao anatin’ny mangidy no ahitàna ny mamy !
    Ary efa andron’ny ’tilekaomandy, sy blotositosy isika izao ! Very rahatoa ka tsy manaraka tsara ny zava-baovao miseho isan’andro !

  • ravelonarivo dit :

    Hataoko fa mifanaraka tsara @ zvatra nokendrin’ny mpanogana sy mpanjanaka izao ,ny fanalvana ny krizy ,dai hampitritra ny firaisankinan’ny légalista ary ny fipaitahany .
    Ary fanalemena ny mpanohana an dRavalo ,sy ny neutralisation an ity farany.
    Izany hoe sarotra ny hieritreritra fa ho tafvoaka @ izao raharaha izao ny vondrona Ra 8 .
    SOA IHANY MISY NY VAHOAKA IZAY TENA TIA TANINDRAZANA IZAY MIZAKA NY HAFITSOKY I RAJOELINA .

  • Ny tena Andry tsy domelina dit :

    >>KintanaMananDrambo>>> fa inn marina ny tena zava- miseo aloha ehhh? sa tena fifanarahandry zreo tsara io? ka nifanekena ho atao mba hahatsara zavatra? iay mahalala aoka hanazava fa be no manontany any @ facebook sy ny commentaire hafa ahafahana mifanaklo hevitra any an; maninona moa raha ny tompon’andaikitra ao ambony ao miintsy no manazava azy eh, tena tsy naharaka izahay t@iny fa mba omeo vaovao ehhhhh

  • Ny tena Andry tsy domelina dit :

    Raha izaho tsy mampaninona ahy ilay fanapahan-kevitra, satria toa malemy ihany eo anatrehan’i Hajo, sy iza moa ilay min interieur iny, i Ruffine; mety koa ny hoe i GuyRivo no hasolo azy satria hitantsika fa mafimafy loha izay izy iny hafka hifanehatra tsara @ ireo, saingy ny mampalahelo ahy raha tsy fifanarahana sy fifaekena mazava ilay izy, dia ny fisian’ny zanak’i Dada na ny mpomba azy misaratsaraka sy misintaka, raha tsy tena voaporofo hoe namadika sy voavidin’ny Fat ilay olona. Fotoana fanambarana hery izao fa tsy fampisarahana.

  • Ralay dit :

    Mba diso kosa nareo ry mydago a : ny ankolafy Rakotoarivelo angamba no naka izany fanapahan-kevitra izany fa tsy ny ankolafy Ravalomanana mihitsy !

  • ranavalona dit :

    Dia tsy hita re ray olona fa ny hanongotsongoana ny maty hono
    tsy handevenana velona ,koa hay tsy izao irery no fanina eto???
    Mba mila fanazavana Tompoko izay mba mahalala fa sao hananan-tsiny a!!
    Ny zavatra henoko kabary teo @ Magro fotsiny t@ Ingahy Fetison niditra ho lehibendry zareo iny dia hoe:
     » i Madame Ruffine irery ihany no ankolafy Ravalo ao @’io antoko io » io ihany no teny henoko nipitika aloha
    dia izay, dia io izy voatsoka io, dia ataoko fa efa ho vonona ny ho @ mety ho vokany ny rehetra eto, mba tsy
    avy eo indray vao hifanome tsiny,dia mody io olana avy @’io indray no handaniana andro eto.

  • ranavalona dit :

    ah Zalah!!,sao dia mba io kosa no hazahoan’i domelina ilay VISA ao @
    masoivoho USA???ohatra??hi!hi!hi!!!! ( pėtėderire)va zivazy sao musy
    miakatra eo indray an!!!ny tetika mantsy dia ekena daholo afa tsy i DADA aaaaaa!!!!!!!iny ihany no tsy zakan’
    ny tsenan’i foza sy ny renikely.

  • HoAiza dit :

    Mila olona expéditif ferme efficace
    ka miviombio mahintsy toraka

    Mandeha dia mandeha ny fotoana zalahy sy zavavy ê!
    ___

    Moa va tsy mampihorin-koditra indray ny vaovao hita any @ site TIM:

    Mardi 18 septembre 2012*8h00
    ->La délégation d’évaluation de la Sadc composée de militaires est attendue cette semaine pour une mission de 5 jours./ …

    ==> La frégate Lafayette de l’armée française avec à son bord 20 commandos et 200 militaires est ARRIVEE à DIEGO et y restera jusqu’au 23 septembre./

    LA LUTTE EST DE LONGUE HALEINE

  • KintanaMananDrambo dit :

    Miarahaba ny rehetra ê !
    Angaha hono tena milay be ny « image-n’izao governemanta sy movansa » izao ? Tena miasa tsara daholo angaha hono ry zareo ministra rehetra ao anatin’io governemanta hafahafa io ?
    Mba vaovao amiko indray izany leretsy ! Sa dia izaho no tara, any ka tsy naharaka ny sinemà ??

    Ny tena Andry tsy domelina,
    Izaho anie mpitazana avy ery ambony fotsiny ê ! Ankaotry ny « fandokafana » ny governemanta Beriziky sy ny fanaovana sapaoritra amin’ilay mpanongana, dia zavatra roa no hitako !
    Voalohany dia « malalaka » tsara izao ny lalana ho an’Andriamatoa Fetison, mba hirotsahany ho kandidà ! Sa Ramatoa R. Tsiranana dia mbola vonona ny hanohana ny Filoha Ravalomanana ? Enga anie ka ny fahendreny no hitantan’azy !!
    Faharoa ary mba fampitandremana kely ihany koa, raha vao tsy mitandrina Ingahy Guy Rivo, dia hisolifatra ary hitsirara ao anaty fotaka mba tsy hilazàna zavatra hafa !
    Na tsara baoty aza, dia efa manitsaka aloha izay !
    Noho izany, dia mahaiza mamindra r’Ingahy Guy Rivo fa efa ho azonao izany ny titra maha ministra anao, fa tsy SG intsony !

  • Milamina dit :

    Raha mitondra antsika ho any amin’ny fampiarana ny tondrozotra:
    - Fiverenan’i Marc Ravalomanana tsy misy fepetra
    - Famoahana ny gadra politika
    - Fanokafana ny haino aman-jery nakaton’ny FOZA

    dia heveriko fa mety izany paikady izany, fa raha tsy misy antony mazava ho an’ny mpomba ny ara-dalana dia mety hiteraka disadisa izany. Ento ny antony hanoloana an’i Ruffine Tsiranana ho tsakotsakoina

  • bogor dit :

    Mazava be Ranavalona ny tetiky ny Mouv Raosy, ka omeko anareo ny fanazavana, raha ohatra ka kely atedoha tsy mahataka-javatra nareo mianakavy, mba tsy hahatonga anareo ho lany ranomainty eto fotsiny a!
    Tsy levon’ny vavonin-dRaosy aloha ny nanendren-dRuffine azy ho filohan’ny PSD, satria Fetisoa de nataonareo ho fahavalo, na mpamadika, de baiko avy any Sud Af io, fa Ramamy mpanatanteraka fotsiny, de mitadiava motif hanalana an-dRuffine.
    Zay heverin-dRaosy, hifaninana aminy @ fifidianana mantsy, na misy élément iray manana popularité be ao @ mouv misy azy, ka mety hanamaivana ny popularité n-dRaosy, de dakao any ary esory tsy mpikambana ao, de zay ny nahazo an’iny Fetisoa iny, kanefa na i Fetisoa, na Ruffine, de samy éléments milay be daholo tao @ mouvs Raosy, ary samy niaritra ny mangidy avokoa tamin’ny fiadivana ny tombontsoa politikan-dRaosy, de izao voadaka fahatany izao.
    Tsy ireny olona ireny anefa no voa mafy, fa ny mouv Raosy,satria raha tsy hijery fotsiny ny popularité n-dreny famille Tsiranana ireny any @ Région Sofia, de tonga indray ity ny havendranana politikan-dRaosy vena, satria eritrereto ane woe, Ruffine no hanao propagande contre anao any, de ahoana?
    Mazava be koa fa raha RAGUY ndray no hasolo azy ao, zay fantatra fa lehilahy mafana, de olona handeha hanakorontana ny rafitra ao @ fitsinjaram-paritra ndray no hampidirina ao,satria Raosy ity tsisy fika intsony ny hiverenany, ka raha tsy nahomby ny tetika tamin’ny fitokonana nataon’ireo minisitra mouv Raosy teo, de midira ndray ela Raguy korontany ambony ambany, au moins miemotra ny fifidianana, zay tsy afa-misaraka ny décentralisation sy ny fifidianana, manaporofo izany ireo kabary miverimberina ao @ Magro woe: « Miomàna sahady isika, hanakorontana isaky ny biraom-pifidianana »
    De io moa, mbola Zandry no tompon-teny farany, araka io taratasy nalefan-dRamamy feno fanajana sy fianagaviana azy @ maha Filoham-pirenena azy io. Hay ve Ramamy mahay manoratra toy izao ihany, rehefa hitady zavatra @ président e!
    Ka raha toa ka hanimba sy hanakorontana, de aza manantena Raguy, fa ny sain-dratsinareo sy iny vice PD FJKM iny, woa, raha mbola Andriamanitra koa, de tsy hi-passe na oviana2, ary izany foana no mahatonga tsy fahombiazanareo hatramin’izao.
    De hoy zahay woe,NIJABAKA NANAO ERREUR POLITIQUE BE INDRAY ITY RAOSY SY NY LIEUTENANTS-NY. Elément tsara be toy ireny ve de bôtibôtiana fahatany? Aza manao politika woa rehefa vena, hany ka tsisy tainy zay atao mandrak’ity ny androany fa vao maika milentika anaty lavaka hatrany.

  • ranavalona dit :

    Ka tsy maintsy manao izay fara-heriny ny renikely fa efa fongana hatrany @
    atikilaotiny  » Vide ny caisse » , henoko koa fa ao Diego ry Vendrana soavaly maty rehetra,
    fa efa zava-dehibe ho ahy aloha ny nandavan’i Amerikanina an’i domelina , MAHAVELO-PANANTENANA ahy,
    manindry aloka indray ny alika frantsay , miseho ho milay nefa tsssssss AIZA???tsy misy hapoaka fa efa mitrotrongy
    lava vao tafarina fa HITAMBESARAN’i TSINY REHETRA @ IREO tany ZANAHANY sy HANGALARANY.Efa sasatra
    ny miarina mbola tsy fay.Tsy misy hatahorana izany fa tany misy lalana ity ry Hoaiza fa sy an’i frantsay izao tontolo
    izao a!!!!fanainiana io fa aza taitra sė.Isika GASY mahatoky ny VALĖRANTSIKA , tanintsika io fa tsy an’i frantsay ka izy
    no handidy sy hanapaka ao???
    Alahelon’olona @ rà latsaka no mba hisondrotan’ireto frantsay sy ny foza MPILELAKA azy koa mba miseo ho inona daholo?
    MAHONENA!!!!

  • KintanaMananDrambo dit :

    Tsy nahazo pasipaoro ihany koa hoe i Nini na dia hoe Directrice des Relations rehetra aza, ka sao dia hanadala olona any fotsiny ! I zanô lapan moa dia efa maty ny pasipaoro, ka tsy mahagaga rahatoa ka interdit de séjour !
    I domelina, dia efa séjour surveillé !!
    Misy antony daholo izany !

    Nangataka fanazavàna momban’ny raharaha 7 février ny mpanongana, any ka hoe ampanantsoin’ny tribonaly Sudaf ilay Lalatiana, Fidel ary i Sarla !
    Hazava ho an’ny rehetra ato ho ato ny raharaha, satria efa nibaradaka nanao fanambaràna tao amin’ny ambasady sudaf iretsy avy ao amin’ny Free FM ! Ny an’i Sarla moa efa tsy misy izay tsy nahafantatra !!

  • VALO dit :

    Rehefa tsy resy lahatra @ fihaonana am-bava na ny fihaonana an-databatra boribory ry zareo dia tsy maintsy ampiasaina @zay ny be sandry.
    I Cuy Rivo ange efa miteny foana hoe « sandry samy manana e! ». Ka izay no nanantsoina azy hampiseho ny sandry ngeza be iny sy hanakorontana fa avelao ny vahoaka ho faty ho azy any…
    Fetison koa ange tsy mahalala tsy tiana e ! ka any ka voadaka hatramin’i Ruffine

  • ranavalona dit :

    Aza dia manapa-tsinay moa ry Valo a!!

    Fa mba midi-bingo koa ity Lalatiana sy Fidely an!
    Mba tė ahita aho ohatra an’iza izay ilay Charle lasa kolikoloina be ery @ fiatsaram-belatsia
    sy ny tahotra.Nefa na inona n ainona dia : « IZAY VOASORATRA DIA VOASORATRA » na ho
    hataoko aza hoe hivadika izy, efa vita soratra daholo ny rehetra, fa ny tena tsara @’ity raharaha ity
    dia ilay resaka nipitika , ilay fikotrehan’i frantsay tetika ratsy efa MIPARITAKA, manome litika !!!,

  • lita dit :

    fa maninona no Ruffine no esorine fa tsy i botozaza zay fantatra fa manomana présidentielle à l’insu du président Ravalomanana.Pareil i Mamy Rakotoarivelo izay samy te hilotsaka daholo. Dia i Ruffine zay fidéle no esorine, satria côtier angamba, fa raha ny argument nomeny i Mamy Rakotoarivelo dia maivana ary tsy mitombona. Sa ny fahatahorana an’i Fetisob,

  • LAZALAZAO dit :

    Dia mahagaga tokoa, ary heveriko toy ny fahadisona ny fanalana ny Minisitra Ruffine Tsiranana tsy ho minisitra. Ny ankolafy Ravalomanana izay efa manilika (ny VOT, VAMI, GTT…) dia mbola manilika ny PSD indray. nefa io antoko io ondrindra no ahafahana misokatra any @ faritry Sofia. Ary koa manamafy fa ny ankolafy Ra8 dia eran’ny Nosy.
    Ilay antony voalaza dia ny hoe : tsy fahaizany mitatanana ny ministera.
    @ maha mpiaras-mitolona , dia tsy mba nisy ve antony na filaza ara-diplomatika toy ny hoe: Omenay andraika hafa izy nohon’ny fifanamboarana anatiny ka tsy afaka hanohy hitanana intsonyny ministera.

    Ireo mpitarika ny ankolafy aloha dia tena hitako mametraka olana mihitsy. Ny MFM dia anotko tsara sy azo antoka nefa io antoko io indrindra no tena manilika ny PSD ary indrindra i Fetison. Diso famindra ny tolona t@ ity indray mitoraka ity, ary hitombo indray ny ahiahy ny mpitolona mikasika ireo mpitarika izay tena tsy mazava.
    Raha ny fitondra-tenan’i Ruffine Tsiranana hatrizay mantsy dia tena manohina ny ara-dalana tokoa izy, ary tenamanohitra ny mpanogam-panjakana mihitsy. Nefa toa fitia tsy mifamaly no mihatra aminy.

  • ranavalona dit :

    Ary hataoko f’izaho irery no fanina!!!mbola maro ny tokony hiala alohan’i Ruffine
    kosa angamba ao e!!!tsy haiko aloh!!!fa ahoana kosa no nahilika ny VOT sy ny Gtt ….????
    k’aiza moa no hisy raharaha hanjary???ny hafa ahilika dia ny sonia hatao hanamafisana ny sezan’i domelina,
    sao dia mba tsy mety????na omeo antony mazava izahay fa ny ahiahy tsy hiavanana Tompoko!!!mba mangataka
    fanazavana izahay azafady , sao dia mbola tetika handravana ny tolona ihany izao an!!!dy hataoko angamba fa tsy
    fotoanan’izany izao , sa…???

  • bogor dit :

    Mifandray tsara ny hevitra ry Lazalazao a! tsy fahaizana politika woa no betsaka, ka ny tsilo iray ngezabe tsy afaka, ity koa mbola mitady tsilo hanindrona, mila ady @ vahoakan’ny Sofia.
    Otran’ny fanalam-baraka an’i Ruffine izao, ary fanaovana tsinontsinona ny Filoha Tsiranana izay filoha teana mamim-bahoaka tokoa, tsy sadasada toa an-dRaosy.
    Io woa, na inona na inona ataonareo, na Ramamy, na Hanitra, na i Naika, ry Kotopôka indrindra2, efa miala tsikelikely @n-dRaosy soavaly maty iny ireo, satria tsy handoto tena ho faty pasipaoro aminy eo, de tsy maintsy manomana ny sezany ho avy izy, na izy ireo milatsaka ho fidiana filoham-pirenena, de hanohana izay voalohany eo @ 1ère tour ilay pourcentage kely azo, hahazoana seza dorée @ ilay 4ème répoblika, na hanomana sahady ny terrain @ fifidianana député.
    Ny FJKM angamba sisa, farafanantenana, kanefa betsaka @ mambra FJKM no tena efa leo an-dRasendrahasina @ fandraviraviany vola avy any @ patron hanaovana fitaovana politika ny fiangonana, ary mazava be ireny fanambarana nataon’ireo pasitera lohandohan’ny mpisorona ao @ fitantanana FJKM, ny tsy fankasitrana iny fifidianana farany iny, nandraviraviana volabe tetsy sy teroa t@ ireo mpifidy vaventy, zay mifanohitra tanteraka @ toetsain’ny Baiboly tsy hanaovana malotoloto ao @ fiangonana, de fanontaniana no apetrako @n-dRanavalona. Raha tena mpivavaka marina Raosy iny, olon’Andriamanitra voafidy hitantana ny fiangonana, maninona no vao maika miha-milatsaka any an-davaka foana? Satria Andriamanitra tsy azonareo hatao fitaovana hanaovanareo politika ratsy eo anivon’ny fiangonany. De jereo tsara ane woa e! mbola ho bebe hatrany ny hahazo azy raha tsy mibebaka, ka mametraka an’Andriamanitra ivelan’ny politika ratsiny. Ka raha hitady an’izatsy na zaroa ho coupable nareo, hanamarinana an’i Dadanareo, rehefa Andriamanitra no niditra an-tsehatra nanafay azy ary mbola hanafay raha tsy mandini-tena sy mibebaka, de vao maika hahamay be foana, ary marina ny an-dRana, fa na inona na inona hataonareo, IZAY VOASORATRA DE VOASORATRA FA TSY SANATRIA AKORY SATANA NO NAHATONGA NY SORT N-DRAOSY TOY IZAO.

  • zafindr8 dit :

    Tena mampikotontana antsika fotsiny zao – aiza ny FAT no tsy ahazo vahana. Zao Ruffine ra mivadka de ahoana??

  • KintanaMananDrambo dit :

    Tetika andravan’ny tolona izao raha tsy fantatrao ranavalona â !
    Tetikin’ny GASY be fialonana, tsy manana hazon-damosina sy tia kely ! GASY mba te-hiakatra ambony kanefa tay misavovona no hianihina !
    Taritina hianika daholo ny vendrana rehetra, ary ato dia misy solotenan’ireo !

    Vao misy zavatra kely tsy mahafaly dia ny mamadika no ao an-doha voalohany fa tsy mieritreritra sy manontany tena hoe : Inona ny zavatra tsy mety na diso nataoka ?

    Ny malagasy koa moa efa MALAZA FA OLON’NY FO FA TSY OLON’NY SAINA !!! Asa fo..inona !
    Zanaky ny frantsay marina sa dia toetra ratsy avy amin-dry zareo no nolovaina, fa raha tsy nisy ny anglisy sy ny amerikàna ireo frantsay ireo, dia efa nataon’ny rainiboto mpamafa lalana sy mpandroaka zaoridira !
    Dia izao koa ramalagasy dia tsy mba misy mihevitra an’izay hanavotra ny Firenena, fa sondriana migoka XXL sy Nzama-n’ny karana !
    Raha vao misy mihetsika dia lazain’ilay dondrona fa hoe mpanongam-panjakàna, dia iny koa tsy misy sahy mihetsika !
    Ny mpahay Lalàna moa dia mibizina, ary ny sasany dia tsy menatra manohana an’ireo jiolahy !

    Dia HO AIZA Ramalagasy, amin’izany rehetra izany ?? Mbola ho ela vao ho tafarina ê !!

  • Tahiry dit :

    Tena mirona amin’ny zavatra irian’ny foza mihitsy anie isika izany e !
    -
    Rehefa hoe solina an’i G.r.Randrianarisoa ve i Ruffine Tsiranana dia hoe « ahilika » ???
    Toy izany koa ny VOT sy ny Gtt ???
    -
    Manararaotra tsara i Rainitay fa mandeha any amin’ny tsy izy ny raisonnement ataontsika !
    -
    Efa misy ve filazana Ofisialy milaza fa « nahilika » ireo voalaza ireo, sa ny fijerinareo azy dia hoe « Nahilika  » ???
    Zavatra samihafa izany ! Tsarovy fa tsy hiala mora foana toy izao i Ruffine Tsiranana raha tsy efa misy FIFANARAHANA SY DINIKA natao. Izany no mba fahitako azy !
    -
    Ny tena fahavoazana hatramin’izao dia sarotra amintsika izany hoe MIOVA ZAVATRA VAOVAO IZANY? FA TOA TSY MAINTSY NY EFA MAHAZATRA HATRANY NO TOHIZANA.
    Any ka raha vao misy fihovàna aseho, dia hoe manilika na misaraka, na koa hoe, misy mitady ho sefo indray.
    Raha izaho manokana, dia mba miandry kely aloha, vao mitsara, sa tria tsy misy mahala izay ….TENA FANDEHAN-JAVATRA ANIE E !
    Ary mino aho, fa tsy olona iray na roa nanapaka izany « FIHOVANA »izany, fa dinika nateraky ny olona maro tao amin’ny Mouvance.
    Noho izany mba calme sy cool e ! Aza manaraka ny hevi-dratsin’i Rainitay entina hampiadfiana fotsiny !
    -
    Aoka mba hipetraka amin’ny FIFAMPITOKISANA ny zavatra miseho , fa tsy araky ny fiheverantsika akory NO TOKONY HO HATAO SY tsy maintsy hatao .

  • KintanaMananDrambo dit :

    Izay fifanarahana any ambadika any ry Tahiry, fifanarahany â !

    Tsy mazava ve izany hoe « motifS de remplacement sont nombreux…principalement MAUVAISE GESTION…; nuit ( zara tsy misy hoe gravement ) à l’image du gouvernement et la mouvance.. ». Inona indray no mbola hanampiana an’izany ? Hoe nangalatra koa ?

    Angamba mbola mahay mamaky teny frantsay Ingahy Mamy Rakotoarivelo, fa mba fakafakao anie io zavatra nosoniaviny io ê !

    Mitovy amin’ny fanaovana sonia an’ilay Tondrozotra ihany io, ary koa ny fanaovana sonia an’ireny antontan-taratasy misy hoe : Fitiavana ets…satria efa IVe République ANGAMBA NA HONO, NO HIAINANA !!

    Izay zavatra tokony kianina dia tokony kianina, satria miankina amin’ny izany rehetra izany ny fiainam-bahoaka sy ny fiainam-pirenena !!

    Tsy dia mety ny manaraka na mitsingevana toy ny tay enti-drika fotsiny !

    Ny loham-poza efa hiaraha-mahalàla, ary tsy izay fanesoana ataony ato no jerena, fa ny lalana tokony ombàna !
    Ohatra, ventesin’ilay vendrana ato isan’andro ity raosy-raosy ity, fa ny raosy fantatro, ary anisan’ny tompon’andraikitra an’izao fahoriana izao, dia ilay jamba nivanitika teny Ivato !

    Rehefa tsy mety dia tokony lazaina hoe tsy mety, fa tsy modiana fanina ! Izany amiko no tokony ataon’ny MPIARO NY ARA-DALÀNA, FA TSY TOKONY HO BE KAJIKAJY SY HIDITRA AMIN’NY KAOMIBERAKA LAVA IZAO !

    Raha misy tetika hafa any ambadika any, dia tsy tokony namoaka taratasy toa izao !

    Eritreritro manokana aloha izany ê !

  • ranavalona dit :

    Raha azoko tsara ny fandehan’ny resaka eto dia toa i Guy Rivo sisa tsy latsaka
    anaty vovo ??izay akaikikaiky an’i dada mantsy tsy maintsy JONOINA mora2 aloha
    hatao fitaovana Sy totoatra HIAKARAN’i domelina fa mbola tsy dia ampy izao fahavoazana izao.
    Atao ihany ny tsy hiteny fa efa toa zary fiantsiana ilay izy angamba? dia izay izany!!!iza koa no manaraka???

  • bogor dit :

    Tena mahavaly an-dRangahy tsara KM ry Tahiry a! tsy misy zavatra efa nifanarahana izany, fa raha izay no tranga, de mety ho nalefa t@ poste hafa Ruffine, na tsy nalaina baraka woe tsy mahay mitantana, midika izany, fa efa consommé ny divorce-ny mouv Raosy, sy Ruffine. Mahay politika ve ny olona mitady fahavalo lava, jereo fotsiny fa na iza na iza te hanantona an’i Andry, na opposition io na olona tsotra, de raisiny mihitsy ao an-dapa. Efa be ny problema ialam-bahaolana, ka ny olona mahay politika tsy mitady fahavalo izany. Fa io avonavon-dRaosy foana io, rehefa tsy mifanaraka @ eritreriny, de dakao any io fa tsisy dikany. Zay foana le méthode n-drangahy io, tsy misaiana akory izay ho vokatry ny fanapahan-kevitra raisiny, fa tonga de pan, hany ka efa mahita ny vokany vao mandraingiraingy. Tsy hitany ireny fanapahankevitra marobe noraisiny tamin’ny havonavona sy ny fiheverantena ho dadany ireny aho, fa novidiany lafo de lafo ohatra ny fanambaniany sy ny fanaovany tsinontsinona ny miaramila, ary na de io Rakôsta miantsy ady @ miaramila lava io aza ane, tsy fantatry ny zanakosy vena, fa vao maika fomba entin’ny fitondrana hanapotehana an-dRaosy daholo, de mitehaka be ery nareo, rehefa mikôzy Rakosta, kanefa ny but n-DRakôsta de ny hanimbana tanteraka an-dRaosy. Politika io ry Zanakosy ô! Henjana be ny légions n’i Andry, na anatiny na ivelany, ary lany andro sy lany vola fotsiny Raosy, satria tsy manana éléments matanjaka, ary ny tsara aza itony, vao maika dakana indray, raha tsy resahana io tsy fahaizany mitantana io fa ny ny poids sy ny image-ny no jerena, de mbola tsy fahaizana politika foana io. Iray ihany angamba no mba Ravalomananiste tena izy tsy mifangarongaro, de lay rangahy be tonga ao @ magro isanandro iny, fa sisan’izay misabaka daholo, fa raha miverina dada, de dadanay, fa raha tsy miverina de raikely, ka mazava be ny politika ry sagnagna fa RAHA HO FATY AHO MATESA RAOSY HOY IREO MILAZA FA BRAS DROIT -NY IREO A! Mba misaina woa, fa ao anaty politika ao no tena ahitana fingapingana sy laingalainga marobe hanapotehana ny adve, ary zay no tsy mahadakôro anay mihitsy woe, tsy miaraka na oviana na oviana ny politika sy ny fiangonana.

  • VALO dit :

    Zava misy avo lenta politika dia manahirana. Toa variana mampiady an’i Raosy sy Radomelina fotsiny ny ankabeazan’ny olona. Hay i Rapierrot sola efa mifaly avanja atsy ambadika hoe : ao izany.
    Double jeu an’i Rapierrot sola dia tena henjana mihitsy ary mampiditra adim-poko ngeza be.
    Io ahitsana tsikelikely io ny ampivoatany.
    Maika ery izy hanao ny « ni… ni… » adeversaire anankiroa lehibe. dia io lotoiny indray Ramamy hoe nanala unilatéral an’i Ruffine, satria i Fetison koa latsaka ho azy @izay.
    Izy koa no tao ambadika nanala an’i RAJEMISON tany Suisse.
    Raha tadinareo ange izy vao tonga niteny hoe : « ady zareo samy merina ireo… ».
    Dia tohizany tsimoramora ilay tetika, sady mampirisika ny ato @ Radomelina izy hanao erreur no mampirisika koa ny atsy @ Raosy hanao erreur koa. Dia @ izay mieritreritra ny hanjaka…
    Nefa anie ka ny volam-bahoaka t@ izy VPM no hanaovany an’izany rehetra izany e !
    Ianareo izay manoana an’i Raosy na i Radomelina dia aoka samy mailo fa i Rapierrot Sola no hahazo tombony……

  • ranavalona dit :

    F ‘ aiza koa ary Valo izany ???misy marina ny voalazanao fa sao kosa ianao
    diso adresse??zanak’i dada anie ny ato e!!!FILOHA RAVALOMANANA Marc
    lanimbahoaka izy fa tsy Raosy, dia misaotra @ fampahatsiahivana, very kapoaka angaha ranamana???
    @ sisa mba jereo ihany izay asiana ny tongotra indrindra raha mbola sy tena be bôty hoy Kintana izay.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

*

Switch to our mobile site