30 pensées sur “Filoha RAVALOMANANA TAO AMBOSITRA : HOAVY TSY HO ELA AHO”

  1. miandry tompoko ô !!! tongava soa, tongava tsara, mila filoha ny firenena fa ny kifilohaloha tsy mahavita azy. Mijaly ny vahoaka Tompoko fa faingàna !!! mandeha ny fotoana, ritra ny vilany, lasan’ny foza-potaka ny laoka.
    Miandry e !!!! mba lazazao mialoha ho-tsenaina. Enga anie….

  2. tonga Soa ianao ry dadamalala ! heniky ny hafaliana izahay , fa izao DADA .hadinonao angaha ffa mbola itony Foza adala itony no eto amin´ny tánana. efa miketrika ny ho ataony sy hanakanana anao indray zareo ireo, ary ny tafika.

    Sao DADA ,ka miketrika ny hamonoana anao mihitsy ny hevitríreo. Ka mailo, mailo ,mailo re ry dada ,aza mandihy tsy afa-tavony, .izahay te hiaro anao, fa ny an´ireo Foza anie ny planina efa vita mialoha , ka na ho eo aza izahay ,tsy manana basy tsy hiatanay izay atao.

    tsy matahotra SADC sy convention izny ny Foza, adala sy misary adala ireo . Sao iano hendry ry Dada ho voafitaky ny adala.

    efa misy rafitra mipetraka ve momby ny fodianao sy fiarovana ny ainao, Sa eritreritrao te hody foana ry Dada.
    miaraha miditra aminá filoham-pirenena afrikana ianao dia tsy ho sahin´ireo., Aza miditra ay irery fa miaraka amin´ny tafika vahiny .

  3. Ny vorondolo, « oiseaux de mauvaises augures » tsy maintsy eo foana !
    Tandremo ry Dada hoy ry zareo ; izahay vorondolo dia mampitandrina foana fa tsy mahazo miverina ianao satria tianay laotra ianao, ka sao dia misy hamono eo ! Betsaka aminay voalavo tsy maty an-kibo no tsy mankasitraka ny hiverenanao satria na dia maminay be aza ianao, tsy hilamina ny tany rahatoa ka eo ianao !
    Fahavoazana be mihaotry ny mahazo an’ny vahoaka malagasy amin’izao fotoana izao hono, no hitranga rahatoa ka miverina eo ny Filoha mamim-bahoaka !
    Tsy ampy amin’ny vahoaka angamba izao fa mbola misy « TAY » hoy aho hoaniny ! Tsy izay foana ve no noventesin-dry zareo hatr’izay ? Tsy nisy intsony tay sy amany azo hoanina tamin’ny andron-dRavalomanana, ary izao mafilotra daholo izay hita !

    NO IZANY, MAZOTOA OMANA DAHOLO TOMPOKO Ô ! AZA MISY BE KIREDY HOE, TSY ALEHANY IZY IZANY !!

  4. Efa misy rafitra matipaika hiarovana ny ainy ry hitsikitsika a, ary tsy hisy mpanelingelina izy dia ao Tsiafahy izany a, sa raha mba te hitsangatsangana dia azo alefa eny Nosy lava koa izy.

  5. Ela no nahenoako ambatobevohoka fa tsy mety teraka. Ho avy aho, mampanonofy ny zanaka anelakelatranony fotsiny. Tongava soa Raosy, hotsaraina de avy eo hogadraina a! ho aiza @ herin’ny Zandry sy ny tafika ary ny vahoaka eo ny volan-dRaosy, raha io fananam-bola io foana no hampisehoana hery e! tsy hahavoavidy ny gasy 20 millions tsirairay tsinona. Hahita olona vendrana tsy nianatra hitono tena otran’ny lolofotsy aho marina. Mbola ho aiza ny hanaovan’i Zandry an’io e! efa sesitany telo taona sy tapany izay, de mbola hitsapa indray an’i Tsiafahy, fa efa nahita kely an’Antanimora. Aza mandrevirevy re Raosy, fa hamay be nareo a! kôzy e!

  6. Inona ary ity???fa ahoana no ……?????f’ angaha tsy…….????
    hamafiso ny finoana fa tsy an’i foza izao tontolo izao, aoka isika
    hametraka fahatokisana @ dada sy ny ao AMBONY!!!rehefa hilingitra ny foza dia avelao ho
    raikitra izay ho raikitra, ny vahoaka koa efa maimbo rà fa iza anefa no ho voa eo raha raikitra io???
    ho hafenina aiza daholo ireto tranon’alatra sy fiara sns….ny vady amn-janaka angaha tsy hivoaka ny
    trano???matatesa fa ny vahoaka koa efa tsy misy hantenaina intsony fa avelao hipoaka rehefa tsy
    mahay miaina.

  7. misaotra anao filoha Ravalo mankasitraka anao ny mponina ao manakara mila anao ny vahoaka malagasy mivavaka ho anao mianakavy ny tenanay mirary anao ho tonga soamatsa antany ndrazana miandry ny vahoakanao fa minjaly @ tany tsy misy filaminana tsy misy fanjakana i madagascar hatraminy nialanao fa mpameno paosy no misy olona tsy mataho tody reo ny antsika de ny minoa hiana tongava soa mr preziden lany ny vahoaka ary mamy ny malagasy izay manana ny marina fazay tsy tia dravalo de ny olona mpameno paosy tia tena tsy ilainadriamanitra ny tiatena .

  8. Je propose qu’on ecrit au bureau de liaison de la SADC à Tana en mentionant les points suivants:
    a./ Désormais on sait qui bloque la situation.Donc, il faudrait que le Chef de liaison fasse comprendre à Rajoelina qu’il n’y ait que la FDR comme institution juridique en vigeur et qu’on soit censé l’appliquer.
    b./ Toute tentation de contourner cette procédure ferait l’objet d’insubordination et par voie de conséquence de sanction.
    c./ Comme convenu, la non-application de la FDR entraînera un changement au niveau de la présidence de la transition et à la volonté politique du bloc économique.
    d./ Comme substitut, on pourrait citer les noms suivants: Pr Ranjeva, Prince Zafimahova et Naika Eliane.

  9. Izany mintsy Ranavalona a.Avelao marina hilingitra eo raha sahy,Hahita an zany fitsaram bahoaka zany.Zareo foza anie no matahotra ho very fihinanana fa ny ankamaroan ‘ny gasy efa ela no niandry fotsiny an izany fiverenan’ny filohany izany.Izy filoha no tsy hamaly faty fa ny vahoaka nohosihosenareo koa efa miandry anareo ka.Samia tsara.Ho sahirana ny rasilinareo oe iza ary no ande hoarovany am nareo mianakavy!

  10. Miarahaba anareo rehetra ato@fb, dada Ravalo ty manoratra ity,faly de faly ny tenanko raha mahita nareo manome fitiavana sy fahatokisana ,manantena ao fa mbola tianareo ny ronono tiko ary mbola maro dia maro ireo mbola manantena ny fisokafany magro,ary koa ireo tanora mankafy ny lalana rehetra zay nataonay niaraka t@kelymaso(sinoa io )ny sinoa mantsy sexuellement ry zareo micolonisé tany ,ny vozongo kosa dia @alalany basy micolonisé ,Ravalo miara miasa @plaisir fa tsy miara miasa@basy,tsika olon’Andriamanitra raha dia mihantsaravelatsy aza.Matokisa fotsiny nareo fa hiverina tsy ho ela ny plaisir.

  11. izaho no tena dadavalo ry raplaisir a. faly dia faly aho mbola mahita anareo mbola fanatika ahy ary mbola manao andriamanitra ahy satria izaho izany mihintsy. tsy maintsy mody aho ary tsy maintsy milatsaka satria raha vao tsy afaka milatsaka aho dia tsy maintsy higadra amin’ireto volabe nangalariko ireto, sy ireo malagasy maro naripako ny ainy.

  12. tohiny, mbola dadavalo ihany ity, tsy maintsy hatsangatsika ireo magro reetra ka ianareo eto am magro aloha mbola tsy mahazo raha tsy miverina ny volako lanin’ireo mpitarika tsy mamokatra ireo, ianareo aloha mitadiava toerana eo am sisin’ny ranomaimbo behoririka eo mivory fa alaiko ny taniko, izaho aza izao mbola hitady tani-mpanjakana hafa hangalarina…

  13. … Ireo hopitaly manara-penitra natao teo am taniko io aloha dia tsy maintsy ravana teo, fa tsy hopitaly izao no mahamaika fa ny volako mila miditra…

  14. … ary i Tojokely aza misy mikitikitika intsony fa aleo izy hamerina hanondrana BDR, fa manjary mihani-kazo ao Antsirabe ao fotsiny.

  15. …ary inareo fanatika ahy ireo rana sy ry KM.. raha vao misy manaratsy ahy dia fongory fa izaho ange no andriamanitrareo e…

  16. …efa miresaka amiko ato izao ry Botozaza, Kotovelo,hanitra… mangataka vola amiko indray ry le vendrana, kanefa 3 taona izay nomena volabe tsy mbola tafody ihany aho.
    Nompaiko amin’ny reniny daholo aloha fa nandreraka ahy, toy ny fanompako ireo miaramilako sy ny minisitrako taloha ireny e…

  17. …aza tezitra ianao ranavalona fa toetrako tsy azo hovana ireo fa Tadidio fa Andriamanitrao ange izaho dadavalo e… tsy afa miala amiko ianao ary fantatrao tsara ireo habibiana izay nataoko ireo..

  18. Milaza azy ho Andriamanitra indray koa ilay désir mpisandoka ny Dadanay io.

    sao kapohin´andriamanitra tahaka ilay minisitra maty omaly io, koa fa maniratsira ny anaran´i jehovah Andriamanitray.

    Ny Dadanay tsy be vava sy be lainaga tahaka anreo Foza mianakvy izay efa miforin-drambo ankehitriny fa ho tapitra ny tanataranareo Foza.

  19. Enao anie ry Dada nitsaoka anay e ! Izahay ve rangaha niaritra ny hatsiaka sy ny orana teo IAVOLOHA mba hiaro anao @ foza ary nanamafy enao hoe tsy misy miala zany eo na ho faty aza….
    Dia faly ery zahay hoe zany ka lehilahy…
    KINANJO hay enao efa tany SWAZILAND tsy niteny taminay akory hoe ndao aho hatero fa handeha…
    Teo zahay vao tonga saina hoe sarimbavy kay le rangahy ity , lâche kay le rangaha ity…
    De zao dray enao isaky ny hoe ho avy de atao tapage be hoe tsenao za…
    Fa ahoana ihany zany e ?
    mandeha enao tsy milaza koa ho avy voa hoe avy aty. Tena adin’ny kanosa ny anao zany an !Zahay zany no asainao ho vonoin’i Bombman eo … Tay tsy anao zahay
    Enao olona nofidim-bahoaka , tena mamim-bahoaka koa inona no nitsaokanao e ?
    Aiza no misy commandant-na sambo ka izy indray no mitsaoka aloha fa avelany eo ny olona hoentiny. Tsy lehilahy zany olona izany.
    Tsy maninona aloha fa rehefa mahazo vola zahay avy any aminao de revenay foana io. fa ny mapalahelo ange ka zalahy sy i Zavavy mmpisolovava no lasa miliardaire nefa tsy misy résultat akory e! Fitahiny eo ianao dia mahazo vola ry zareo .
    hatreo aloha fa lany ny androany rahampitso indray

  20. …Hitsikitsika a, ra8 ihany no andriamanitrao fa aza miteny ny hafa e., tiavo izy ary miraisa tsikomba aminy amin’ireo malagasy novonoiny ireo.

  21. Sorona ankolaka izao fa isika variana, dia fantatrareo ny antony,
    Ho fanakanana io fahatongavan’i dada io no hivoizana izao vono olona izao,
    MAZAVA be!!!tsy mbola nisy izao teto @ tany sy ny fanjakana, sady famonoana ankolaka ny manam-boninahitra
    fa efa be loatra ireo fatina manam-boninahitra tsy dia hita ANTONY loatra , izay hatahotahorana dia AJEDAKA fa
    ilay Ramenabila dia tsy iza? ary sy aiza?? fa IO AO AMBOTSIROATRA io.Izany hoe mitovy fiasa t@ ilay 7 fev,
    asaina mamono aloha dia avy eo VONOINA sao mivoaka ny MARINA, asainy VONOIN’IREO DAHALO ALOHA
    ny ZANDARY dia avy eo…………fomba fiasa efa hita t@ fanonganam-panjakana izao ray olona fa aza mety azon’
    ireo rebirebena intsony a!!!mbola ao koa ny antony hafa ny tahotra @ teti-dratsy rehetra kotrehiny dia vonoina aloha
    izay mety ho hanembatsembana ny LEHILAHY izany sao mitraotra.
    Dia mba aiza izay fitsarana na fanarahana izao vono olona izao na inona na inona antony tsy fanao izao ary misy
    lalana mifehy an’izao fa tsy valala samborim-boka akory ilay olona.

  22. Marina ny anao ranavalona ! Tsy fokonolona izany mihintsy no namono an’ireo voalaza fa dahalo ireo ! Toa mbola betsaka ihany no manaiky fahanan-dalitra !
    Ny ady an-trano nokotrehan’ny sasany hatry ny ela (fototr’ilay fanonganam-panjakàna) ary efa mandondòna eo antokonam-baravarana, no tokony himasohana, fa tsy hitsikera amin’apa izay voasoratry ny mpiaro ny ara-dalàna !
    Mampalahelo !

  23. Raha ny hevitro manokana dia tokony hiray hina hatrany ohatran’ny hery velona tamin’ny 1991 ny mpandala ny ara-dalàna rehetra.Tokony hifanantona ny ankolafy manohana ny fiverenan’ny filoha Marc Ravalomanana.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *