HIVERINA HITANTANA NY TIM INDRAY RAVALOMANANA

ivato1JPG

Nigadona teto  an-tanindrazana ireo delegasiona avy amin’ny Ankolafy Ravalomanana, avy tany Afrika Atsimo, izay nahitana ny filohan’ny kongresin’ny tetezamita Rakotoarivelo Mamy, ny filoha lefitry ny filankevitry ny tetezamita Razafimanantsoa Hanitra, ny Praiministra lefitra misahana ny indostria sy ny varotra Botozaza Pierrot, ny ministry ny varotra Olga Ramalason, ny ministry ny fambolena Ravatomanga Roland. Efa niatrana mialoha teny anefa ny herim-pamoretana, izay nahitana fiara 4×4 efatra feno miaramila mirongo fitaovam-piadiana, 4×4 iray feno Fis, ary fiarabe feno miaramila. Niely mantsy ny feo fa ho avy ny filoha Ravalomanana Marc. Niditra tany amin’ny seranam-piaramanidina mihitsy ireto miaramila ireto.  Midika izany fa matahotra tanteraka ny filoha Ravalomanana ny fat. Tsy tafiditra tao amin’ny efitrano fandrasaina ireo manam-pahefana ireto delegasiona ireto, fa teny ivelany seranam-piaramanidina no nitafa tamin’ny mpanao gazety. Nambaran’ny filohan’ny CT Rakotoarivelo Mamy, fa mampalahelo fa heverina fa fihantsiana izao atao izao. Tsy mila ady izahay hoy izy fa entinay am-pahendrena izany. Nantsoinn’ny filoha Ravalomanana izahay dimy mianadahy ho any Afrika Atsimo. Ny zavatra noresahana tany hoy izy, dia mihakasika ny firafitry ny antoko Tiako i Madagasikara na TIM. Efa akaiky ny fifidianana, ka ilaina ny fametrahana ny ambaratonga rehetra any amin’ny fototra. Atao ihany ko atsy ho ela hoy Mamy ny kongresin’ny antoko TIM. Fantatrareo tsara hoy izy, fa tamin’izy filoham-pirenena dia niala tsy ho filohan’ny antoko satria tsy mifanaraka amin’ny lalam-panorenantsika izany. Amin’izao fotoana izao dia tapa-kevitra ny tenany fa handray ny fitantanana ny antoko TIM ary izy no filoha nasionaly. Ankoatra izay dia nohararaotina io dianay tany io hoy ity mpanao politika ity, nifampiresahana tamin’ny filoha Ravalomanana momba ny fivorian’ny Sadc ny 17 sy 18 aogositra teo tany Maputo. Mazava tsara hoy izy ny zavatra tinapaka tany. Eken’ny Sadc ny fanaovana fifidianana filoham-pirenena amin’ny 08 Mai ny  sy 03 jolay fihodinanana faharoa raha hisy izany ary ny solombavambahoaka. Teo ihany koa ny momba ny fodian’ny filoha Ravalomanana. Hisy ny iraka hanao tombana avy amin’ny Troika amin’ny herinandro ambony io, handinika ny hoe ahoana ny fodian’ny filoha Ravalomanana, mety hiteraka korontana ve sa tsia? Raha sanatria ka mety hisy korontana dia ahona ny hisorohana izany . Ny fantatra hoy izy dia sy maintsy mody Ravalomanana, ny fanatanterahana ny voalazan’ny troika dia 30 andro na 60 andro taorian’ny fivorian’ny Troika tany Maputo, izany hoe ny 18 oktobra hoy Mamy no fantatra ny fanapahan-kevitry ny Troika.  Misy ihany koa hoy izy ny hoe hilatsaka sa tsy hilatsaka. Ny tenako hoy Mamy dia nanatrika ny fivoriana indroa miatoana tany Seychelle. Ny mahavariana anay amin’ity resaka ity, dia raha nivory ireo filoham-pirenena sy filoham-panjakana 14 ao amin’ny Sadc ny 17 sy 18 aogositra teo dia ny 2 tamin’ireo no nanao io Ni.. Ni..  io. Anisan’ireo hoy izy ny ministry ny raharaham-bahiny maorisiana sy ny filoham-pirenena Seychellois. Ireo sisa kosa dia nilaza fa malalaka sy  demokratika ny zavatra tanterahana any. Mampalahelo hoy izy ny fihetsika toy izany fa izy ireo indray no sakana amin’ny famahana ny krizy eto amintsika. Nifanindry tamin’ny dianay tanyPretoria ihany koa ny fivorian’ny Troika tany Tanzania omaly hoy Mamy,ka mbola nanamafisan’izy ireo ny zavatr atapaka tany Maputo farany teo. Milaza ny Sadc fa tsy azo avela mihitsy i Madagaskara fa tsy maintsy hitadiavana vahaolana maharitra.

5 pensées sur “HIVERINA HITANTANA NY TIM INDRAY RAVALOMANANA”

  1. Tenez bon Monsieur Mamy Rakotoarivelo.
    Vos efforts contre vents et marées, trouveront confort et recompenses !
    Vous les meritez ! Oui vous les meritez largement, plus que n’importe qui !

  2. Aoka isika samy ho mailo, ramatahora no betsaka. Raha manana hery sy paik’ady ny tafika dia ny hamongorana an’i Remenabila sy hampilamina ny tany no tokony ataony sy ampiasana fitaovana harifomba sy miaramila 100 camions. Fa hita hoe tsy misy paik’ady mihitsy fa bodongerona sy ramatahora fotsiny. Lalao Ravalomanana aza nody taloha teo, niantso izay noheverina ho tompon’andraikitra ny pilote AIRLINK hoe « azoko entina ve? », ka maika fa ny filoha Ravalomanana!tsy olona tsotra izy fa manana ny mahaizy azy ka hoe sao dia ao anaty avion ao, ireny ilay atao hoe vonovorona te-hilaza hoe modia eo ange é!, saingy tsy vitan’ny bodongerona izy ity fa ho hitantsika eo ny tohiny, samia ho ela velona tompoko!

  3. …Aiza ihany ianareo ry kotovelo fa toa tsy hasian’ny olona sira mihintsy a.. ianareo sady pdt CT no vice PM, antsika anie ny fitondrana anefa na salon d’honneur na ny vahoaka toa tsy misy mitsena anareo.. maty aty ihany aho marina.. dadavalo

  4. Tena mba gaga mantsy aho ry Amstrong !! mba tė ho derain’i alika hoe e!!!
    bizina koa ny azy fa efa firy miliara no miraraka @’ireny kosa aloha hi!hi!hI!!!
    maty karana kely !!!ireo no tena mampiasa sy mividy ireo alika dia ireo fa na ireo miseho ho mpitondra aza tsy mahalala ny
    zavatra hataon’ireo, i Berizika aza moa dia VONGANY be ,tsy misy hilana azy mihintsy,dia mibodo toerana manome litika
    fotsiny.
    Tena mba Gaga koa aho hoe: tonga kisokosoko toa ireny tao i dada ?????

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *