MILAVOLEFONA NY VAHOAKA

dahalo

MISY ANTONY LEHIBE TOKOA NY MAMPIFIKITRA IREO MPITONDRA AMBONY EO AMIN’NY SEZANY AMIN’IZAO FOTOANA IZAO, LEHIBEN’NY FARITRA EFA SEMBANA ARA-BATANA (sy saina koa angamba?)MBOLA MIFIKITRA AMIN’NY SEZANY EFA HO ROA TAONA IZAO :

Sakoroka tao amin’ny région Amoron’i Mania ny talata hariva sy
Alarobia maraina  5 septembre izao. Miady ny ekipan’ny lehiben’ny
faritra sy ny CST iray avy any Ambatofinandrahana mikasika ny
fitrandrahana vatosoa any amin’zany distrika voalaza teo izany!
mangalatra sy mangorona ny harempirenena no tena anton’asan’ireo
lazaina fa mpitondra ambony amin’zao fotoana izao koa dia tsy menatra
intsony fa hitambahoaka miady hena eny amin’ny arabe! aiza moa no tsy hijaly
ny vahoaka satria tsisy mpahita intsony ny fahoriany fa variana
mandroba firenena ireo mpitondra fozaorana rehetra!
Efa hoavy tokoa moa i Dada ka araraotina faramparany aloha sao tsy
hisy villa hatsangana intsony mandritra ny fotoana ara-dalana
ny mampalahelo dia tafiditra miray tsikombakomba manampy ny lehiben’ny
faritra amin’izao raharaha maizina izao ny Fitsarana aty Ambositra!

Milavo lefona ny vahoaka

Jereo fotsiny ity nitranga ny alarobia 5 septambra tany amin’ny distrika
Fandriana commune Sandrandahy fokontany Ambohibeloma ity: dahalo
ampolony milanja basy mahery vaika sy mitondra lefona (izay lanjainy
sy ahodiny toy ireny miaramila manao matso ireny……..) no nandroba
ny ombin’ny tantsaha nahatratra dimampolo mahery ka nojerempotsiny toy
ny tany nahalavoana.Izany fandriana izany raha lazaina amintsika
dia faritra tena maitso, milamina ary tsy hanampo izany asan-dahalo
izany ny olona,indrisy anefa fa noho ny asan-devoly nataon’ny
mpanongampanjakana dia tena milavo lefona ny vahoaka sy ny mpitandro
filaminana noho ny herin’ny malaso

16 pensées sur “MILAVOLEFONA NY VAHOAKA”

  1. I ravalomanana no anarany ao afrique du sud izy no mibaiko an’ireo dahalo,rehefa ny mission n’ireo daholo sy ireo mpanao gazety mahazo liberté d’expression manararaotra milaza lainga karazany dia hiverina eto mada izy @octobra.

  2. Ary Inona no mba kabarin’i « Baomba » amin’izao zavatra izao ?
    Sa faly fa mamono ny malagasy MADINIKA ny miaramilany ?
    Sa velo-pialonana izy fa tsy nandray anjara tamin’ny famonoana ?
    Ny madinika sy ny vahoaka miady ho an’ny marina ihany no hainy voniona amin’ny baomba, kay bedy tany amin’ny UE, fa mampiasa tsy ara-drariny lacrymogene.
    Izany oa ! Rehefa avy mametaveta ny ankizy vavy madinika (pedophilie) dia izao maono ny tovolahy madinika sy tsy misy fiarova-tena izao indray ! Tsy fiantso ho olona mihitsy ry tsy vanona ireo .

  3. ..ravalo ihany ity.. Tahiry oa mba manaova action, fa raha tena tia ahy marina ise dia mila manao vy very ny aina fa tsy be vava eo fotsiny, mitady ho gadrain’ny aty Sud Af aty ange izaho amin’ireo crimes nataoko e, fa mba mihetseha ianareo e, ireo dahalo ireo aza mba mihetsika ihany fa tokony hiara-hiasa amin’ireo isika, ny ministra tsika iray Ihanta izao efa mamporisika ireo dahalo ireo hamono ireo vahoaka malagasy ireto, koa ianareo indray no tsy sahy amin’izay lacrymogene.. izay aloha fa veloma daholo… dada8 andriamanitrareo ihany ity

  4. Nahasahy niteny Rajoelina teo imason’i Jacob Zuma, sy ny filohan’ny Seychelle woe:  » AFAKA TSY MILATSAKA HO FIDIANA AHO NOHO NY TOMBONTSOA AVON’NY FIRENENA, FA MBA MIANAGAVY AN-DRAVALOMANANA TSY HODY RAHA TSY AORIAN’NY FIFIDIANANA, MBA HISIAN’NY FITONIANA, SY HAMPITSAHATRA ASA FANAKORONTANANA », mahasahy miteny zany Zandry, fa raosy mihitsy no fototry ny asa fanakorontanana ao an-tanindrazana ao, tahaka ny nataon’ilay AMIRALY ROUGE, nanapoaka tetezana sy nanao barrage économique. De nolavin-dRaosy marindrano io, ka tezitra mafy Zuma, fa ny sezany foana zay tsy ho azony intsony no mahafaty azy.

    Raha mahatsikaritra nareo ry Désir, de miverimberina foana ao anaty kabarin-dRaosy, @ maha MPAMONO OLONA AZY le woe:  » EFA NOMEKO ANAREO NY TOROMARIKA, FANTATRAREO ZAY TOKONY HATAO ». Angamba defa adala sy indrakondrafana, zay tsy mahazo ny tian’io LEHIBEN’NY DAHALO io lazaina. Mbola tsy tonga @ tanjony aloha Raosy hatreto, @ famatsiam-bola ny asa fanakorontanana sy asan-dahalo, satria ny hahatonga an’i Madagasikara ho Somalie no tanjon-dRaosy, hahafahany miverina mora fotsiny, ka ataony aloha zay haha KO an’i Madagasikara, de hihorakoraka izy avy eo woe, izy no vahaolana.
    Fantatry Raosy tsara anefa fa henjana ny ADVE-ny ary tena hatahorany mafy, fa mamay izy raha vao mitontona ao Dago ny tongony. De aza manantena re ry Zanakidada fa dadanareo iny Rainitetaka sy lasan-ko vavany fotsiny a!

  5. POV CON!!MAHONENA!!!
    efa hainay tsianjery ny fiasan’ny Satana fa ny RATSY HATSARAINY dia ny TSARA
    HARATSIANA koa aza misy taitra intsony ray olona fa izao o fomba fiasan’ny DEVOLY a!
    Avelao hiakapokapoka eo,sao mbola misy azo fahanana LALITRA ETO KOH!!!!hi!hi!hi!!!!!

  6. Tsianjerim-poza=fanaratsiana Ravalo… afaka tsy milatsaka i Domelina satria refa mandeha eo ny fifidianana di 0.5% no vato azony… fa Ravalo mbola 1è twr de viat koa mazava loatra ny resaka ry bogor rabe vôpl à!

  7. Tsisy manakana an-dRaosy tsy hilatsaka. Tena tianay izy raha milatsaka, ary tena hilatsaka tokoa ane e! telo taona izay efa nilatsadatsaka, de izao vao tena hilatsaka, ka hahita izany woe, Tsiafaha, lavaka be mampilatsaka. Hi!hi!hi ; manopa ve Rana refa tonga fofona a! ndana aloha mi-douche kely, mba hanalana le fofona e!
    Ny tena hahafantarana ny ratsy Rana, de zay mandray ny valin’asa ratsiny sahady ety an-tany a! De iza ary le olona nandray ny valinasany ô? Sao de mba dadadadadada aza!!!!! tsy haiko aloha e!

  8. Azafady re ra bogor fa milaza zavatra tsy misy fahamarinany mintsy ianao de hiteny kely aho:raha mijery ny fiainan’ijesosy Kristy ao anaty baiboly enao,zavatra tsara sy fiantrana sy famonjena no nataony,nefa inn no valin’asa noraisiny?nalam-baraka,notevatevaina,nororana,…de nohomboana tam hazo fijaliana ny farany.Dia toy izay koa ireo mpianatra nanara dia Azy:RY Paoly,ry Petera,izy reetra noenjehina sy nogadraina,notoraham bato…voatery mitsoaka mifindrafindra toerana foana noho ny fanenjehana;fa tsy nampivadika azy izany,vao maika ary izany nahatonga azy ireo nifikitra kokoa tam io Andriamanitra Tompoiny io.Dia mampahatsiahy ny zavanisy tam 17mars 2009,nisy mpanompon Atra nampijalian ny ratsy fanahy,tahaka ny nanaovana ny mpanara dia ny Tompo hatram zay.Ny Devoly ihany,izay tsy tonga raha tsy hamono,sy handringana ary handrava,no faly am ireny zava niseho tam 17 mars ireny,ny ankoatr’zay de nalahelo.Ka zao,mahasahia hatram farany milaza izay tena toetrareo e.Aza miampanga(mbola spécialité an devoly koa io)olona ary ananona ary fa zavatra efa nataonareo de assumer o.tsy maintsy ho eto daholo ange tsika reetra hahita ny tohin’ny tantara e.Zao koa zao ny namanareo mpivovo be tam 2009 efa lasa mialoka any am sud af ,de mbola hitanatara b ny zavatra reetra nafeninareo koa.Efa lasa manaonao foana tsy mahalala menatra intsony,ka hadino hatrm hoe principe d’extra territorialité n’ny ambassade.lasa ridicule be .

  9. Ampahalalao azy kely Soapeta fa tsy izy no tompony na ilay DEVOLY TOMPOINY a!!
    Miakapoakapoka fa efa hoa avy !!efa miala any!!!

  10. Fandriam-pahalemana : efa mifamono ny Malagasy (sary mahatohina)
    Ny mpangalatra indray izao no avo vava (+vidéo)
    Faditseranana : miroso amin’ny fitokonana lavareny ny ao Toamasina
    En attendant les présidentielles- Le président Marc Ravalomanana reprend les rênes du TIM
    05/09/2012: Fil infos Ivato Aéroport (+vidéos)
    18 Aogositra – 18 Oktobra : tombontsoan’iza ny tsy fandriampahalemana ? (+vidéo)
    VAOVAO FARANY
    Anosy : Face à l’inertie de la HAT, le « fitsaram-bahoaka » gagne de l’ampleur (âme sensible s’abstenir)
    FOLM : zo fototra ny fananana fonenana mendrika (+vidéos)

    Madagascar : 1271jours de dictature. La liberté d’expression est en danger à Madagascar : la Radio Fahazavàna est toujours séquestrée, des prisonniers politiques croupissent illégalement dans les geôles des putschistes, l’opposition est bâillonnée. Libérez la démocratie ! Madagascar : 1271jours de dictature. La liberté d’expression est en danger à Madagascar : la Radio Fahazavàna est toujours séquestrée, des prisonniers politiques croupissent illégalement dans les geôles des putschistes, l’opposition est bâillonnée. Libérez la démocratie !
    Fandriam-pahalemana : efa mifamono ny Malagasy (sary mahatohina)
    En direct de MadagascarPlusZava-doza no mitranga any amin’ny distrikan’i Betroka amin’izao fotoana. Raha ny fampitam-baovao dia namaly faty ireo dahalo taorian’ny fotoana voalaza fa nanaovan’ny fokonolona haza lambo ireo naman’izy ireo ka nahalavo ny 86. Araka ny vaovao voaray hatrany dia toa manodidina ny 50 ireo mponina nataon’ny dahalo vono moka ary tena feno habibiana ny fomba nanaovana izany. Efa mandrahona ny mbola hanohy ny valifaty ihany koa anefa ny andian-dahalo iray, izay tarihin’izany antsoina hoe Menakanjo izany, noho ny nahafaty ny namany fito tao anatin’ny fifanjevoana tamin’ny fokonolona. Vokatr’izany rehetra izany dia mihorohoro tanteraka ny mponina any Betroka sy ny manodidina.

    Ankoatr’izay anefa dia dahalo 800 be izao no indray nanafika an’i Bekijolo omaly. Bekijolo dia tanàna iray mbola ao anatin’ny distrikan’i Betroka hatrany. Omby 400 no indray lasan’izy ireo nadritra izany fanafihana izany ary raha ny vaovao voaray dia 30 monja ireo zandary izay mbola manaraka ny dian’ireto mpangalatr’omby ireto amin’izao fotoana.

    Mandritra izany …
    Ampiana 600 ny mpiambina an-dRajoelina sy ny mpiara-miasa aminy. Ny 100 amin’ireo dia polisy avy amin’ny GIR teo aloha. Ity hery vonjy taitra iray ity dia natsahatra taorian’ny fihetsika tsy mendrika nataon’izy ireo tamin’ny namoahany ny namany teny amin’ny fitsarana raha voarohirohy tamin’ny famonoana olona izy ireo. 200 kosa ny zandary ary 300 ny miaramila. Araka ny fantatra ihany koa dia hanatevin-daharana ny DST sy ny CIS ary ny rezimanta miaro ny ao Ambohitsorohitra sy Iavoloha izy ireto.

    Fehiny …
    Tsy misy lanjany amin’ny FATE ireo zandary sy miaramila miaritra ny mafy amin’ny ady ataony amin’ny asan-dahalo any amin’ny faritra fa ny hanampy isa ireo miaro ny sezany no laharam-pahamehana aminy. Tsy manahirana ny sainy ny fijalian’ny mpiray tanindrazana noho ny tsy fandriam-pahalemana fa ny fiarovany ny tenany no maha-maika azy. Ary ny tena ratsy dia toa mety be amin’izy ireo raha mifamono ny samy Malagasy mba ahafahany manamarina fa tsy milamina ny eto Madagasikara ka tsy mbola mety amin’ny Filoha RAVALOMANANA ny miverina an-tanindrazana. Ny sasany aza dia efa mandrangaranga sahady ny fiantsoana ny miaramila frantsay mitoby aty amin’ny faritra atsimon’ny ranomasim-be indiana hampangina izao asan-dahalo izao. Hiantso ny fivorian’ny andrim-pitondrana mpanao lalàna mihitsy Alain Ramaroson mba handany izany ho lalàna. Mazava hoazy fa Côte d’Ivoire sy Somalie avy hatrany no hiafaran’i Madagasikara raha izany tokoa no mitranga. Hataon’ny miaramila vahiny ahoana ohatra ny hanavaka ny mpangalatr’omby sy ny olon-tsotra ao anatin’ny fifanjevona fa dia hataon’izy ireo vono moka ny tompon-tany. Asa, mety hamerina ny fanjanahana mihitsy angamba no tanjon’ny mpanongam-panjakana !

    « Septembre » D L M M J V S
    1

    2
    3
    4
    5
    6
    7
    8

    9
    10
    11
    12
    13
    14
    15

    16
    17
    18
    19
    20
    21
    22

    23
    24
    25
    26
    27
    28
    29

    30
    Raha dinihana sy fakafakaina io lahatsoratra io dia efa maro izany ny zatovolahhy no lasa dahalo amin’iny faritr’iny satria dia 800 izao no nanafika an’i Bekijolo.Izany hoe:tsy tanora avy any faradofay na Bekily na Betioky no hanao Dahalo any Betroka fa zatovo amin’iny faritra iny.Ny antony izany rehetra izany dia ireto avy:
    – Tsy fisiana fa fahantrana no manjaka amin’iny faritra iny.
    – Tsy an’asa ny zatovo ka mirona amin’ny asan-dahalo.
    – Misy kisarisary voninahitra raha mahavita asan-dahalo.
    – Misy Goibe ao mamatsy an-dry zareo aman-bola sy fitoavan-piadiana.

    Ka noho izany dia inona no azo atao hialana amin’izao tranga izao.

    1./ Halefa ampandry ny tany ny tafika sy zandary hiaro ny mponina any amin’iny faritra iny.
    2./ Koa satria avy any ireo zatovo diso lalana dia asiana fanadihadiana any amin’iny faritra iny mba hahafantarana ireo zatovo diso lalana ireo ary indrindra koa hahafantarana ireo mpamatsy vola sy fiadiana.
    3./ Asiana tsangan’asa (projet na programme) hisarihana ny zatovo hanatsara ny fiompiana omby, izany dia tokony hiarahan’ny ministera ny fiompiana, ny ministera ny mponina, ny ministera ny fampianarana sy ny tanora ary ny UNESCO sy ny FAO hatsangana haingana dia haingana mba ho voatontonsa haingana.Tsara ihany koa ny miaramila raha mandray anjara amin’io fampiharana an’io tsangan’asa io mba hisy fifanakalozana eo amin’ny dahalo miala sy ny miaramila.
    4./ Omena loka ireo izay mampitombo haingana ny ombiny sahala (fanampiana amin’ny fanamboarana trano fonenana, famaritana ny fefy hoan’ny toerna fiompiana, ary fanatsarana ny vilona sy ny tany hambolena an’izany).
    5./ Hisy vaomiera manokana hanara-maso an’izany tsangan’asa izany ary ny fampiharana an’izany aty aoriana hiarahana amin’ny fanjakana sy ny UNESCO ary ny FAO.

  11. Les voleurs de zébus osent défier les forces de l’ordre.

    La situation s’envenime ! Les bandits de grand chemin ont encore fait des victimes à Betroka. Un nouvel accrochage a eu lieu dans le village de Beharena, une petite bourgade, dans le district de Betroka (région Anosy), faisant cinq morts parmi les éléments des forces de l’ordre. Selon nos informations, un officier de la gendarmerie, le commandant de la compagnie d’Ihosy, serait parmi les victimes. Les faits se sont produits jeudi soir, aux environs de 19 heures.

    Embuscade. Quelque 200 hommes qui viennent de dérober 400 têtes de zébus se sont réfugiés aux environs de ce village. Une opération pour les traquer a été alors organisée. Jeudi soir, à environ 300 mètres du site, la colonne conduite par le capitaine, commandant de la compagnie de la gendarmerie d’Ihosy, a été prise à partie par des tireurs embusqués. Et ce, à une très courte distance. Cinq hommes ont été mortellement touchés. Il s’agit du capitaine de la gendarmerie, deux autres gendarmes gradés, et deux militaires de l’armée. Deux autres gendarmes ont également été grièvement blessés, mais leur pronostic vital n’est pas engagé. Les « malaso » ont pu se replier après le succès de leur attaque par surprise.

    Le lendemain, cette horde de malfaiteurs a encore frappé Mahabo – Betroka. Les assaillants ont dérobé plus de 200 zébus, avant de s’évanouir dans la nature. Les militaires, quant à eux se sont repliés, « non pas par peur, mais il s’agit d’une nouvelle stratégie, avant de lancer un grand assaut afin de mettre fin à cette situation d’insécurité », a annoncé un responsable au sein de la gendarmerie.

    Zébus récupérés. A part ces multiples attaques contre les forces de l’ordre dans la région d’Anosy, les actes de banditisme et autres vols de bœufs font rage dans la région Amoron’i Mania, mais les gendarmes ne restent pas les bras croisés. A Ivato-Centre, le 6 septembre dernier, 10 hommes armés de fusils de chasse ont volé 39 bovidés. Après l’opération lancée par la gendarmerie, quatre zébus ont été récupérés.

    Le même jour, du côté de Morafeno, une autre attaque a eu lieu et 58 zébus ont été subtilisés, mais après un accrochage avec les forces de l’ordre, les voleurs ont abandonné leur butin.

    Face à cette situation d’insécurité dans le Sud et l’inertie de l’Etat, les originaires de la province de Toliara s’inquiètent du devenir de cette partie de l’île. Par ailleurs, en tant qu‘ancien premier ministre et non moins originaire de la région, Monja Roindefo tire la sonnette d’alarme et dans la foulée présente ses condoléances aux familles des victimes.

    Tsy woe akory miaraka aminy DAHALO izaho fa hita fa mivaly daholo ny zavatra ratsy nataony ny miaramila taminy vahoaka sy NY prezida RAVALOMANANA.Manarakizany fa maninona no tsy manapoaka GAZ LACRYMOZENE ho anireo dahalo ny miaramila aminizay mba latsaka kely ny ranomasony.Raha izao no mitohy dia ho tapitra ho faty daholo ireo miaramila gasy tsy tia any i RAVALOMANANA sy ny vahoaka nenjehana taminy LACRY.Mivcaly daholo ny ratsy atao.

    http://www.midi-madagasikara.mg/images/stories/photosarticle/080912une.jpg

  12. Mivaly daholo ny ratsy atao, mety marina angamba izany fa Andriamanitra angamba no mahalala be be kokoa ny amin’izay.86 ny isan’ny Dahalo matin’ny mponina ary 50 eo ho eo ny olon-tsotra novonoin’ny dahalo raha namaly faty, dia firy indray ny malaso hajedakin’ny tompon-tanàna atsy ho atsy etc…Dia avy eo samy manisa ny matiny dia samy mandevina ny azy.Mety hisy anefa handevina indroa satria mety nisy tao amin’ny fianakaviana dahalo ary ny iray havana matin’ny dahalo.Dia ahoana isika eo?
    Ny tiako ho lazaina dia ny famaliana ny ratsy amin’ny ratsy (asa aloha no lazaiko eto fa tsy toetra) dia mampivarina any an-kady ary na ny toetra ratsy aza dia mety mampisy olana ka tsy misy afa-tsy ny resaka ambony latabatra ihany no mamplilamin-javatra.Asa aloha fa izay no mba fiheverako.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *