Pr ALBERT ZAFY : FANOVANA HAINGANA NY MPITONDRA NO HIDIRANA AMIN’ NY FAMAHANA NY KRIZY

IMG_0027

Nanomboka androany teny amin’ny 3fréres Andrefan’Ambohijanahary ary hitohy rahampitso ny fikaonandoham-pirenena ho an’ny faritra 22 izay karakarain’ny ankolafy Zafy Albert, miaraka amin’ny federalista. Tonga nanokatra izany tamin’ny fomba ofisialy teny an-toerana ny Pr Zafy Albert. Nambarany tamin’ny lahateny izay nataony fa anisan’ny hankafizin’ny Malagasy ny filazana ny marina. Noho ny fiovan-javatra anefa hoy izy, dia misy indray milaza fa ny marina rehetra tsy filaza. Ny olona ambony hoy Zafy Albert, dia tsy mba azo tenenina ny marina momba azy fa manala-baraka azy. Raha jerena ireo hoy izy, dia misy ny voatohitohina, raha nilaza ny marina ny kolonely Charles, ny jeneraly Fidy, ny radio fahazavana sns.. Mahakasika ny komitim-pirenena momba ny fampihavanana Cnr dia nambarany fa novan’ny mpitondra ny anaran’izy io. Tsy mifanaraka amin’ny toetsain’ny malagasy anefa ny zavamisy ankehitriny. Ahoana hoy Zafy Albert no hahafahana milaza fa ranona no mahazo aministia, kanefa ny mpitondra any ambony dia tsy olo-marina.  Tsy tazana ao anatin’ny zavatra ataon’ingahy Victor Manantsoaizay miakaraka ny fampihavanana hoy izy, ny fahaizamanao, ny fahendrena malagasy, fa natao kitoatoa ny fampihavanam-pirenena. Ny tena tetezamita hoy izy, dia hiomana amin’ny fiovana tsaratsara kokoa, ka raha izay no zavanisy teto dia efa niala tamin’ny sakana tsy mampandroso ny firenena isika.  Ny tetezamita ankehitriny dia mifanipaka amin’ny fanovana tadiavin’ny rehetra. Tetezamita mpanao kolikoly, mpivarotra tanin’olona no misy eto. Raha vao tonga teo amin’ny fitondrana Rajoelina dia nihazakazaka nangoron-karena, ka izay no nampiroboro ny fitondrany. Nilaza ny Pr Zafy Albert fa ny malagasy dia mitaky fahafahana, ary tsy manaiky izay tsy fisian’izany. Ny azy hoy izy, dia hoe manana fahafahana hanaiky ny tiany su tsy tiany ary afaka misafidy ny rafitra hitondrana ny firenena. Momba ny fifidianana kosa dia nambaran’ity filoha teo aloha ity, fa tokony esorina avokoa ireo olona izay nikarakara ny fifidianana teo aloha ka nahatonga ny korontana teto amin’ny firenena. Tokony hanaja tena izy ireny fa tsytokony hiverina intsony amin’ny fikarakarana. Fomba ahoana hoy Zafy, no hananana fitokisana amin’ny fitantanana ny fifidianana amin’ireny olona ireny. Tsy mety madio ny fitondrana raha tsy misy ny finiavana hamoaka ny marina eto amin’nyfirenena. Nampatsiahiviny ihany koa ny momba ny fanondranana an-tsokosoko harem-pirenena ataon’ny mpitondra toy ny boaderozy, sns. Ny olona teny nanao sy nanome baiko hoy izy tsy mbola fantatra fa ireo olona ambany no samborina. Efa nisy ny fitoriana nalefa teny amin’ny fitsarana nataoko hoy Zafy Albert saingy tsy nisy valiny ireny. Raha tiantsika marina ny hisian’ny fampihavanam-pirenena hoy izy, dia tokony ho fantatry ny vahoaka ny marina. Ny fanovana haingana ny mpitondra no hidirana amin’ny famahana ny krizy.

37 pensées sur “Pr ALBERT ZAFY : FANOVANA HAINGANA NY MPITONDRA NO HIDIRANA AMIN’ NY FAMAHANA NY KRIZY”

  1. Mais…………
    votre proposition arrive un peu tard ! Cela risquerait de nous faire faire, une marche arriere d’au moins ………une année !

    Maintenant ! Attendons le 7 ou le 8 Octobre pour juger si cela est encore faisable !!!
    Et vous comprenez bien pourquoi !

  2. Hisaorako manokana ny fijoroanao TSY MIOVA fa MILAZA NY MARINA ry DADABE Zafy,
    ary sahy mbola manitrikitrika fa tsy izy ity JIOLAHY mapmė fotsiny,tsy mahalala tsy tiana.
    Hiderako anao manokana ny fahasahianao mandà akitsirano ary sahy milaza ampahibemaso ny fandrobana sy
    tsy mety ataon’ilay domelina fa ny sasany vao maika lelafina na efa hita izao aza fa MAIMBO.

    fa mbola deraiko manokana ary mahazo bizou BE dia i Guy Rivo izay tena mboal MILAY e!!ary tsy mamadika an’i
    dada mouhhhaaa!!tena mahafinaritra ary mahavelombola ny olona mahasahy mijoro ary mitana ny HEVINY, fa tsy
    manara-drenirano fotsiny dia am-bava tsy mila nefa ny sonia atao ihany hanamafisana ny sezan’i Ramenabila hany ka
    tsy mahagaga dada raha handray an-tanana ny fiaviany fa tsy misy azony antenaina intsony eo, efa lasa fary ny lohany
    indray no matsatso.

    Ary be banga be ilay toerana fa nankaiza daholo ny olona nefa toa hoe NU???
    sa toeran’i bomba sy ry ratsikirity sy ny tariny ireo banga ireo???HihIhI

  3. Tahiry,
    mahay mitey indray io bitrolavanify io rehefa tonga enty Ivato.

    hain´i Papizano Madageto ovaina indray io sary io, ho fenoiny olona mipetraka ireo seza banga dia asiany sarin´ny filohan´ny ONU. MDR!!!!!!!!!.

    Izao mody nalefan´ny Amerikana haseho vahoaka any @ ONU ,hoe. Io ilay Dictateur rain-dahiny , tao aorinan-dry Kadhafi , Ben ali, ……

    Fa vao mody ,rajoelina dia voakapokin´ny teny navoakan´ny Andriamatoa Johnnie Carson , fa izay foza sy ireo mpanongam-panjakana na sivily na miaramila izay nadray anjara t@ 2009 ,tahaka n-dry rajoelina, Rolland ratsiraka, Pierrot rajoanarivelo, Monja roindefo,

    tsy vitan´ny tsy mahazo milatsaka ireo, fa tokony ho tsaraina dia gadraina.

    ary i rakotomaharo mpamadika palitaoa ,mahazo milatsaka, ho jerena ny vato ho azony.

    Dia inona indray no lazain´i Bitrolavanify amin´ny Amerikana : Hoe. tsy ny amerikana no mibaiko anay. fa ny Frantsay Mdr!!!!!.

    inona koa no ho lazain´ny Quai d´orsay izao, tonga dia mitady olona haingana hasolo an´i rajoelina. Pion vaovao tsy fantar´olona sao kosa dia ity ilay pion vaovao.

    « jacques Rabemaharo  » ve ?????? sa iza indray

    http://kwa2neuf-mada.blogspot.de/2012/09/presidentielle-2013-les-candidats.html

  4. Dia gaga ialah!!!teny mangadiady be mihintsy anie ilay toerana e!!
    Ary dadabe Zafy manana andriambavilanitra Manja koa an!!aoka lesy!!
    ilay volon’i Raharinaivo efa miharatsy bango an!!tsy nomen’i domelina Gel intsony angah? lasany any
    @ NU daholo ny gel sao tsy mahazo teaka mirefodrefotra, Dia ny tena no menatra!!!

  5. Tsy dia mazava amiko loatra ry zareo ny zavatra tadiavin’ireto andian’olona ireto, amin’izay toa hoe ao koa ireo « federalista » miezaka hampizara ny Firenena !
    Toa resaka be fotsiny izato izy. Ary inona daholo no ataon’ireto foza tonga ato ireto ?
    Tandremo fa izay miaraka amin’ny amboa dia dia amboa dia, ary ny miaraka amin’ny amboa lambo dia amboa lambo !
    Ireo ve, ireo lazaina fa mpanohana an’ilay Ni Ni, sa…. ???
    Iza aminareo no afaka manazàva ny tena tanjon’io fivoriana io ?

    Ary impiry impiry koa moa ny tenako no nilazava fa rehefa vonona ny hanao zavatra, dia mila diovina daholo aloha izay tokony ho diovina ?

    Taratrin’ny toe-tsaina malagasy amin’izao fotoana io toerana nivorianareo io ! Tsy resaka fanenjehana ny tompon-trano ity, fa resaka ataon’olona tsy misorona ! Sa tsy izany ry HoAiza ?

    Amin’ny fomba ahoana r’Ingahy Zafy, Ranjeva sy ny sisa, no hanaovanareo fivoriana ao anaty trano feno trano-kalo tahak’izao ? Dia tena faly mihaina ao anatin’ny loto marina ve ny malagasy ? Mba rahoviana vao hivoatra ny toe-tsaina amin’ny lafiny rehetra ?

    Dia tena faly miseho sy mihaingo eo ambon’ny tsikoko mihintsy ramalagasy, sa izao no atao hoe MIHAINA AMIN’NY ZAVA-MISY ???

    TSY METY Ê ! MBA MENATRA RY ZALAHY Â ! ARY TSY MAHAGAGA RAHATOA KA OLONA MPANDIKA LALÀNA SY MPANONGAM-PANJAKÀNA NO NISOLOTENA ANAREO TANY NEW-YORK ( SATRIA MBOLA MALAGASY IHANY IANAREO), NITONANTONANA NIRESAKA SY NANAO SONIA MOMBA AN’IZANY HOE FIRENENA TAN-DALÀNA IZANY !!

    Tsy mba menatra ve ianareo r’Ingahy Ranjeva, sady ianao mba mpahay Lalàna ihany ?
    Sa dia izao no tena atao hoe zemenfoutisme, teny filamatra vaovao ?

  6. misajaona !
    Izay indrindra no avy dia nandefasako ireny sary ireny dieny mbola tsy namboarin’i Zânôlape . Bizarre : Lape LAVANIFY sy ZanôLape ! Un couple homo-lapinoïde ??????

    Je crois m’etre trop avancé en disant que la Mouvance Ra8 devrait composer avec la mouvance Zafy .
    Je retire ce que j’ai dit vus ceux presents à cette reunion dans cette photo :
    http://mydago.com/wp-content/uploads/2012/09/IMG_0623.jpg

  7. Zafy tsy hiaraka am movansa de8 zany mintsy ry Tahiry fa aza manofy a, i zafy namangy fahoriana ireo faty novonoin’ny de8 ireo ve de heverinareo hinamana amnareo izy.
    fotokevitra no entinireo fa ny anareo fanatisme tsy misy fond mihintsy koa tsy mahagaga raha tsy manjary ny tolonareo satria tsy tolona mihintsy lay izy fa fanaovana andriamanitra olona iray de i de8 zany.

  8. Ireto woa tena mpitsingologoloka sy sain-jaza no mba hainy. Lazaina fa woe rehefa handeha hikabary Zandry, de niala daholo ny filoham-panjakana, INTOX, omeo ny porofo. Tsy Obama, na Hollande, na Ahmadinejad, na Natanyahu, Poutine akory Rajoelina, ka tsy maintsy voatery ho be mpihaino. Jereo daholo ny olona Mpihaino ireo filoha Afrikana madinika afa-tsy Zuma angaha, ary amiko tsy de misy dikany izany, izy maharakotra ny médias du monde no zava-dehibe.
    Tsy niainga t@ woe, tsy nomen’ny USA Visa ve Zandry sy ny ekipany, INTOX, de woe ndray tsy mahazo mivoaka mihoatra ny rayon à 24 km, INTOX, nanatsoaka ny fitoriany ny AV7 INTOX, niala dahalo ny mpihaino, INTOX, ary ireny intox be de be ireny, tsy zahay eto velivelo no mandiso azy, fa ny zava-misy sur terrain.
    Sao de mihevitra nareo woe, tombontsoan-dRaosy ny mampivory an-dRanjeva sy Dadabe mpinaparaiky toy izao. Ny hananganan’ireo tetezamita vaovao no mahamaika azy, ary raha toa ka hahomby io, opay razana ny tenanay, aleo isika samy hahita, raha misy resaka Raosy intsony io, fa hain’ireo tsara raha mahomby io fa tena spécialiste mpisaoty @ occasion Raosy, ka raha tsy sagnagna izy namono ny voay, ka Raosy ny hiravaka ny vanginy.
    Na Ranjeva mpahay lalàna iraisam-pirenena iny, naninona no tsy niady mafy, niaro an-dRaosy teo @ sehatra iraisam-pirenena. Misy dikany io ry sagnagna, fa nataon’olona tohatra fiakarana fotsiny rainareo a! fantatray ane, ny vola @na millions de dollars nanambazan-dRaosy an-dRanjeva e! anontanio Mamy raha mandainga ny tenanay. De tsy raharahan’olona fa vola adala tompo tsy ampy solaitra, toy izany koa Zafy, nahazo saosy be, naterina foana tao @ Villa Elisabeth, fa ny an’ny olona hafa ny objectif-ny, ampiasainy hanamboarana ny politikany ny volan-dRaosy, satria tsy eo tsinona koa. Misavilivôla any an-tanin’olona any fotsiny lay self made man tsisy diplôma, mamafifafy vola etsy sy eroa, fa lany tsisy varany fotsiny @ havendranana.
    Zafy omaly, nandritra ny fito taona, tsy nanaiky an-dRaosy ho prezida mihitsy, de ho possible ve tout d’un coup Rana le soit disant dadabeanareo, lasa manohana ny dadanareo ndray. Ataon’ny olona fahazoana seza sy vola foooooootsiny!!!! ka sagnagna e! Na io FJKM io aza ane, ampiasain-dRasendrahasina hanatobaka vola ao fotsiny Raosy, raha resaka politika io a! fa raha fampandehanana ny fiangonana sy ny asan’Andriamanitra izany, tsy miasa loha @zany Raosy. Fa ho tonga saina eo ihany Raosy refa hitany hihena be ny saosiny. De toute façon, tsy mampiasa loha aminy zay resa-bola, fa vola azo t@ fahalotoana daholo ny ankabeazan’ireny. De aleo aseho an’ireto foana eto woe, hatraiza ny tsy fahaizanareo politika, de mametra woa fanontaniana foana woe, FA MANINONA AZA ISIKA NO TSY MAHOMBY, EFATAONA ZAY NO NANDEHANAN’I DADOSY. Ka tsy ampy coco sy SGNGN tsinona koa. Nonoin-dRanjeva sy Zafy fotsiny.

  9. KM! Amiko ny tanjon’io fivoriana io dia fanahiniana nantsoina mihintsy ny federalista mba hahazo tsara ny hafatra tian’ny Filoha Zafy Albert apetraka izay ireto avy:

    a./ Tokony ho fantatry ny vahoaka ny marina rehetra
    b./ Ny fampihavanana izay tokony atao dia tsy maintsy ataon’olona manana ny fahendrena malagasy sy manana fahaiza-manao.
    c./ Ny olona nikarakara ny fifidianana teo aloha rehetra dia nanakorontana ny fianam-pirenena ka tokony ho tsy eo intsony.Ny tiany holazaina amin’io dia ireny korontana tamin’ny 2002 dia nitranga satria ireo olon

  10. tohizako eto!

    ireo olona nikarakara ny fifidianana tamin’ny 2002 dia nanao izay nisian’ny korontana satria olona tsy nankato ny marina ary naniry ny tsy fahalanian’i Marc Ravalomanana.
    d./ Ny olona eo amin’ny tetezamita amin’izao fotoana izao dia magoron-karena ary mampahantra ny vahoaka.
    e./ Ny fanolona ny tetezamita no hamahana ny olana.

    Ka noho izany raha aravina izany rehetra izany dia tsy hoe mitady NI …NI i Zafy Albert fa tiany hiraikitra ao an-tsain’ny FEDERALISTA fa ny kirontana izay nampiasain’ny fahavalon’ny marina dia nampikoroso fahana ny firenena.Izany hoe izy izany dia momban’ny fahamarinana ka i Ravalomanana aminy dia taratry ny fahamarinana.

  11. ô km: za koa nihomehy anan-kampo nahita ny sarin’i « ANDRYan:Ato(M)and(r)o » farany
    (look négligé de l’homme politique
    non moins devenu par la force de 3V un artiste (spécislité soukouss-style)
    animateur lorsque besoin se ressent
    à la boîte de nuit
    ==> DJ-CLUB d’Andry Rajoelina

  12. Toa misy saina sy fo tsy madio ao!
    Nahoana moa?: tsy nande lavitr fa nanontany olon manodidin ny tena, dia … manan-tantara malama toa ny menaka (huile) hono io trano be grossiste io…
    tsy matiko loul an

  13. Isika malagasy hoa dia tsy handroso izany raha mbola ambany be ny toe-tsaina , ny sasany dia tsy misy afa-tsy fialonana no mameno ny fony, raha resaka vola indray dia fitady io fa ianao no tsy mahay mitady dia milaza fa vola maloto ny an’i Ravalomanana, izy tsy misy diploma fa resiny ianao dia izay no tsy zakan’ny sainao ka lasa milaza lainga , fa ny tena loza dia ity ianareo milaza mahay no tena manimba ny Madagasikara manararaotra ny fahadondronan’ny malagasy namana na minia mihitsy manao izay hadondrona ny malagasy

  14. Alefaso lavidavitra kokoa ny raisonnement Ratsimilaho â ! Miala tsiny !

    Ny fanambaràna fotsiny, hoe 2500 ny isan’ny olona « nasaina sy nandray anjara » dia tsy navoakavoaka fotsiny amin’izao ! Refeso an-tsaina ny hahaben’ilay efi-trano, dia mba eritrereto ny isan’ny olona mety ho tafiditra ao ! Ny isan’ny mpianatra tao amin’ny Lycée Galliéni tamin’ny fin 70 tany, no 2600 – 2700 !

    Manarak’izany, araky ny tsy nolazain’i HoAiza mazava noho ny antony, dia mba tadidio na fantaro hoe iza no tompon-trano ! Cf Affaire 3 frères & Groupe Delphis !
    Ilay lazin’ilay vendrana ato hoe 7 Frères !

    Efa fantatr’ity farany ity ( na ny hafa koa ) fa tsy maintsy hiverina eto an-tanindrazana ny Filoha Ravalomanana, ary ny Fivondronam-pirenena no hiarak’aminy, dia mitady HANADIO TENA DAHOLO !
    Tsy tongatonga ho azy ny fangatahin-dry Ndrianarijaona amin’ny Filoha hoe « NDAHO HIFAMELA » !
    Fanontaniako : FA DIA NANAO INONA NY FILOHA ? TSY IZY VELIVELY NO NANAPOTIKA NY FIRENENA FA IRETO TSY MATY VOALAVO AN-KIBO IRETO !!!

    Ny tena mampalahelo, dia na itony Ranjeva itony aza dia lasa mitsingevana toy ny zavatra entin-driaka (miala tsiny aho amin’ilay fitenenana) fotsiny !
    Raha tena io lazainao io Ratsimilaho no ao an-dohan’izy rehetra, dia tokony mivaky ampahibe-maso hoe, inona no anton’izao krizy izao, ary niainga avy aiza ilay izy !
    Ny tantaran’Ingahy Zafy koa anie tsy misy izay tsy mahafantatra ê ! Atramin’izy mbola tany Montpellier !

    Ny fotom-pisainan’ny malagasy mihintsy hoy aho no mila hovaina, rahatoa ka mbola mihevitra ny handray anjara amin’ny FANERENANA AN’IO FIRENENA IO NY MALAGASY REHETRA !!

    Azoma androany, tsy vendredi joli intsony no malaza amin’ireo lazaina fa mpitondra ireo, fa lasa WEEK-END AVEC ZOLIES ! TOUTIREVY IO ! Diako tany farany, mandeha any ny anaran’olona tsy ampoizina !
    Firenena inona no ho vanona amin’izany ? Ny vahoaka mijaly, ry lerony mirevy bôna, ary izay tsy afaka labôna !
    Araho maso ihany ry zareo ny havanareo, indrindra raha somary mba misy endrika sy bika !

  15. VOALAZANAO !MAZAVA BE!!!manoana ny hevitrao 100% aho ry Vonifanja.
    Ary betsaka ny fitrangan-javatra toy izao fa tsy @’ dada ihany an!!ilay TOETSAINA IO e!!!
    mahonena!!!ny lanitra tsy hianjera no tohanana fa ny vody ho kakerin’i Moka tsy heritreretina( ilay rambona osy io)

  16. Marina ny anao ry Vonifanja ! Olona tahak’izao ve no harahin’ireo tsy nanam-bitana, mba hianatra ?
    Tsy mba zavatra tsara no omena, mba ho atao môdely !

  17. Source Tiako i Madagascar.
    « Le Pr Zafy Albert propose de soumettre à referendum trois types de Constitution dont une Fédérale, en vue d’un développement national équilibré » !!

    Développement ou plutôt pillage national équilibré, voulez-vous dire Monsieur le Professeur ?

    Izao ve tsy hoe, ny tay ary loto sy vovoka, ets… manenika ny trano, dia ny kiraro hanitsaka no tsy maintsy atao mangirana ?

    Tssssssssss !!!! La

  18. Reraka woa nareo. amin’ny fotoana zay mampandinin-tena ny hadalana sy tsy nety nataoan’ny dadanareo, zay angamba vao mba hisy mangirana kely ny tolonareo. Fa raha io mentalité nareo, tsy afaka manao autocritique ny tsy mety natao io foana, no mbola toetsainareo, de mifotetaka @ merde lava Raosy sy ny taranany. Mba inona ny zava-bitanareo nadritra izay krizy izay, ny manakorontana sy manao blocage ary hanenj-bodin’olona manaratsy ato aoriana fotsiny, kanefa ny rainy any an-tanin’olona any kenda roroka tsy hahitanareo vahaolana. De lany andro hitanisa ny bôgôsite n’i Andry eo fotsiny. Raha samy hajoro eo anoloan’andriambavilanitra maromaro angamba Raosy sy Zandry, de zara Raosy raha hahazo 1% @ireo. Lery sady fohy no be mangy be, ary efa mihabainana be, satria manaikitra andro @alina ny nenina noho ny vono olona natao, ny alahelo tanindrazana manginy fotsiny. Aza mba manao ratsy @io tany masina io ihany Rana a! Ny tena ihany no maniraka ny tena handositra ao. Toy io cas n’ny dadanareo io. Fa inona woa ny fandraisanareo izao mahazo an-dRaosy izao e? Nandositra nanao ratsy? sa manaraka ny sitra-pon’ny devoly nanaovany contrat? sa tahotra an-dRajoelina? sa tahotra ny higadra? sa sazin’Andriamanitra satria nahatoky tena loatra t@ fananany vola sy fahefana ka nanao tsinontsinona ny manodidina azy, de nandray ny andraikiny Andriamanitra nanafay? Io farany angamba no marina, fa mba lazao woe ny hevitrareo. Very aho Raosy dadakelin-dry zalahy.

  19. « Aujourd’hui encore, une cinquantaine d’innocents meurent chaque jour, et se comptent maintenant par milliers depuis des mois (2009). Nous condamnons fermement ces pertes de vies humaines.
    La terre (malgache) continue de fumer (comme lorsque zefume le Hakike) de sang innocent, violemment répandu non seulement en Syrie, mais aussi dans d’autres parties du monde (comme chez moi) » !

  20. Hi hi hi !
    Nividy pejy tamin’ny gazety maromaro hono ilay domelina, mba ho hitan’ny vahoaka ny kabary nataony !!
    Mbola tsy nahita olona domelina tahak’izany aho atramin’izay ! Mba iza no mba mpanolon-tsaina an’i lery ao ê ? Olona mpidaina sy mpigoka daholo ve ê ?
    Tsy mba leo ny asa-ratsy sy ny rediredin’ireo jiolahy ireo ve ny malagasy, sa dia tena entin’ny tahotra dia mamitsaka sy mizaka ny jadona sy ny famoretana fotsiny ?

    Fandalovana ny eto an-tany ary fohy ny fotoana anaovana zavatra tsara mba ho lova ho an’ny taranaka sy fara aman-dimby ry zareo â !

  21. Ary ianareo foza hoy aho, ho reraka raha ny hanaratsy ny Filoha hajaina lava izao, no andanianareo andro !

    Izay tsy mety kely nataony (noho ireo mpanoro-vohana tsy maty voalavo an-kibo) efa fantatray, ary efa niala tsiny sy niala fondro tamin’ny vahoaka izy noho izany !! Efa namel’azy tamin’izany famindra diso izany ny vahoaka malagasy, ary miandry ny fiverenany, HANARINA NY FIRENENA !

    NY TAY MIFORETAKA AO ANATY SILIPINAREO JERENA, FA AZA IZAY LOTO KELY ENY AMIN’NY AN’NY SASANY ! MAZAVA ANGAMBA IZANY TENY GASY BE IZANY !

    Iza no mba liana hahahita na hahafantatra ny endrik’i bogor-Tanora ? Tena izy angamba io !

    Ato !

    http://www.tim-madagascar.org/forum/read.php?1,754853

  22. Tsy hisy fifidianana ho vanona izany eo ! Vola entina hamenoana ny paoketran-dry Béatrisy fotsiny ireo vola laniana amin’ity fikarakaràna fifidianana tsy izy ity !
    Amin’ny fomba ahoana no hisian’ny fifidianana any amin’ny toerana tsy milamina ? Iza no handeha hanao recensement, ho tofirin’NY REMENABILA ANY ? NY hoy aho satria TSY OLON-TOKONA ILAY HOE REMENABILA !
    Hatrany amin’ny faritra avaratra misy Remenabila sy Tokanono !
    Raharaha noforonina io resaka Remenabila io !

    Mangataka ny Profesora Zafy Albert hamerina ny Filoha Ravalomanana eo amin’ny toerany rahatoa ka tena tia Tanindrazana izy !
    Ho henin-kaja, henim-boninahitra Ingahy Profesora amin’izay, ary HO AFAKA NY AHIAHIN’NY VAHOAKA !!

  23. Leonidas Tezapsidis, ambassadeur de l’Union européenne a laissé entendre que le calendrier électoral sera remis en question si l’Etat malgache ne montre pas davantage de volonté et d’engagement dans le financement des préparatifs des élections.
    Qu’est ce que ça peut vouloir dire? A mon humble avis, si l’État Malgache se comporte ainsi, alors il y a un problème car avec les richesses souterraines,Mada serait en mesure d’organiser financièrement ces élections.Mais si l’UE appuie sur la sonnette d’alarme, ça voudrait dire qu’ il y aurait un détournement de deniers public.
    Par la même occasion, ceci serait un avertissement à l’encontre de la HAT qui dit que l’UE ne financera pas toute seule les élections à Mada et qu’elle souhaite « l’ouverture du robinet » afin de les financer.Ça voudrait dire que le retour de Marc Ravalomanana est une des conditions requises.

  24. Kintana
    Ialah ihany izao no mbola miaiahy eo fa izahay loha dia mahatoky azy tanteraka .
    Ny eo ambany maso aloha jerena vao mijery ny hafa, iza t@ ankolafy dada no mbola nahasahy
    NITORY sy NIDRADRADRADRA ary NANDÁ ankitsirano ny ratsy vitan’i dimelina??na musy aza ny kabary
    eo @ Magro dia mbola amboamboarina foana ilay fomba fiteny satria nahoana???AO RAHA!!!!!koa avelao izy
    fa efa mba manao izay mba tandrifiny izy ary ataoko fa EZAKA lehibe ny nahatongavany NITSENA an’i DADA, amiko ,
    fa tsy haiko inona no tsy mety aminy ???izay mpitaty rakena ery ve dia azo hitsarana azy kosa???ireo tsy maintsy
    eo foana fa very seza tary @ domelina dia MANDADY mijerijery izay misy mamy indray, tsy ampy ketsa mivezivezy
    moa ny very ondry manaramorona( very seza no tena marina)
    moa ny

  25. Sao dia « am-bava tsy mila, am-po taralila ô  » !

    Mesures concrètes, actions immédiates et adéquates —> RESULTATS PROBANTS !!!

    Tsy mandalo Vatomandry hoy aho, ny lalana mankany Fianarantsoa ê !

  26. Fa tonga dia aiza?? .Mbola misy tompon’andraikitra VOALOHANY lavitra noho
    i dadabe Zafy ao tokony hanome izay tadiavin’ialah, ilay » Resultats IMMĖDIATS, » efa manao ezaka izy nefa mba musy nanoana???
    mandreraka be nareo!!izy aza nahasahy NIALA avy hatrany tao @’ity fitondra-poza ,fa ny antsika AIZA DAHOLO ???dia inona no
    VOKATRA ankoatra ny FIDINGINAN’i domelina rambo fa NISY NANKATOA dia tsy iza anefa ireto nankatoa azy fa ny zanak’i DADA??
    DIA MITOHY NY SONIA MAMANTSIKA an’i domelina @ sezany.Aza dia mba miangatra oah!!!ireo mpiaty rakena ireo no atao hoe,
    « LALIMANGA », ireo manodidina azy ireo no RATSY fa fa izy velively, @ fijeriko manokana aloha an!!!

  27. za zany tena TSY-d’AC amin’izany resaka fédéralisme izany

    Aza manaraka ambokony enao ra-ZAFY na dia fisehoana un qque-chose-de-solid aza ny anton-dia ao anaty io trano io (malot marin fa de tsisy ve ny volontaire nanao inspect + kifafa mporohana anie de mety ê! nefa de hita sa HAINGO fots reo tanora reo (AMBONY TSIKOUK)

    Io fisehosehoana sy mpanarak’efa dra lecacheur (nb metisy sinoa)
    ndraiky ravalo
    ndraiky domelina
    (miala tsiny fa mi-figue mi-raisin)

    ==> maka tahaka lav’izao ny salotra tsy mendrika ny tena

    Azafad: zao ve no atao, sans aucune étude au préalable suivi d’analyses des existants,
    mila mipetraka volana maromaro any @ firenena misy états féderés DE HAHITA

    oh la la
    de inon kou ny manarak
    fa izany fédéralism zany alou TSY MAMELY : zzzzzeeeeesta be n’enao lékaSER’ô
    __

    opinion 100% partagée celle de KintanaMananDrambo
    … Développement ou plutôt pillage national équilibré, voulez-vous dire Monsieur le Professeur?

  28. Nareo kosa dia efa masiaka ratsy @’io lahy antitra io an!!
    Aza dia hatao an’izany izy fa mbola ho antitra koa ianareo.
    efa nisy fanazavana io angamba hoe tsara ny ahenoin’ireo olonaireo izay nambarany angamba
    satria voaroiroy @’ilay resaka ny ankabeazan’ireo olona tonga teo ireo, koa ny tsirairay no tokony handray
    izay hafatra tokony ho raisiny fa ny anjarany dia ny MANAMAFY FA MPANDROBA SY JIOLAHY NO MITONDRA
    ka tsy ekena LAVINY TANTERAKA ary tsy vitan’ny nolaviny fa mbola NAMETRAKA FITORIANA izy, koa inona ary??
    iza no mba nahasahy NITORY an’i domelina aloha HATREO AFA TSY I DADA BE ZAFY???bla bla daholo no mbola
    betsaka fa tsy misy MAHASAHY AKORY. AMIKO ALOHA AN!!!za zanak’i dada fa tsy azo takonana kosa ny MARINA.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *