Vory lanona teny amin’ny kianjan’n Magro Behoririka androany ireo vahoaka mpomba ny filoha Ravalomanana. Toy ny mahazatra hatrany dia misy ireo fifandimbiasam-pitenenana nataon’ireo mpitarika ny tolona. Anisan’ny nandray fitenenana teny an-toerana ny Cst Randrianjatovo Henri. Nambarany fa matoa niverina ny zavanisy tamin’ny taona 2008, fanelezana tsaho dia toy ny fanaovan’izy ireo izany. Ny tapaky ny Sadc hatramin’izay tany Maputo hoy izy, dia tsy miova hatramin’izao fa ny tsaho no alefan’izy ireo hanapotehana ny Troika. Misy hoy izy ny manely izany tsaho izany ka kivy isika fa hoe tsy tafody ny filoha Ravalomanana Marc. Tsy misy an’izany resaka izany hoy ny fanazavana fa entina handemena ny saintsika izany. Na manao ny ataony aza ny frantsay dia azo atao ny manao ny fifidianana. Rehefa tangoronantsika any amin’ny biraom-pifidianana izy hoy Henri, dia tsy mahavita izany. Ny any amin’ny distrika aza dia azo arahina tsara ka tsy afaka hangalam-bato izany. Namafisiny fa ny filoha Ravalomanana Marc efa niteny fa ny tondrozotra ihany fa raha tsy izany dia efa henjana ny teny an-kianja. Nankahery ny vahoaka ny tenany ny amin’ny hoe dada tsy maintsy miverina eto an-tanindrazany. Ny Ct Randrimamizafy Ignance kosa dia nilaza fa telo mahery izay no nitondran’ny mpanongam-panjakana teto. Anisan’ny nanesorana ny filoha Ravalomanana Marc teo amin’ny fitondrana hoy izy, ny lazaina fa nivarotra tany tamin’ny vahiny. Ankehitriny anefa dia manaram-penitra ny famarotana tany, satria any anaty internet no ahitana tolom-bidy mikasika izany, ary atsy La Reunion no hakana ny vola. Ny resaka Remenabila any Atsimo io aza hoy ity olomboantendry ity, dia efa novarotan’ingahy Rajoelina amin’ny vahiny ny ampahany tany. Nanafatra ny vahoaka ihany koa ny tenany mba hijery ny kadasitra ny tanindrazana sao efa lasan’ny sasany izany. Ny any Moramanga hoy izy dia efa vita kadasitra an’olon-kafa ny tany izay misy tompony rehetra.Noho izany dia Rajoelina no mivarotra tanindrazana amin’ny fomba manaram-penitra.Momba ny miaramila dia nilaza i Ignance fa manaram-penitra ihany koa ny fisondrotana grady satria misy ireo ao anatin’ny herintaona dia mahazo grady jeneraly. Ny sasany anefa hoy izy na efa nisotro ronono aza tsy niakatra ny gradiny.



Zarazarao e ! - Partagez !

PS : Tadidinao koa ve ity lahatsoratra nivoaka tato amin'i MyDago ity ?
PS : Vous souvenez vous aussi de cet article sorti sur MyDago ?

4 Comments

  • tsikivy dit :

    miarahaba misaotra tompoko fa marina ny anao fa io dj io no mivarotra ny tany io mahitsy ni efa no teneniko atraminy voalohany 13 mai ambohinjatovo ééé io no tandiaviny anaovany ny firenena tsy tia tanindrazana izy anie fa mameno mpaosy e ny Presinde Ravalo hiany no nanavotra antsika ary efa lasa lavitra ny gasy t@ ny zao de nitotongana koa ny antsika de Ravalo hiany

  • ravelonarivo dit :

    « Mais, je tiens à préciser que le cas du président Marc Ravalomanana est exceptionnel. A cette situation exceptionnelle,il faut des mesures exceptionnelles »,a expliqué Mamy Rakotoarivelo, chef de délégation de la mouvance Ravalomanana.

    RAHA IO VOALAZA IO NO HALALALININA ,DIA MPAMAFA NY MALOTON I RAJOELINA FOTSINY R’I MAMAY SY R iMe hANITRA ,
    SADY TSY VITANY NY MISORONA IRENY MALOTO HAFAFIN I RAJOELINA IRENY ,ARY TSY VITANY KOA NO MAMALY AN I RAJOELINA NY RATSY NATAOANY.

  • bogor dit :

    Aza mora mitady coupable woa Ravelonarivo a! efa ela de ela ane ny tenanay no niteny teto woe, tsy afaka hanao ninona2 mihitsy Raianareo raha tsy présent eo e! efa nanolokevitra mazava be zahay woe, manaova aloha sacrifice mba any aorian’ny fifidianana vao mody, arovana sy honerana ny fananana simba. De ianao mihitsy no mamboatrany base rehetra ary manao refonte totale n’ny TIM, ka zay be vinany de dakana daholo,ny orinasa averina ampiroboroboina indray. Fa lery tsy manaiky e! ny alahelo seza lasa areti-mandoza mihitsy. Sur aho, fa na ireo mpanolotsainy, na ireo mpomba azy, mba efa nanoro azy an’io, fa lery mihitsy no efa mipika tanteraka e!afaka tsara hamerina indray ny popularité-ny sy hiaro azy indray ny vahoaka,raha hanapa-pahefana aminy zay hitondra eo ary tena mahomby io raha ady madio toy izay no ataony, izay koa no mety hanamarina azy fa tsy coupable izy t@ireny 7 Fév ireny, fa io ratsy natao io woa, tandindon’ny vatatena io, manaraka eny fo, ary mahatonga ny tena tsy hieritreritra intsony, fa tsisy solution afatsy ny bagarre sy toton’ombibory, kanefa ny adve henjana be, ny tena sesitany. De mandiniha tsara woa tena, fa zahay efa ela no nahita fa tsy mahay politika nareo, ary tsy kaopoakanareo le izy e! kôzy e!
    Raosy ane fotoana vitsy fotsiny, noho ny fanany vola, de vitany ny nanala ny Deba e!
    De tsy Ramamy, na Hanitra na Rajoelina no coupable, fa Raosy mihitsy no tsy mahay politika, fa lany andro midedaka sy mibontsina fotsiny, na de efa mangotraka any an-tsesitany any aza.
    Kaza gaga raha izao ny fihafarany, fa na ny mpomba azy, na any ivelany, na any an-tanindrazana, de kivy tanteraka, fa tary manao sainjaza loatra, ary ilaozan’ilay zandriny any am-paladihany mihitsy raha stature-na homme d’état zany.
    Lany hitanisa zay ataon-dRajoelina eo foana itony CST sagnaganga itony, de anaovan’ny olona dingan-davitra be. Aza mba sagnagna otran-dRaosy sy ny taranany woa, fa raha ho faty zahay matesa Raosy ozy Ramamy sy ry Hanitra sy ry Botozaza ary Naika sy Racosta ary Kotopôka.

  • Izy dit :

    Tsy maintsy mody ny filoha Marc Ravalomanana ary tsy maintsy milatsaka hofidina na tiani’ Andry na tsy tiany.
    Tsy misy fifidianana ho vanona eo raha tsy mody ny filoha Marc Ravalomanana.
    Mitohy ny tolona ary atao izay hampandresy izany tolona izany.

    http://www.gtt-sra.lenyx.org

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

*

Switch to our mobile site