RAJOELINA NO NAMPANJAKA NY BARANAHINY

IMG_1804

Nitohy teny amin’ny kianjan’ny finoana Magro Behoririka androany ny hetsiky ny vahoaka mpomba ny filoha Ravalomanana Marc. Toy ny mahazatra dia nisy hatrany ny fifandimbiasam-pitenenana nataon’ireo mpitarika. Anisan’ny nandray fitenenana teny an-toerana ny mpandrindra ny antoko Tiako i Madagasikara eto Antananarivo Ramatoa Clarisse. Nambarany tamin’izany fa nondrandrandraina teny amin’ny kianjan’ny 13Mai ny resaka fanovana. Fanovana inona no nentiny Rajoelina teny hoy izy, fa fahantrana no nianjady tamin’ny vahoaka nandritra izay telo taona mahery izay. Noho ny sotasota nataon-dRajoelina hoy izy, dia miaina ao anatin’ny fahoriana tanteraka ny malagasy. Momba ny fandriampahalemana dia nambarany fa iniana ato io zavamisy any Atsimo io, mba hilazana fa tsy milamina ny tany. Zavatra efa nomanina io mba tsy hiverenan’ny filoha Ravalomanana Marc eto an-tanindrazany. Tsy toko tsy foroahana hoy ity renim-pianakaviana ity, ny olona maty nandritra ny fitondran-dRajoelina. Ankoatra izay dia nitondra fanazavana mahakasika ny hetsika hotanterahana rahampitso ny tenany. Hetsika lehibe hoy Clarisse, no tanterahin’ny vehivavy Tim eto an-kianja. Hisy ny fiazarana fanomezana ho an’ireo olona tonga mialoha rahampitso. Noho izany dia mihafy kely isika hoy izy, fa adidy lehibe amin’ny fahatongavan’ny filoha Ravalomanana Marc ny fahatongavantsika. Nanentana ny vahoaka hotonga maro hanatevin-daharana ny hetsika lehibe ny tenany. Ny mpikambana ao amin’ny kongresin’ny tetezamita Horace kosa dia nanambara fa nisy ny fandoron’ny miaramila ny kaominina iray tany Atsimo. Misy hevitra hafahafa ao ambadik’izany. Ilay boloky lahy no tompon-kevitra amin’ny fandorona izany kaominina izany. Tantara foronina izany Remenabila izany, hoy Horance, fa efa ela no nisy izany malaso izany fa amin’ny endriny hafa. Rajoelina hoy izy dia boloky ny fat ary tsy mandray baiko afa tsy amin’ny frantsay. Ny Ct Ignance kosa dia nilaza fa mitotongana ny malagasy ankehitriny. Mahantra ara-tsaina hoy izy isika. Rajoelina no nampanjaka ny baranahiny teto amin’ny firenena mba hitiavan’ny olona azy. Tamin’ny andron’ny sosialista hoy ity mpanao politika ity, dia nampahantraina ny vahoaka. Rehefa tonga anefa ny fifidianana dia zaraina vary kely ny vahoaka. Toy izany koa no tian-dRajoelina io. Mamela ny olona hanao Remenabila, ny risoriso, ny halatra ny fat. Ny olona mbola tia azy hoy Ignance dia ire mpanao bizina, sy mpangalatra.

16 pensées sur “RAJOELINA NO NAMPANJAKA NY BARANAHINY”

  1. OPINION: le Commissaire Alexandre Ranaivoson, responsable de la Communication de la Police Nationale affirme que la justice populaire existe parce que les administrés n’ont plus confiance en l’Etat et ses éléments, à cause de la corruption, ou compte tenu de l’insuufisance de moyens mis à la disposition des forces de l’ordre pour assurer leur mission

  2. resaka fotsiny sisa no betsaka eto @ magro eto, ny foza mandroso @ tetidratsiny ihany. toa efa tsy misy firaisankina intsony ny mouv ravalomanana. mamitaka ilay vahoaka kely mbola manantena tsy misy eo

  3. Tsy ny fahorian’ny malagsy intsony no vaovao @ izao fotoana izao,efa fantam-poko fantam-pirenena izany,efa fantatra koa ny tompon’andraikitra @ izany ,koa aza mandàny andro @ izany tompoko ô! ny FIVERENAN’NY PRESIDENT RAVALOMANANA ikelezan’aina raha tianareo izany,sa ahoana? io ihany no fanafodiny.

  4. Indrisy !!!! Tsy afaka ny hiverina INTSONY ny PRM Ravalomanana : izany no tapaky ny Tribunal Sudaf OMALY !

    Mbola misy ohanina ry Ravelojaona Fidy ny gasy a ! ary manompo Tompo roa : Ny frantsay aloha, ary i Domelina ny iray !
    Tsy misy azo atao hafa tsy ny MIROTAKA ! Ka afaka ny hanao izany ve malagasy ???

  5. mila manova toe-tsaina sy fihetsika vao ho tafita e! ny fomba tsy nety taloha ihany no mbola tohizana hatram zao, rayer-na anaty liste daholo ny ekipa na dia noho ny resak olona fotsiny aza ary lazaina fa mpamadika daholo ny olona rehetra, dia ireo izay tsy mpamadika anefa toa tsy misy zavatra vitany sy tsy misy ilana azy, mety ny fisian ireo milaza azy ho tsy mpamadika ireo aza no tena tsy mampety ny tolona hatram zao!Mila manova fomba fisainana sy fitondrana olona ny filoha marc ravalomanana!

  6. iza marina ny mandainga eto @tanana e?ny afriquinfos sy ny citizen izay gazety mpanohana antsika avy ao afrika ve? SA RFI,?vERY HEVITRA ZAHAY MPITOLONAe du Sud : Ravalomanana interdit de… sortie
    Samedi, 22 Septembre 2012 13:54 Dossier
    Email Imprimer PDF

    O lereitsy a ! Tsy afaka mody intsony aho e !

    C’est officiel : la justice sud-africaine -entièrement indépendante des pouvoirs exécutif et législatif- a tranché. Elle vient de décider que le président démissionnaire malgache, Marc Ravalomanana ne peut plus être en mesure de quitter son lieu de résidence qu’est la ville de Johannesburg.

    Que dire ? Tout récemment encore, à ses partisans du côté de Manakara (Est de Madagascar), il avait déclaré via téléphone portable : « J’ai toujours mon passeport avec moi ! ». Il était loin de la vérité alors. Cela signifie aussi que les gesticulations deMamy Rakotoarivelo n’ont aussi servi à rien. Un Mamy Rakotoarivelo qui a osé dire, avant cette interdiction de sortie officielle, qu’il allait « annuler » cette décision. Me Hanitra Razafimanantsoa ne lui a donc pas dit qu’une décision de justice ne peut être annulée sans un recours en appel ?

    De son côté, Brian Currin est devenu un avocat terne et (bien) payé pour ne pas brillé par une efficacité digne de Ravalomanana… « C’est une tentative désespérée, malhonnête et malveillante visant à empêcher Marc Ravalomanana de retourner à Madagascar pour se présenter à la prochaine élection présidentielle », dixit le brillant « Lawyer ». Pour dire que la justice sud-africaine est de mèche avec Andry Rajoelina, sans doute ?

    Rappelons que c’est le 12 décembre 2012 que l’autorité judiciaire du pays de Mandela l’avait prié de ne pas quitte son lieu de résidence et de lui remette son passeport.

    Dans certains diplomatiques de la Capitale malgache, règne un certain « ouf » soulagement. Et ici, la vérité ne sort pas de la bouche d’enfants. En effet, ici, on dit que le gouvernement de Jacob Zuma est de plus en plus irrité par le manque de devoir de réserve de l’ancien président malgache. Particulièrement, ses envolées lyriques concernant un éternel retour imminent et, surtout, son entêtement à vouloir se présenter à l’élection présidentielle de mai 2013. La somme de toutes déclarations de rentrer, étalées sur trois ans ? Marc Ravalomanana ne peut plus… sortir, en plus de ne plus pouvoir intervenir par appels téléphoniques, étant donc mis en examen (de l' »Horroris cause toujours »).

  7. ainona no tena marina tsara hoe ry zareo ? marina ny nao ry Nirina , ao @’io
    ankolafy Dada io mihintsy no tena fôpl manomboka @ ity KISONIA
    mbola tsy nahitam-bokatra fa vao maika izao no valiny,t tokony ho ao mihintsy no SIVANINA tsara
    fa ao no misy ny TENA JODASY MALEFAKA.

    Tsy msy manaiky izany eo e!!avelao koa hivarotra izay varotany @’ la frantsa any ny sudaf fa tsy olana
    izahay mahatoky an’i dada hatr@ farany , avelao ho tsarain’izao tontolo izao iny raharaha iny dia ho hita
    eo ny marina.raha resy dada dia resy koa i Jakoba Zuma.Ho hita eo ny tohiny.

  8. Ny antsika dada ihany ravinanto a!!( .ilay sary manao satroka be io)
    sa ahoana Kintana??midongy indray angaha ialah no tsy hita ???
    ahoana indray izany valim-pitsarampoza izany ry Zareo akama isany???za. tsy kivyyyyyy!!!!
    dada anie resy am-boalohany foana dia avy eo MIARINA HAINGANA e!!ny ahy ataoko ohatra ny mijery
    film Amerikana foana , izay resy amboalohany ihany no MAHARESY @ FARANY.

  9. Marina ny anao Ranavalona fa raha resy i Ravalomanana dia resy i Jacob Zuma satria mihetsika mafy mihintsy izao ny mpanohitra an’i Zuma ao AFS ka izay no mahatonga ahy hiteny hoe ao Afrika ilay olana dia ny afrikanina no tokony hitady vahaolana voalohany dia ampian’ny hafa.Ireo vehivavy roa noteneniko tetsy ambony ireo dia ny voalaohany mpahay lalàna no sady manaja ny Afrika ary mahay tsara momban’i Ravalomanana ary ny faharoa vadin’i Jacob Zuma taloha izay afaka miresaka amin’ny mpanohitra an’azy tsara kanefa koa mitandro ny tombon-tsoan’ny Afrikanina amin’ny ankapobeny.Raha ireo no voaresaka tsara dia mety afaka mampanao fanadihadiana marina ny nitranga tamin’ny 7 febroary ho fahatsiarovana ireo namoy ny ainy ary ny fitadiavana ny marina.

  10. Maka saina kely aloha sady be zavatra atao, fa ny fantatro fotsiny dia izao : Mbola tsy nahita olona tahak’ireto malagasy ireto ny tenako !
    Raha tsy nosy i Madagasikara, efa notafihin’ny firenena rehetra izay mifanila taminy, ary efa lasan-dry zareo daholo ny tanin-tsika ! Tsy nisy intsony izany hoe Madagasikara izany noho ny fitiavan-tena !

  11. Mamaly anareo milaza ho zanak’i Dada ireo aho, nefa miray saina @ Foza @ fandemena sy ny sy fanaratsiana indrindra moa ny faniriana hahafaty ny tolon’ny Magro @ filazana ny hoe tsy izy intsony io, na ny mpitarika ao, na . . . ; raha zanak’i Dada marina ianareo dia tsarovy fa ny fitsanganan’ny Olona nanomboka teny Ambohijatovo hatramizao ao @ Magro izao no hery lehibe iray anisan’ny niaiken’ny iraisam-pirenena fa mbola misy krizy ao Madagasikara ao, izany koa anefa tsy milaza fa izay tsy mankeny an-kianja dia tsy zanak’i Dada, saingy ilaina ny fitazomana io tolona eny an-kianja io, mba ho marika hita maso fa tsy mankasitraka izao fitondrana izao sy mitady ny iverenan’ny Filoha Ravalomanana ny Malagasy. Izaho eto milaza heo, marina fa mety misy tsy manjary ao @ Magro ao, nefa ny feon’ny vahoaka avy ao dia mbola tsy miala @ Tanjona hatramin’ny voalohany, dia hoy izaho hoe andao tohanana io ehhh, fa @zay tsy manakivy ny olona izay efa mahafoy zavatra maro hamonjena sy hampijoroana ny tolona ao ka mamonjy ao isan’ andro, no manamafy io endrika hita maso maneho ny fampodiana an’i Dada io, fa raha ianareo tsy ho any, satria mety misy antony (nefa mba zanak’i Dada ihany) no ianareo tsy mankany mandefa teny manakivy ny mpitolona ihany (ka mety hampanjary azy tsy hazoto ho any koa) DIA HO RAVA IO ; dia ny foza no faly sy mibitaka voalohany; dia manjary manampy ny fozaorana ianareo, no sady tsy hisy fanantenana intsony ny hodian’ny Filoha Ravalomanana. « RAHA TSY HOE ANGAHA MISY FOZAORANA MODY MANAO ZANAK’I DADA ATO, DIA MANIPY TSIKELIKELY IRENY TENY FANARATSIANA NY MAGRO, SY HANAKIVIANA NY MPITOLONA IRENY » saingy raha izaho aloha tsy ho voafandrikareo @zany fa efa maro ihany izay hitako izay eh, efa vita vakisiny @zany hevim-pozaorana mody miditra lalina @ tolona ôtran’ny hoe mba zanak’i dada nefa manana hevitra ambadika hanakiviana, sy hankahalako ny tolona ao @ Magro. DADA MODY SY HO LANY @ FIFIDIANANA NO TANJONA. Dia izay hetsika rehetra raha mbola izay fodian’i dada izay no feo mivoaka ao, dia tohanako, avokoa ary hampirisihako mihitsy aza. MBA DINIHO IHANY EHHHHH,

  12. Sady mankahery tena ihany anie aho no milaza fa » raha resy dada dia resy Zuma e!! »
    Hitako kosa fa misy ihany fitiavan’i Zuma an’i dada kosa aloha e!!tsy afenina izany!!
    ary mbola ny ANC no tompon-daka ao ka izay no mbola tsy mahakivy ahy .

    Atao ahoana Kintana fa mbola misy maloto ho harapaka @ antsoinao ihany angamba aloha???
    Dia gaga ialah????misy miihaiinoooooo????MAHONENA e!!!!!

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *