RALAISEHENO GUY MAXIME : TSY TE HAMAHA KRIZY RAJOELINA

IMG_1743

Nitondra ny tatitra nandritra ny fivorian’ireo ben’ny tanana eto Madagasikara isaky ny faha telon’ny volana teny amin’ny kianjan’ny Magro Behoririka androany ny filohan’ny ben’ny tanana eto Madagasikara Ralaiseheno Guy Maxime. Arovanay hoy izy ny fitsinjaram-pahefana tena eto amin’ny firenena toy ny ben’ny tanana, lehiben’ny faitra sns. Tsy mifanandrify amin’ny zavamisy eo anivon’ny ankolafy Ravalomanana akory no ilazanay izany. Efa ny 90%n’ireo kaomina hoy Guy Maxime no efa mitariana ankehitriny. Miverina mihinana vy ny olona any Atsimo, kanefa rehefa diso be loatra izany dia mahafaty. Ny anay hoy izy dia tsotra ihany fa Rajoelina no olana eto amin’ity firenena ity. Mahakasika ny fampihavanam-pirenena dia nambarany fa tsy hihavana amin’ny jiolahy sy ny mpandroba ny tenany.Rehefa tsy mbola fantatra hoy ity olomboantendry ity, ny marina momba ny boiderozy, ny fanondranana harena dia tsy hihavana aminareo izahay. Ny zavamisy ankehitriny dia hongotana sisa Rajoelina. Tsy te hamaha ny krizy izy ary tsy te hitady vahaolana hivoahana amin’izany. Mandeha ny feo etsy sy eroa hoy Guy Maxime, fa hosamborina ny mpitarika ny ankolafy Ravalomanana, mba hanafoanana ny hetsika eny an-kianja. Hentitra ny tenany namaly fa tsy mifarana ny tolona raha tsy tonga eto an-tanindrazany ny filoha Ravalomanana.

1 pensée sur “RALAISEHENO GUY MAXIME : TSY TE HAMAHA KRIZY RAJOELINA”

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *