Misintona ny saintsika vahoaka sy parlemantera ny tenako hoy ny Ct Ravelonanosy Mamitiana, teny amin’ny Magro Behoririka androany, mba handinika tsara satria mety misy fitaka io lalàna holaniana ao amin’ny parelemantera io, mahakasika ny asa dahalo any Atsimo . Ireto mpitondra miezaka mamono afo ireto hoy izy, firy volana izay tsy nahavita azy,  sao misy politika maloto no iadiavana ny hanaovana io lalàna io ka ny ampidirana miaramila any ivelany. Sao ny fodian’ny filoha Ravalomanana, no tsy zakanareo. Aoka hazava ny resaka hoy ity olomboantendry ity, fa efa misy rafitra iainantsika eto. Ny Sadc hoy izy dia efa mandray an-tanana ny famahana ny olana eto ka nahoana no iantsoana vonjy amin’ny frantsay. Nambaran’i Mamitiana fa io lalàna io sao dia hamoahana fitsipika hafahafa eto amintsika hoe tsy mbola milamina ny tany. Raha tsy msy fitsinjovana ny mponina any Atsimo izany dia tsy iraisanay hevitra aminareo. Voizina foana hoy ity mpanao politika ity, fa nitory tany amin’ny fitsarana Afrika Atsimo ny AV7 ary avy eo indray nesorina. Inona ihany no marina hoy Mamitina, f’angaha ianareo tsy mahatoky ny fitsarana Malagasy indray, ka nankany Afrika Atsimo. Ny fitsaran’ny olona hoy izy, tsy ohatry anareo ka ianareo aza tsy mahatoky izany. Raha fitsarana iraisam-pirenenana dia avelao handehaf fa efa mazava ny porofo rehetra tamin’ny 07 Febroary 2009 iny. Toetran’ny kanosa hoy Mamitiana ny an’ny AV7. Ireo zavatra miseho ankehitriny dia manambara ny tsy fahombiazan’ny mpitondra firenena ary manambara fa mpikaraman’ady no mitondra. Aza ny hatezeran’ny vahoaka hoy Mamitiana, no hitroatra vao hiala ianareo fa mahatsapa tena. Ny olona tsy mahomby amin’ny asany  dia miala. Ankoatra izay dia nanentana ny vahoaka ho tonga maro amin’ny fanatevenana ny tolona eny an-kianja ihany koa ny tenany. Raha tsy tiantsika ny fafy laingan’ny fat dia tongava maro.



Zarazarao e ! - Partagez !

PS : Tadidinao koa ve ity lahatsoratra nivoaka tato amin'i MyDago ity ?
PS : Vous souvenez vous aussi de cet article sorti sur MyDago ?

3 Comments

  • volatiko dit :

    marina izany!izay no nampiala an,i dada!lasa sdf

  • KintanaMananDrambo dit :

    Ary toa hoe niantso vonjy tamin’ny Ray aman-dreniny koa, ilay zaza maditra ?

  • Hitsikitsika dit :

    inona koa ity Fozabetay ,misandoka anarana hafa ity hMba mitondra anarana  » Tiko  » hono fa arakay ihany,
    VIVE DADA MALALA;

    Andriamanitra homba anao sy ny fianakaviana hatrany.

    Ny foza dia ho faty syho may ary ho rendrika.

    LA FRANCE TSY ANDRIAMANITRA fa mpampidin-kizo sy mpamahan-dalitra ny PT sy FAT

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

*