RAVELOSON CONSTANT : AVERENO ALAMINA NY RAFITRY NY TETEZAMITA

IMG_1767

Namaly avy hatrany ny voalazan’ingahy Ramaroson Alain, fa handeha any Atsimo ny Cst hijery ny zavamisy ny Ct Raveloson Constant  androany teny amin’ny kianjan’ny Magro Behoririka. Anisan’ny manahirantsaina hoy izy ny Cst Alain Ramaroson, satria anisan’ny nitarika ny jiolahy tamin’ny taona 2009 sy nitarika ny fandriampahalemana ao amin’ny fiadidiana ny tetezamita. Nametram-panontaniana ity mpikambana ao amin’ny kongresin’ny tetezamita ity, raha haka sary any Atsimo no asan’ny Cst. Firy taona hoy izy, no nieboebo ftao amin’ny vaomieran’ny fandriampahalemana tao kanefa enimbolana aty aoriana vao ho an’ny Atsimo. Ny any amin’iny faritra iny hoy Constant, dia tsy ampianarina izany andriamasom-pokonolona izany fa efa hainy izany. Mety ho andriamasom-pokonolona hafa angamba no atsangana any. Aoka hoy izy , ho ren’ny olona rehetra fa io kisécurité an’i Alain Ramaroson io no mampatavy ny dahalo. Vao maika romotra aho hoy izy, fa ny havanareo nanao akademia tanora vao kapiteny dia nalefa any am-bavahady. Matimaty foana ilay kapiteny hoy izy,kanefa ry Lylison hatramin’izao mirevirevy tao Fianarantsoa fotsiny. Raha misy ministra esorina hoy ity mpanao politika ity, dia ny ministry ny fiarovam-pirenena, ny ministry ny ati-tany, ny fitsarana. Tsy vanona ny tany noho ireo olona ireo. Avereno alamina  hoy izy, ny rafitry ny tetezamita, avelao hiandanja ny  hery, avelao hiarahamitantana. Raha tena Ct sy Cst dia mitaky fanazavana maika amin’ireo olona ireo fa ny kapiteny Amedée dia santionany fotsiny. Tsy misy manaiky fanjakana ohatr’izany eto. Te hiaro ny vahoaka sy ny fananany ny miaramila hoy Constant, fa ireo lehibe no mihanokanona eny ambony latabatra. Heveriny fa video izy ity, ka handefasany lance rocket. Noho izany tsy misy manaiky atao ombalahy tanimanga amini’reo akory. Rehefa injay isika miteny hoe esory ireo ministra dia miteny Rajoelina fa efa milamina.

23 pensées sur “RAVELOSON CONSTANT : AVERENO ALAMINA NY RAFITRY NY TETEZAMITA”

  1. TOA MANONOFY AHO, TSY MANANA CASQUE SY GILET DE PROTECTION NY MIARAMILA MIADY @ DAHALO ;ARY TOA KIRANYL NY KIRARONY ,KANEFA NY EMMOREG DIA MANANA FITAOVANA HARIFOMBA ,
    KA MILA MIPETRAKA NY FANOTANIANA ,aiza ny loza ny vahoaka an Antananarivo sa ny Dahalo any Atsimo?
    Nisy Kapiteny Maty hono,matimaty foana! samy ho faty ihany ve tsy aleo maty ,hamerina ny aradalana eto an Tanindrazana ,noho izay maty ho Fiarovana an DRadomelina ,
    saha efa domelina ohatra azy .

  2. Maty ilay kapiteny, dia nitomany ireo namany ! Raha mba niaro ny ara-dalàna ireo lazaina fa mpitandro ny filaminana ireo, tsy hiaina ao anatin’ny kizo toa izao ny vahoaka ! Izao no ataon’ny sasany hoe, MILA RAHARAHA TOA AN’I RAINIZAFILEMENA !

    Tsy izaho irery angamba no nitovy eritreritra taminao ry ravelonarivo !
    Ny azoko lazaina angamba voalohany indrindra dia ny hoe tsy miomehy loza, na dia niomehy ihany aza !
    Faharoa, lasa ihany koa ny saiko hoe, tena miaramila sy mpitandro filaminana ve ireo, sa dia dahalo noraofina teny an-dalana ny ankamaroany ?

    Natao ny fanenjehana an’ny Filoha Ravalomanana, satria hoe tsy nikarakara ny miaramila, kanefa tamin’ny androny, dia tsy nahita MIARAMILA NANAO an’izany kiraro kiranyl izany intsony aho, toa ny tamin’ny andron’ilay iray izay, satria na ireo mpiambina an’Ambotsirohitra aza tamin’izany dia ireny no mba kirarony !

    Fa nahoana koa tsy ilay nanao école de guerre be panda iny, no tsy mba nampiasa ny fahaizany tany, sa ny fidaroana lehilahy sy vehivavy antitra ary ankizy tsy manan-tsiny ihany, no tena mba kaôkany ?

    Tena very ianao ry Madagasikara Tanindrazako ! Ny samy malagasy mifamono, ilay mpanongana dia tsy menatra akory fa hitonantonana hoa any amin’ny ONU indray hono, hilaza amin’ny rehetra fa tena manara-penitra ny fiarovana ny Zon’olombelona ao an-tanindrazana !

    Tena sahy miteny aho fa tsy ho menatra mihintsy ilay iny, raha tenenin’ireo miaramila ireo hoe, mandehana ialahy miboridana eny Analakely ! Tsy hitako intsony izay zavatra mety hahamenatra an’ilay domelina iny !

    Vorona azon’adala ny Firenena ê ! Tsy asiako resaka ny soratr’i elas farany ao, fa indraindray aho dia tena mitovy hevitr’aminy mihintsy ! Manompa ny mpiray tanindrazana raha hilaza hoe, sendra an’izay vahoaka faran’izay dondrona koa, any ka manararaotra ireo TIA-KELY SY MPIVAROTRA TANINDRAZANA REHETRA !!!

  3. Ilay capitaine voatendry nanao mission tao Ihosy, tonga hatrany betroka hanenjika dahalo, toa 7 no maty (ny ankilany moa fanahiniana tsy ambara) ary anisany IZY (tsy nisy passation akory ny asa, fa tonga dia Go Go Forcing à la TGV)

  4. Ary toa maraim-be izato izy ?? Nianjera avy teo ampandriana angaha hoy ny fitenin’ny sasany ? MDR !!

    Fanontaniana ry HoAiza ; Tamin’ny janvier 2009, dia natao cinéma be ny fiandràsana an’ilay nisy nitifitra ( izay natao sorona koa angamba ) teny amin’ny MBS ; voalaza tamin’izany fa hoe miaramila sa inona no nitifitra ihany koa, ary marihina fa efa tamin’izany no niparitaka ny fanamiana miaramila.

    Ireo mpitandro filaminana rehetra namoy ny ainy ireo, maninona no tsy mba anaovan’ilay domelina cinéma na cirque toy ny tamin’ny 2009 koa ?

    Sa menatra, fa be loatra ireo maty ? Sa dia tena tsy mivaky loha amin’izany intsony ry zareo rehefa azony izay notadiaviny ?

    Mba rahoviana vao ho tonga saina daholo ny malagasy hono ? Asain’ny olona miady, dia mifandramatra toy ny alika no niafaràna, marina !

  5. Maraim-be haingan’ny saina tsy mandry : f’efa eto ihany dia tsy mitsahatra manontany tena aho hoe « inona no ahatongavan’ireo tafika frantsay any Diégo ê ! »

  6. Efa miova tanteraka ny fomba fijerin’ny gazety mpiseho isan’andro, mpanohana an-dRaosy, fa lasa manohana sy mankahery ny miaramila. Na ny MIDI aza, de tena hita mihitsy fa efa manakaiky ny filohan’ny tetezamita. Misy dikany daholo zany rehetra izany, fa ny Zanakosy eto sy Rakosta, no mbola mahita ratsy hatrany, sy faly @ fahafatesana miaramila manamboninahitra iray, lavo teo am-pamitana ny adidiny.
    Ny an’ireto woa, zarany aza, hikorontana sy tsy handry fahalemana ny tanindrazana, toy izay hanolo-kevitra ny amin’izay fantatr’izy ireo azo hanampiana ny mpitandro ny filaminana noho izay adidy masina iantsorohany izay. Atao ahoana moa, fa sarotra be ny miresaka @ olona feno haine sy valifaty, ka iray ihany no tanjony, de ny hahapotika sy hampandohalika ny tanindrazany.
    Au contraire ny zavatra nolazainao RAVELONARIVO sy ry KM a!
    Lotika be ny fonareo, raha nanafatra fitafiana sy kiraro ho an’ny miaramila Andry, roa taona lasa izay, ary fanakianana teto, tsy misy otrizany. Mandainga sy te hilaza fotsiny ianareo, fa tamin’ny andron-dRaosy no tena natao tsinontsinona sy nambaniana mihitsy ireo miaramila io. Hoy Raosy woe, raha niaraka nanao mission t@ jeneraly iray, nikabary teo anoloan’ny vahoaka:  » ZA NO LEHIBEN’NY TAFIKA, KA RAHA MITENY AHO WOE MITSANGANA AMIN’IO JENERALY IO DE MITSANGANA » de nitsangana tsy fidiny tokoa lay jeneraly. Zay le tapohan’ny nahazo fahefana, de manaonao foana, ka tsy nitsinjo ny lavitra akory, fa geste kely toy izay, de ampy hampiongana anao @ sezanao.
    Manampy ireny hadalan-dRaosy ireny, ny fanafarany mercenaires vahiny hibaiko ny miaramila gasy, kaza be resaka re ry Zanakosy, fa raha misy nanao tsinontsinona sy tsy niraharaha miaramila, champion rainareo a!
    Matoa ny miaramila miaro sy manohana an’i Andry, de mahita izy ireo fa mikarakara azy tsara izy, ary mba tanisao eto, ny zava-bitan-dRaosy, nanatsarana sy nampitaovana ny tafika malagasy nandritra ny 7 taona nitondrany, mitaha ny fikarakana nataon’i Andry nanditra izay 3 taona izay, na ara-panamiana, na ara-pitaovana, toy ny fifidianana ireo camions sy 4X4, fampiakarana ny karamany, de mangina ny vava, fa io le woe,totozilahy mangetotra an-davenona ka ny natao ihany no nahasempotra, natao tsinontsinona ny miaramila, de ny miaramila ihany no nampisaoty anao teo @ seza volamena, ary zay no mbola mampitaimbava an-dRakosta sy ny zanakosy tsy hitiavany ny miaramila, satria ireny no nampinana an’i patron, de aza mitady coupable foana woa, fa ny tsy fahaizana politika vokatry ny fanambonian-tena ho mahafehy ny zavaztra rehetra satria nahatoky ny vola sy ny fahefana, hany ka nanaonao foana, de ny adihevitra tokony apetrakareo eto de woe, inona no tsy nety nataon’ny dadanareo teo @ fitondrany, de samia manolo-kevitra hanitsiana izany, ary tsy sahinareo ny hanao izany, de tsy hahomby na oviana na oviana nareo, fa ho hitan’ny havanareo eo foana, mandrapahatongan’ny fifidianana. Mba mandiniha tena tsara woa, fa sagnagna be daholo nareo, miainga hatrany lohany ka hatrany @ vodiny. Aleo pehana foana mba handraingiraingy.

  7. I Alain Ramaroson dia anisan’ny rangory fototry ny afo
    F’inona no maha-pendipendy azy mankany, fa tsy ny stèle an-janany Nadine nisy namotika tany Soanierana Atsinanana no atao izay hamerenana azy manara-penitra izany hoe misy tandroka roa ambony loha havia sy havanana (mbola ho avy ny anjaran’ilay iray eny Ambohitsirohitra)

    famille RAMAROSON, revue des Zhistoires:
    – coup d’état avorté du temps de RatsyHiraka,
    – détention illégale d’armes à feu depuis,
    – quid de villa d’Andoharanofotsy : ENTREPÔT d’armements???!!!
    – il n’était pas déjà allé au port de Toamasina aux fins d’importation illicite d’arsenals?

    F’IZA NO HITAN’NY MASONAY NIVEZIVEZY TENY ANOSY tanaty 4×4 matanjaka nandritra ireny sakoroka ireny, ny tavan-dra bibydia (animal sauvage) ALAIN RAMAROSON …

  8. I Alain Ramaroson ihany koa dia mbola nandray anjara tamin’ny fanomezana tenue militaire nanao mise-en-scène ho fanenjehana ny légalistes, tamin’ny alalan’ny tv TvPlus indrindraindrindra

    Tsy arak’i « Mbola tsy mikombina ny loha-maleminy » Andry Rajoelina daholo ireo km : »…mpitandro filaminana rehetra namoy ny ainy ireo, … mba anaovan’ilay domelina cinéma na cirque… »
    fa téléguidé io PION

    Mila maharaka vaovao marina ny olon-drehetra eraky ny Nosy: grande lacune
    topazo maso ny saintsika fa raha mitefoka ny
    BRADERIE au Sud, mazava be ihany koa izao ny mitranga any NORD-Est

    __
    ce n’est jamais mon doigt qu’il faut porter l’attention BOGOR,
    alors que c’est la lune qu’on te montre

  9. Guy Rivo Randrianarisoa, MERCI D’ETRE VENU remplacer la vieillerie !

    La mouvance Ravalomanana m’avait proposé pour occuper la fonction de Ministre de Décentralisation. Que cette proposition soit accordée ou non par le pouvoir de la transition, je ne prendrai pas cette fonction pour les raisons suivantes:
    1. Mes devoirs avant toutes choses sont le retour et la candidature à l’élection présidentielle de Ravalomanana.
    2. La mouvance Ravalomanana est nationale, je souhaite donc que dans la limite du possible notre mouvance garde la parité du genre et l’équilibre régionale de notre représentation au sein du gouvernement de la transition.
    3. En tant que porte parole du Président, il me semble que devenir ministre de la transition me priverait de liberté de parole.

  10. Zay ve no betsaka any ry HoAiza a! tratra @ hadalan-draianareo ve de tsy misy afa-tsy ny fandatsana ny maty sy mitady coupable lava e! raha mba hitady hevitra hampandry tany ve ny olona de hevitra ratsy izany e! nareo no tena maloto saina, fa tsy faly ianareo raha miverina mandry ny tany, ka raha misy olona mitady hevitra mba hiady @ tsy fandriampahalemana, de fahavalon-dRaosy sy ny taranany mitady korotan-dava hahatonga an’i Madagasikara ho lasa Somalie, ary ireny no manamarina foana, fa ao ambadik’izao insécurité izao dadanareo @ ireny famatsiana fitaovam-piadiana ny dahalo ireny, sy fanapoahana baomba etsy sy eroa. Ary io no tsy hahazakanareo an’i R-bombe, satria traingony foana ny attentat kotrehanareo. Bye! bye! HoAiza ô!

  11. Efa alefan-dry zalahy ao amin’ny youtube mihintsy ny JAMBAFR, ireo rehetra Jamba ao Frantsa !

    Hi hi hi !

    Ô ry HoAiza, aza dia mivakila amin’ny foza hoy aho ! Ny ankamaroan’ny zavatra ataon-dry zareo no tanisainy ato ! Asa, azo hoarina amin’ny pelikila negatifa, alefa ao anaty bain dia mipoitra ny tena sary ; ny ataony no lazainy fa ataon’ny mpiaro ny ara-dalàna !

    Ireny lazaina fa attentat ireny, dia ry zareo no mamorona an’ireny ! Na ilay Dolan hoy aho dia menatra raha nametrahin’ny namany fanontaniana hoe : »Lazain’ialahisany fa hoe nisôty mihintsy ilay fiara, kanefa ilay glisiera aza tsy niontsina akory, ary ny vatokely sy ravin’ahitra nanafenana an’ilay izy aza mbola AZO SARY ? »
    Tsy nahavaly ilay Dolan, ary hoainina noho ireto tranon-dainga ireto !

    Faly ery fa hoe lasa any New-York ilay vendra-dahy, miaraka amin’ilay sola tsy menatra niteny hoe nanohana an’ilay fanonganam-panjakàna ary ilay vehivavy mampiomehy iny ; ilay milaza fa hoe ministry ny fitsaràna, mpanagadra amin’apa, mpiaro mpamono olona, kanefa dia hoe zon’olombelona no ho dinihina any !

    Ho tondroin’ny olona molotra any fotsiny !

  12. Lapinou à NY n’est pas autorisé à balader au-delà de 25miles (do not move beyond 40km)
    de là où il est logé!

    Ny fou anaty asile no fehezina anaty tamboho…

  13. Mbola tsy nisy prezidà, TSY AVELA MIBALADY TAHAK’IZAO ATRAMIN’IZAY !! Finalement, il n’est rien du tout ! Ira-t-il après, se plaindre chez sa mère ?
    Izaho avy no menatra SATRIA MALAGASY IHANY NY TENA !!
    Tsssss!

  14. Marary fo @’izany eo ialah!!!leo be za!!nandengainy tao ndray fa hanaraka
    ilay tondrozotra Antsipiriany izy dia lasa???dia efa nivoaka daholo izany izao
    ny Gadra, sy ny haino aman-jery???dia efa tonga i dada a???MAHONENA!!!!!
    Leo be zà!!mbô kôzy izany!!manome litika daholo!!tsy tokony ity ankolafy Ravalo ity ve no tokony h PASOANA
    fa tsy mamely intsony e!!!!tokony antomboka any aloha vao miafary ary @ tetezamita ny fipasoana ny daomy,
    raha tsy izay dia ho voarirarira lava eto isika.Efa tsy izy intsony io ankolafy io!!!tsy mahaefa no tiako tenenina.

  15. Ary tsy misy tangena ve omena ity lohatapka BOGOR ity fa tsy tapitra mimenomenona eto fona, sa efa akaiky ny Haloween ka, efa mitsangana sahady ny tapa-doha tahaka an´i Bogor .

    loham-poza koa tsy mahagaga fa miteniteny foana sisa atao fa tampin-dalan-kaleha izatio izy ka eto amin´ny siten´ny zanakí DADA mahery ,no tafiditra,

    ndeha any amin´ny ranon´ny behoririka miaraka amin´ny sahona ny lohatapaka bogor fa diso adiresy ilaiaka maivana ity.

  16. Tsy mahazaka ve Rahitsikitsika. Tsy miakapofona marina raha tsy ao raha a! @ fomba ahoana no hanapahan-drangahy ny lohanay. Ny hevitray fotsiny aza de mampitrotrongy anareo koa, maika fa hifanatrika aminay.
    De mamafy lainga eto ndray ve woe, voafetra ihany ny VISA n’ny Zandry e!
    Aza mody fanina fa any Washingtown ny FILOHAN’NY TETEZAMITA NO HIHAONA AMIN’NY FIKAMBANAN’IREO, SENATERA MAINTY HODITRA NANASA AZY MANOKANA, ARY ZAHAY ANE HATRANY AM-BOALOHANY NO EFA NILAZA WOE, EFA MIALA BALA ANAREO TSIKELIKELY NY BEKINTANA E!
    De lazaivo fa mampiresaka foana ny tenanay, fa tsy mbola nisy zavatra nolazainay tsy nitombina teto, de akombony woa ny vava rehefa tsy mahay politika, fa ny olona mandroso foana; mandalo ny lamasinina, mivovo foana eto ny alika!!! ka vena tsinona koa!

  17. >>bogor>> ( tokony tsy hisy hidirranay aloha ny resakao satria izany raosy izany no resahanao, tsy fantatray izany, sady tsy dadanay, fa ny anay Dada Ravalomanana Marc, olona nanompo an- Andriamanitra t@ fony sy ny sainy sy ny fanahiny sy ny heriny rehetra teo @ sehatra rehetra nisy azy) fa izaho manokana no hiditra @ le resaka, i Dada aloha tsy hanao ny ataon’i Domelina sy nareo foza io miintsy ( de Andry Rajoelina sy ny mpanohana azy izany) @zao ny miaramila mahazo tombotsoa lavitra noho ny mpiasa nianatra ela sy lavitra toy ny dokotera, rehefa mpiasam-panjakana dia manana sata mitovy, ka izay no tsy maintsy arahan’izayy mitondra aradalana, fa matoa mitangezoka @ miaramila, tsy tiam-bahoaka izy izay, tsy hanao izany ny dadanay na hahonganareo im10 eo aza, ny marina sy ny ara-dalana ihany ny azy; ny resaka mercenaires vahiny lazainao, tsy mitampina ny masonay t@ nitsena ny dadanay nosakananareo teny Ivato ireny, fa maro ny mercenaires vahiny teny, ary tsy menatra koa ianareo nampiseho azy t@ 26 juin nitondra ireny Helico ireny, ary indrindra nanenjika anay t@ parlemantera saika hanao tatitra teny Ambohijatovo iny, sa reefa anareo de tsy mercenaires vahiny ireny fa reefa i dada no manafatra de mercenaires vahiny? izay angaha no tsy haiko, Reefa voavidnareo hanao ny tsy tokony hatao fotsiny ny miaramila de zay fa aza hatsaraina eo, nefa efa tsy mahavita ny asany fa nivadika nanao pôlitika nefa manam-basy, zava-doza anie izany ehhh,Raha nahavita ny asany ireny miaramila ireny voaarony ny andrim-panjakana tsy nirodana teo; fa miaramila mila vola hafa mihoatra ny karamany sy manao pôlitika efa tsizy tsony zany, tsy hiditra @zany tsy ara-dalana izany ny Dadanay Hendry ihany koa izy tsy nampihetsika ireny miaramila ireny t@ fotoan’ androny fa ny tadiavin’ireto Foza ireto mantsy dia ny ho toa an’ny Syrie @zao,FATy olona mikararana, naleony aloha nisintaka. Io efa hataondry zareo any atsimo io ehhh, toy ny efa nataony teny Ambohitsirohitra hnendrikendrehana an’i Dada. Aiza ve ka mittovy ihany ny hataon’ny Dahalo sy ny tafika nalefa any, samy tsy nissy niaro ny olona sy ny fananany fa samy nandroba sy nandoro ny fananan’ny olona (nandoro ny tranon’olona), vita tompoko ….(mbola hitohy)

  18. Rahefa tsy manaiky io fitondrana ankehitriny io ra-CONSTANT dia mialà tao .
    Ajanony daholo ny fandraisnareo anjara mitsikombakomba @ ireo olona tsy ekenareo ireo fa mapiomehy !!!! aza mandrebireby fotsiny fa mandaginina.

  19. Misy miihainoooooooo????efa fantany daholo izany fa ianao anie no ho
    vizana mintantara eo e!!fanainiana hampitana ilay laginindry zareo amintsika io,
    izy no tsy hampihainin’ny devoliny any dia isika koa no korontaniny hilazany abobo lava eto, dia faly izy rehefa
    tezitra ianao, izay no tanjon’ilay fanahy ratsy , tsy musy afa tsy ny hanome  » L ».

  20. >>ranavalona>> MARINA FA EFA FANTANY IZANY FA @TONY SEHATRA ITONY TSY IZY IRERY NO MAHITA? NA DIA IZAHAY AZA NO MIADY HEVITRA, FA TADIDIO FA MARO NO VOAFITAKY RY bogor sy ny Fozany DIA MISALASALA NA LASANY ANY MIINTSY? KA TSY MAINTSY MANAZAVA FOANA IZAY MARINA @ TENY LAINGA BE AMBARAN’NY FOZZA IHANY ISIKA FA TSY MAHAZO MIJANONA @ZAO FA TSY MAHAZO MIJANONA @ZAO, FA MANJAKA NY DEVOLIN’IREO RAHA TSY AMBARA NY MARINA. SADY ZA KOA REFA MISY FOTOANA MAZOTO DE TSY MAMPANINONA AHY IZANY EHHHH. NA IZANY AZA MISAOTRA ANAO FA IZAO DIA HITA INDRAY NY ITONDRANA NY RESAKA @ MANARAKA.

  21. Eny e! marina aloha ny anao e!!!ohatry ny miady @ adala ihany mantsy isika eto
    fa ny azy ihany ny azy na efa fantany tsara aza fa DISO! MANOME LITIKA!!!!

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *