RAVELOSON CONSTANT : ISIKA REHETRA NO SINGA-BOLO HANDAVO AN-DRAJOELINA

IMG_1620

Milaihetsika isika rehetra, hoy ny Ct Raveloson Constant, androany teny amin’ny kianjan’ny Magro Behoririka. Misy hoy izy ny fomba fiteny hoe singam-bolo mandavo ny fositra. Ny fositra eto efa mitsingilahila. Aza mieritreritra ianareo hoe izaho avy mihaino kabary eto ankianja dia inona no vitako rehefa any an-tanana. Raha tsy teo ianao hoy Constant dia nanjakazakazan-dRajoelina ny firenena. Rehefa tsy misy vaovao mipoapoaka nandritra ny herinandro dia ny resakareo hoy izy dia hoe dia ahoana ny fodian’ny filoha Ravalomanana. Efa nanao dingana isika teto kanefa nahoana no miteny fa raha izao na izao. Isika rehetra izao hoy ity mpanao politika ity, no singam-bolo handavo an-dRajoelina. Raha  fanonganam-panjakana dia efa tsy izy intsony Rajoelina, fa ilay tsipidy kely no andrasana amintsika. Ny zavamisy hoy izy, dia ny hoe sao tsy ekeny indray ny fodian-dRavalomanana. Rajoelina akory tsy anadahindreninareo fa ny anjaran’ny kimiaramila ireo dia manao izay hanataraiky ny tetezamita ary mamikitra amin’ny Tokanono. Raha tokanono hoy izy iny dia naharesy ve ialahy ? Raha miramila no manao izay dia fanamboarana moraly, pepo ny moraliny.  Sahia miteny sy mametraka hoy Constant fa ny lalana dia tonga eto Ravalomanana ary miara mitantana ny tetezamita, fa io fitondrana io dia mampiroborobo ny dahalo. Raha tsy tonga Ravalomanana hoy ity olomboantendry ity, dia tsy voavaha io olana io, satria tsy mahazaka sy mahafehy fitondrana Rajoelina. Vao maika aza mampivaky ny miaramila. Nambarany ihany koa fa rehefa tsy misy hasina intsony ny sain’ny malagasy mitondra eo dia mahazo vahana ny jioalahy, dahalo. Fanjakana efa tsy hitany intsony no asiany ny lohany. Efa miteniteny foana sisa Rajoelina hoy izy hoe hitady fitaovana atsy sy aroa kanefa aiza izay eo. Telo volana no nisian-dry Remenabila fa izao ny fitondrana vao mitonatonana any Atsimo. Raha mandefa miaramila 1 any Atsimo izy dia 5 amin’izay no alefa ao Ambohitsorohitra. Iznay no midika hoy Constant, fa fitondrana korisangorisa io ka hitsingidina any an-kady. Fanjakana efa very toky io. Izao no arahimaso hoy izy,na ho an’ny New York izy, ka ho afaka hiteny ihany ve? Ho sahy hiteny ny tanintsika Jouane de Nova ve? Na hiteny na tsy hiteny hoy Constant dia lazao anay ny marina. Nanome fanatenana ny Thailandais ve ingahy? Marina ve fa atao izay hahaleo monina ny mponina any atsimo? Marina ve ny ataon’ingahy tahaka ny hanaovana jeux video ny any atsimo? Nambarany fa fanjakana iaraha manana no ajoro ka eken’ny vahoaka ary misy ny fanitsiana ny tetezamita .Izao no ora farany amin’ny hena an-tanatsaka, ka raha tsy voakapoka tsara ny saka tsy mivotsotra ny hena. Manao tetiky ny olona efa resy am-boalohany ihany ianareo fat hoy izy. Rehefa nanao fanaonganam-panjakana Rajoelina dia manao izay tsy hanonganana azy eo no tanjony. N’inon’inona ataon’ireo kijeneraly ireo hoy hatrany Constant, dia tsy mahavit a   inona ireo afa-tsy ny hanao izay hanitarana ny tetezamita.

10 pensées sur “RAVELOSON CONSTANT : ISIKA REHETRA NO SINGA-BOLO HANDAVO AN-DRAJOELINA”

  1. Mankasitraka Raveloson a!!!ataovy midofaka hatrany Ambotsiroatra mihintsy ilay sakay e!!
    Ianao ihany no mahay azy fa ny sasany toa mbola lambolamboaina sy kenakenaina ery ity
    tolona efa tsy omby tratra, toa mbola tsy nahazo ilay fahazahoan-dalana makany USA sa ????dia ny tena no menatra!!
    hay hitako ity Biriziky no nipetsopetsona fa ho harahana ny Tondrozotra, f’angaha moa tsy izay koa nataony herin-taona
    lasa izay » ny tondrozotra no patron-ko  » dė aiza? naniry ihany ity ny nifin’ny akoho,dia mitonantonana efa lany henatra!!
    mody hifikafika eo indray izy fa hanaraka io dia hiesona HERINTAONA MANARAKA eto indray , fa atao ahazahoana ilay
    VISA fitsiny io mody hoe hampiarina , ANGAH???? taiza foana beriziky izay ela izay???izy izany no tsy nampandeha
    io tondrozotra io hatr’izay????io fa hataon’i domelina fitaovana indray izy ahazahoany io VISA IO, ohatra ilay t@ herin-taona.

  2. Mba mahazo mangataka ilay video ve Solo Razafy???
    mba lelafin’i Saka ny molotrao???azadafy raha azo hatao
    fa raha tsy azo tsy maninona fa dadanay koa efa ho tonga , efa hiverina mantsy e!!

  3. Tandremo sao dia lasa hoe lelafin’ny molotrao ny saka ? Tsy mety !
    Taiza izy ? Tany andafy avarabaratra any, sa mahazo arivo sa aman’hetsiny ?

  4. Izay tianao!!!izy daholo mantsy e!!!Solo Razafy aza efa midasika
    fa tsy hitany intsony ny mba fitalahoako MAFY, atao ahoana fa anazy io,
    izay hanaovany azy, tsy mampalahelo be ve aho amin’izany???

  5. Tiako be kosa ilay fomba fiteny hoe: « SINGAM-BOLO HANDAVO AN’i DOMELINA »
    tena marina fa singam-bolo sisa an!!!andramo tsy misy lehilahy iray anie eo akaikin’i
    domelina na vazaha izany na Gasy na olontsotra ny manam-boninahitra e!! avy io dia mitsirara @ malotony sy ny ranony.

  6. Ary ahoana indray itony ê ?

    Tananews – Lanto Rakotomavo : « Le parti TGV est disposé à éduquer les électeurs » !

    Oadray ! Ampianarin-dry zareo hanao inona hono izato izy ? Hangalatra fahefàna ? Mba misy ati-doha ve ilay kalaratsy iny ê ? Miteniteny foana izany raha olona !!

  7. Taiza koa ianao nahita TGV misy ati-doha, feno T.Y ny lohaníreo raha tsy izany ve mikorotana ambony ambany ny firenena sy fiainam-bahoka nanaovan-dry zareo azy.

    Aza mba Tanora gasy vendrana ihany hoa. tena kalaratsy marina i lanto rakotomavo ry KM, mba iza koa no nanambady an´iny, olona nikipy angaha?

  8. Mba ataovy analyse kely zay nolazain-dRakôsta nandritra ny telo taona mahery izay, fa fihatsiana sy fandranitana ady fotsiny (MFM io an!!!). De romotra be lery milaza eto, kanefa na Zandry na ny miaramila tsy azony ao anaty piège mihitsy, satria hendry ny mpitondra sy ny mpitandro ny filaminana, de tsisy effet le provocation, fa mahazo tehaka @ ireto olom-bitsy kely ireto. Tsy misy hamaly anao eo Rakosta a! ireo olom-bitsy kely manohana ny patron nao ireo fotsiny defa afaka manome valinteny anao.
    Mbola nahita an-dRakosta tery @ front ve nareo rehefa misy filaharam-be. Ao @ magro ao ihany nedala no mitaim-bava. Otran’ny patron-ny io, be taimbava, fa rehefa tonga ny tokoa, de mandositra ny fanafody.  » Dis moi tes amis, et je te dis qui tu es? ». Tena misy marina ny demokrasia Rana a! faly ery Rana mpivavaka be rehefa misy mpiteny ratsy sy mpanompaompa olona eto. Culture FJKM koa moa io, hatramin’izay niton-dran’ilay patron tary be ny fiangonana izay. Jereo tsara ane, fa rehefa tonga ery @ akodimirana Rakôsta io, de hangina tanteraka, ary hibaradaka mihitsy aza. Tadidio tsara izao tenoko izao a!

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *