TSY NY FRANTSAY NO AMPIADY ANTSIKA

b

Mbola miteraka resabe eto amin’ny firenena ny zavamisy any amin’iny faritra Atsimon’ny Nosy iny, amin’izao fotoana izao. Ho an’i zanak’i dada etsy amin’ny Magro dia nambaran’ny Ct Manoela androany fa misy Remenabila ambony latabatra eto amintsika. Nahoana hoy izy no maty ilay komandin’ny kaompania tany an-toerana vao tonga ianareo fat. Ny malaso hoy izy dia misy foana hatramin’izay. Tamin’ny taona 2006 dia efa nisy ohatra io, saingy vetivety foana dia nandefasan’ny filoha Ravalomanana miaramila ka tsy nisy intsony. Taiza hoy ny fanotaniana napetrak’ity zanak’Atsimo ity, no misy malaso hanana antibal. Inareo aty ambony jeneraly de division ireo no niteny tamin’ireo zanadry kely tany an-toerana hoe miala ianareo tany fa misy comando manokana alefa any, kanefa tsy nisy akory hatramin’izao. Mitady ady ny fat hoy izy amin’io resaka io, satria misy vatosoa, uranium any an-toerana, ka io no ampiadiana ny samy malagasy. Namafisiny fa n’inon’inona hidona dia arovantsika hatramin’ny farany ny filoha Ravalomanana. Ao avaratry Manantenina hoy Manoela dia azo hidiran’ny sambo ka ao no hanondranana ireo omby hangalarina ireo. Noho izany dia mila mieritreritra isika fa tsy ny frantsay no ampiady antsika eto. Ny fiverenan’i dada eto hoy izy no fanalahidy farany fa raha tsy izany isika mitolefika. Ny Cst Henri Randrianjatovo kosa dia nanao tatitra tamin’ny vahoaka mikasika ny fivorian’ny Cst. Nanaiky ny hanaovana fivoriana tsy ara-potoana ho an’ny rafitra parlemantera mahakasika ny zavamisy any Atsimo hoy izy ny Praiministra Beriziky. Hisy araka izany ny vaomiera hanadihady, sy ny cellule de crise eo anivon’ny Cst. Nisy hoy Henri ireo sasany tsy nanaiky ary nilaza fa izay tsy handray andraikitra dia tokony esorina. Ny zavamisy hoy izy dia misy tomponandraikitra miala andraikitra eto amintsika. Noho izany dia aoka isika tsy hatoritory amin’ny zavatra lazain’ny sasany.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *