3 pensées sur “An-tsary Milay, Magro 24 Oktobra 12”

  1. Amin’izao parlemantera frantsay tonga izao ny vahoaka, no tokony mandeha mankeny amin’ity lazaina fa « KIANJAN’NY DEMÔKRASIA » ity !

    Tsara ho hitan-dry zareo hoe EFA MALALAKA TSARA NY FANEHOAN-KEVITRA AMIN’IZAO FOTOANA IZAO !

    Ento eny Tsiafahy sy Antanimora koa ry zareo, HAMANGY AN’IREO REHETRA IZAY NOGADRAINA AMIN’NY TSY ANTONY !
    Ento eny amin’ny MBS sy ny Radio Fahazavàna koa ry zareo, mba hahita fa efa misokatra ny haino aman-jery rehetra !
    Farany, ento mamangy ny Filoha Ravalomanana eny Faravohitra ry zareo fa efa sasa miandry izy !

    Farany ary tena farany, anontanio amin-dry zareo hoe : NAHOANA NO NOTSARAINA SY NOLAZAINA FA MPAMADIKA TANINDRAZANA I PETAIN, ARY KOA IREO MPIRAY TSIKOMBAKOMBA TAMIN’NY NAZI-N’I HITLER ?

  2. RESAKA TAHAJA ITONY NO TSY MAMPANDROSO ny tolona sy Madagasikara.

    Menja (Adresse IP journalisée)
    Date: mer. 24 octobre 2012 11:19:16

    C’est peut être une occasion pour demander à ces autorités françaises si le pseudo-procès contre Ravalomanana qu’ont organisé les putchistes, a son equivalent en france, pour justifier l’indispensabilité d’une amnitie pour un Président élu démocratiquement.
    Est ce qu’en france il est possible d’instituer un « procès » à la manière hat, et l’accepter comme tel dans son fond et dans sa forme ?
    Si un « procès » procédé de cette manière existe en france, à ce moment là on pourrait peut être commencer à supposer l’utilité d’une amnistie pour Ravalomanana ! Sinon ca reste du domaine de disneyland !!!!!!!!

    DIA AIZA NO HISY OLONA KENRINA KA TSY HAHAY HAMALY IZANY.

  3. http://www.rnw.nl/africa/article/after-50-years-malagasy-independence-people-are-starting-forget-their-language

    Azafady aloha raha milaza ny zava-misy amin’ny fo tsy miangatra ny tena fa fony nisy ny vokatra vitan’ny TIKO dia nanjifa TIKO ny olona satria mora no sady tsara ary manara-penitra ireo novarotany:ronono,yaourt,menaka,rano fisotro ary ranom-boankazo.Tsy vitan’izany fa nanondrana vokatra misimisy fa mitondra anarana hafa fontsiny aty ivelany izy io.
    Manaraka izany ny malagasy dia tsy hifamono an-trano izany satria hoy ny ohambolana-drazana hoe:Velona iray trano Maty iray fasana.Azo lazaina toy izao koa ny dikan’io hoe:Madagasikara no tany na trano iainantsika ary mbola mandagasikara ihany koa no tany na fasana hilevenantsika.Ka raha miady an-trano isika dia tsy hisy handevina antsika intsony eo fa lasa sakafon’ny biby izay tsy miady an-trano ary ny harena lasan’ny goaikabe isany.
    Tohin’izay dia rehefa tsy mahay mifanaraka an-trano isika dia ny vahiny no voatery mandamina ny raharahan-tsika ka noho izany ny rariny sy ny hitsiny ihany no tokony ho tandrovintsika ao an-tranon-tsika dia miverina ny filaminana.
    Ankoatran’izay dia raha ny vahiny no mitantana ny raharahantsika dia voatery mianatra ny teniny isika mba hahazoana izay lazainy.
    Vokatr’izany dia tsy manana fahaleovan-tenantsika isika.Ka noho izany dia alamino ny ao amintsika (efa nialan-tsiny daholo ve ireo tokony ho nanao azafady, efa nandevina ny fialonanana daholo ve ireo mpisompatra rehetra, efa nibanjina ny ho avy ve ireo be fo isany?)Ataoko fa mahatsapa tena daholo isika.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *