ANKATSO : NATAO HAZALAMBO INDRAY IREO MPIANATRA

MyDago.com-Ankatso 31 Oktobra 12 (82)

Mbola nirefondrefotra indray ny baomba mandatsa-dranomaso teny Ankatso nalefan’ireo hery mpamoretana nandravana ny hetsiky ny mpianatra. Tokony tamin’ny 09ora maraina tany ho any dia efa nanomboka nidina an-dalambe ireo mpianatra eny amin’ny oniveristé ireo. Tsy nijanonana teo amin’ny fiantsonan’ny taksibe 119 intsony izy ireo fa nidina ambanimbany kokoa nisakana ny làlana mihazo Ankatso. Nihorakoaraka sy nisiotsioka no nataon’izy ireo tamin’izany. Rehefa kelikelin’iny kosa dia nanao be fiavy ireo fiara 4X4 miisa 7 miaraka amin’ny kamio 3 ary G6 feno hery mpamoretena. Avy hatrany dia nandrava ny hetsika tamin’ny alalan’ny baomba mandatsa-dranomaso izy ireo. Nitsoaka nandositra ireo mpianatra nanao fitokonana ireo ka namonjy ny tokontanin’ny oniversité ny sasany ary ny hafa kosa namonjy nody. Tsy namelan’ireo be baonty anefa ireto mpianatra ireto fa nenjehina hatrany amin’ny faritry ny toeram-pianarana izay nandefasana baomba mandatsa-dranomaso ihany koa. Nisy ny mpianatra iray voasambotra nandritra izany. Rehefa tolankandro kosa dia niverina namonjy nijanona tety amin’ny fiantsonan’ny taksibe ireo be baonty ireo. Ny mpianatra etsy andaniny dia niriotra namonjy ny vavahady kely ka nanidy izany ary avy izy ireo nitoraka vato ireto mpandrava hetsika. Samy nifampihainohaino fotsiny teo ny roa tonta fa tsy sahy niakatra na nandefa baomba ny hery mpamoretana fa nijanona teo amin’ny fiantsonan’ny taksibe.  Nanambara ny solontenan’ny mpianatra fa ankoatra ny fitakiana ny vatsim-pianarana, dia takian’izy ireo ihany koa ny hamoahana ireo mpianatra namany izay nosamborina omaly. Tsy manimba zavatra izahy hoy izy ireo raha tonga ka tsy misy ny fihantsiana ataon’ny be basy. Hatramin’ny 5ora hariva teo moa dia mbola nisavorovoro ny mponina teny amin’ny manodidina satria dia niharan’ny fisavana avokoa ireo izay nandalo teny an-toerana.

(TSY AZO ANGALARINA  NY SARY ETO AMIN’NY  MyDago.com)

31 pensées sur “ANKATSO : NATAO HAZALAMBO INDRAY IREO MPIANATRA”

  1. Be zesta ireto zanak’alika ireto, satria tanora tsy manam-pitaovana no mba rahonana lava amin’ity kalak ity !

    Mandehana ry le anina ireto raha tena mafy ialahisany, remenabila henjehana fa aza ny olona mitaky ny zoany no hanaovana sinemà â !

    Hita mihintsy fa be fialonana, satria tsy mba manam-pahaizana toy ireo no mibaiko an’ialahisany !

    Ho an’ireto tanora ireto !
    Alaivo sary ry lerony, dia alefaso any amin’ity olona ity â !

    sophie.rosenberg at amnesty.org

    Ho avy ilay hoe Christian MUKOSA amin’ity faran’ny erinandro ity, irakin’ny Amnesty International ; ataovy koa izay ihaonan’aminy !

  2. [S’insurgeant contre une lettre menaçante d’André Resampa, SG d’Ambohitsirohitra,
    Hilaire Razafindehibe ministre de l’Enseignement supérieur a quitté le Conseil du Gouvernement.

    Il en est de même pour Botozaza Pierrot, VPM chargé de l’Industrie qui a trouvé:
    – l’INEGALITE AU NIVEAU DU PARTAGE DU BUDGET DANS CHAQUE MINISTERE]

  3. Terrain de foot hono nandaniana 535 000 dollars, kanefa ny vatsim-pianaran’ny mpianatra tsy omena !
    Izao ve no nanaovana zesta be teny amin’ny tribune-n’ny ONU ?

  4. Mpianatra, zanaky ny malagasy manoatra noho ny dahalo ny fihetsiky ny herimpamoretana. Fa na dia miaramila iray ary tsy sahy mijoro miaro ny vahoaka na hoe ireo mpianatra ireo aza @zao zavatra rehetra mitranga izao fa dia mijery fotsiny, tena mirefarefa @ tany daholo ny toetsaina kanefa mba miaramila ihany, malemy saina sady be fatahorana, rehefa voky ny tsinay be dia mangina mijery ny zavatra tsy mety rehetra mitranga.
    Tsy ny mpianatra no mangalatra akory ka henjehina sy gadraina toy ny mpangalatra, fa ianareo mpitondra sy ianareo miaramila no mangalatra ny zanaka malagasy.

  5. SQ
    MORA
    tsy mahay mandanjalanja hoe inona no tena VALERA

    de mba ho hain’io ve ry km
    rehefa omena ny taux de change
    ny manao kajy tsotsotra
    ny contrevaleur en fmg
    an’io somme be dia be io

    tsia avy hatrany ny valiny

  6. Fa Ramenabila angaha mila henjeana fa tsy efa ho raisi-potsiny Kintana a!!
    tetika io fa manantona indray ny fotoana TOKONY ( ahatongavan’i dada io)
    dia hanaovana ramatahora indray ny vahoaka.
    Ny VOLA io izao sisa VALERA ry HOaiza a!!ankoatra io dia 0000 tsy misy intsony izany HASINA na fatahorana
    ny ao Ambony izany fa ilay VOLA!VOLA!VOLA!!

  7. dia mila misaro-tava koa manambotra ireto mpianatra???
    tena efa badraodra hita mihintsy hoe: VOAVIDY ka tsy mahasahy
    miseho masoandro akory.Dia mba te ho derain’ny alika @’izay dia zazakely io no mba
    hanovokovoana hanaparana HERY, zaza tanam-polo .

  8. Te hanontany aho hoe tsisy ray aman dreny anga ireto mpianatra ireto? marina fa tena sahirana am adim piainana ny ray aman dreny,fa efa ny zanaka,ny sombin aina anie ty hazaina sy rarafana bomba ty,de mbola tsy hietsika tsy haninona ihany ve?ny mpianatr’ankatso nampijaliana tam 72 anie no nampikomy ny ray aman dreny,dia nihitatra tam vahoaka rehetra no nampikatso an ‘i tsiranana e!Sa ve isika efa tena nilavo lefona tanteraka?efa miandry fahafatesana fotsiny izany sisa.

  9. Hi hi hi ry trimobe !
    « Rehefa voky ny tsinay be dia mangina mijery.. », haingana loatra ny famakiako azy ka noheveriko hoe voky…dia mangery !!! MDR !!!

    Izany eo ihany ranavalona, fa nisy resakao hoe LEO, tsy dia favy loatra !

    Fantaro fa nanomboka tamin’ny taona 75 no nitombo ny isan’ireo olona avy any amin’ny province, monina ao Antaninarivo ! 2012, raha atao ny statistika dia 30 na 40 % -n’ny mponina ao angamba, dia mpihavy daholo !

    Amin’ity resaka daholo ity dia mbola hitombo izany !
    Mba mandehana eny Ambolonkandrina ohatra, dia ho hitanao !

  10. Manhonena ny zanaka adala!

    Mahalala olona akaiky loatra aho Kintana ny @’ilay izy fa Miala tsiny oah!!ary maro fa misy toetsaina
    tsy azo handeferana kosa e!!nefa mbola miala tsiyn aho hoy aho fa tsy azonao lavina io KIntana a!
    eny e! ny antsika koa aloha no hitako TSARA ary izaho miteny izao dia VICTIME ny @’lay toetsaina
    mihintsy anie e! ilay izy anie tsy mifidy palana mihintsy rehefa asesik’ilay toetsaina e! dia hitanao izao
    zavamiseho any atsimo izao!!VONOINA NY PONINA HAMAROTANA NY HARENA @ VAHINY Dia
    HANGALARANA IAY OMBY AMIDY KISOKOSOKO,dia aripaka ny tanana…….tsy rariny kosa e!!!
    ka mbola miala tsiny oha za !!!MAHARARY NY TENA MIHERITRERITRA ILAY IZY! ny eto alohako
    aloha no hitako sy tsikefoniko fa marikoriko na dia ho hananako tsiny @ razana aza.

  11. Azoko tsara ny tianao ho lazaina ; marina fa eo ireo mpamadika palitao sy ireo mpanara-drenirano, na ranon-dolana !

    Fa ilay toe-tsain’ny malagasy sasan-tsasany mihintsy ranavalona no misy voa â ! Rehefa tsy afaka miady amin’ny gidro mitam-basy, dia fihetsika hafa ankaotry ny mivavaka no tokony ampiasaina ; saingy indrisy misy toy ny mahazatra, ireo miandry ny masaka fotsiny.

    Manome sopapa iray izao i Ratsimilaho !

    Tezitra be ny afrikana raha nilaza ilay Sarkozy tany Dakar hoe : « L’homme africain n’est pas encore assez rentré dans l’Histoire » !

    Izaho indray milaza hoe : Les africains ainsi que les malgaches, N’ONT RIEN RETENU NI APPRIS DE L’HISTOIRE » !

  12. Ny fampisehon-kery ataon’ity fitondrana mialaaina ity dia fihantsiana ny fahavononan’ny Communauté internationale izay manafaina sy manamora ny fifidianana ny Filohan’ny firenena RAVALOMANANA MARC : io filatsahan’ny Filohan’ny Firenena ho fodiana dia miankina amin’ny fodiany eto ANTANINDRAZANA , izay karakarain’ny TROIKA eo amin’ny lafiny fiarovans ny filohan’ny Firenena mianakavy amin’ny fodiana , eo amin’ny trano hipetrahana , eo amin’ny mnodidina ny fiainana ( asa ,fivoriana , fifamoivozana , snss, sns ) .
    Mikarakara ny filamina sy ny fandriampalemanaeto amin’ny Firenena koa izy ireo ‘ pacification)mba hahafahan’ny Malagasy an-tanana sy eny ambanivohitra miasa sy mandry fehizay..
    Tsy ho mora izany ,fa heveriko sy hinoako fa mivonona amin’izany SADC satria
    tsy hanaiky ny mbola hisian’ny fahoriana sy ny fijalin’ny Malagasy izay nahavaky vava ireo manambononahitry ny SADC iraky tonga teto MADAGASCAR !Tsy ankasitrahan’izy ieo ny toe-javatra misy eto MADAGASIKARA !
    Ny fampisehon-kery , izay tsy mitombona ataon’ny miaramila manohana an-drajoelina dia fizahozahoana satria inona moa no antony hanenjehana iireto mpianatra , inona ny antony hamonoano ny mponina any ATSIMO ?
    Moa ve fampisehoan-kery hamonona lolo ny SADC ve izao ka hitadiavana ny fihemoran’izy ireo tsy hanefa ny misson nankinina amin’izy ireo : » HAFAHO NY MALAGASY ! »
    Aka Isika tsy hiroaroa sana momba io mission’ny SADC io..
    Tsy niady ho any Rainilehizafy ny SADC , na niaro ny esprit sy ny lettre izay nifehy ny Accords de MAPUTO ,izay manda iankinan’ny tolon’ny malagasy , tsy amin’ny antony !
    Io Accords tany MAPUTO io no nihavihan’ny Accords no soniavina tany SANDTON ,izay niteraka ny feuille route tsy maintsy hampiarina amin’ny totalibeany..
    Mampalahelo ahy ireo naneso ahy( kintana manandrambo ohatra) fa tsy ilaina intsony izany Accords de MAPUTO izany. ( ita ao aminny lahateny nosoratakp teto ny 22 janier 2011 ).Mampalahelo fa ny olona toa azy dia mitovy fijery amin’ny frantsay izay nitady ny izay fomba hanampotehana ny Accords de MAPUTO ! Aiza io frantsay nivoy io hevitra io ankehitriny ary i kintanamanandrambo dia ..manohana ny ny feuille de route sa tsia ?

    Ny zavatra manana ny lanjany sy fahamasinany dia nyfiafaran’ny tolonafaran’ny tolon’ny Malagasy..amin’ny fiverenan’ny Filohan’ny Firenena RAVALOMANANA MARC MIANAKAVY ETO ANTANINDRAZANA !
    Be ireo niezaka ary mbola miezaka hanakana izany ! Tsy lavitr’izany ireo nitovy saina tamin’ny frantsay izay nitadyy ny fanafohana ny accords de MAPUTO..!

    Aoka Isika hisaina tsara , hamakafaka tsara , handinika tsara vao mizaea ny hevitra voaeritrertra tsara ,voatsakotsako tsara !
    Miseho ireo toa ny baolina naonSady tsy mitontona no tsy misavaona !

  13. Tsy hoe musy voa fa tena LOVA MANARANAKA ilay izy Kintana a!!
    tony lohandr’i Ratsikirity itony ohatra ,dia ilay LAINGA MARIVO TOTOTRA
    io tena MAKALOILOY ary dia MAHAZO VAHANA MANARANAKA MIHINTSY.

    Nahazo teaka be kosa domelina ry FILY a!!hanampiana ny mpikopaka lalitra ireo fa mantsina loatra izy ka hitangoronan’
    ny lalitra.

    Ilay fanambarana ny hery mihintsy no tsy TAFA ry Masyteny a!!dia izay mivoaka maty! izay mivoaka maty!! ny sorona koa
    hilaina rahateo fa mananontanona indray ny fahatongavan’i dada, MILA RÀ! MILA RÁ!!!!

  14. Inona indray ity rediredin’ity DCR ity ê ! Mpitaingina TZV tsy mandroso ve, any ka tara lava izao ê ?
    Ny Accord de maputo, sy izay fifanarahana rehetra nanarak’izany, dia HEVITRA AVY AMIN’NY MPANJANAKA, ary ny Filoha Ravalomanana dia niady atramin’ny farany TSY HANAO SONIA (Maputo 2009) fa nangataka ny fampiaràna ny Accord de Cotonou !
    Anontanio izy !
    Raha nampiarina ny Accord de Cotonou, tsy nijaly toy izao ny vahoaka !

    MBA MIERITRERETA, na aza miteniteny fahatàny rehefa tsy mahita zavatra ho lazaina ê !
    MBA MATOTRA FA EFA LEHIBE IHANY NY TENA !

    Natao sonia daholo ny fifanarahana : INONA NO VOKANY ???

    DOMELINA LASA MIZESTA HOE FILOHAM-PIRENENA, MANAO SONIA ZAVATRA TSY ARAHINY AKORY !!

    TSSSS !!!!!!!!!!!!!

  15. Miverina kely ato satria toa misy fanontaniana izay toa tsy voavaliko !

    Manohana ny tondrozotra ve ny tenako ?

    Izaho dia nitovy tamin’ny Filoha Ravalomanana, satria anisan’ny tsy nankasitraka an’io Accord de Maputo izay piège à cons io !

    Nisy ireo « seillers » niseho milay ary be dioka, nanao izay andresen-dahatra dia iny fa natao ny sonia, izay nolavin’ilay vendrana indray, tsy ampy iray volana akory !

    Nalefa indray ny fifanarahana hafa, izay vao maika loza noho ilay iray, dia nolazain’ny sasany fa tena mety, na dia tsy hitan’ny rehetra aza izay ambangovangony, indrindra moa fa ilay « olona » tena hiarany !!
    Inona no vokany ?

    Manohana toy ny rehetra ao satria natao ny sonia, ary tohanako rahatoa ka tena ampiarina ! Saingy ILAY FITSIPIKY NY LALAO, TSY MISY MANARAKA !!

    Ny sasany nisy nilaza fa mandroso tsara ny « pions » !

    « MATY SY ECHEC » IZAO NO TOA BETSAKA !!!

    Dia ho tohizana atramin’ny hoviana izao fahoriana izao ? Tafaverina ve izao ny Filoha Ravalomanana, ary navoaka daholo ve ireo nogadraina, ary nisokatra daholo ve ny haino aman-jery ?

    « Gestion des affaires courantes »-n’ny Raharaham-pirenena ve no nataon’ireo hoe mpitondra, sa « gestion de leurs dossiers ainsi que de leurs petites ou grosses affaires personnelles » ?

    Rehef

  16. Rehefa tsy izay hivoahana amin’ny krizy no atao, dia tokony milaza ny marina daholo, fa tsy handrebireby sy hamitaka ny vahoaka !

    Ny Communauté internationale tsy hanaiky fanonganam-panjakàna !

    Ny Filoha Ravalomanana tsy maintsy tafaverina eo, ary miandry azy ny vahoaka ; izy ihany koa efa nilaza fa ny 95 % ny asa dia izy no nanao azy, na dia hita fa manao sakana ireo mpanongana !

    MAZAVA ANGAMBA IZANY !!

  17. Mihevitra ianao fa ny lainga ataingiainginao dia marina.
    Ny filazanao fa ny Filoha RAVALOMANANA M%ARC dia tsy nanaiky ny Accords de MAPUTO , izay ny SADC ,Vondrom-pirenena misy any MADAGASCAR no nandrafitra io Accords io ,koa nahoana ny Filohan’ny Firenena Malagasy no handa izay Accorfd natao iarovana ny MADAGASCAR..
    Tsy mbola nanao sonia ny Accord de COTONOUI MADAGASCAR tamin’izany..!
    Ny mpanjanaka tsy hafaka nihetsika noho io Accords de MAPUOTO io .Any a npmorona hevi-dratsy handrovitana azy..Tsy nahavita izany izy dia nanodikodina ireo « mpandrahara  » avy amin’ny Union Afticaine no nataony : i jean pind sy ouedraogo no no tambazany..! Aiza ireny izao ?
    Lainga , lainga mantsiny ny filazana fa nanohitra ny Accords de MAPUTO ,izay niteraka ny Accords de SAIBDTON sy ny feuille route io accords de MAPUTO io..
    Namita tena sy namitaka ny Malagasy izany ny Filohan’ny Firenena RAVALOMANANA MARC ,
    Niady taiza moa ny Malagasuy ?
    Nisy ireo Malagasy nanaraka ny politiquen’ny frantsay ,izay nizara vola , ary teo ary mbola eo ireo Malagasy nanohana ary mbola manohana ny Filohan’ny Firenena RAVALOMANANA MARC ,izay nanasonia ny accords de MAPUTO..Ary ao amin’io accords de MAPUTO io dia misy « chapitre » mikasika ny Filoha sy ny voina niantra taminy ,izay milaza koa ny fomba hahanoherana izany (modalités de dédommaement ).AZA HAMBOAMBOARINA SY AZA HAMPANDAINGANA NY TANTARA.., izay tsy ianao irery no NAHITA IZANY !
    Ho TANTERAKA NY ESPRIT SY NY LETTRE NANDRAFETANA NY ACCORDS DE MAPUTO DIA IO LASA FEUILLE DE ROUTE : TONDROZOTRA IO !
    Ny nébuleuse légaliste nisy anao no niankina sy nanantena fa hahavita handrovitra ny accords de MAPUTO ianareo !
    Aiza ireny hetsika sakana ireny ankehitriny , aiza ny herin’ny frantsay nanjanaka nahatokisanareo ?
    Ianao no tokony hanadino ny rediredy entinao mamahan-danitra ny marivo salosana..sy mora mandray ny lainga alahartry itony tsy mitonona anarana itony !
    Ny zava-misy no jerena sy fakafakana no dinihina ary entina eo amin’ny Malagasy ,izay itsara na marina ireo zava-misy ,izay hamafisin’ny Filohn’ny Firenena R
    RAVALOMANANA MARC ny fahamrinan ‘ireny zava-misy ireny.
    Ny malagasy mpanainga toa anao ry kintamanadrambo no mpamosavy manodikodina sy manam-poizina ny saim-bahoakaz..
    Ny olana dia tsy irery ianao.., fa ny mpomba ny marina sy lalàna kpa anie tsy vitsy na dondrana é !

  18. Aza ma nova resaka ianao.
    Ny fodian’ny Filohan’ny Firenena RAVALOMANANA MARC mianakavy dia efa tinapaka ary tsy asiana teny izany.
    Ny tsy fankasitrahan’ny Communauté internationale ny fanonganam-panjakana sy ny fitondrana naterak’izany dia voarain’ny Vahoaka Malagasy aery nahazingizin’ny CI izany atrany am_*iandohana .
    Tsy any ny resaka tsihaviko eto fa ny lazinganao milaza fa « NANDAHA NY ACCORDS DE MAPUTO NY FILOHAN ‘NY FIRENENA RAVALOMANANA MARC SY NY FANAMBARANAO FA TSY MISY ILANA IZANT ACCORDS DE MAPUTO IZANY ! »

    Ny fandehan’ny Tantara sy ny seho-javatra dia manome tsiny anao ary manaùorofo mpandainga ianao !
    Ny felle de route izay nateraky ny accords de MAPUTO dia ho tanterahina..SA MBOLA MIHEVITRA IANAO SY NY MPANJANAKA ivavahanareo fa hahavita manakana izany zotra ny Tantatra ianareo ?

  19. Dia hoy koa ity ilay TGV be takolaka @ halahelom-bahoaka hoe:
     » tsy misy manakana an’i domelina tsy hilatsaka hono fa ny azy domelina ihany »
    raha tsy domelina kosa aloha tsy NAMPITAROZAKA iny takolany sy ny kibony iny e!!efa ila ho sempotry
    ny taviny mihintsy ilay tsivalaara , hita mihintsy hoe: tapon-kanina tsy hitany hatr@’izay niainany no mba
    hitany @’izao andron’i domelina izao,dia ny fahirian’ny vahoaka tsy misy vidiny mihintsy aminy.MAHONENA!!!

  20. Nahoana no mbola nahitam-bokatra ireo fifanarahana nosoniavina atrizay.
    Iaraha-mahalala sy mahita fa tsy misy fitondrana(gouvernement) tan-dalàna eto MADAGASCAR..Tsy misy FAHEFANA MAHEFA ETO..
    -ny ft dia tsy eken’ny Communauté internationale ny fisiany noho izany tsy mana fahefana izy
    -ny Filoha RAVALOMANANA MARC izay nesorina teo amin’ny dia tsy eo amin’ny toerany ka tsy hafaka mampias ny fahefany..
    Noho izany dia ny MIG (médiateurs) notendren’ny SADC no tompon’andraikitra eo amin’ny SADC amin’izay mikasika any MADAGASCAR ara-politique..
    Ny fanampahan-kevitra farny dia nankinina amin’ny Ankolaft efatra..
    Ireo ankolafy ireo no manasonia izay décision noraisin’ny SADC..Eo Isika amin’izao fotoana ary ny fanapahan-kevitry ny SADC dia miandry ny rapport -n’ireo iraka civiles sy militaires tonga teto farany teto..!
    Io fahatarana io dia miankina amin’ny fitarazoky ny resaka diplomatiques atrehina , satria mora ny manongana mpyitondra fa sarotra ny fifanarahana eo amin’ny fufandraisana amin’ny Firenena Rehetra ny mamerina eo amin’ny toerany ny fitondrana nahongana..!
    Tsy miankna amin’ny Filohan’ny Firenena izany,
    Tsy misy idiran’ny Malagasy
    Ary tsy ilàna ny mpanongam-panjakana…

  21. MitandremaIsika Malagasy fa mandady ireo andevon’ny mpanongana izay mody mimenomenona fa taraky loatra ny famerenana ny Filohan’ny Firenena RAVALOMANANA MARC eto ANTANINDRAZANA..
    Dia ambara daholo ireo neverina antony mahatara izany fodiana izany !
    Ny Filoha ny Firenena tamin’ny kabary nataony tamin’ny asabotsy faany teo -27 octobre 2012- no nanamafy fa hilatsaka ho fidiana amin’ny fifidianana izay hitondra ny Firenena..
    TSY MAINTSY MODY IZANY IZY
    ARY IZY NO NILAZA FA IZY IHANY NO HAMPANDRE ANTSIKA NY FOTOANA HODIANY !
    Koa mitandrema fa misy ireo milaza daty tsy avy amin’ny Filohan’ny Firenena !
    ARY EFA MAHAZATRA ANTSKA FA NY FILOHAN’NY FIRENENA RAVALOMANANA MARC NO MITENY NY ZAVATRA MARINA AMINTSIKA !

  22. Efa saika hidaolaka dia mahita an’i Alidera dia tsy naharitra !
    Tonga soa ! Fahasalamàna, ary firy izao ny ankizy ??? Salama tsara daholo ??
    MDR !!!
    Mandeha ny andro sy ny volana ary nivalona ny taona, toa mbola eto ihany isika mianakavy ?

  23. Voky zava-mahadomelina koa aiza no tsy hatanjaka tsara ireto GIDRO,
    tsy mino akory aho hoe voky an-tenda toy ireto be atoka sy be kibo ireto
    izireo fa zara raha tsipazana kely ,kandra ny azy sitrany fa ny bizina no an’i be galona.

  24. Kintana,

    Salama isika e! Mino koa fa toa izany koa isika rehetra…

    Fa mampihomehy anie ireto ry zalahy sady mafy be no sahy dia sahy tokoa… tahaka ny hoe ny mpianatra no Remenabila mampihorohoro vahoaka…

  25. Halatra ve ny manaparitaka ny vaovao any @ ireo izay tsy mahatratra vaovao. halatrea ve ny mampiseho ny sary eto @ mydago any an-kafa, izay tsy natao ho fitadiavam-bola fa tolona iraisana sy fanamafisana ny fampielazam-baobao. Tsy ny foza ve no efa manjaka @ vaovao, ka ny Zanak’i dada mba miezaka manamparitaka ny vaovao tena marina, ary isan’izany ny voalza eto @ mydago. dia ho atao hoe mpangalatra ve ?
    Tena tsy misy firaisakiana mihitsy ny mpanohana ny ara-dalana fa toa samy te hisehoseho daholo hoe izaho no nitolona. Indrisy……….

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *