AOKA ISIKA HANORATRA ANARANA AMIN ‘NY LISIM-PIFIDIANANA

IMG_2837

Nitohy tetsy amin’ny kianjan’ny Magro Behoririka androany ny hetsiky ny vahoaka mpomba ny Ankolafy Ravalomanana. Toy ny mahazatra dia nisy ny lahateny samihafa nataon’ny mpitarika teny an-toerana. Anisan’ny nndray fitenenana ny Ct  Randrianasolondrabe Erick avy Sofia. Nambarany fa adidinay no mampita  ireny tenin’ny filoha Ravalomanana Marc tamin’ny Sabotsy ireny any amin’ny vahoaka any ambanivohitra any. Taorian’iny kabarin’idada iny hoy izy, sao voarebirebin’ny olona isika fa aoka hanoratra anarana amin’ny lisim-pifidianana sy hanaramaso satria misy ny hafetsifetsena any amin’ny Cenit, parlementera. Tsy maintsy fifidianana hoy ity olomboantendry ity, no hiafaran’ny krizy. Noho izany dia tokana ny kandida tohanatsika dia i dada ihany. Tokony ho mailo isika fa tsy hoe tonga izy vao hisoratra anarana isika. Mitady hamely tampoka any amin’ny lisim-pifidianana ireo. Tsy mbola mijoro ny solontenan’ny cenit any amin’ny distrika ho antsika hoy izy ka iza no hanaramaso ireny.  Ny Ct Randriamamiarizafy Ignance avy any Moramanga kosa dia nilaza fa rehefa ny filoha Ravalomanana Marc no manao làlana dia lazaiana fa làlana angaha azo hanina. Ny zavatra rehetra niampangana azy anefa tamin’ny 2009 dia averin-dRajoelina 200% izany. Nilaza izy hoy Ignance fa namidin’ny filoha Ravalomanana tamin’ny vahiny ny tany. Amin’izao fotoana izao dia tapitra amidiny amin’ny vahiny ny tany. Ny any Moramanga, Nosibe, sns dia manahirana ny resaka tany. Ny ankamaroan’ny resaka any amin’ny tribonaly hoy  izy dia resaka ady tany. Dikan’izany dia Rajoelina no mivarotra tany amin’ny fomba rehetra. Ny tany hoy izy rehefa tsy misy vahoaka dia tsy misy dikany.Rehefa tia tanindrazana dia mitady ny tombontsoa ho an’ny vahoaka. Noho izany raha tena tia tanindrazana Rajoelina dia tsy mahantra ny vahoaka. Momba ny fitaterana dia nambarany fa vao miakatra ny lasantsy tamin’ny andron’ny filoha Ravalomanana dia mandrahona ny mpitatitra. Ry Daniel Ramaromisa hoy izy no tao ambadika, noho izany dia misy resaka politika io.Tsy nahita fanjakana ohatra ity ny tenako hoy Ignance satria mandrehitra afo foana. Ny mpianatra eny Ankatso hoy izy dia mirehitra indray. Tsy misy dikany intsony ny oniversité ary vao mihetsika dia lakrimozena no tompotanana. Vatsimpianarana kely iny no takian’ny mpianatra tsy omena nefa Rajoelina manao kianjan’ny rugby. Aiza isika ray amandreny ary manao inona manoloana izany hoy izy. Ny maro an’isa eny anefa dia zanaka tantsaha. Nanafatra ny vahoaka ny tenany fa rehefa tonga ny fifidianana dia rehefa olona mamofompofona Rajoelina dia aza fidiana. Rajeolina hoy izy tsy miova fa ianareo mpianatra eo foana.

6 pensées sur “AOKA ISIKA HANORATRA ANARANA AMIN ‘NY LISIM-PIFIDIANANA”

  1. Hanao lisi-pifidianana ho an’i foza ve??aiza i dada??
    mbô kôzy kosa raha misy mazoto @’zany eo raha tsy
    mbola eo i dada???

  2. Mbô kôzy ahoana ê ? Ndimbaka kely izany kôzin-droky izany an !

    Avelao hisotr’anarana ; ho hita eo ny lisitrin’ny foza indray andro any !

  3. Izaho vao saika hiteny hoe: aiza izay madaman’ilah eo???
    tôlabila menamena no hitako fa tsy madama.
    Mba manala azy Bavy fa aza hatao an’izany !!raha izaho manokana kosa aloha dia tsy hazoto
    ny @’izany e!! Bonobo hihiiiiii tiako be kosa aloha ny fiainandr’i Bonobo fa lainga lainga lesy.

  4. ataovy sérieux: f’aiza aloha i dada8?

    Etsy andaniny, toa tsy sahy niverina intsony ireo mpiasan’ny fokontany nanao recenssement tany aloha…

    Nefa ny any an-toeran-kafa dia manao izay azony atao hono ny eo anivon’ny fokontany mikasika ny recenssement et le reste!

    Raha atao bango iray, dia izao an: tsy taitra, tsy maika, nefa tsy tara

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *