EFA TSY TANA INTSONY NY FITAZONAN- DRAJOELINA NY TETEZAMITA

IMG_0355

Nitohy teny amin’ny kianjan’ny Magro Behoririka androany ny hetsiky ny vahoaka mpomba ny ankolafy Ravalomanana. Nambaran’ny filohan’ny ben’ny tanana eto Madagasikara Ralaiseheno Guy Maxime raha nandray fitenenana ny tenany fa mazava ny fanambaran’ny filoha Tanzaniana izay filohan’ny Sadc fa ny fanatanterahana feno ny soridalana ihany no izy. Manoloana izany hoy izy, dia mazava fa tsy miverina amin’ny fanapahankeviny ny Sadc. Tamin’ny Sabotsy dia nilaza Mamy Rakotoarivelo fa efa mihahendry ny firenena iray. Fantatra hoy Guy Maxime, fa tsy noraisin’ny filoha frantsay sy ny ministry ny raharaham-bahiny frantsay tany Etazonia ingahy Rajoelina. Tena zava-dehibe izany, hoy ity mpanao politika ity, nandritra izay herintaona izay nanaovana sonia ny soridalana izay. Ny re tamin’io fihaonana tany io, dia nilaza ny tomponandraikitra lehibe iray tao amin’ny firenena mikambana hoe mametra fialana ianao fa tsy vitanao ity raharaha ity. Nidongy tsy nety niala tao amin’ny hotely iray tany an-toerana hoy Guy Maxime, Rajoelina sy Christine rehefa handeha hody. Izahay hoy izy, efa ela no nahafantatra fa tsy voavahan-dRajoelina ny krizy ary izy no sakana amin’izany, ka ho hitantsika eo izay ambarany androany hariva. Raha ny zava-misy dia tsy tana intsony ny fitantanany ny tetezamita. Manery azy ny iraisam-pirenena sy ny hafa ka noho izany dia mahatokisa ianareo fa hahazo fandresena. Tsy misy mpanohitra izany eto Madagasikara hoy ity olom-boatendry ity, fa mbola tetezamita isika izao. Isika hoy izy, no manohitra ny tsy rariny misy eto amin’ny firenena.Isika izao no mitaky ny fodian’ny filoha Ravalomanana Marc sy ny filatsahany ho fidiana. Noho izany dia rehefa tsy mody izy dia tsy milamina ny tany. Rehefa tsy mety hoy Guy Maxime dia aleo miala Rajoelina satria efa ny firenen-dehibe no mitaky izany.

32 pensées sur “EFA TSY TANA INTSONY NY FITAZONAN- DRAJOELINA NY TETEZAMITA”

  1. mba mahaliana ny toy itony fa jereo kely ange eh. Tandremo fa tsy mpanohina ny Ni..Ni io an, fa mba arbitre fotsiny ihany mba hiomehezana aloha eh :

  2. izay aho vao tena gaga!efa rediredy sisa ataon,ny mpitarika antsika!resa-jaza!tsisy ambara ntsony !sao heverinao fa ben,ny tanana mpangalatra azonao amidy ary ny magro!sady ianao anie ragy ka efa tsy ben,ny tanana ntsony fa efa tery,fa ben,ny lainga sy tsaho e

  3. Tena misy SADIKA mihintsy ato fa mba jereo ihany ry Mydago itony
    fa makaleo a!!!, sao ho lasa toa an’i TOPMADA KOA NO HIAFARANA ETO,
    MMAHARIKORIKO NY MAHITA OLONA MARARY SAINA TOY ITONY.
    TSY ZAKAN’ny lohakeliny intsony ilay faharesen’i dada sahady ka ezahana hosora-potaka.MIAKAPOKAPOKA!!!
    ireo alikakelin’ireto karana reraka ireto izao ireo miakapokapoka ireo,nahazo bizina tampoka indray dia aty no
    mitonantonana ny alika vao votsipy taolana kely, izao no vao maika HANANDRATAN’ANDRIAMANITRA azy @
    toerana AVO SAHAZA NY DADANAY ry ALIKA a!!!!!ALEFASO IHANY HO TATAZANAY o!!!

  4. Itony ilay kabary tsy dia misy ilàna azy fa tena « kabary » tokoa !
    Koa raha tsy tàna intsony, inona izany no tokony ho atao ??? Sa hanohy kabary mamendrofendro olona fotsiny ?
    Dia avy eo koa hoe : Tsy maintsy ataontsika izay hodian’i Dada sy ny hoe « MIANDR IZAY HIGADONAN’iDada eto isika » sy ny sisa.

    Raha tena mahasahy inona ary no andrasana e ??? Efa tsy tàna intsony marina, ka satry aza ataon’ny olona hoe : EFA MANKALEO NY KABARINAREO, FA ALEFASO IZAY ALEFA E !
    Izao ilay antsoiko hoe : Kabarin’ny Mpijapy !

    Na dia filaharana ery amin’ny Masoivohon’ny Frantsay aza anie efa tena tsara e !!!Ireo vozongo ireo ihany no mamporisika ny Mpanongana, ary mampahery azy. Fa raha lasa ireo sy voatabataba ireo efa zava-dehibe mihitsy.
    Na rehefa tsy hilahatra eny, dia mandehàna tarito hilahatra eny Ambohitsorohitra ny vahoaka.
    Fa LEO KABARY – leo kabary ny vahoaka – ary ny ankizy efa ataon’ny vozongo andevom-body fotsiny, ankoatry ny Pedophiles isan-karazany , syny Mpamono olona, sy ny Mpandroba sy ny sisa.

    TAIRO NY ANGAREDONA, dia tsy misy intsony ny kobaka am-bava !Indrindra i Domelina nody maina izao ho mariky ny tsy FANKATOAVAN’NY ONU ny HAT-Rajoelina sy ny frantsay !
    azy.
    Mangingina nody avy any amin’ny ONU, ka na i Rainitay aza tapim-bava !

  5. Andriamanitra inona ampifangaroana @ fanalikana olona io Rana a! fa mivavaka @inona marina nareo sy ny dadanareo vice PD n’ny FJ ireo e! zay ane no tena mampanongo tena mihitsy @ity moov Raosy ity. Efa tena midegany tanteraka ve, sa tapaka tanteraka ny cable e! lasa ioeran’ny fanahy ratsy ity ny zanakidada sy ny fiangonany. Tys mahagaga koa moa fa lany andro eny an-dapihazon’ny fanaovana politika ny mpiandry koa. Zay ny modely omen’ialy vice PD FJ voafidy. Lasa helo tanteraka ny fiangonana FJKM noho ny hadalan’ireto. Pauvre FJKM

  6. tENA MIALA TSINY AMINAREO ZANAK’I DADA AHO FA HANAO TENY mahery² androany; Hitanareo? mahazo aina be io bogor Fozaorana, ny @ ataonareo, zah aloha mpakeny @ Magro Ary tsy mba LEO ny mankeny? sy mihaino kabary eny izany satria manovo hery symitady vaovao no halehako eny, sady mba mandrani-tava ny rahalahy eny, mivavaka ihany koa, indrindra manomana ny FIHAVIAN’I DADA; ARY NY MPITARIKA DE MBOLA MIKETRIKA LALINA @ FANATANTERAHANA ILAY 10% ANJARANY @ZANY FAMPODIANA AN’I DADA IZANY; KA HAFATRA HO ANAREO RY SY METY HO FOZA ANGAMBA IANAREO FA MODY MANAO FOTSINY HOE ZANAK’I DADA? FA NY NOLAZAINAREO REHETRA EO AMBONY DIA SADY TSY ILAY FITAIZANA NY ZANAK’i DADA ENY @ MAGRO NO SADY TENA AKAIKY NY FANIRIAN’NY FOZA DIA NY HAMPIADY NY MPITARIKA SY NY MPOMBA AN’I DADA, KA RAHA IZAY NO TANTERAKA DE MAHAZO AINA NY FOZAORANA NO SADY TSY AZO ANTOKA INTSONY NY FAMETRAPETRAHANA NY FIDIRAN’I DADA SATRIA SAROTRA NY MIARO SY MIKARAKARA NY FAHATONGAVANY @ZAY; KA RAHA TSY FOZAORANA IANAREO DIA MANAMPY NY FOZA HO TONGA ANY @ TANJONY? FA TSY MANAMPY AN’I DADA VELIVELY HO TONGA ETO.

  7. I TAHIRY ALOHA EFA NAHAZOAKO REMARQUE T@ RANAVALONA NDR1 ANDRO ZAY HOE TENA ZANAK’I DADA EH, fa i mpihavy mbola tsy haiko; fa mahasosotra be ny lazainareo. NEFA MBOLA AVERIKO IHANY RAHA TENA ZANAK’i DADA IANAREO FEHEZO NY FO TSY HANDRÖTRA, DE AZA MANAO FIHETSIKA MANAMPY NY FOZA TOA IO INTSONY eh, ary TSY HAIKO IANAREO NA MANKANY @ MAGRO NA TSIA? FA TENA TSY MANKALEO ZANY NY KABARY ENY, RAHA ILAY TENA MPIHAINO ANNN? TENA MISY HEVI-DALINA MAHASOA ILAINA @ FAMPANDEHANANA NY TOLONA, SY FOMBA HIFANKAHALALANA SY HFANKAFANTARANA ARY ZAVATRA HIARAHANA REHEFA TONGA ILAY FOTOAN-DEHIBE, SAINGY TSY AZO ATAO MIVANTANA LOATRA MBA TSY HO TAKATRY NY FOZAORANA IZAY ALEFA HITSIKILO ENY FA ALEFA ANATY KARAZANA FITAIZANA SSY FAMPIANARANA MIANDALANA ENY, KA IZAY MPAKENY ALOHA DIA EFA MAHALALA @ ANKAPOBENY NY TOKONY ATAO SY NY TSY TOKONY HATAO KA AFAKA MAMANTATRA NY FAHAVALO IHANY KOA SATRIA TSY IRAY FOMBA @ ZANAK’I DADA. TONGAVA IHANY MATETIKA ENY @ MAGRO ( na eto Antananarivo io na any @ faritra hafa) HANDRAISANAO IZANY TORO6MARIKA MIANDALANA IZANY EHHHH; DE MAZOTOA EHHH

  8. Andry tsy Domelina,
    Miasaotra an’ise aloha tafita tsara lesona ara-moraly sy ara-panahy nalefanay ho an’ny Zanakosy teto.
    Faharoa, tsy de misy lesona azo raisina firy eny @ magro eny, na de aty am-pitandranomasina aty aza zahay, de ny article, miaraka @ sary sy vidéo asehon’ny Solo Razafy eto de ampy hahitana tsara zay mitranga ao. Olom-bitsy kely, tsy mahavidy na de bancs hipetrahan’ny mpitolona aza, fa vatovato atokotoko, kanefa ny olona tohanana mpanampitrisa mba afaka manome minimum de confort ho an'(ny mpanohana azy ary vitany izany raha ataony, fa tsy raharahan’ny pipiany.
    Aminay ireo olona ireo de tsy manan-katao toa an’ise, lany andro, tsy mba mandray anjara @ fiainam-pirenena, ndraindray aza manadino ny devoirany @ ankohonany, fa lany andro @ cause efa perdue.
    Tsy fahafirin’iza eto ise, ka miseho ho dadany, fa ny fitondran’ise ny anaran’ny Andry, de manaporofo fa FAN azy ise, na de mody miala aza woe, TSY DOMELINA, satria ilay iray lazaina fa DOMELINA, alors que ny dadanareo, ataony kenda roroka tanteraka, politiquement eto no tiako lazaina, RavaloMANGANA araka ilay fiteny, ka ise mihitsy eto no tena domelina, voalohany aloha, te hanome moraly kanefa manora-tena toa voatango, te hiavaka miohatra @ zanakosy sasany, kanefa raha akapoka, de iray ihany, mila domina lava toy izao hieritreritra tsara, de misaina kely ise namaly io teniko eo ambony io.
    Ny tokony ataon’ise aloha de manova pseudo, fa raha vao misy soratra Andry eto, de miakatra daholo ny tosi-dràn’ny namanareo. Faharoa, aza mitatitra sy manamafy aminay zay zava-mitranga ao @ magro ao, fa ny omaly tsy miova ao, mamoroporona kabary any am-pandriana ny mpitarika, de mifampiantso izy, mifampizara emploi du temps, de ny mba manome courage ny mpihaino, de averimberina foana ny anaran-dRajoelina, de mahazo aina rangahy tsy mana-katao io, mitehaka amin’ity démagogie lava, tsisy résultat nadritra izay efataona izay, hahavita ny mandat-ny foana ity Zandry. Ary soa fa misy ny FOZA MARANITRA toa anay izao, hampihidy vazana anareo tsara, mba hahita woe, hatraiza ny capacité n’ny FOZA mifanandrina @ ZANAKOSY, de reraka manenjik’olona fotsiny, tsy mahazaka demokrasia, fa au moins mba tokony efa tafaverina ny rainy, raha tena lehilahy sy vehivavy ianareo, miainga any @ mpitarika aloha, ka hatrany @ rambony, de ireo magrobaka kely mampalahelo tsy manan-katao isan’andro ireo, zay ao anatiny rangahy.
    Ka aza mianakendry r’ise, raha ny tsy fahaizana no betsaka, fa ise mihitsy no tena manome hery anay foza eto, ary vao maika aza, tahaka ny olonay mihitsy raha ny fomba fitenin’ise mody misababaka eto.
    Za koa mahita fa monotone be ny eto @ity mydago, ity, manenjik’olona, manopa olona, mandainga manao intox lava, mandefa ireo kabarina kakafotra tsy misy fiovany. Fa tsy misy firesahana tetika mba mahaomby hiverenan-dRaosy. Zahay aloha mba manome ny hevitray ihany, kanefa koa tsy misaraka @ireny ny kininina hampahiratra ny vongamason’ny Zanakosy rehetra woe, tsy any ny lalana. De tohizo foana ny fombanareo, fa rainareo no hihitsoka lava any. Mba mandinka woa ary ajanony @ izay ty hevitra taingitaingina mahasagnagna anareo lava eto ity.

  9. @ ( NTATD = Ny tena Andry tsy domelina),
    Misy marina ny teninao aloha e ! Fa saingy , azafady, fa izaho kosa tsy manao hoe : aza mandeha etsy amin’ny Magro intsony –
    fa hoe aho hoe :
    – Ny kabary matavy aoka izay = IZAY TOKONY HO ATAO amin’izay no atao fa efa ela izay, ary toy ny milalao amin’ny Mpanongana fotsiny . Tsy ny fitanisàna ny ataon’i Domelina no hanova inona, fa ilaina amin’izay ny mihetsika sy MANAO HETSIKA miaraka amin’ny fahatongavana eny @ Magro (raha izay no mety ahafa-po ) !


    ———————
    Rehefa miteny hoe Rainitay dia fantany ihany ho IZA no resahina. mivoaka ho azy izy io

  10. Raha fintinina ny voalazan’i Dada, dia hoy izy :

    – Efa hitam-poko sy hitam-pirenena ny adalàna sy ny tsy fahombiazan’ireo nanongam-panjakàna ! Tsy dia mila mandany roan-doha amin’ny fanenjehan’azy intsony !
    – HODY aho, ka miomàna DIEN’IZAO !
    – IZAY FOMBA REHETRA ENTINA HANARENANA NY FIRENENA NO TOKONY ATAO MASAKA TSARA !

    Ka hoy aho hoe, METY ho sarotra ny « résilience » (sens psychologique fa tsy mécanique), fa dia « qui vivra verra » !

    Mijaly ireo nogadraina tamin’ny tsy antony, ary mbola tsy navoaka foana atramin’izao ! Mba jereo ihany ilay atao hoe HETSIKA FILONGOA Ê !

    Misy tantara mampalahelo iray mantsy tonga ato an-tsaiko.

    Nisy hono mpinamina na mpirahalahy an’ady roa voatazona tany am-ponja ; ary ny sakafo hoanina ao dia tsy misy, na zara rahatoa ka atao hoe sakafo no anarany. Ny iray lavitra fihaviana dia tsy mba nisy mpanatitra sakafo, fa ny iray kosa be mpanatitra sakafo, satria tsy dia lavitra an’ilay fonja ny misy ny havany !
    Ny mampalahelo dia misy karazana sakafo tsy azo hoanin’ilay iray, kanefa dia io foana no toa angatahin’ilay namany ho entin’ireo mpanatitra ! Asa tsy te hizara ve sa….?

    Mampalahelo ny zavatra tahak’izany, ary eo koa moa ireo tena sahirana, ka noho izany mba tokony maneho fanohanana sy hetsika kely avy isika ! Mora zaka ny zava-manahirana rehefa zaraina !
    Ho hita taratra amin’izany koa ny fahaizan’ny mpanohana ny ara-dalàna, mampiseho ny firaisan-kinany !

  11. Izaho ry KM dia manana soson-kevitra hoe ary maninona raha manao fanangonam-bola(izaho manokana aloha dia tena mikatso raha ny enti-manana)ho an’ny gadra dia hividianana mofo gasy na ramanonaka na koba-dravina.Eo Nanisana mihazo any Analamahitsy eo misy mpanao mofo gasy tsara be no madio ary malaza.Momba ny koba-dravina indray dia eny Sabotsy Namehana na Ambohidrabiby no tena malaza tsara.Satria tena tsapako mafy ho an’ny havana ny hahita sakafo maraina antoandro hariva ho an’ireo namany.Haterina eny ny maraina amin’ny valo ohatra.Izany hoe mila mifandimby angamba ny ao amin’ny Magro manatitra an’izany rehefa fantatra ny isan’ny olona hitondrana izany sy ny zavatra azony hohanina.Mety hoe tsy isan’andro satria azo tehirizina ihany ireo sakafo ireo fa isaky ny roa andro ohatra.Momba ny zava-pisotro:kafe,dite,ronono dia sao mba afaka mifanaraka amin’i Lisy « Boutique » izay toa manao « restauration » na koa iangaviana ny mpianatra ao amin’ny IHTM ilay sekoly mampianatra lakozia mba andray anjara amin’ny zava-pisotro voatanisa etsy ambony.Atao indroa isan-kerin’andro satria azo tehirizina ao anaty « thermos » ireo zava-pisotro ireo.

  12. Tsara ilay fitsinjovana ny gadra politika. Anisan’ny nigadra tsy fidiny mantsy ny tenanay @ izao fitondrana tsy maatahotra an’ Andriamanitra izao, ka ny toro-hevitro dia izao. Aleo vola no hangonona dia aterina mivantana any am-pigadrana @ izay olona voaroiroy. Aza hampandalovina @ havana fa lany eny am-pandehanana. Afaka mividy mofo gasy, ramanonaka, café, sns any. Mbola ho avy ny hampamoaka @ fotoana mampety azy. Samy ho tahin’Andriamanitra daholo. Masina ny tanindrazana.

  13. Misaotra anareo rehetra mahatsiaro ny Gdara tsy fidiny noho ny nataon´ireto Tsivalahara tsy mataho*tody itony.

    Tena anisan´ny zavatra lehibe tokony iadivana ny famoahana ireo gadra politika tsy fidiny ireo, Ry Omer Beriziky , tsy hit aizay napoakany, tsy mba malahelo ireo olona migadra sy ny fianakavian´ireo mihitsy.

    Ry Zafy albert no mba niady anío ,dia izao, niova hanagana tetezamita vaovaoa.

    mijaly anie ireo gadra ireo, mijaly ny vady aman-janany, ny fianakaviana, mijaly vatana ,mijaly saina .

    ny Amerikana, nahona no tsy manao tery vay manta aloha hamoahana ny gadra, mba efa nisy nanindry tany ve sao hadino ireo olomangantsika gadra politika ireo ?

    fiverenan´I Dada zava-dehube, fa ireo tena mijaly ,miaritra aretina, miaraitra ny loto, miaraitra ny hanohanana, miaraitra hatsiaka, sy fandriana ratsy.

    SOS sud no natao, fa ny SOS ho an´ireo gadra mahery fo ireo ahaona ihany ???????:

    Amiko dia tsy te aheno izay tohin´ny tolona aho raha tsy misy famoahana ireo gadra politika tsy fidiny ireo. Toa natao tsianjery ny FDR , natao resabe fotsiny ny Amnistie.

    ireo olna ireo anie tsy namono olona na nanao ratsy fa nitondra ny heviny sy nanao ny asany, na koa tratrin´ny tondro-molotra dia nigadra.

    VONJEO NY GADRA POLITIKA tsy fidiny. Tena mila Vonjy izy ireo, manatena ny masoandro vaovao vao maraina ary be fanantenana, nefa ireo olona natenaina hanampy hamoaka sy niankinana toa lasa toa hazo boboka ihany.

  14. Raha resaka gadra politika indray, de mazava be ny antony nampikadra ireny, fa tsy t@ opinion-ny velively, fa izy izay casseurs manararaotra mamaky trano, de tratra ambody omby, na terroriste hahatratrarana fitaovam-paidiana mahery vaika any an-tranony ho enti-manakorontana, mpametraka baomba etsy sy eroa na olona miantso haine, hahatonga ny gasy hifamono, na ireo niketrika coup d’état, tsy nahomby, tsy tahaka ny an-dRaosy, izy ndray no mandositra, fa tsy ny adve -ny lazainy fa mpanongam-panjakana no nohazainy sy nogadrainy.
    Mba firifiry moa ny gadra politika nogadrain-dRaosy, tsy t@ antony, tahaka ireny ny fitadiavana fiampangana opérateurs économiques hifaninana @ tena, de gadraina tsisy antony. Ireo olona atahorana hifaninana @ fifidianana, na nogadraina, na nalefa an-tsesitany toa an-dry Pierrot, Voninahitsy, Tantely Andrianarivo, Pety…sns tsy voatanisa. Ireo miaramila manam-boninahitra maty tsy tsy hita porofo tany am-pigadrana. De hanao tsipaipaika indray hono ny Zanakosy, hividianana ramanonaka sy koban-dravina zay hevitra ridicules be. Proteger-ndreto foana lay andriamanitra sampiny Osimainty, zay milliardaire be afaka manangana association miahy manokana ny gadra politika zay ny momba azy ihany no nampigadra ireny, ary tsy vola be manao ahoana no azo hamatsiana an’izany, fa lery woa tsy hanao, ary tsy raharahan’ny pipiany izany, fa nareo no lany andro, miady sehatra ho azy eto, de aza kely atedoha otran’io, ry tsy misaina, fa dadanareo no angataho vola hitsinjovana ny mpigadrany a!
    Raha nisy nigadra noho ny opinion-ny, defa maro no voaroaka tao @ magrobaka tao, fa sahaza ny mpanakorontana sy ny mpangalatra ary mpiantsy ady mpanohantohana ny filaminam-bahoaka ny migadra, ahitany woe, misy fetra ny ratsy atao. Tahaka an-dRaosy sesitany. De mangina ny vava rehefa tsisy atedoha.

  15. ary ra bogor takon’ny bizn’ny harem-pirenena sy kobakam-bava ary fangalaran-tseza ny atidohany e,sa izy anisan’le nahazo kely tam fandrobana de le vitsivitsy mba miaro ny zaza vao minono ?

  16. de tsy mahita atokona mihints lay Vendrana bogor io
    de lasa propriété privée-ndrajoelina hatramin’ny ny anarana ve?

    maro ny olon fa indrindra eo @ tanora eto dago, menatry ny anarany: na « andry » na « mialy »

  17. tsara dahol ny hevitra mikasika ny fanampiana ireo gadra

    f’izaho tena mi-rafolle irony mofoKOBA misy voanjo anaty mifono ravina (cylindrique)

    de ampiarahina ami-na voloa + quête samihafa ho an’ny tsirairay ihan koa

    (na eny ambaravaran’ny organisme international eto an-toerana ireny aza anie rey olon azo ametrahana soratra sy baoritra hoe: fanampiana mahakasika izao
    HO HITANAREO FA HAHAZO BE DIA BE)

  18. i FET(S)ISON no mahavit’izany tamin-dra zafyLAHY an: tena tankina ihan aho aloha namaky iny resaka itako tary iny!

    __

    Rehefa nofofoin’ny putshistes hatramin’ny ain’ny orinasa TIKO
    dia lasa varo-MORA
    – (toa ny lasa MORAMORAina novolen’ny HAT eran’i GASIKARA f’izany hono no paik’ady REVOLISIONA ORANJE) –
    mora ny litatra ny ronono velona any Antsirabe: afaka atao Yaourt à boire (à congeler) dia ao tsara ê!!

  19. Aoka tsy hifanenjika anatiny intsoony isika, fa efa sivana natoraly izay niseho 03 taona izay.

    Aoka koa mba tsy hamaly ireo foza eto fa efa maty eritreritra ireo. Ny bontolo no manjaka, ary tena vorona azon’adala i Madagasikara. Amin’ny ady am-pilaminana sy mandàla ny fahendrena Malagasy dia mila fotoana sy faharetana.

  20. ry raguy ve tsy mba manao mission ny dada8 mihintsy, toa de8 direct mihintsy no miantso ireo merce mpamono olona nefa de8 any sud af dia ry raguy eto indray no tsy kopy.
    ry ravalo koa dia manalabaraka vatana, inona izao no hampamonoana olona indray, nefa ny olona efa novonoiny efa tsy tambo isaina, izao tena tratra tsara miaraka am porofo mazava, dia higadra any antanin’olona dadanareo fa criminel loatra.

  21. Maty indray ialahy leitsy ry Tahiry kely fa voatonona !
    Raha sendra tsy afaka kosa, dia inona no hahazo ahy ? Maty e !!! Efa mivavaka mafy ihany, na tsy mpivavaka loatra aza, fa dia efa miray hina aminareo izahay eto Dago !!!
    Hitady « frais » indray izany handehanana any ?
    Iza hono no ho avy ao ? Ary hisy fihaonana amin’ny Mpanao Politika angaha ???Mety ho tsara izany !

    Fa hono hoa e !!!
    Filazana avy amin’ny GTT -IdF io, fa angaha moa tsy efa IRAY izy sy ny GTT Inter-Geneve ??? Raha mahazo valiny mety ho tsaratsara kokoa angamba ???
    Misaotra !

  22. Salut Tanora! tonga masiaka ndray ny namana izany. Ireo r’ise, raha mbola azon-dreo atao ny manisika anaty sakany ny hadalan-dRainy, de ataony foana.
    Zavatra afenina anaty salaka anefa, manaraka ny tompony eny foana ny hamaimboany.
    Rehefa tratry ny investigation n’ny justice Sud AF io afera maloton-dRaosy saika handefa mercenaire hamono an’i Zandry io, de lery ndray no nanoratra nanetsi-keloka tany @ SADEC sy ny TROIKA, ary lery tsy mety fay a! efa avy nandatsa-drà, de mbola te handatsa-drà, kanefa mbola tsy nisy olona nikasika azy na ny ankohonany na de ny singam-bolony aza, fa tahotra ny ho very seza, de ran’olona no hatao sorona, ary mbola mitady hevitra handatsa-drà, ka ny fiangonana hatramin’izay no natao fanafena’ilay devoly ny hohony, ary mbola mahasahy mandika ny fitsipiky ny fiangonana, milatsaka fidiana à distance, de mbola nidiran-doza hatrany ny fiangonana, satria hanaovana sehatra politika, enti-mandainga sy mamitaka ny mpiara-mivavaka. De olona toy izany re re razako no nofidiana vice PD FJ, tena mampanongo tena mihitsy, ary na ny FJKM aza, mody nanakipy ny masony t@ireny aferan’izy sy ONJA TINONDIA ireny, kanefa raha mambra tsotra mahantra kely ary ambany ary, raha solafaka, de aongana tsy hananana antra. Hatramin’ny nidiran-dRaosy sehatra tao @ foiben’ny FJKM tao, de mibaby fahafaham-baraka, sy tondromason’olona ity fiangonana ity. Atao ahoana, fa voavidin’lery ambongadiny, fa Andriamanitra marina sy mahitsy kosa, tsy azon’lery nanaovana kolikoly sy piston, fa noraisiny t@ sangany aloha, de napetrany atsy Afrika Atsimo. De mbola miteny foana izy woe, mbola manana fotoana hieritreretana ianao.
    Mahagaga marina ry ZAVAMISY, fa ny an’olona 6 m-bolana de vita, ny anareo ty efataona, e!e!e!e! miandry zay higadonany foana. Ny tena marina de any @Andriamanitra ianareo no tokony hanao arrangement fa any mihitsy no hiangan’io olana io.
    Ny ratsy atao io ane woa, manaraka foana e! izay voasoratra de voasoratra, ka na inona nainona fahefana, na inona na inona fananan-karena, ny marina tsy mba maty, ary samy mandray ny valin’ny ratsy nataony, raha mbola Andriamanitra koa no Andriamanitra. De tsy voavaly foana le fanontaniako woe, programan’iza marina moa zao mahazo ny rainareo izao???

  23. aza manonononona foana ny anaran’Andriamanitra ra bogor fa ataony manan-tsiny tokoa ange ze manonononona foana ny anarany e!tsy misy manaporofo marina izay mpamono olona koa satria Ilay tsy hitan’ny masonao io ihany no nahita ny tena marina na inona lazainao na inona,tsy misy takona izay tsy hiseho re rabogor a!aza de sahirana be manenjika ny fjkm koa fa hoy ny Tompo hoe ny zanako sy ny asan’ny tanako dia aoka ho adidiko ihany ka zanak’Andriamanitra ange ny mpivavaka ao e!ary mbola hoy Izy koa hoe Izaho hiady ho anareo fa ianareo kosa hangina ka mba mitsinjo anao ihany aho sy mitaona anao hanantona an’Andriamanitra amizay fa aleo tsy mitsara mba tsy hotsarain’Ilay farany e!sady tandremo fa Jesoa efa niteny fa izay tsy nanota taminareo no aoka itorabato azy ka sao tanisain’Andriamanitra aminao ny fahotanao amin’ny andro farany dia ny an’olona tadidinao fa ny anao ho tatara be.OK!

  24. fa izao no tiako ampahafantarina antsika rehetra:efa voasoratra ao am BAIBOLY daholo izao zava-misy izao indrindra fa ny fangalaran-tseza ,ao amin’ny Isaia no misy azy, ka torio fitiavana amzay ry rabogor sy ny zaza vao minono rehetra fa lehibe ny valimpitia azon’izay manao ny sitrapon’ny Ray,ampahafataro azy fa tsy sitrak’Andriamanitra ny ahafatesan’ny ratsy fanahy ka aleo manadio fo dia mieritreritra ny hoavy fa izay madio fo ihany no antsoina hoe zanak’Andriamanitra,aleo raisina Jesoa dia am-panjakana amin’ny fiainana rehetra fa Izy ihany no Andriamanitra tokana manafaka ny ziogan-tsika na efa ela aza ny krizy dia mahereza fa hitan’Andriamanitra ny tena ratsy tamin’ireny

  25. Ianao koa ramilamina dia mandany andro amin’io eo ! Olona efa zatra nampandihizan’ilay mpanongana ireny, ka na ny fahorian’ny vahoaka malagasy aza, dia mbola sahiny handihizana !
    Olona tsy mpivavaka ireny toa ilay zandary be kibo, manao lohan-toaka iny ! Voa mafy ihany ny malagasy raha tahak’ireny no olona antenaina hitandro ny filaminana ; olona tsy mpanara-dalàna sady tsy matahotra an’Andriamanitra ! Mivavaka amin’ny « botakely » sy « ravin-kazo » angamba !

    Les légalistes zappent, tandis que les chiens de putschistes se lapent et jappent !

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *