FAHA 54 TAONA NY NANAMBARANA VOALOHANY NY FAHALEOVANTENA :  » TSY TOKONY HO HADINOINA NY TANTARA »

mydago.com-anahidrano 14 oktobra 12 (13)

Notanterahina tany Anahidrano izay toerana nahaterahan’ny filoha  Philbert Tsiranana,  rain’ny fahaleovantenan’ny Madagasikara   ny Alahady 14 okotobra 2012 teo ny lanonana fanamarihana ny faha 54 taonan’ny nanambarana voalohany ny nahazoan’ny Madagasikara ny fahaleovantena. Tonga nanatrika izany tany an-toerana ny Ministry ny fanapariam-pahefana, Ruffine Tsiranana sy praiminisitra lefitra Botozaza Pierrot. Nisy ny fifandimbiasam-pitenena natao tamin’izany ka ireo nandray fitenenana dia samy nanamafy fa tsy tokony ho adinoina ny tantara satria misy ny lesona azo tsoahina avy amin’izany ho an’ny taranaka. Taorian’ny lanonana dia nisy ny fitsidihan’ireo delegasiona ny tranon’ny filoha Tsiranana tany an-toerana.

Marihina fa taorian’ny fikasan’ny ankolafy Ravalomanana ny hanalana ity ministra ity tsy hitana intsony ny toerana maha ministra azy dia manao hetsika maro lafy hitazonana  amin’ny toerany ary mampiseho fa tsy manaiky hiala eo amin’ny toerana misy azy , misy mihitsy no miteny fa arovan’ny Praiministra  Omer  Beriziky izy. Manome lesona ratsy ho an’ny taranaka izao tsy fanekena ny baikon’ny mpitarika izao .Andrasana ny mety ho sazy mafy omen’ny ankolafy Ravalomanana hoan’ireo tsy manaraka ny fitsipika mifehy izao.

3 pensées sur “FAHA 54 TAONA NY NANAMBARANA VOALOHANY NY FAHALEOVANTENA :  » TSY TOKONY HO HADINOINA NY TANTARA »”

  1. Ankaotry ny fitantaràna izay hetsika tany Anahidrano, tsy azoko ny « paragraphe » farany !
    Mila labozia sy fanazavàna kely ô !

  2. Tsara ny mahampafantatra ny taranaka ny tantara sy ny zava-misy ary tena ny marina . Raha jerena amin’izao vanimpotoana iainantsika izao dia afaka hilaza ve isika malagasy fa efa nisy izany fahaleovantena izany ,sa fitaka fotsiny entina naseho tamin’izao tontolo izao fa foana ny fanandevozana dia izay no nanosika ny firenena frantsay mba mody hanome ny malagasy ny fahaleovantena raha fahaleovantena no jerena dia tokony ny malagasy aloha no nifidy ny filoha nitondra azy tamin’izany , tokony ny malagasy koa no namaritra ny lalampanorenany fa tsy atolotra dia mandany fotsiny ramalagasy , ny toe-kareny tamin’izany tokony izy no nitantana azy fa tsy ny compagnie vahiny no betsaka teto , ny volan-dramalagasy dia tao anatin’ny mari-bola frantsay , ny teny nampiasaina nampianarana mbola teny frantsay, ka aiza ny fahaleovantena tamin’izany , matao isika mbola ohatran’izao hatramin’izao dia mbola tsy afaka ary mbola misy ireo taranaky ny olona tsy te ho afaka ka manery ny malagasy ho firenena ho voazanaka foana , ka asa raha tokony ho hambara akory izany hoe fahaleovantena izany, jereo isika izao raha mba nisy mpitondra tena nifofotra hampandroso ary tena nanao izay ahafaka ny malagasy, fito taona fotsiny teo amin’ny fitondrana dia efa nazera fa tsy zakan’ny malagasy sasany ny mahita ny samy malagasy mandroso fa lasa tsy misy ambakaina intsony, aza adino fa ny olona mahantra ihany no azo zanahina ka dia izao izy hitantsika izao indray e! ka aiza ity fahaleovantena tenenina sy lazaina eto sa ambava fotsiny entina hanesona-dramalagasy.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *