HILARION : EFA AKAIKY HO VITA NY TOLONA

IMG_1255

Herinandrom-pihaonana ity herinandro ity, hoy ny Ct Harison Hilarion, teny amin’ny kianjan’ny Magro Behoririka androany. Raha ny lalàna nataon’ny fat hoy izy, dia amin’ny Talata 16 Oktobra no fivorian’ny Ct sy Cst. Tsy izany no mahamaika antsika fa ho  any Ct sy Cst ankolafy Ravalomanana dia hanomana ny fiverenan’ny filoha Ravalomanana Marc. Isika hoy ity mpanao politika ity, dia tsy miraharaha ny fampielazan-kevitra ataon-dRajoelina any satria tsy mahazaka olona io. Hainy hoy Hilarion, ny mteny hoe manaram-penitra ary apetraka mihitsy ny tabilao kanefa ny fanatanterahana azy no tsy hainy. Ny any Fianarantsoa hoy izy, dia misy kianja manaram-penitra efa ho roa taona izao fa tsy vita. Raha sahy Rajoelina, hoy ity olomboantendry ity, dia teto Antananarivo no nanao ireny fampanantenana ireny. Ny filoha Ravalomanana Marc anefa dia zavatra efatra no nataony tany Mahajanga toy ny banky, seranantsambo sns… Mieritreritra ny hanova nefa ny maty ihany no alain-tahaka. Raha tany Etazonina Rajoelina hoy izy, dia ny zavatra nangatahiny tany dia ny hoe aza avela hilatsaka Ravalomanana Marc. Aza matahotra isika hoy Hilarion, fa ny 90% ny ben’ny tanana ao Fianarantsoa dia zanak’idada avokoa, ka efa vita ny antsika any. Momba ny zava-nitranga tamin’ingahy Ramaroson Alain, dia nambarany fa ny tody tsy misy fa ny ataony no miverina. Alahelon’ny ankolafy Ravalomanana hoy izy, io ka izany no mampikorontana azy. Rehefa alana ny fitaovam-piadiana amin’ny olona iray dia ho samborina izy rehefa avy eo. Tsy isika no hisambotra fa izy. Mahakasika ny fampihavanam-pirenena kosa dia nilaza ity mpanao politika ity, fa olona tsy fantatra no tendrena ho amin’izany. Misy hoy izy, ny sivana tokony atao amin’izany toy ny hoe manao ahoana ny fiainan-tokantranon’io olona io. Manao ahoana rehefa misy fahoriana eo aminy. Gaga ianao rehefa mahita olona roa isaky ny faritra ao anatin’izany. Rariny hoy Hilarion, raha ny Pr Zafy raha tsy hiditra amin’io. Raha io fampihavana io no tsy ao ny Pr Zafy dia tsy hanaiky an’io ihany koa ny ankolafy Ravalomanana. Tsy nisy hoy izy, nieritreritra fa izany filoha Ravalomanana Marc izany hifankahazo amin’ny Zafy.  Efa akaiky ho vita ny tolona kanefa misy olona mitady hivadika ato amintsika. Efa vita ny iraka nampanaovina anay hoy izy ka mandraviravy vola ny fat. Nilaza Hilarion, fa hanaovantsika ezaka farany ny tolona handraisana ireo vahiny avy any amin’ny faritra hitsenana an’idada. Io tsy fantatra hoy izy, na any Antsirabe, na any Matsiatra ambony fa tongava maro isika eto an-kianja.

30 pensées sur “HILARION : EFA AKAIKY HO VITA NY TOLONA”

  1. ARY AOKA IZAY NY FIFAMPIREBIREBENA FA EFA EFA TAONA IZAY ny hoe efa akaiky ,….Dia ho hampina 8 taona indray.

  2. Dia hamahan-dalitra antsika mianakavy indray ity Dr simao ho solotenan´ny SADEc ho avy ity.dia eo indray isika vahoaka ilaozan´ny omby mihahaka eo, dia ihitatra ihany ity tetezaamtatra ity.

    Efa hoe. Efa voavidin´ny volan´ny frantsay ire filoha afrikana sy ny SADC ireo, ny filoha zuma ao anatinízany. Fa dia mbola manatena ilay maraina vaovaoa lava eto isika.

    ny vahoka toa lasa zatra krizy sy vidim-piainana miakatra .

    Nefa izao ny tafika miparitaka ,izao no tokona hidina an-dalam-be-

    Sa mbola omena Chance ihany ity radomelina ity hampijaly antsika mianakavy sy handritra ny harem-pirenena.

  3. Rafotsibe very laona ny zanakosy e! miandry an-Draosy tsy higadona. Ampiesonin-dry CST,CST lava mivadibadika anarana eto de faly ery. Ireo sisa no mpanohana an-dRaosy. Raha za aloha Solo Razafy tsy asehoko eto ireto sarin’olom-bitsy kely ireto, fa de ny taigna ro menatsa.

  4. ny taigna no menatsa fa dj no mpitondra, mandihy mibakabaka toa foza, aiza no handroso ? mivarina anaty fotaka ny firenena, mandrevo efa ho 4 taona tsy afa mamindra, ny ranomanitra ahosotra isan’andro ambany helika masiso fa ny fofom-poza mangeroka mantsina manenika izao tontolo izao ihany.Ny loha-poza sisa taritin’ny vozongo amin’ny sangany fa ny vahoaka efa ela no miandry ny mpanavotra tena mpanasoa.
    aoka ny jamba ho jamba taritina any amin’ny aizina, fa kosa ny mahita mahafantatra ny lalana tokony aleha dia efa nijanona miandry ny fofom-poza ho faty.

  5. reo olom-bitsy sisa manohana an-dRaosy ireo zany ry Elas, no sisa mihosotra menak’Osy mba tsy handairan’ny fofopoza a?
    Milay be ny mijery an’ilay foza beau gosse kely, ery @ tribune NU. Milay be ny mijery azy manao bain de foule any Tamatave feno vahoaka manemitra ny arabe e? Foza daholo ireny e! Tena mampitsiriritra be ny mahita ny hatsaran’ny hôtel de ville Tamatave e?
    Milay be ny mahita an’i Zandry manao casque manga tany Ambatovy e?
    Aleo hanaovany azy ato anaty krizy ato, izay tsy vitan-dRaosy tao anaty 7 ans nilalao volabe, lany andro nampiroborobo ny orinasany. Bye!bye! Elas an!!!!

  6. Misy ny fotoana fahanginana.
    Raha tsorina dia tsy misy krizy mivaha eto raha tsy mangina Andriamatoa RAVALOMANANA.
    Satria ny aretina tsy ho sitrana raha tsy fototr’aretina no fantatra ka atao @izany ny fanafody mifananfrify @izany.
    Ny fototry ny aretina dia efa tany @ 2006 tany ary aoka tsy hodian’ny olona adino io.
    Sotasota t@ orin’asan’Andriamatoa RAJOELINA no nataon’Andriamatoa RAVALOMANANA ary nieritreretany hanampotika azy hatramin’ny farany.
    Raha tsy nanao an’io izy dia tsy nisy izao rehetra izao.
    Io no nahatonga an’Andriamatoa RAJOELINA nilatsaka Ben’ny Tànana ary lany soamantsara izy.
    Ben’ny Tànana indray izy dia mbola nisotasotana ihany. Natao daholo izao rehetra izao mba tsy hahombiazany eo @ fitondrana an’Antananarivo.
    Teo no nahatonga azy hanao ny hetsika t@ faran’ny taona 2008 ka niafara t@ izao.
    Noho izany rehefa tafala Atoa RAVALOMANA ary misy ny antony matoa ianao tafala dia TOKONY HANGINA aloha. IO NO FANAFODY. Izany fahanginana izany dia nataon’Atoa RATSIRAKA raha voahongany izy. Izany fahanginana izany dia nataon’Atoa ZAFY raha voahongany izy.
    Koa maninona Atoa RAVALOMANA no miziriziry ? Raha niziriziry ohatrin’io ihany, maninona no tsy nijanona teto foana sy teo @ fitondrana ?
    Izao anefa lasa fanafody tsy izy no ampiasaina : mody dada e ! tsy milamina raha tsy Dada no miverina e! miala i Rajoelina e ! sns…
    Dia @ izay koa dia ireo mpitarika eo @ magro dia mamahan-dalitra fotsiny : efa akaiky e ! ho avy e !… io feo io tompoko dia efa talohan’ny 26 JUIN 2009 no natao. Inona no vokany hatra@ izao ? AOKA IZAY e !
    Rehefa tsy hita intsony no holazaina dia sasatra manaratsy sy manenjika fotsiny an’Atoa RAJOELINA. Ka izy aloha ny eo ka akory atao ?
    Tadidio fa izay manenjika dia efa mitolon-tena ho ao aoriana.
    NY zavatra atao dia tokony miasa mangina sy hampanetren-tena fa raha no natao dia efa milamina ny rehetra.
    Hatsipy ny hevitra ho any olona izay liana hamaha olana.

  7. Ny ahy indray ra-MANGINA dia izao:raha ny tsy fitiavana an’i President RAVALOMANANA no asesika isanandro ho anton’izao krizy izao dia mbola ho ele tokoa vao hotafavoaka isika.
    Amin’i MANGINA dia satria nisy tsy nety ny nataon’i RAVALOMANANA dia aleo itohy ny famotehana tanteraka an’i MADAGASIKARA,samia manohy miasa sy mankatò fotsiny fa efa i RADOMELINA no eo ka akory atao !! sa kosa misy tombo-tsoa hafa tohananao miaraka amin’izao fitondrana biby izao?
    Raha tena tia tanindrazana ra-MANGINA tsy angina eo anatrehan’izao fahotana ataonareo izao.

    ps:mbola miandry « moderation » koa va ity post-ko ity ra moderateur ô!

  8. Misy hevitra tonga masiaka ndray eto izany. Tena sahaza azy mihitsy le Pseudo MANGINA saingy mangina ve? Tsy mahay sady tsy te hahalala izany Ravalomanana sy ny forongony. Io toetra iray io koa no hitarafana woe olon-kendry ambadiky ny arrogance politique, ary ny fahendrena tao @ Zafy sy Ratsiraka, de ny fahaizany naneho io fahanginany io.
    Io ane lay nolazainay ombieny ombieny woe, Raosy tsy mahazaka fifaninanana izany, eo @ fandraharahana, fa zay heveriny manelingelina azy, defa ataony mahamay e! ary izany araka ny porofo entinao eto no niandohan’io zavatra io.
    Zao anefa ry MANGINA, tsy hihaino anao na oviana na oviana izany ireo, ary tsy vitan’ny tsy nangina fotsiny ireo, fa jereo ny zavatra nataony. Natao daholo ny fomba mamohehitra hanakatsoanany ekonomia gasy, nanaiky ny antso avo nataon-dRaosy ny mpamatsy vola hanao ankivy ekonomika an’i Mada. Nafafy tetsy sy teroa ireo vola aman-tapitrisa tsy nisahiranana nangalarina, @ famatsiam-bola ny asa fanakorontanana etsy sy eroa. Iray ihany ny objectif, de ny hampahantrana ny vahoaka malagasy, hanapotehana tanterka an’i Madagasikara, de hihodina @ Andry ny vahoaka, ary avy eo Raosy rehefa avy mahavita ny asa ratsiny, de mitabataba woe, tsy izaho no nanao an’io, fa Rajoelina, fa jereo ny nataoko fony izao nitondra, kanefa ny action lery ambadika rehetra nandritra ity tetezamita ity, de hanapotika tanteraka an’i Mada.
    Mba saintsaino ane, ireny teny averimberiny ireny woe, « aty amiko ny lakile », « za no mibaiko ny mpamatsy vola de mivaha io ». Koa maninona ary no tsy novahany, haitana woe, hatraiza ny maha capable an-dRajoelina. Rajoelina koa moa tsy mitsoaka ady, satria fantany tsara, fa Raosy, mbola te hiverina eo @ pouvoir, mbola tsy maty voalavo an-kibo, ary miady mafy hatr@ farany lery @io guerre d’usure n’io, zay fantatry ny gasy ny maha be vinanay azy, de io izy hitan’ny havany misarakorako io sisa no nihafarany satria ratsy saina. Fantatry Rajoelina, fa ny adve de tena matanjaka, sady devoly ratsy saina, ka vavakisoa misy sira io, anjarany ny miatrika azy.
    Io ane ry Mangina, impiry moa zahay no nanolokevitra, woe, tsy ny amboletra sy mokondoa ary guerre d’usure hamotehanao ny tanindrazana io no solution Raosy, fa tahaka ireny fahanginan-dRatsiraka ireny, navelany hitondra le soit disant nanongana azy, de ireny ny vokany, niveri-potsiny izy.
    Raosy ity, tena tary vendrana, naninona tsy nekena ireny résolutions Mapoto…sns ireny, ahafahanao mody na de tsy milatsaka aza, fa manafaka anao tsy ho ho voaenjiky ny lalàna, iantohana sy averina aminao ny fanananao, ny sécurité nao, de miverina indray mampiroborobo ny orinasanao ianao, manao refondation ny politikanao hatrany @ base indray, manomana terrain, de miverina milatsaka indray, ary tsy woe, tsy ny vola no tsy hananan-dRaosy sy ny influence anatiny sy ivelany, porofo mitohaka @ tenda tsy nisy mafy tsy nihoatra an’i Deba, fa vitany ny nandresy azy, ary ho vitany koa, na Rajoelina na iza na iza no hitondra eo, fa inona no azonao atao any ivelany any, afa-tsy ny mihinana ny azo teo @ fitondrana sisa? De vao maika hanao suicide @ity havendranana politique, hanao amboletra hiverina, de manao ny adve nao ho kely sandry ianao, fa andrasany soa aman-tsara ery ankodimirana. Ka mafy de mafy ny alahelo seza volamena ry MANGIANA a! zany ny mampatonga azy hanao n’importe quoi, mitady hevirina eo coûte que coûte, hany ka ataon’olona passe passe. Ataon’ny SADEC, sy ny JUSTICE SUD AF, ary ZANDRY baolina voasary makirana fotsiny. Tsy hadalan’ny Ntaolo re Raosy ny miteny woe, zay maharitra vadin’andriana, fa raha io lalana natoronay io no nizoranareo hatr@izay, defa, tafaverina ela teo @ fitondrana nareo a!
    Zany no hamerimberenanay lava eto woe, AMBOHITROSY tena vohitr’AMBOHITSAGNAGNA, koa reraka eo fotsiny ianareo ry MANGINA hananatra olona adalana pouvoir tsy mahalala zay tokony hataony afatsy ny hamotika sy hanakorontana a!

  9. Somary rediredy ihany amiko io tenin’i Hilarion io!

    Mila finiavana faharetana famailòna ny tolona!Ekena fa, tao, ao, ny finiavana sy ny faharetana, fa, ny « fahamailòna dia tena goragora tsy voadiniky loatra! Raha ny fomba fiteny eto. Tsy dia hoe hifanome tsiny be fahatany sanatria e!

    Saingy ny tolona dia mbola lavitra ezaka, satria, tsy ny hoe indro fa tafaverina eto an-Tanindràzana ny filoha Ravalomanana dia hoe vita ny tolona!?

    Ekena fa izany dia dingana anisany lehibe!!

    Saingy, mbola ho lava izany tolona izany!

    Mbola ho lava sy ho henjana, ary mitaky: fiovàn-toetsaina, fifampitokisana, ary indrindra faharetana zavatra maro ny làlan-kizorana, hanarenana an’i Madagasikara, indrindra ny fiainan’ny vahoaka malagasy.

    Tsy fanakivina velively no ilazàna izany! Fa ho ahy , ho anao, ho an-tsika rehetra mpiara mitolona!!

    « Ny tsilanin-dimilahy (sakay) hono rehefa teny hieràna dia laitra ihany!! »

  10. Ny tolona dia mbola ho lavitr’ezaka ?

    Marina dia marina loatra ny teninao ry Neninoro, fa saingy indrisy, ireto vahoaka malagasy na ireo izay miseho na ireo niangaran’ny vintana ka mba afaka nianatra, dia toa voan’ny « syndrome de Stockholm » daholo !
    Itony Bogor itony izay mpikarama an’adin’ny foza itony sisa no manjakazaka ao amin’ny seraseran’ny mpiaro ny ara-dalàna, koa mba diniho amin’izany !

    Tsy ampy an-dramalagasy ny olom-belona manan-tsaina, fa ny ampondra izay malaza fa domelina no tadiaviny, satria toa hoe be fika sy lainga ka tena milay !!

  11. Aza misasatra manadio tena ry mangina sy bogor fa na ny zaza aza dia efa mahafantatra fa inona no nahatonga ny fanonganam-panjakana ary iza no namatsy vola tamin’izany. Aza mieritreritra ny Malagasy ho dondrona ianareo, ireo no matsilo noho ianareo. Izany no mampipararetra anareo raha vao mahare ny anaran’i DADA fotsiny ianareo. Any ka sakanana mafy ny tenany tsy ho tonga eto Madagasikara, fa vao mahita azy miala any Afrika Atsimo ianareo mianakavy dia tapaka lalan-dra , tsy mety sitrana ny hypertension-nareo mianakavy ka ny fanafodinareo(sédatif) dia notam. Ka tsy ianareo mpanonga-panjakana mampijaly vahoaka akory no tokony ho sitranina fa izahay Vahoaka vonoinareo amin’ny fomba ratsy rehetra no mila sitranina amin’ny fanafody tena mahasitrana dia ny fiverenan’ny Filoha mamim-bahoaka RAVALOMANANA Marc, hitondra an’ity Firenena ity indray. Dananay, Dadanay no tena mafy be…..Tsy resy tsy akory ny olo-mangina…

  12. Nofoanan’ny SADC ny dian’ilay Simao !
    Izany dia vokatrin’ny hetsika ataon’ny Filoha Ravalomanana (90%), satria hita sy tsapan-dry zareo ao amin’ny SADC fa baoridelina tsy misy toa izany ny zava-mitranga !
    Tsy tanteraka arak’izay tokony ho izy ny tondrozotra, kanefa ny mpanao paolitika toa tsy andrenesam-peo sy mifaly amin’izay vola « kely » azony daholo !
    Aiza daholo ianareo mpitarika sy mpanohana ny ara-dalàna ? Aza dia mionona amin’ny 10%, kanefa ny mpanongana dia mieboebo etsy sy eroa, misalotra ny asa nataon’ny Filoha Ravalomanana !
    Fombany moa io tsy mahalala menatra io, fa ny vahoaka malagasy re no mba jereo rahatoa ka mba ankihininy aminareo ihany ny fitantànana ny tolona ê !
    Mba asehoy azy fa mendrika an’izany fahatokisana izany ianareo ! Tsy ireo mipetraka any amin’ny tanàn-dehibe ihany no atao hoe vahoaka malagasy, fa ireo any ambanivohitra koa !

    Liana dia liana koa ny any amin’ny faritra, ary mitaraina fa tsy ampy ny fanomezana vaovao TENA MARINA ; asa lehibe miandry anareo izany, ary lazao amin-dry zareo ny ADIDY TOKONY SAHANINY ! Aoka koa mba hanome MÔDELY azy ireo ianareo !

  13. Ravelojaona Fidy > Ny problème dia i RAJOELINA no henjehina sy tian-dRAVALOMANANA ho potehina nefa ny résultat dia ny malagasy no voahenjika sy potika.
    Raha ohatra ka tsy nagina RATSIRAKA t@ post 2002 rehefa lasa nitsaoka dia ohatry izao no nitranga fa aleony no nangina.
    Dia ohatry izay koa no angatahina @ RAVALOMANANA. Tsotra anie izany e !
    Nahatonga any RAVALOMANANA nanao maire sy président koa anie ka nenjehan-dRATSIRAKA mafy e !

    Lilinoi > Tsy misy resaka manadio tena angamba ny lazaiko fa soson-kevitra, fa ianao no tsy aiko ny compréhension-nao satria ny zava-misy no jerena fa tsy manohana olona be fahantany.
    Izaho tompoko tsy manohana na iza na iza eny na i RAJOELINA aza fa hevitra no natsipiko ka izay mandray azy dia tsara izay tsy mandray kosa tsy omena tsiny.
    Izaho koa tsy mahafantatra izany DADANAREO izany satria ny DADAKO dia efa maty ary ny RAY amiko dia ANDRIAMANITRA tokana ihany. Noho izany tsy misy tokony mampipararetra ahy mihitsy @izany DADANAREO izany

    FEHINY : Manahirana ny mamaolana raha fomba fijery tokana no atao.
    Misaotra tompoko

  14. mangina,
    Raha fantatro mialoha fa tsy mahafantatra na inona na inona ianao dia tsy namaly anao tamin’ireny valinteny ireny aho, fa ity Hiram-pivavahana ity no tokony nolazaiko taminao: « tsy misy afaka hanompo Tompo roa dia Andriamanitra sy ny vola ».

  15. Raha ny hevitro manokana dia raha nisy sotasota nataon’i Marc Ravalomanana tamin’i Rajoelina dia tokony nanarina an’izany iry voalohany.Kanefa tsara ampahatsiahivina ihany fa tsy ara-dalàna ny fanonganam-panjakana na amin’ny fomba ahoana na amin’ny fomba ahoana.Efa ben’ny tanàna i Rajoelina dia ny tokony nataony dia nilatsaka ho fidina ho filoha dia nanao ampamoaka momba ny sotasota nataon’i Marc Ravalomanana taminy nandritry ny fotoana nanaovana piropagandy.
    Ankoatran’izany, tsy tsara intsony ny manankina an’i Rajoelina fa na dia izany aza tsy mangina foana ihany koa izy, ka noho izany dia tokony samy mangina.I Ratsiraka koa anie nangina satria lavitra angamba fa raha tao Maorisy ve izy mety nangina.Asa?Nisy nilaza teto fa izy koa anisan’ny nikotrika io fanonganam-panjakana io.
    Farany dia asa aloha raha voan’ny « syndrome de Stockholm » ny malagasy fa ny nahazatra ny malagasy hatramin’izay izay manana fahendrena,fahatokisana amin’ny Avo ary mpandinika ny zava-boahary dia ny « syndrome de Milan » no nahazo azy rehefa niaina tao anatin’ny filaminana.
    Fehiny:samy mangina,tsy manaratsy ny ankilany dia atao izay hampiharana ny lalàna sy hamerenana ny ara-dalàna .Ary indrindra manome soso-kevitra ny hanatsarana ny fiainam-bahoaka.

  16. raho tsy mila mamaky bongor na mangina, olona efa mivadika ny lohany, mitovy amin’ny foza voavidy hivarotra ny tanindrazany, adalam-bola satria mafy ilay faniriana fony fahazaza mba hitovizana amin’ny vozongo. saigy samy tsy misy hafitsoka daholo ireo ka ny fiainam-bahoaka no hatao sorona.
    ho Sarotra ny vali-kitsaka fa andao ho tohizana ny fiarovana ny tena marina.

  17. Samy manana ny degré n’ny fahaizany milaza ny marina sy ny fahaizany mandrindra ny heviny io ry Elas a! mihevitra ve nareo mpiseho isan’andro eto, fa nareo irery no mpamaky eto? Impiry averinay eto moa, fa tsy ianareo mpiserasera eto no cibler-nay, fa ireo mpamaky tsotra. Tsy mahita ve nareo, fa 2 na 3 aminay, de mampiala tsy hita intsony ny sasany mpomba mafana fo an’i dadanareo eto?
    Misy @ireny aza manoratra manokana aminay, fa misy marina be de be, ny zavatra nolazainay. Zahay raha mitsikera, tsy mitsikera be fahatany, fa milaza ny tsy mety nataon-dRainareo, zay tsy sahinareo lazaina na oviana na oviana.
    Na Rajoelina io ane, na toy inona na toy inona volonté-ny te hiala @zao krizy izao, sy hampandroso an’i Mada, azonay atao tsara ny manakiana, fa be ireo manodidina azy, na ireo olom-boatendry marobe, na sivily na miaramila, manararaotra izao krizy izao, hameno ny poasiny, hanalavana ny tetezamita mba hahafahana mihinana hatrany, saingy ho lany andro hanasazy an’itsy, na handroaka an’iroa ve izy? Ny fahavalo ve efa henjana be, mbola hitady fahavalo? Politika io, ny mission-ny de ny hanafoanana ny tetezamita haingana de haingana. Ary sahiko ny miteny, fa ireo opposition ao @io GVT iaraha-mitantana io aza, de tian’ireo koa raha mbola hitatra lavitra izao tetezamita izao, noho io antony voalazako etsy ambony io. Ary aza manantena nareo fa maro @ireo ny tsy tia ny hiverenan-dRainareo noho io antony io.
    Zay ny fomba fijerinay ny politika mitranga ao Mada, raha tianareo hazava.
    Ary na Ravalomanana, na Rajoelina, de samy nanainga ny tolony t@ inspiration populaire daholo, na de tsy nitovy aza ny fomba namaranany azy, izay ny an-dRavalo de nampiasa milisy sy Zanadambo, zay fampiasan-kery, ary Rajoelina de ny miaramila CAPSAT, izay fampiasan-kery avokoa. Azo atao tsara ny milaza eto woe, ny tody tsy misy fa ny atao no miverina, de mety ho toy izay koa ny an-dRajoelina @ manaraka.
    Ny mampiavaka kely an-dRaosy angamba, an!an!an! tena exception mihitsy e! NAMETRA-PIALANA NEDALA. INONA ARY NO ANTONY?????? sady tonga de NANESI-TANY TENA. INONA KOA NY ANTONY???? Anjaranareo mpomba zy ny mamaly izany.
    Aza manadio foana ny dadanareo woa, fa manana responsabilité be de nahatonga izao krizy zao izy.
    Tsy haiko, fa zahay mahita ary mbola averimberinay foana, fa raha io tolokevitray eo ambony io no naraharanareo sy ny dadanareo, de efa niverina ela teo @ pouvoir izy. Mila azy fotsiny présent ao an-tanindrazany, fa na ny vahoaka aza afaka nanosika azy teo, fa ny nataonareo hatra@ izay de tsy fahaizana politika, famonoan-tena, fiziriziriana tsisy fotony, de izao ny résultat. Impiry moa zahay no miteny woa, mba mandiniha tena nareo faza mitady coupable lava zao. Mazava be, fa raha ny anaran-dRajoelina no tanisaina sy averimberinareo eto, de mi-comprendre anareo ny tenanay,satria hoy nareo woe, iny no rangory fototry ny afo, fa raha mandinika tsara ny tenin’i MANGINA io nareo, ka olona manana fijery objectif, de hahita, fa ny PERSONALITE n-dRAVALOMANANA izay tsy hanaovako commentaire intsony, no manimba azy hatreo @ nitondrany ka mandrak’ity ny androany. Fa nareo, na ireo tena akaiky azy de mpanara-drenirano sy manaraka ny caprice-ny fotsiny.
    De mandiniha tsara ry zanakosy, fa zahay akory tsy nareo, hifosa sy hanenjik’olona be fahatany, tsy mitady solution fa lany andro manao intox eto, fa zahay de manana fomba fijery hafa lavitra ny politika noho nareo.
    Ny fijeriko anareo eto, de tahaka ny efa tsy mahita aleha intsony, miraviravy tanana, ny solution eo ambany maso modiana tsy hita, noho ny ambompo diso toerana, fa lasa mandrevirevy zavatra impossible, de jereo fa na de ireo médiateurs ireo aza, defa miala tanteraka @n-dRAOSY, zay tokony ho izy no hanana avantage, satria manakaiky azy eo, fa ireo de kivy tanteraka noho io personnalité n-dRaosy io. Impiry moa ny fanakianana azony t@ireo satria manaoanao foana. Raha afaka nanao zay tiany hatao ny mppanam-bola rehetra teto an-tany, de efa ho nikorontana ambony ambany zao tontolo zao, fa mba misy fotoana hanginana, misy fotoana hisainana, misy fotoana handraisanao fanampahankevitra na de hevirinao tsy hahitanao avantage aza iny, ary zahay aza mahita fa ny famerenana lava eto anareo atao sagnagna, vena, donto, tena tsy mety, ary ifonana tanteraka raha ny toetsaintsika malagasy tokony hifanaja, fa saingy misy zavatra tianay hiditra mafy ao, kanefa moa atao ahoana fa rano atondraka an-damosin’ny gisa ireny, ary ekena fa tsy nisy tsy nanao hadalana,tsy nisy tsy diso, fa ny aleoko maty toy izay menatr’olona, ny tsy fahaiza-milefitra mba hanandratan’Andriamanitra anao, tsy hitondra anao ho aiza, vao maika aza mamotika anao toy izao efa mitranga izao.
    Mino aho andriamatoa Ravalomanana, fa mamaky izao ianao, na ny vadinao, na ny zanakao, izay aza mijery olona izay mpomba anao na akaiky na lavitra, izay mandroboka anao @ kizo, ary miteny toy izao izahay, satria hilaza ndray ny sasany woe, mangovitra bogor, mandohalika sy mitady saosy à dadanay, kanefa ny dadanareo ity, vao maika arirariran’ny SADEC, mba tsy hahazo hilatsaka, fa @ maha samy malagasy, indrindra mba ho tombontsoa avon’ny tanindrazana, de hampalahelo ihany, na de teo aza ny fahadisoanao teo @ fitondrana ny firenena, mba nisy koa zavatra tsara nataoanao t@ firenena, de hampalahelo hoy aho, raha tsy hahazo mody intsony ianao, tsy ho tafaverina hitondra raha mbola maniry izany, ka fanapahan-kevitra kely fotsiny, sy hambom-po azo vonoina, de hanimba ny tanindrazana sy tsy hahafahanao handiha intsony io tanindrazanao io.
    Atsipy ny teny any am-pon’ny misaina, fa ny famporisihanareo ny dadanareo hanao kamikaze tsy solution ry Zanakosy ô! ZA MAHITA FA TSY TIANAREO RAVALOMANANA INY FA WAWAWA NO BETSAKA ETO ARY NA MISY AZA AMINAREO MANOHANA IZAO HEVITRAY IZAO DE TSY SAHY MISEHO MASOANDRO FA MANORATRA MANOKANA ATY AMINAY ZAY MANGATAKA NY TSY HAMOAHANAY AN’IZANY ETO, DE HAJAINAY TSARA IZANY.
    De hoy zahay Ra8 woe, raha mbola miziriziry ianareo, de mahatsara anareo ny mijanona any, ary sao ianareo mihevitra fa mamaky loha Zandry na hilatsaka na tsy hilatsaka eo, de mandiniha ianareo mianakavy, fa ny olon-kendry ihany no azo toroana, fa hadalan’izay mamporisika ny namany tiany, hamono tena, ary hadalan’izay leon’ny miaina ka hitady loza hahafaty. DE MBOLA MIVOHA HO ANAREO NY VAHAOLONA ZAY EFA MIHATERY DE TERY, ka araraoty ihany lahy. Marina e!!!!!!

  18. tsy oe refa manoratra lavabe ry bogor be vôplôsy dia manana ny marina à!!!! tena foza enao mitampina fota-tay ny masonao ka tsy mahagaga raha mirediredy!
    I Mangina i Ratsiraka ve no mba fitaratra aminao??? tombotsoa inn no azonao taminy??? fa raha ny Malagasy tsy mila an’iny simba t@ quota par faritany ny zava-drehetra teto!

  19. Refa tsy manan-kalahatra Raverbe de mangina a! ny vôpla beanay foana no tsy matin-drangahy lolo. Fangaha hono efa nahita lery? Mba miafinafina faza de aseho be ny maha PD Raverb a! Homo io ane mbola tena sujet tabou amintsika gasy e! mba megnamegnatsa leroa a! miakatrakatra indray ny tosi-drà a! tsy hitan-drangahy ve ny fahaizanay manao analyse politique? Tsy hain-drangahy ny toy ireny Raverbe a! manenjika rambon’olona avy ao aoriana de hain-drangahy. De haindrangahy tsara zany woe, manenjika. Gidamaimbo lava nareo fa lany fotoana manenjik’olona foana.

  20. Verbeck > Andriamatoa, tsy niteny mihitsy aho hoe RATSIRAKA no fitaratra fa ianao no namorina an’io. Raha tianao ho fantatra dia tsy mbola nifidy an-dRATSIRAKA mihitsy ny tenanay na t@ fotoan’androny aza ary tsy hifidy azy koa.
    ny teninay dia hoe rehefa voahongana RATSIRAKA dia nangina.

    Ny hevitry hatsipy anie, averiko foana, tsy midika mihitsy hoe manohan’itsy na manohan’iroa e !!!

  21. ho tohizako ihany,
    ny fanoherana ny tsy mety sy tsy rariny kosa angamba tsy dia midika ho fanenjeana e!
    tsy maintsy lazaina ny marina fa olona maty heritreritra anie no eo e!sady ny tena loza
    tsy misy fantany akory ny fandehany zavatra rehetra fa heveriny fa mety daholo satria VAZAHA NO MANOME BAIKO
    RAJAKOM-BAZAHA, ANDEVO , ny fahaizany efa tsy nisy nianarany izay resaka fitondrana , AZA AFANGARO KOSA,
    RAHA MILAZA NY MARINA IANAO TSY MIDIKA HO FANENJEANA IZANY , amiko aloha an!

  22. Mangina
    azafady fa nisy fandisoana kely, tsy lasa ilay voalohany kay, ho averiko eto.

    Marina tsy misy kianina ny voalazanao ery ambonyny momba ny nahatonga izao fahavoazana izao.
    fa kosa aza hadino fa musy antony i dadanay matoa nanao izany toy ny fandroahana ilay masoivoho frantsay,
    ilay fanakantonana fiangonana sns fa efa niseho daholo anie ny marina taty aoriana e!!ny lesoka dia i dadanay tsy
    nanazava fa diso NAATOKY TENA IZY FA TSARA NY HATAONY T@ resaka FANDROSOANA dia teo no nisy
    ny fananararaotana NANELY TSAHO HANOSORA-POTAKA an’i dadanay( ireo akaiky azy an) ka io no mahatonga
    an’i dadanay tsy mangina intsony fa MILAZA NY MARINA REETRA satria mahazo vahana be ilay LAINGA.

    Tsy miziriziry Dadanay fa MIADY @ RARINY SATRIA MANANA NY MARINA IZY.
    Ny mpamadika tsy lavina ary mbola ireo akaiky azy nandady nilelaka an’i domelina no mbola nanoro voana azy ka nahatonga azy
    hiala an’i Madagasikara.

    Ny tiako ahatongavana dia marina fa nusy hadisoany fa tsy azo lavina koa dia voafitaka izy ary olona akaiky azy tao hany no namitaka
    azy ka efa fant any izany , VONONA NY HANARINA Ny lesoka rehetra izy ary mahatsapa TENA TSARA FA TSY MATIHERITRERITRA.
    Izay koa no mahatonga azy handray an-tanana ny FIVERENANY sy ny sisa satria fantany tsara fa TSY MUSY AZONY AHATOKISANA INTSONY EO na HANTENAINA, ny mpamadika no betsaka dia ireo nanaraka iny lalana iny fa tsy niafina anie izireo e!!ilay tetsaintsika
    mihintsy no mila fanarenana IO ANGAMBA NO LESOKA VOALOHANY! amiko aloha an!

  23. Hamaranako azy angamba dia fantatro ianao fa mahitsy tsara milaza ny hevitrao fa
    mety tsy arakao tsara angamba ny fandehan’ny tantara ????fantatro koa fa tena voa mafy
    isika ary saika isam-baravarana ilay fahavoazana fa tokony ahatsapa tena koa ny tsirairay HIOVA fa isika mihintsy
    no voaozona satria manosiosy ilay SOATOAVINA , NANONTAFADY( hoy Raveloson C).
    TSY MISY MIFANOME TSINY FA SAMY TOKONA HANDRAY NY ANJARA TANDRIFINY AVY MANILIKA IZAY AZONY
    AHILIKA e!

  24. RANAVALONA > Mahafinaritra ny fomba fijerinao.
    raha ohatra anao daholo ny olona manohana an-dRAVALOMANANA dia tsy ho diso lalana angamba izy.
    Ny problème mantsy dia ohatra ny fanenjehana sy vava be no ataon’ny sasany betsaka.
    Izay indrindra eo @ olombelona no ilaina an’ilay atao hoe « recul » (miala tsiny @io fitenenana io fa tsy hitako izay handikana anazy)indraidray satria tsy hainao intsony ny hoe iza no mamitaka ary iza no tsy mahamitaka.
    Ny lazain’i Bogor anie dia misy hevitra azo raisina koa.
    Manahirana moa maneho hevitra fa lasa avadiky sy adikan’ny sasany fanohana olona lay izy.
    Dia mankahery anao aho amin’ny hevitrao.

  25. Ianao no hisaorana mahay mandray Tompoko! dia mahereza!!
    Samy voa mafy daholo e!!nefa mba  » misy miihainooo??? »iza no ba hitarainana??
    izay haleha maneno sahona daholo, izay antenaina toa poakaty, ganagana misasa loha ka samy
    may @’izay mahamay azy daholo ny rehetra.Mahonena fa dia izao no izy koa hatao ahoana e!!

  26. i bogor no santionan’ny mitsingavana toa ny entin-driaka sady tsy gasy no vazaha

    de inon’itony ry km sao dia mba man’ARABE anay an:
    « … domelina no tadiaviny, satria toa hoe be fika sy lainga ka tena milay !! »
    ???

    tandremo lesy fa bandy maivana toa an’i Andry Rajoelina ve no hoe tena milay.

    I Mialy (tsy halehany fa na ny makorely gasy any frantsa aza mbola misy misaina lavitra noho ikalaRATSY io) no taitaitra taminy teo,
    resa-B… io kou
    moa ny an’ilay mbola tsy mikombina ny loha-malemy intérêt fa lany tamin’ny frivolité izay mba lova

    Ny pd eny antaninarenina eo ihany
    fa i Andry Rajoelina dia lany à l’unanimité raha vao milatsaka ho candidat au pédérastes de tanà bon pas chèr pour les français y soupirants

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *