MITAKY NY FIALAN’IREO JENERALY MISAKANA NY FODIAN’I DADA NY VAHOAKA

Maro ireo vahoaka no nanoina ny antso natoan’ny Ankolafy Ravalomanana hanatevina ny hetsika eny amin’ny Magro Behoririka . Niova tsy toy  ny mahazatra ny hetsika teny an-toerana. Ny tapany voalohany izany hoe  oray iray no nanatontosana ny famakiana ampahibemaso ireo fanotaniana napetraky ny vahoaka tao anatin’ilay boaty kely fametrahana hevitra. Nifandimby namaly izany fanontaniana izany kosa ireo mpikambana CT sy Cst tonga teny an-toerana. Nahatratra 10 ireo fanontaniana avy amin’ny vahoaka, ka ny nizara roa mazava tsara. Ny voalohany dia mahakasika ny fiveranan’ny filoha Ravalomanana Marc ary ny faharoa dia ny momba ny fifidianana. Amin’ny an-kapobeny dia mazava ny valinteny avy amin’ireo mpitarika fa tsy maintsy mody I dada satria efa voalaza ao anaty tondrozotra izany. Mahakasika ireo jeneraly izay misakana ny fodian’ny filoha Ravalomanana Marc dia nambaran’ny mpitarika fa  ny asa fitandroana ny filaminana no ataony, noho izany rehefa tsy nahavita ny andraikiny izy ireo dia miala. Hihaona amin’ny governemanta ny Cst amin’ny 8 novambra ka takiana amin’izany ny hamoahana amin’ny haino manajery ny adihevitra rehetra, ary ny fitakiana ny fialan’ireo jeneraly ireo. Mangataka ny Cst ny hisian’ny vaomiera parlemantera hanadihady ny momba ny andramena, ny raharaha any Atsimo. Mahakasika ny fifidianana dia anisan’ny fanontaniana napetraky ny vahoaka ny Cenit sy ny fanisam-bahoaka. Nanambara ireo mpitarika fany fifidianana izay hatrehina dia  fotoana izao hamenoana ny lisim-pifidianana satria ny filoha Ravalomanana Marc dia hilatsaka hofidiana, ary sao miverina indray ny anaran’olona miverina indroa.Ny filohan’ny Cenit sy ny mpikambana no efa mipetraka fa ankoatra izay dia mbola misy ny olana. Ny fanendrena ny solontenan’ny antoko politika no miteraka izany olana izany. Noho izany dia miandry izay solontenany ny ankolafy Ravalomananana.

17 pensées sur “MITAKY NY FIALAN’IREO JENERALY MISAKANA NY FODIAN’I DADA NY VAHOAKA”

  1. Aza asiana sira raha izay olona efa maty tapaka ireo ,
    fa izy no voky ranon-dolana avy any @ karana sns
    any dia ny VAHOAKA no ataony SORONA ho azy.Efa TOTOM-BITANA IRENY e!
    misy anie @’ireo ary vao ny foza no nanome galona azy e!!izany hoe: galonam-poza ( foza orana) hoy ilay fitenenana.

  2. Raha mahita ny miaramilan-daharana sy ny miaramila lefitra fa vola no hihetsehan’ireo be galona vitsyvitsy ireo dia afaka koa ianareo ireo no tsy manaraka azy ireo satria tsy omeny vola akory ianareo fototry ny tafika fa izy misonenika mandray vola be ary ianareo mikezaka manefa asa be.Tsy misy intsony ny rariny sy ny hitsiny fa ny vitsy an’isa manao izay danin’ny kibony moa ny maro an’isa mamitsaka fola-damosina.Ka mba eritrereto ihany ry zalahy.

  3. Tsy ireo miaramila mirongo varahina no toùpn’ny hery ao amin’ny tafika fa ireo miaramila vantany sy ny manamboninahitra lefitry izay misahana ireo raharaha na  » services ao amin’ny Tafika :
    -lehibe mampianatra sy mifehy ireo miaramil vantany
    – misahana ny toerana misy ny basy sy ny bala ,ny infirmerie , ny fitafiana ( fourriers), ny vola ( karama , sakafo, indemnités isan-karazana ).
    -misahana ny fitsanjarana , ny fanamboarana , ny fiandrasana ny fiara rehetra ( services des garages)
    -misahana ny miaramila miasa eo ambany fifehezana.
    sns, sns..
    Raha ireo no midrinkina , mihoko na manda ny baiko , na mitokona …dia mikatso ny Tafika..
    Tsy iretpo mihaingo varahina ireto no hampandeha ny ..raharaha..
    Ireo iraka miaramila ny SADC dia nahatakatra izany , indrindra moa fa nihaona tamin’ny fikambanan’ny manamboninatra lefitra izy ireo ( cosafam..).
    Io no fipetraky ny  » équilibre des forces « : le point des boutons de cuivre contre les chevilles ouvrières  » dans l’Armée !

  4. Hianjera ahoana ê ? Esorina i dolan mba hametrahana an’i zandedie ve, satria io farany io mety ho mafy loha koka noho ilay dolan ?
    Aza mba manaiky atao tohatra fiakarana sy taingenan’ny sasany hoy aho !
    Io resaka be io, tokony nazavaina tamin’ny vahoaka !

    Andramena sy ny zava-miseho any atsimo any izany tsy prioritaire, na dia mampalahelo aza !
    Aman-jatony ny zavatra tsy miady ao an-tanindrazana ! INONA NO TENA ANTONY ???

    Zavatra toa itony mihintsy no TSY hitondra filaminana, ary indrindra fihovàna ara-tsôsialy :

    http://www.midi-madagascar.mg/index.php/home/3-politique/8584-hommage-a-nicole-razakandisa–les-differentes-tendances-politiques-representees

    Nanatitra voninkazo sy solon-dranombary tsy masaka tany izany ireo lideran-tsika, mpanohana ny ara-dalàna ? Dia nitomany sy nigogogogo tao daholo, satria lasa ilay mpanasoa miaramila, fahavalom-bahoaka ?

    Raha sendra maty voan’ny krizy kardiaka ilay domelina mpanongam-panjakàna izany, dia hisy fisaonana nasiônaly mandritry ny iray na telo volana mihintsy aza, ary tsy maintsy hitomanian’ny vahoaka ???

    Miresaka jeneraly !
    Tsy nisy basy teny an-tanan’ilay jeneraly, any ka nisitrika tsy sahy nihatrika sy nijery ireo olona tonga « nipal’azy » ! Tany amin’izany Créil izany hono no niseho ny tantara !
    Raha fintinina izay mba nivoaka avy ao am-bavany hono, dia hoe : Tsy manam-pahefàna ry zareo miaramila fa misy mibaiko, any ka tsy tompon’andraikitra amin’izay zava-misy any Madagasikara, indrindra momban’ny fiverenan’ny Filoha Ravalomanana !

    Tao an-tranom-piangonana no nahavita sy nilàza an’izany ; nivanàka be hono Andriamanitra ka toa niteny hoe : Andray r’Ingahy jeneraly, ato an-tranoko anie ianao !

  5. Grave ny organisation-mpFOZA tamin’ny Sabotsy teny Analakely an: aiza ve koa ny circulation ny fiaran’ny olona avy no no-forcer-na hi-tourner en rond teny @ place du 13mai?!

    Kay ve ka natao veloma farany tao @ temple tao, kanefa dia toa ny olona mianjaika hamonjy lanonana… no fahitana ny sasany

    De mahazendana hita sy misongadina eny foana ny SQ

  6. Coucous Hoaiza!!
    Mapmė be!!ka aiza ry sė no hisikinany an’ireo voridamba hangonina
    ireo no tsy hanaovany na dia faty aza a!!izany hoe: manararao-paty hamoahana voridamba f’izay no nahaory
    azy anie e!!izay no hanapotehina ny tanindrazana toy izao matim-boridamba loatra,ireny ilay mihaingo ambony
    tsikoko raha tsy hain’i sė.

    Halana aiza koa izay tsy manaiky ny fodian’i Dada ray olona a!!aza dia miantso alika HANAIKITRA fa avelao
    izy ho eo fa hatao fantany fotsiny fa tsy izy no mandidy @’ITY TANY ITY, fa rehefa tsy zakany ny fodian’i dada
    dia izy no tokony hanala ny tenany RAHA MANAKAMBO.

    Kintana hataoko fa mila ho fantatra ny anaran’ireo izay nandeha NILELAKA ny foza tany na inona antony na inona,
    fa ireo faty firifiry isan’andro (raha tsy hilaza afa sy ny any Atsimo fotsiny aho) izany , MBA FATIN’INONA NO TSY
    MBA MISY MPANISY SIRA FA FATY EFA VOKY VOLAM-BAHOAKA RY NO HIFANOTOFANA????TSY RARINY!!!

  7. Maro ireo teny sy hetsika ita sy heno mitory fa misy ny fihomananan’ireo miaramila tsy manaiky ny fihetsik’ireto nanaongamù-panjakana !
    Na dia « maotina  » aza izy ireo dia misy tsy miafina ,misy tsy misalasala mampieho sy sahy milaza ny fijeriny ny ny fitondran-tena tsy mendrika ny maha-miaramila azt ireo : mpikarama an’ady , mpivaron-tena
    Aey lazain’ny Général RASOLOFOMAHANDRY fa tsy misy hilana ny hevitré=’izy ireo amin’izao fotoana izao
    Marihiko fa noraisin’ny iraka miaramila SADC io Général io
    Ny Solon-tenan’ny Solon-tenan’ny manamboninahitra lefitra dia nihaona tamin’ireo iraky ny SADC koa
    Notsipihiko koa ny »fahefana  » eo an-tanan’ireo manamboninahitra lefitra ireo ao amin’ny Tafika
    Raha tahiny tsy manaiky intsony baikon’ireo be varahina ireo manamboninahitra lefitra ,izay mifanakaiky amin’ny vanta miaramila dia mazava fahiova ny tarehin-javatra
    Misy mitsoka io afo – pivorana io !

    Ary afo hiredareda satria manohana izany hetsika izny Vahoaka
    Inona no handrasana ?
    Ny fiverenan’ny filoha RAVALOMANANA MARC eto ANTANINDRAZANA !

    Samiy nihaino ny fanambaran’ny Filohan’ny fitrenena Isika tamin’ny asabotsy..!
    « Lazaiko eran-danitra ,eran-tsaina fa hilatsaka ho fidiana aho ! »
    Izany hoe :TSY MAINTSY MODY IZY !

  8. salut ranavalona sy ny namana rehetra:
    somary sahiranin’ny fiainana ampiriatin’i Andry Rajoelina au pouvoir
    ny tenanay aty
    ka somary tsy dia hitahita eto…

    De hiakatra hono ny frais bus manomboka 01 nov? ataovy ihan ry mpanongam-panjakana isany: na ny 100Ar aza … vidin-kafe? efa ranom-potaka sisa no atolotra ny vahoaka

    Misy sarin’i dada8 izay any oa,
    nisy artista nanao hoso-doko teny @ Magro,
    topazako maso matetika

  9. http://web.worldbank.org/WBSITE/EXTERNAL/COUNTRIES/AFRICAEXT/0,,contentMDK:23298955~pagePK:146736~piPK:226340~theSitePK:258644,00.html

    c’est beau
    cependant
    la réalité dans plusieurs pays du continent africain
    se passe autrement
    des actes qui prévalent les instincts bestiaux
    (example vivant est ce que signale Ratsimilaho à travers son lien)

    Donnons-nous les mains, soyons solidaires

    prenons nos destinées entre nos mains

  10. Désolée,
    le fait que le lien que j’ai partagé ci-dessous n’aboutit pas

    L’idée principale est : AFRICA CAN FEED AFRICA

    Et que voit-on au juste: les nationaux sont réduits à mendier aux Sinoa – Karana – Firantay sur place …

    Qui nous a jetté dans cette me.deuse de vie, dans cette situation qui nous laissent spéctateurs impuissants alors qu’on NOUS PILLENT

    http://www.kaltura.com/index.php/kwidget/cache_st/1351015044/wid/_619672/uiconf_id/4909271/entry_id/1_11tjff0f

    Au pouvoir en place: nos choix c’est jamais vous
    jamais

  11. Te re-voilà
    mpivaro-body eny amoron-dalana i
    mama-tanora
    hihihi

    la vérité blesse

    aiza ny zana-drazan-dra-ZAKADINSA isany

    ny tody tsy misy ve
    f ny atao no miverina

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *