Mpianatra Ankatso : nampiasana herisetra indray, tsy voahaja ny  » franchise universitaire »

MyDago.com Ankatso 30 Okt 12 (19)

Raikitra indray ny gidragidra teny Ankatso ny maraina teo. Saika hanohy ny fitokonana teo amin’ny fiantsonan’ny taksibe 119 ireo mpianatra eny Ankatso. Fitakiana ny vatsim-pianarany no fototry ny fitokonana. Tsy naharitra anefa izany fitokonana izany fatongateny an-toerana ireo fiara 4X4 maromaro feno hery mpamoretana nandrava ny hetsika. Nirohotra niditra tany anatin’ny vavahadin’ny oniversité ireo mpianatra. Teny izy ireo no nitora-bato ireo be basy ireto. Ireto farany kosa dia tsy nitsahatra nandefa baomba mandatsa-dranomaso tamin’ny mpianatra. Nikorontana tanteraka ny fifamoivoizana teny an-toerana ary tapitra nikatona avokoa ireo mpivarotra. Tsy maintsy hery mpamoretana hatrany no vahaolana entin’ny mpanonganam-panjakana hamahana ny olana eto amin’ny firenena. Hatramin’izao dia manao be marenina tsy mety mihaino ny hetahetan’ny mpianatra izy ireo. Ny Cst izay mitaky ny tombotsoany dia mikoropaka Rajoelina sy ny forongony manome fahafaham-po azy ireo. Fampanantenana poak’aty no omen’ny milaza azy ho ministry ny fampianarana ambony ny amin’ny fandoavana ny vatsim-pianarana ho azy ireo.  Tsy misy fianarana vanona eny amin’ny oniversité manerana ny Nosy satria tsy laharam-pahamehana ho an’ny fat ny fanabeazana.

(TSY AZO ANGALARINA  NY SARY ETO AMIN’NY  MyDago.com)

38 pensées sur “Mpianatra Ankatso : nampiasana herisetra indray, tsy voahaja ny  » franchise universitaire »”

  1. tsy tokony misy franchise universitaire eny aminy fiantsoana taxi-be 119 satria lieu publique iny fa tsy enceinte an’ny université raha tena grevy tokomy ao anaty université tsisyt antony mintsy anapotehana bus na hitorahana vato . Izany fihetsika izany dia tsy mendrika olona avy eny aminy anjerimanontolo nahazo connaissances sy miketrika ho hoavin’ny firenena. asa fanakorontanana sy fanapotehana izany mendriky ny olona tsy nahita fianarana sy tsy mahay ny tokony atao sy tsiia.

  2. F’ angaha moa ity miseho hompitondra mba nanitsaka teny koa inona no hivakiany loha @’izay mba
    fitakiana hataon’ny ankizy eny?? ho haripany daholo aza ireo fa sao hiaotra azy , sady jereo ireto
    mba mpikambana ao @ Fitondrana ireo foza? izay mba nandalina no maharary,ny mpiasam-panjakana
    moa dia izay azo hatao saribakoly ihany no mahapetraka eo ,fa ireo izay nianatra kosa atao antsojay.
    Efa alika ireo fa tsy mba mpitandro filaminana intsony ,vao tsipazana taolana dia izao manao tsindrio
    fa lavo, mapiasa hery fa VOKY ! LETRA SESIKA NY ALAHELOM-BAHOAKA!!na rà latsaka ity na
    ranomaso, ny aina tsy ferana , KARAMA NY AZY! BIZINA! IZAY NO HIVELOMANY IZAO SY
    hanakaramana azy ireo.

  3. Misy mahamarin’azy ihany ny voalazan’i la violence n’amene que la violence !

    Amiko ireo mpitarika, dia voakaraman’ny foza ! Entina hatreny amin’ny Oniversite ny TSY FANDRIAMPAHALEMANA, TOY NY ZAVA-MISEHO ANY ATSIMO !

    Raha TENA hitolona, tsy ny taxibe no potehana fa NY TSY FAMETRAHANA TONGOTRO SY FITOMBENANA ENY ANKATSO NO TOKONY ATAON-DRY ZAREO !

    MANAMPY TOSIKA AN-DRY ZAREO ENY AMIN’NY MAGRO !

    Tokony ho fantatr’ireo zatovo rehetra ireo, fa na hiezaka toy ny inona aza ry zareo, dia tsy HANANA VALEUR NY DIPLAOMANY ! Betsaka ireo tanora taloha, tamin’ny 1972 no voan’izany !!

    HANATRA !

    Rehefa tsy miakatra eny ny mpianatra tsy hahazo vola ny taxibe sy ny bus, FA MBA AZA NY FIARANY KOSA NO POTEHANA !

    Io hoy aho, tetika efa tamin’ny andron’i Ratsiraka io ! Raha tokony ho 1000 ariary ohatra ny vola tokony ho takiana, dia « volena ilay fitakiana » na mbola tsy ao an-dohan’ny mpianatra aza ; dia asiana grevy kely, avy eo omena 200 ariary ny mpitaky dia mangina DAHOLO NY REHETRA satria efa nahazo !

  4. fa ity anie tsy mahazo mihintsy e!!omena fanantenana poakaty foana
    hamonoana afo dia ny mpitarika no na RAHONANA na VIDIANA dia
    volankankafotra ny omaly tsy miova.
    Tsy ferana aloha ny fanakaramana ny mpitarika e!!satria efa ela no tsy nisy bizina intsony fa tsy msy mahasahy
    mijabaka intsony dia tairina kely aloha fa natsintsiana tato ho ato mantsy.Efa tsy misy azo ahatikisana intsony e!!
    Zanamaria sy ny zanany ka samy manao izay hinanany .Tokony ny mpianatra mba hifanaramaso .

  5. Sao tsy naharaka aloha ianareo fa ilay hoe tsisy « franchise universitaire » anie, ka ny zava-nitranga androany anie ka nenjehin’ireo herim-pamoretana ireo hatrany @ faritry ny universté anie ireo mpianatra eh, ary raha nanontanian’ny Filohan’ny Onivresite hono izzireo dia nosamborina ffa mampiahiahy, fa sao dia tsy mpianatra akory.

  6. Ô ry Ny Andry tsy domelina â !
    Lalàm-panorenana aza tsy rarahin’ny pipiany inona, fanonganam-panjakàna vitany ary mbola hisekosekoany ; RARAHIN’NY TAINY INONA IZAY FRANCHISE UNIVERSITAIRE ANY ?
    Miala tsiny amin’ny fomba fiteny aho, fa toa mbola betsaka no TSY TONGA SAINA !

    DIPLAOMA TSY HISY VALERA VE NO ANAOVANA SINEMÀ ?

    Aza mandany andro ry tanora, fa ho anareo no anaovana an’izao tolona izao ! Mba mahaiza mieritreritra, ary aza manaiky ataon’ny olona TOHATRA FIAKARANA !

    EFA VOAN’IZANY NY TENAKO MANORATRA ETO !

  7. tandremo fa rehefa mipoaka anie io ry zandry kely ka tsy misy taolan-kalevina ianao sy ny fianakavianao e,i ratsirahonana sy kristina razanamahasoa tsy aharo anao,raha za enao izao dia efa mitsoaka any amin’i pedro mba hokolokoloiny any fa io villa ao ambatobe io tsy asian’ny vahoaka mipetraka na dia biriky ray aza fa dia efa mampiomana za zay, i ratsirahonana alefaso any amin’ny hospice dia tandremo sao adino ny manisy couche azy fa efa antitra loatra iny ka sao mangery am pataloha eo

  8. avoty zahay ry reto fa novadihan-drajoelina a,nisolelaka kanjo voadaka ambava fo, mbola mety handray ahy ve zao i dada fa efa tsy tin drajoelina tsony zahay fa za hono be molotra de i fidele infidele e!

  9. Hi!hi!hi! io ary fa nisy naka tahaka sahady EMMOREG. Mitovitovy daholo ny fomba ny fomba fisainan’ireny mpanohana an’ Andry voatsoaka ireny. Rehefa mba nalahatra woe, miala @io toerana io ianao, fa ity ndray ny andraikitrao, satria za mihitsy izany no tianao hatsangana ho fahavalo hoy Zandry, de nidrikina be woe, za tsy hiala, fa raha vao miala eo aho de….! ary marina ny an’ny Zandry, olona manangam-pahavalo anao mivandravandra izao ve, ataonao ahoana ny hiara-hiasa aminy?
    De nanantena ry Lala sy Fidy, fa azy ny feo, malalaka ny fanehoan-kevitra, de nitsapa ny heriny toa an-dRavalo t@ Zandry, de ireny ny fihafarany. Niseho azy ho mafy be ry Charles sy jeneraly Noely, de nanongam-panjakana, de nitsapa ny herin’i Zandry tsara.
    Izao anefa, na de teo aza izay détermination n’i Zandry izay, ho an’izay sahy mifanandrina aminy, tsy olon’ny valifaty koa izy, fa mpandamina foana, de izy no nanome fiaramanidina sy niantoka ny fitsaboana an’i Charles, nanaiky ny fivoahan’i Lala sy Fidy tany @ ambasady Sud Af. De raha nareo no t@ toerany, ataonareo ahoana ny hiara-miasa @ olona te hamingana anao? Zandry iny woa, tena henjana e! manana force tranquille tsy hitan-dRaosy sy ny tarananay zay hanaovana azy. Ary Raosy ane, fantany tsara ny miandry azy, raha mitetateta eo, mahay tsara izy fa tsy laitrany ny adve-ny e! De alefaso koa ny manaraka hamaliana azy fa milay be. Ampitanjahana tsara ny fanaovana anareo kely atedoha miteniteny foana ireto.

  10. reny ve d mba mpianatsa e!tsisy raha!aloavy ny sosy nalaina tany @ besosy;aiza re zany mpianatra manao raha izany e?Ny fahaizana koa aloha tsy misy e!dia ny tena ro menatsa!karaha le zoulous tao afrika atsimo teo iny;mba anaro ny zaza!diploma tsy azo nefamiseho be saina;firy zao ny 1+1?valiny zero

  11. tsy maintsy mirodana io fitondrana io ry dadazefa fa tsy donjona be otranareo akory ny mpianatra ankatso a! aoka mba tsy hifanabatibaty fa raha matandraka dia esory ny basy, olona fohy kely ohatran reny ve dia tsy ho laninay?

  12. efa olona firy izay no novonoin’ny miaramila nandritry ny 3 taona? ary vehivavy firy izay no naolanareo nandritry ny 3 taona? ary lacrymogene firy izay no nolanianareo nandritry ny 3 taona? université firy izay no nidiranareo nandritry ny 3 taona? ary hopitaly firy izay no nitondranareo basy nandritry ny 3 taona? ary firy ianareo no matin’ny dahalo nandritry ny 3 taona? tsena firy no efa norobainareo nandritra ny 3 taona? ka tia tanindrazana ary ve nareo sa tia vola? valio izay ry mpisolelaka isany a

  13. hametram-pialana izahay amin’ity herinandro inty raha tsy tonga i dada, de MAMY RAKOTOARIVELO et consorts

  14. nivadika marty zebre vandana indray angaha i  » Bogor » voasesitany tamin´ny 2002 ity .

    Hi! Hi! hi! Esory ny « r » dia lasa  » maty  » ianao e!

  15. manana licence na maitrise na doctorat ange reny miaramila sy polisy ireny fa sao heverinareo zandry ankehitrio fa tsisy kabary e!firy no nahavita inscae,imatep, ceds @ireny?aza mba manambony tena hoa fa alaivo kalongany lay boritra vao miseho hoe oaoaoa eo!

  16. [Colonel Andry Razafindrazaka: Izy ito ny « bras droit » any Richard Ravalomanana. Sefo deba amin’ny fampitahorana sy ny fisamborana ireo mpianatra teny AKATSO. Sefo deba ihany koa amin’ny fitorahana LACRYMOGENE. Tompondaka amin’ny didy jadona
    ary miaramila ela velona amin’ny setrasetra. Fa ny tena mampiomehy dia ity farany masahy manohatra ny atao hoe « franchise universitaire ». Manam-pahaizana amin’ny lafiny rehetra ihany koa i sefo mitovy amin’ny BOMBA KELY.]

  17. Dia ampio ihany koa ny anaty kapoaka amin’ny alalan’itony: « 400Ariary ny frais ny taxi-bé manomboka ny volana novambra »

  18. Na tsara tarehy aza enao
    raha tsy ao aminao ny fanahy

    Atao inona ny baoritra
    nefa DISCIPLINE – requise pour être le fondement de la base aza
    tsy voafehy AUCUNE MAITRISE baba

    POLITIKAm-pamoretana izao no raikefa hanan’ireo bodegany ireo eto

  19. rehefa noana ny kibo
    mirenireny ny fanahy

    ho lava loatra raha mbola hamerina blabla

    ilay violence mitaky violence alou, dia manazava tsara sy mitondra any @ hoe: « tsy hiala eo i Rajoelina sy ny forongony » raha tsy amin’ny alalan’ny basy an

    Ny HAT mantsy ny mitantana ny famonoana (na fifamonoana) ISA-TSOKAJINY nanomboka ny taona 2009

  20. tena paralysee daholo ve ny vahoka mijaly izao, tsy hanampy tosika ireo mpianatra ireo dia ho tapitra haingana io krizy io, sa dia nahoana loatra ????????

  21. Misy miihainoooo!!!efa reraka ny olona e!!atody miady amam-bato ihany!
    ny loza anie dia VOAVIDY sy voapoizina zava-mahadomelina ireo ALIKA
    ireo dia mahasahy habibiana fa raha mba asany marina no hataony dia afaka mifampitana mihintsy izy
    sy ny vahoaka e!!!tsy maintsy misy foana marimaritra raha tena ara-dalana ireo fa saingy indrisy fa efa
    GAIGY SY BIBY matin-kely dia mba MANJAKAZAKA ery.Ny lehibe voky VOLA moa ny kely DONTOINA
    @ zavamahadomelina.

  22. inty fomba fiteninao ranavalona toa mahonena,izany ve ianao no hitondra fanjakana? mendriky ny ahongana ianao, mazava ve? ny ranomasina no valamparihiko, ianao kosa no kidoro fandriako,raha tsorina dia tena tiako be ianao ary hampijaliako mihitsy raha tratrako eo ambony fandriana satria may vava loatra,tonga enao dia bevohoka anio alina raha miadaladala amiko eo, aleo hiteny ny zanak’i dada fa ndrao ianao ataoko bevohoka eo,sady za viril a!

  23. manin nefa nareo ra mitaky tsotra fotsiny fa tsy mandrodana fanananolona tahakireny, tena mampalahelo le toetsaina, zany hono ny olona niantra

  24. zakaiosy mpamory hetra,omeo an’i kaisara izay an’i kaisara ary omeo an’Andriamanitra izay an’Andriamanitra

  25. misajaona, marina ny anao fa ilay mpianatra koa nge oa kely dia manao sipa dia tsy mahavita mi combat e!sady fohy kely daholo ny ankizy ankehitriny hany ka mora drodroka, ao ny tsy fahampian tsakafo sady bekoretaka koa e izahay antitra tam 72 angamba no andrasan’ireo ka ry zareo variana am tektonika, isika eto antananarivo ihany no vizaka miady ho an’ity firenena ity fa ny tanindrana ilaozany mampandihy derika fotsiny amin’ny tsapiky sy ny kilalaka fa nareo nga ahoana? sady maimbo elika be reny a! tsy hoe raciste za na dia mpanjaka aza

  26. ny rorako ve no tsy tinao ry zakaiosy sa za mihitsy e? tonga dia tsory ny marina? sa hosoloiko rarakivy?

  27. Efa hitsahatra koa ve izany ity Mydago ity, no toa olona miteniteny foana sisa no ato ?
    Lasa nivavaka daholo ?

    Misy mitady hanao fahagagàna hono, sa dia tena mandrevy be hatry ny ela an-dranavalona ? Hi hi hi !
    Efa olona ranjaika manao « paozy » ve no tadiavin’ny sasany…. ! Tokanono mbola tanora kokoa, ary mitady hono ry lery â !

    Iza no ho tapaka pinces voalohany, ry zalahy ao anaty sobika ao ?? Hahazo ny anjarany koa izany ry sarla sy ny namany ato ho ato !
    Izay miteny hoe potsista izany dia ahoana ? Hahazo ihany koa ?

    http://www.tananews.com/2012/11/ennemi-dinternet-quand-le-vice-premier-ministre-hajo-andrianainarivelo-sacharne-sur-un-petit-blogueur-et-journaliste-malgache/

    Rahoviana ny anjaran’ilay zanô, izay tsy nitsahatra nivoy lainga taloha ?? Mody manao fanitsiana tsindraindray, fa ny fanalam-baràka tsy marim-potitra efa vita !!

  28. izaho no mila miraiki pitia amin’ ranavalona ry kitana manandrambo a,satria izy be mousta be raha araky ny fahafantarako, tsy miteniteny foana aho fa tena fitiavana madio no angatahako aminy,atolotro azy ny foko manontolo, dia mba aleo aloa hijanona kely any i dada satria fa mbola izaho izao no mitondra, bizou be ranavalona a! jtm à la folie

  29. raha lehilahy io ranavalona io tonga dia mahazo notam avy hatrany dada a! izaho tsy misoma aminao za ranavalona fa tonga enao dia mahazo amiko raha lehilahy be volom bava eo, izahay tsy miteniteny foana akory fa mba atsahatra kely aloa ny resaka politika fa mba hirevy kely an’i ranavalona aho rariva

  30. (TSY AZO ANGALARINA NY SARY ETO AMIN’NY MyDago.com)
    Tsy misy mangalatra ny sarin’ny mydago.com. Raha tsy hoe angaha mangalatra ny manamparitaka ny vaovao. Vitsy dia vitsy tokoa ireo vsovao mankahery sy mari-pototra ka isan’ireny i mydago.com. Indrisy anefa fa maro ireo toerna tsy mahazo mydago.com . Tsy misokatra mihitsy ny « page internet ». Ireo mitolona anefa dia saika any an-tany lavitra toa an’ny Japon, Coree du Sud, Chine, Indonesie.
    Ire Malagasy ireo anefa dia tena mitolona araka izay azony atao, na @ fampahalalam-baovao, na @ fanampiana ny eto an-toerana na ny fandraisana anjra @ fivoriana, takelaka electronique, ary Indrindra ny fanmbarana samy hafa.
    Tsy angalarina ny sarin’ny mydago fa fifanampiana eo @ samy mpitolona manohina ny ara-dalana.
    Tsy misy na Iraimbilanja aza azo @ izany fa ny fampielezam-baovao. Raha isika mpanohina ny ara-dalana ary moa mifandry toy izao . Aiza no tsy handresen’ny foza izay mifehy saika ny vaovao rehetra eto Madagasikara. DFandresen’ny tolona no tadiavina fa tsy fisehosehoana ary tsy fitadiavambola no hanamparitaha ireny sary ireny fa filazam-bavao . Ka ho raisina toy ny halatra foana ve ?

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *