NY FITONDRAN-DRAJOELINA NO RATSY INDRINDRA ETO AN-TANY

IMG_1905

Efa vita daholo ny iraka nampanaovina ireo Ct sy Cst Ankolafy Ravalomanana tany amin’ny faritra niaviny avy. Efa niverina mandray anjara fitenenana eny amin’ny kianjan’ny Magro Behoririka ny sasan-tsasany amin’izy ireo nanomboka androany. Anisan’ny nandray anjara fitenenana teny an-toerana ny Ct Randriamamiarizafy Ignance avy any Moramanga. Nambarany fa efa ny vahoaka manontolo no mahatsapa fa tsy izy intsony io fitondran-dRajoelina io. Fanjakana jiolahim-boto sy mpangalatra hoy izy, io ka inona no sakana ho an’ny vahoaka tsy hanonganana azy. Momba ny tafika dia nambarany fa nahagaga hoy ity olomboantendry avy Moramanga ity, ny nambaran’ilay jeneraly iray kintana dimy hoe tsy fantany akory ny fahatongavan’ny miaramilan’ny Sadc eto. Raha ireo miaramila ireo no andrasana dia tsy izy. Aminay hoy izy, dia ny daty farany hahatongavan’ny filoha Ravalomanana Marc aorian’ny 18 oktobra no tianay hofantatra. Raha tsy misy izany dia voatery izahay handray andraikitra fa tsy hiandry ny miaramila sy Rajoelina. Samia mandray andraikitra isika hoy Ignance manomboka izao.
Ny Ct Rarison Hilarion kosa dia nilaza fa isika efa mandresy izao. Ny antony hoy izy, dia ny fahatongavan’ny iraky ny Sadc eto, rahatsy nandresy isika tsytonga taty ireo, fa ireo no hamoaka ny daty farany hiveranan’i dada. Mijaly hoy Hilarion, ny faritry Matsiatra Ambony noho ny tsy teto intsony Ravalomanana Marc. Rajoelina hoy ity mpanao politika ity, dia tsy hahazo vato 10% izany any an-toerana. Ny antony dia delestazy isan’andro any kanefa manana fototra rano sy gropy kanefa noho ny fanodikodinam-bola dia tratra farany. Mijaly ny mpiasan’ny kaomina any noho ny ataon’ny Pety izay avy any Tsiafahy, satria efa fito volana no tsy nandray karama.Mampitandrina ny fat ny tenako hoy Hilarion, fa manaova fifidianana tsy misy ny filoha Ravalomanana Marc eo raha sahy ianareo. Mivadika biby ireo vahoaka ireo raha tsy misy azy, ka tomponandraikitra amin’izany ireo karana sy sinoa ireo.Efa aty aminay ny lisitra fa noho ny tenin’i dada dia milamina izahay. Nambarany fa ny vahoakan’i Fianarantsoa dia tsy mila zazakely ohatra an-dRajoelina.Potika ny lalana RN7 hoy izy,, ary manjaka ny tsy fandriampahalemana. Mahakasika ny iraky ny Sadc dia nambaran’ity mpanao politika ity, fa raha manaiky ny adalan-dRajoelina ianareo Sadc dia tomponandraikitra fa alainay ny fahefana ary averinay Ravalomanana Marc. Ny fitondran-dRajoelina hoy izy no ratsy indrindra eto an-tany satria gadraina avokoa na Ct sy Cst, na miaramila, mpitsara, pasitera snsn.. Izay no fanovana tian’ny fat atao eto amintsika. Tsy mahita olona hanarina ity firenena ity raha tsy ny filoha Ravalomanana Marc isika hoy Hilarion, ka adala izay manohitra izany.

 

54 pensées sur “NY FITONDRAN-DRAJOELINA NO RATSY INDRINDRA ETO AN-TANY”

  1. Mba vakio kely ity fa hita mihitsy fa tsy mahalala izay tokony ataony sy fantany i TGV fa mizarazara aminy n’a pas???

    Festival de Barahoa : Andry Rajoelina a distribué des filets interdits
    Mardi, 16 Octobre 2012 00:00

    Simple erreur humaine ou velléité d’induire le président de la Transition en erreur ? Le mal est en tout cas fait parce que l’on apprend que les filets de pêche distribués par Andry Rajoelina, lors du Festival Barahoa ne sont pas conformes aux réglementations. Ce sont en effet des filets dont les mailles mesurent 20 mm et qui sont interdits dans la mesure où leur utilisation entraîne la capture des poissons de petite taille en cours de croissance. Autrement dit, l’utilisation de ces filets de 20 mm distribués par Andry Rajoelina constitue une menace pour la pérennité des ressources halieutiques. Qui plus est, 200 filets ont été distribués. Selon notre source, ce sont des agents du service de la surveillance des pêches qui ont découvert, hier, l’utilisation de ces filets non réglementaires. Quoi qu’il en soit, l’on apprend que pour réparer cette erreur, pour ne pas dire cette bourde, la Présidence aurait décidé de retirer les filets incriminés.

  2. milay be ilay hoe fankana ratsy indrindra eto ambonin’ny tany……misitri-belona ny tenako raha tratran’izany
    festival ny baraoa dia ianao mieritreritry ny filou dia izany no andehanana any…. RIDICULE!!!! itokana bac à ordure koa io

  3. Rahatoa ka esorina na alaina eny an-tanan’ny mpangalatra ny zavatra izay nangalariny, ahoana no hitenenana fa mangalatra izay mitaky sy maka ny fanànany ?

    Ny fanesorana an’io domelina io eo amin’ny toerana misy azy io Tompoko, dia tsy azo lazaina mihintsy hoe FANONGÀNANA !!

    Misy diso kely ilay fomba fiteny, ka manao aza fady raha manao fanitsiana !

  4. Mba ilazao vaovao e, hoe nanahoana ihany ila passe port ny dada, tena sur izany fa nampamono olona mihintsy ledala an matoa tsy hamelan’ny justice sud af, fa maninona no tsy mba lazaina eo am magro mihintsy izany habibiana nataon’ny dada izany e.

  5. Tsy mahita ve ireto CT sy CST miteny mifandimby eto, fa ridicule be nareo milaza zavatra. GADRAINA AVOKOA CT sy CST, miaramila, pasitera…sns. Mba omeo anarana kely woe? Ireo miaramila saika hanao coup d’état ve? Ilay pasitera nitarika vahoaka hovonoina tery Antanimora ta@ireo miaramila mpikomy sy ny miaramilam-panjakana ve? Ilay CT IRAY filohana jiolahy karaman-dRaosy, hanaparitaka basy sy mpametraka baomba sy mpanao kidnapping ve?
    Ramamy be hatoka moa anisan’ny voarohirohy t@ireny, fa lay mpamita mission madinika foana no mandray ny kihony rehefa mamosa ny naniraka azy, fa ny be hatoka arovan’ny kasiketiny foana.
    De aza variana ianareo, fa miady @ DEUX FRONTS nareo, ny iray de ny FITONDRANA ZAY TSY HANAIKY MIHITSY RAHA TSY TSARAINA AMIN’NY VONO OLONA NATAONY RAOSY, TSY AVELA HODY NA GADRAINA, izay io no atekanareo lava eto, tsy mahagaga zany, fa gidany foana ny mpanenjika, ny FAHAROA, DE NY FITSARANA SUD AF ZAY TSY MAMELA NY RAINAREO HIALA NY TERRITOIRE FA MBOLA VOAROHIROHY ARA-PITSARANA KOA, MBOLA MIFANDRAY FOANA AMIN’IO VONO OLONA IO FOANA, zay modianareo tsy fantatra, kanefa io @izao no tena blocage ben-dRaosy sy ilay avocat-ny tsy mahatafavoaka baolina. De mapme be ireto olom-bitsy kely mpanao ouimse lava eto, hanaovan-dry zalahy lainga lava . Mahazo primes be any @n-dRamamy ane hono zay sahy mitazona mikabary eo @ magroreraka eo e!
    Na de ny SADEC mijery an’ireo aza mba toran’ny hehy woe, reo ve ny mpanohana an-dRaosy. Jereo fotsiny ny olona manotrona ny Zandrinay rehefa mivoaka mitety faritra izy e! Koa FOZA daholo reny tsinona koa. Zandry koa moa tsy mivoaboaka fahatany, fa mitokana zava-bita. Henjana woa iny, na de tsy misy famatsiam-bola aza, mahavita zavatra. Hay azo atao tsara ny mampandroso @izay harin-karen’ny tena fotsiny aza. Eisy ah Raosy e! toa ho vita ihany ity ny lalana Faratsiho Soavinandriana, zay nanampanantenain’ny repoblika voalohany hatreo @n-dRaosy. Ny hôtel de ville, nanomboka hatramin’i Deba hatreo @n-dRaosy. Na de symbole aza ireny, ireny no marika fa tia tanindrazana Zandrikely iny, ampiana tafika tsy ampiana tafika. Maika moa fa hivaha eo ny famatsiam-bola. Aleo ho hita fa ny tantara no hitsara. Efa miomankomana ato ho ato mialha ny fifidianana ny fitokanana zava-bita. Hisy azy zany ny fetin’ny faran’ny taona amin’io. Marary kibo @zay ny zanakosy, fa tsy mahafaly azy ny zava-bita. De mitenitenena foana eo woa, fa rahampitso ny 18, fa raha miditra antsokosoko eo iny, tonga de any @ 18. De eto no mitabataba fa mafy be, hanao zavatra be, kanefa telo taona mahery, na hiakatra eo Ambohitsorohitra tsy vita akory, fa raha vao mandingana tohatra iray eo Antaninarenina, de rano ny tay. Taimbava sy intox de hain’ny Zanakosy tsara fa raha action, zéro manatody. De ihomehezanay fotsiny. Ka sagnagna e! sendra OSIMAINTY be vola fa tsy ampy solaitra sy stratégie. Lany vola hanakorontanana, sy hanaovana blocage fotsiny.

  6. salut bogor,vita tanteraka ary tena manara-penitra ny lalana rehetra aty Fort Dauphin aty, tena tsy misy lalandratsy intsony na iray aza, efa manamboatra ireo tetezana telo lehibe koa ry zareo izao, dia Mandrere, efaho ary Soanierana, efa milamina ny securite, Efa miandry an Rajoelina ho tonga hitokana ireo drafitrasa lehibe ireo ny vahoaka aty satria lasa Tanana faran’ny tsara eto madagasikara.

  7. Mankadoa na ny maheno izanay tgv izany aza !
    Efa haindreo io tsy fitiavan’ny Malagasy azy io, ka izany no anakanany mafy ny Filoha Ravalomanana tsy hody hilatsaka.
    Io 1er tour dia vita, lany ny Filoha Ravalomanana.

  8. mijereva ilay sary tam 7 fev ireny ry zavamisy, ireo olona notifirin’ny merce ny ravalomanana tsy misy somation ireny no tokony hakandoa anao.

  9. ravalomangana//// De tena mampalahelo ianareo e!!! mahantra tokoa, na manambola be aza dia tsy mety manakarena, ny fisainana no mahatonga izany.

  10. MEME!
    Marina ny anao, io lazainao io mihitsy ny mahazo an-dRavalomanana. Hainareo ihany kay ny milaza an’i dadanareo!!!!

  11. La délégation de la mouvance Ravalomanana conduite par Mamy Rakotoarivelo a été reçue hier à l’hôtel Colbert par les militaires de la SADC dirigés par le général de Corps d’Armée Charles Mayunga. « Nous avons bien clarifié pendant la rencontre que le retour au pays du président Marc Ravalomanana ne causera pas des troubles. », a souligné Mamy Rakotoarivelo. Avant d’ajouter : « Nous avons confiance en la SADC qui prendra sa décision sur la question. » Une manière pour le chef de délégation de la mouvance de faire comprendre que les partisans de l’ancien président s’en remettent entièrement à la Communauté de Développement d’Afrique Australe quant au retour au pays de l’exilé d’Afrique du Sud. A noter que la mouvance Ravalomanana rencontrera demain après-midi au Colbert l’équipe de médiation de la SADC conduite par le Dr Leonardo Simao.

    RAJAOFERA Eugène

  12. Mba mangataka an’Ingahy Rajaofera Eugène, hilàza an’ilay namany mitondra anarana hoe R.O. ao amin’ny MIDI MADAGASCAR, fa TETEHEZA-MITA NO MISY AO MADAGASIKARA AMIN’IZAO FOTOANA IZAO FA TSY 4e REPUBLIQUE IZANY !

    Sa Ingahy Mamy Rakotoarivelo no nilàza an’izany taminy ?

    Mba mangataka ihany koa azafady, an’ny Filoha Zafy Albert mba hilàza amin’Ingahy Beriziky tsy hiteniteny foana, toy ny hoe : …. « l’élection nous appartient »..!

  13. KM ! I Zafy anie mitovy hevitra amin´i beriziky, fa mody manao cinema fotsiny. i zafy dia naman-dRatsiraka, samy manana tanjona hanakanana ny filoha Ravalomanana mba tsy hody an-Tanindrazna, raha tsy izany ve izy manohana ihany koa an´i Ranjeva ,aminíty tetezamita vaovaoa. tsy fantany fa leo tetezamita ny vahoaka ary mila ny Filoha Ravalomanana fa tsy Zafy na Ranjeva izany no ilaina

  14. Aza dia miteniteny foana Tompko fa tsy mety a!!aleoko lavitra MITOKY @
    Dadabe Zafy toy izay mametraka fahatokisana @ Ankolafy dada ary sahiko
    mihintsy ny MANIZINGIZINA fa ao @ ANKOLAFY DADA AO IHANY NO MISY NA SAKANA TSY AHATONGAVANY
    efa fanta-poko izany fa aza dia manoso-potaka olona , ary Dadabe Zafy no mbola MIZIRIZIRY MANDA an’i Domelina
    sy nahasahy nametraka FITORIANA , fa mba inona no nataon’i Ankolafy Dada???MANAO SONIA MAMANTSIKA NY
    SEZAN’i DOMELINA DIA INONA???AIZA ??AIZA I DADA ???ary mbola i Dadabe Zafy koa no mbola NANDA tsy hiditra
    @’io fitondram-poza io vao hitany fa tsy NAMOKATRA I BERIZIKY.Io dia laviko hatr@ farany ny fanosora-potaka an’i
    Dadabe Zafy io fa tsy MARINA TOMPOKO o!!izy aza no manana finiavana bebe kokoa noho ny ato @ ankolafy Dada.
    Koa sao dia tsy mety e!!!izaho tsy miditra @ lafin’ny ara-politika fa ny zavatra fantatro no lazaiko ary izy dia TONGA
    NITSENA AN’i DADA TENY IVATO AZA HADINO!!!MIALA TSINY TOMPOKO FA IZANY NO ZAVANISY.ARY FARANY
    NAHAVITA BE IZY T@’IRENY RODOBE IRENY na dia saika hanambaka ny ainy ary izany, aza dia mba miangatra kosa!

  15. Noho ity tetezamita lasa fialokalofan’ny JIOLAHY ity fotsiny no
    nahatonga ireo nitady lalana hafa hanangana ny tena izy fa tsy midika
    mihintsy izany fa inona sa mety aminareo izao FITONDRANA TETEZAMINTA izao???izao faty olona mikararana izao??
    ataoko fa mbola nisy olona tsy dia hilaina mihintsy noho i Ranjeva aza tao nefa vahaolana no tadiavina hialana @’ilay
    krizy fa tsy tavan’olona.Izay no mba azoko tenenina ny @’iny fa asa izay fiheveranareo azy aloha ???AMIKO ALOHA an!!

  16. Tsy haiko raha marina ny voalazan’i Bouboul fa tsy hitako mihintsy izay mbola hihaonan’i
    Ankolafy Ravalomanana @ SIMAO ???f’angaha tsy hoe » TSY SADC no naniraka an’i SIMAO »
    fa ny foza no nanafatra azy koa inona ary ity e???aiza ny marina e???
    ary kabary teo @ Magro izany, nefa dia andeha hiohaka @ olona efa nanitsakitsaka antsika ireny ny ankolafy dada???
    tsy haiko raha izaho no tsy maharaka na tena izay no izy? ataoko fa tsy dia MAZAVA LOATRA ARY MAMPIHERITRERITRA,
    aza hitako ho raikitra ao indray ny KISONIA!!!aza hitako anie izany!!!enga anie ka aharesy lahatra iny BE MOLOTRA BE INY
    ao ao ireto ankolafy fa efa be loatra kosa angamba izay an!!!tsy efa ampy ve izay fandeferana izay ray olona a????

  17. Ho fanohizana an’i Ravalomangana
    Efa mandeha tsara ilay METRO miditra ery @ rano Maria masay
    dia mivoaka etsy Anosy eo @ Anjelimainty fa saingy natokany ho an’i FOZAORANA IHANY ,
    (isika vahoaka mandeha ligne 11) dia ilay TGV, natao hitaomana faty fotsiny indrindra ho an’ny any
    ATSIMO hatao sorona hanakanana an’i dada tsy ho tonga, matin’ny ahavokisana daholo ny Gasy
    sy ny FIADANANA MANARAPENITRA.
    MAHONENA!!!!POV FOZA !MIAKAPOKAPOKA!!!

  18. >>ravalomangana>> Tena hita ianao fa jenjin’ny laingan’ny fat, ny 07 febroary dia tetika nanaovan’ireo putsistes sorona ireo jiolahim-boto voakarama hanafika lapa. Nahita ireo sary nalefa tamin’ireny ary niaina ny ankitifititra avy ety amin’ny manodidina izahay, ary afaka mamakafaka fa ireo mpanafika lapa no namboly ireny rehetra ireny. Ireo tifitra koa dia nisy avy aoriana sy ny andanin’ireo voakarama hanafika lapa, fa ny GP tamin’izany dia avy ao anaty lapa no namaly ny tifitra natao azy ireo.
    Ny 07 febroary dia mila fanadihadiana iraisam-pirenena fa tsy fitsarana peta-toko toy ny natao teto no ahitana ny marina aminy.

  19. Efa fantany daholo izany fa mody adala e!! heveriny fa misy donto noho izy
    angaha eto ka ho fahanany lalitra, mba hanaronany ny hataony izay efa
    tsy takona hafenina intsony ny dikan’izao ,moa ny tahotra @ ilay ratsy natao no mampiafatrafatra ireo.
    ny namany TALOHA Ramaroson aza efa nibaradaka koh!!!sady ramaroson koa matahotra ny hangalana
    ilay tômabilin’i dada dia mba hoe………..madio hono izy e!!!hi!hi!hi!!!!

  20. Salut Ravalomangana a!
    Tantero tsara amin’ireo ny zava-misy; ary aleo ahita tsara, fa na de tsisy famatsiam-bola aza zandry iny, mahavita zavatra; hafa Raosy, ny orinasany no nataony nisandrahaka eran’i Mada; De misaotra fa tena masoivoho be tokoa nareo any Atsimo any. Ay toa malaza be woe, DAHALON-DRAVALOMANANA HONO NY FIANTSOAN’NY OLONA ANY ATSIMO AN’IRENY TARIKY REMENABILA IRENY. Ny hitsikitsika tsy mandihindihy foana fa ao raha a!

  21. Dia hahagaga ve raha toa ka miteny ny lahatsoratra hoe: Ny fitondran’i rajou-hell no ratsy indrindra!! Mais, « dis-moi qui tu hantes, et ja te dirai qui tu es! » Hoy ny fiteny vôzah!!
    Il a été à bonne école!! ‘fanampiny fotsiny izany!!)

    Fa angaha moa nisy nifidy an’io « avorton de pt io e!!?? Tsy ilaina akory ny fampitahana!!

    « SANS QUALITE! » Anarana hahatsiarovana azy mandrakizay….! qui lui collera à la peau!!

  22. Ny lalan’ny Fort-dauphin izany ry mangana sy bogor efa nisy vola tao hamitana azy satria lalana efa nataon-dRavalomanana io no vitain’ny orinasa tompon’ny asa fa tsy hoe projet vaovao akory, ny projet vaovaonareo izao dia ny kianjan’ny baolina lavalava izay atao toto-bozaka sady tsy manaram-penitra fa tsy mitafo e!sambatra aloha ny mpankafia baolina lavalava fa nahazo tsenan’ny zava-mahadomelina e! sady azo hanina no mahavelona;

  23. Sady mahadonto no mahavery hoe!!!ka ireny no be sandry sy be vava dia
    hatahorana koh!!sitrany mitombo ny mpikopaka lalitr’i domelina .Izay BE na basy
    na bôty na bomba na vava ny sandry sy mokony ary lôly no tohanana no vidiana mafy hanohana ny foza.
    Ny vahoaka efa tsy azony intsony tsinona.

  24. Tsy I President Andry Rajoelina mihintsy akory no nahatonga izao! Ny fitondrana noentin’I Marc Ravalomanana no tsy nahomby dia navelany teo ampelatanan’I Andry Rajoelina ny firenena izay efa nosombainy hany ka Andriamatoa Rajoelina no eritreretin’ny vahoaka fa tsy nanjary.

  25. Andray ry reto! Tsy fanao anie ny manaratsy olona toy izao e! Ny mpangalatra efa nisy fona atrmin’izay, ny crise aza samy mahatoky tokoa fa President Rajoelina ihany no ahavaha an’io olana io. Anefa ianareo teo antratran’i « Dada » anareo miheritreritra fa izy no nahatonga izao rehetra izao.

  26. Isaky izay hoe hiverina aty an toerana I Marc Ravalomanana dia misy korontana fona eto. Andry fona no mahazo Tsiny, fa maninona ianareo mpomba an’I Ravalo no manaratsy anay fona ka mitady izay « excuse » hitanareo amelezana anay?
    Aoana ireo tany be dia be nalain dravalo en keriny ireo? Mody hoe « manamboatra lalana manamboatra lalana » anefa tanin’olona no alainy an keriny anaovana ny lalany.
    I Ravalo nge zavatra maka ny an ny kely mba ho deraina amin’ny lehibe e. Satria ny lehibe no hamatsy vola azy manko sy aha lany presida anazy.
    Tsy hoe manino na aho akory miteny anzany fa…

  27. Ka moa ve tsy mazava be hoe ny olona mpaniomboka resaka ato dia mbomba an I ravalo? Manaja anao aho tompoko, anefa otrany itako tsy rariny ihany anie izany e, milaza vaovao ianao, fa ovainao kely ilay izy anasorana ny heloka natao’ny avy any rehetra.
    Tsy impiry moa isika no maheno ny hoe  » Tsy mila amnistia ny fiverenan’ny filoha Ravalomanana »eto amin’ity mydago ity, fa aona moa? Tsy procès politique tanteraka no natao taminy noho izany dia resaka politika no atao aminy.
    Ny fitondran’I Andry Rajoelina tompoko no fanantenana farany ananantsika hivoahaha eto amin’ity crise ity.

  28. Zao Ange le zavatra tsy mety e, ianareo dia faly hitaraina fotsiny satria midy olana mianjady eo amin’ny firenena, tokony samy andray anjara io fa tsy hoe « Io andriamatoa Rajoelina ka voavaha amzao ny olana » tsy izany mintsy, Rehefa misy olona iray mitondra dia samy mandray anjara amin’ny tokony hataony avokoa, Tamin’ny fitondran’I Ravalomanana dia mazoto ery ny olona mandray anjara amin’ny izay tokony hataony satria zarain’I Marc Vola izy kno.

  29. @Za manko no enjana
    Ny filoha Rajoelina aza efa avelanareo miady rery mbola mahavita mahavaha olana maro ihany, anefa ianareo mbola sahy manaratsy azy, mifanampia hoa fa tsy miandry tolorany fotsiny. Ra samy mba miara manao zavatra atram farany dia izany no mety. Satria Asa vadi-drano tsy vita raha tsy ifanampina.

  30. Tsy pomba ny atsy aho ary tsy pomba ny aroa
    Anefa hitako fa tena diso tokoa.
    Ny manaratsy olona mivantana toy izao.
    Otrany mampanotany hoe « fa inona ity atao? »

    Tsy kely lalana ny ratsy hany ka be ny sakana, be ny mpanaratsy, Ny fivoriana izay nitranga dia tsy milaza fa voatery marina fona izany, tsara ihany ny vahoaka maneho ny heviny, fa tokony atao ady-hevitra misokatra izy ity fa tsy hoe ny mbomba ny iray fona akory no manohan’hevitra eo ka fanaratsiana sisa no azo atao.

  31. Miala tsiny aho tompoko, fa mety hoe miala kely amin’ilay vontoatin’dresaka ny resaka ataoko. Satria fanaratsiaka an’Drajoelina no betsaka eto, ary mino aho fa « libre » ko zany izahay aneho ny hevitray.
    Raha dinihina moa ny zava bitan’ I Ravalo raha ny nambaran’I « Aoka hazava » no raisintsika, samy manaiky isika fa nahavita nanao lalana i Ravalo, nahavita nanao zavatra maro izy toy ny orinasa tiko.
    Anefa aza adino fa tsy vola any am paosiny akory no niala tamin’ izany, Volan’ny vahoaka kely nampalahelo no nalainy an-tsokosoko amin’ny ny alalan’ny « proposition » mamitaka dia izay voangona rehetra dia alefa direct any amin’ny fanamboarana lalana.
    Mazava ho azy raha izy no be mpanohana, satria tsara endrika ivelany izy. Ary ireo kely niharan’ny tsy rariny nataony dia tsy afa manohitra intsony.

  32. @Rabearison, eny hoa e! tsy rajoelina indrindra no nahabe ny dahalo sy ny olo-mpanjanaka an tsisiny. Ny fitondran’I ravalo no tena loza hany ka rehefa tratran’ny « patsa iray tsy omby vava » izy vao « balanceny » maka aty le asa de mamaky lohan olo fotsiny.

  33. Mampalahelo sy mahate hody mitsy ny mahita anareo mifadrotika toy izao ry malagasy namako. Na ny atsy na ny aroa dia samy masiaka avokoa, eny masiaka satria na ny teny havoaka aza efa tsy voafetra. Tsy ny mampalalaka ny fahafaha maneho hevitra akory no tokony hanasoketaina ny anaran’olona, ny mety atao angamba dia ny manome porofo sy mametraka fitarainana ra toa ka misy ny tsindry azo lena.

  34. Io indray ry Daoda tsy resaka fifanampiana io a.vitsy ihany ny asy no mahay mifanampy, mody tenenina hoe fihavanana hoe nefa tsy las’eee!ra tena nisy ny fifanampiana sy ny firaisankina de tsy nijanona ela teo ze nampitondra faisana ny vahoaka! ny toetsain-dramalagasy mitsy no mila fanavaozana.

  35. tanora rehetra manerana an’i Madagasikara ao anaty fikambanana lehibe iray mitady efa mafy fototra ary afaka manao Kongresy nasionaly avy hatrany mitady mpitarika:
    -TERATANY MALAGASY
    -MPANDRAHARAHA
    -MANAM-BOLA
    -MBOLA TSY NALOTO TAMIN’NY RESAKA POLITIKA HATRAMIN’IZAY(1REPUBLIQUE,2EME,3EME)
    -MATAHOTRA AN’ANDRIAMANITRA ARY MINO AN’I JESOSY KRISTY
    -SAHY MIJORO AMIN’NY HEVINY
    -TSY MBOLA MANANA ANTOKO POLITIKA ARY TSY MITAKOSONA AMIN’NY FITONDRANA ANKEHITRINY
    -VONONA NY HIARA HIASA AMIN’NY TANORA
    -VONONA HATOLOTRA HO KANDIDA HO FILOHAM-PIRENENA
    -VONONA NY TENA HANASOA FIRENENA
    -ARY MANAIKY ESORINA AMIN’NY TOERANY RAHA TSY MAHAVITA
    -ARY VONONA NY HAMPIHAVANA NY ANTOKO POLITIKA SY NY VAHOAKA MALAGASY REHETRA
    -TIA MIARA MIASA AMIN’NY FIANGONANA
    -TSY MANOMPO VAHINY FA MANOMPO TANINDRAZANA
    -MADIO EO ANIVON’NY FIARAHAMONINA
    -MADIO FO
    -MAHAY MANETRY TENA
    -MANANA TRAIKEFA AMIN’NY RESAKA FITANTANANA
    -TIA ZAVABOARY
    -SAHY MIADY HO AN’NY FAHAMARINANA
    -TIA MANAMPY NY SAHIRANA
    Mila anao ny Firenena,ianao ilay tadiavinay:
    *MANANA PAIK’ADY MAHOMBY HAMPANDRESENA ANAO AMIN’NY FIFIDIANANA IZAHAY ARY AZO ANTOKA FA IANAO NO HO FILOHA AMIN’NY FIFIDIANANA FILOHAM-PIRENENA HO AVY
    *RAHA SITRAKAO NY HIFANORATRA AMINAY NA HIRESAKA MIVANTANA MIHITSY AZA,DIA AZONAO ATAO NY MANDEFA SOSOKEVITRA NA MANDEFA NOMERAONAO AMIN’ITY ADIRESY MANARAKA ITY FA HIANTSO ANAO MIVANTANA IZAHAY.
    matita.mpitolona@gmail.com
    N/B: tsy eto amin’ny site no amaliana ny antso fa amin’ny adiresy mail etsy ambony,Misaotra tompoko!
    « Izaho mahalala ny hevitra Hieverako anareo hoy Jehovah,hevitra ahatonga fiadanana fa tsy loza »

  36. Ahoana mits mo no afahanareo mlaza fa ny azy no ratsy indrindra teto atany? ra samy nisy ny ratsy de ny an’i Deba. Izy tsy nanamboatra akory fa namarotra sy namahana kely fotsiny ny vahoaka. Ny an’i Andry mba nisy zavatra nitsangana.

  37. Raha tia tsika androso Madagascar de Avelao ho entin’i Andry, sady tsy miavonavona otran’lé Ravalo tsy azo resahana mpangorikarena iny, I Andry azo resahana tsara au moins na de tsy de mahay de manakory aza, I Ravalo sady vendrana no tsy sociable, vo jerena fotsiny ny taren dRavalo de tonga de ita hoe ty tena be, izy kosa raha bizna favi an, ka de bizininy eo fôna nareo mianakavy, izao alo tsy manaiky ataony tsony, au-moins I Andry mba ita hoe somary mahatoky. Tsy azoko ho ina mintsy no insistiavanareo @lery nefa itan’zao maso rehetra zao ny zavatra ratsy nataony teto @ ty firenena ty e!

  38. raha tiana ho potika ny firenena dia aleo izy ihany no hitondra e,zay ry observateur a

  39. Ny zavatra nataon’ilay domelina dia tsy ny fitsinjovàna ny hoavin’ny vahoaka akory, ary efa voasoratra ao anatin’ilay tondrozotra fa ny « affaires courantes » na « izay maika » no tokony karakarain’ny governemanta, fa tsy ny fanaovana bizina amin’ny fanaovana ZAVATRA TSY MANARA-PENITRA AKORY !

    Manao grevy izao ireo mpianatra any amin’ny oniversite eny Ankatso ! Inona no antony ?
    Satria tsy fantatr’ilay domelina akory izany hoe mandalina farim-pahaizana izany !

    Le domelina n’est rien d’autre qu’un m’as-tu-vu, un superficiel, un envieux, un menteur, un mafieux avec tous les qualificatifs qui définissent le terme !!

    Ampianaro ry zareo ny zaza mba hahazo fahalalàna, ary indrindra hanàro mba ho hendry, hahafantatra sy hanàja Lalàna sy ho olo-marina mandrakizay ; ho olona mendrika !

  40. Mba inona loatra no niteraka sy nitaiza an’ireo fozan-doza ireo ?

    Ny alika tsy hiteraka vorombola, fa dia tsy azoko mihintsy !

  41. Izao no fantatray !

    Diso ve ny tenindrazana manao hoe :
    « Ny marina tsy maty »
    Fa manjaka ny fitaka
    Ary herisetra no hain’ny PHATy
    ..
    Hira, « Leo ny manao ny marina » !!

  42. Misaotra @’ilay hira fa tena nanala sorisory!!mankasitraka e’!!
    Tsy hitanao ve fa tony be bavy? …..tsara ilay hira!!

  43. ary MOX KOU MBA AIZÉ , ASAIVO MIALA AO @ FANJAKANA REO OLON DRAMOSE REO RA TENA MITANA PRISE MARNA NAREOE ,TSSSSSS ,TS NAHA LE PONT NA LA PONT AZY NY TATEZANAYÉ , MATATESA VALI KITSAKA FA ZANY NY DOZINé ,NENY SAMOELA IOÉ very any iné very any iné hahahahahahahahahahahahahahahaha bye bye volamena

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *