RAJOELINA NO MPAMITAM-BAHOAKA

IMG_0443

Tsy zakan’ingahy Rajoelina hoy Ragodonarison Roger Guy, nisolo tena ny Tim Antananarivo teny amin’ny kianjan’ny Magro Behoririka androany, ny teny izay nolazain’ny filohan’ny Ct Rakoroavelo Mamy, teto manao hoe : alohan’ny 18 oktobra dia tsy maintsy tonga  ny filoha Ravalomanana Marc. Izay hoy izy no nahatonga an-dRajoelina hiteny hoe : aza mamitaka vahoaka. Ny zavamisy dia izy no namitaka ny mpiaradia aminy, ny sehatra iraisam-pirenena, tamin’ny fifanarahana tany Maputo, Sychelle ary Maputo farany teo. Milaza izy hoy  Raguy, fa hanao fanovana ny fiainam-bahoaka. Ny zavanitranga anefa dia any anaty lavaka tanteraka ny firenena ary mahantra ny vahoaka Malagasy. Mahakasika ny tombana izay nambaran-dRajoelina dia nambarany fa iza moa ianao no anontanian’ny Sadc. Isika rehetra izao aza tsy mahafantatra hoy Raguy, hoe aiza ho aiza izany tombana izany amin’izao fotoana izao. Rehefa tsy handray handraikitra izy amin’ny fampodiana an’i dada dia mino isika fa handray ny andraikiny ny Sadc. Ny Ct Horance kosa dia nanambara fa tantara tsy azo adinoina no nisy teto amintsika. Nilaza fa hitady fanovana hoy izy, ny mpitondra ankehitriny, kanefa ny mifanohitra amin’izay no misy. Nisy ny fanehoan-kevitra ny vahoaka Malagasy izay nisafidy ny mpitondra azy teto saingy nosomparan’ny sasany izany. Tsy eken’ny natiora izany hoy Horance. Matoa isika mbola eto dia mbola mitana ny fahamarinana ary ilay fototra maha olona antsika no  nopotehina. Nankahery ny vahoaka ihany koa ny tenany mba sy hokivy amin’ny fanohizana ny tolona. Ny mpikambana ao amin’ny kongresin’ny tetezamita Feno dia nilaza fa raha naheno ny tatitra nataon’ingahy Alain Ramaroson tamin’ny fahitalavitra ny tenako dia anarana karana no heno tao fa tsy malagasy. Rehefa njery gazety indray aho androany hoy izy, dia nahitana anarana malagasy. Mahagaga fa ireo niray tsikombakomba taloha no miady ankehitriny. Efa niteny ny tenako hoy Feno, fa ho zatra ny rà mandriaka isika, satria nisy ny faty olona tany Atsimo, ny disadisan’ny mpianatra tany Antsiranana farany teo sns.. Handresy ny herin’ny fahazavana isika hoy izy satria ho avy ny filoha Ravalomanana Marc hiaraka amintsika hanohy ny tolona. Niantso ny rehetra ihany koa ny tenany mba hanambatra ny firaisankina, mba hiarovana an’i dada. Kobaka am-bava daholo hoy izy, no ataon-dRajoelina teto amin’ny firenena. Andriamatoa Fidison, avy amin’nyankolafy Zafy Albert dia nanao tatitra tamin’ny vahoaka teny an-toerana momba ny iraka nataony tany Fianarantsoa. Nivahiny tao amin’ny fahitalavitra Sophia sy ny radio iray tsy miankina tany an-toerana ny tenako hoy izy, nanazava ny tolona ataontsika. Ny vahoakan’ny Fianarantsoa dia mahatsoaro tanteraka an’i dada satria ny lalana any an-toerana dia potika tanteraka tsy misy fanamboarana. Niteny tamin’ireo ray amandreny tany ny tenako hoy Fidison, fa vonona tanteraka hitarika ny fitokonana any Fianarantsoa hametraka ny fahamarinana. N’inon’inona hidona dia mila an’i dada ny vahoakan’ny any an-toerana. Misy aza olona efa nanongana azy niresaka tamiko hoy izy, milaza fa tsy mety intsony io fitondrana io. Eto ny zavatra misy dia tsy misy fanjakana fa asa jiolahy. Efa miady an-trano izy ireo amin’izao fotoana izao.

22 pensées sur “RAJOELINA NO MPAMITAM-BAHOAKA”

  1. Rà mandriaka any Atsimo ve no tanisaina lava eto. Aleo handriaka ny ran’ny dahalo tohananareo zanakidada izay tsy misahirana miompy, fa mamono sy mangalatra ny ombin’ny tantsaha vatsianareo basy fotsiny.
    Ny rà mandriaka ve? Raosy no nampandriaka rà t@ ireny Zanadambo ireny.
    Ny rà mandriaka? Raosy no nitifitra vahoaka tsy niahotra akory, ary porofo nitohaka ny tendany, tsy azo vonoina iny démission nataon’ilay minisitry Raosy vehivavy tao @ fiarovana iny, izay nosafidiany ny hametra-pialana, toy izay hanome baiko hamono ny mpiray tanindrazana aminy. Atao sujet lava ao @ magro Zandry, satria nampihinana anareo ary tsy zanakanareo mihitsy, fa ny crimes nataon-draianareo t@io tanindrzana iombonana io modianareo tsy fantatra, ary ny noho ny tahotra higradra noho ny crime natao no nampandositra azy ry vena, fa resa-be daholo ny sisan’izay a! Jereo aloha woa ny vay an-kandrina vao miteny olona. Aiza moa ireto no ho tafa mandrak’ity ny androana satria vendrana raitrano.

  2. f’iza no niompy sy namboly ary nisasatra hahatsara hatrany ny fiainan-dramalagasy, fahazakan-tena ara-tsakafo eran’i MADAGASIKARA r’ilay tsivanok’olon BOGOR ‘ty fa tsy i DADA8 an!

    Misolelaha Vé?m-bazaha ‘ty,
    fa tsy misy apport-nao afatsy ny mivaralila
    TSY MILA OLONA – NO WAY, toa anareo sy ny forongony
    i Madagasikara TANINDRAZANAY

    I Bogor no santionan’olona mampidina ambany dia ambany ny kalitao ny gasy any ivelany any: ianao no taratry hoe SQ tsinjon’ny olon, any ka tonga manao à l’assaut dahol izao olon rehetra izao – mino marimarina aho fa ianareo partisan jusqu’à ce jour de la HAT putshistes ireo no mi-conseiller ireo IRREGLO-sans papiers tera-tany vahiny tra-tehaka rehefa tonga ny fisavàna

  3. Ny rà Malagasy latsaka any Atsimo dia tsy dahalo avokoa fa ny vahoaka tsy mananan-kianteherana.

    Mampalahelo ny toe-tsain’ny foza, toa andry bogor itony, tena tsy mandala ny fihavanana Malagasy mihintsy.

    Izao zava-mitranga tsy manjary rehetra eto namin’ny firenena izao dia noho ny nataon’ireto mpanongampanjakana ireto avokoa. Efa maty eritreritra mihintsy ka mbola mifikitra eo amin’io seza nangalarina io ihany.

    Fisaka ny rariny ra-bogor ah ! tsy maintsy hiverina ny fanjakan’ny Fahamarinana eto Madagasikara.

  4. Mba mitsikia re ry Vololona fa efa ho avy i Dada â ! Ny miaramila sy ny SADC mihintsy no hikarakara ny fiverenany !
    Izany no mampikoropaka ny sasany amin’izao fotoana !!
    Hanao fanambaràna momban’ny raharaha 26 janvie sy 7 febroary hono ilay Alain, raha mbola mitady hamaky ny kambana-roa-ny ilay domelina sy ilay be panda !

  5. Sahondra Vololona zanaky ny dadany !! MDR !!

    Izahay izao sahirana ; fomba mantsy rehefa mangataka sy mampiakatra ny metiny hoe :
    « Foza lahy atakalo foza vavy » ! Toa tsy mety intsony ilay fiteny ! Inona indray no nanoloana an’io fomba fitenin-tsika io amin’izao fotoana ry zareo ?

    Ny GTT-Idf no mikarakara satria ao an-toerana ! Ny manaraka rehetra « hifanampiana » toy ny mahazatra satria tolona hiraisana ! Sa… ?

  6. Pretty, and looks so wise and not frivolous ; she’s as good as gold !! Rare qualities nowadays !!

    MDR !!

    Aiza ianao ranavalona fa efa tafaverina aho ê !

  7. Malahelo aho lesy dia midongy kely a!!fa ho avy eo ihany rehefa matsintsiana e!!!
    mazotoa daholo!!!avelao aho aloha haka saina!!fa tsy tezitra an!!

  8. tsy any ampiangonana
    na eny am-panaovana vakansy

    fa eny an-kianjan’ny ara-dalàna
    tandremo sao mivadika lasa filou
    ry mafyloha isany

  9. Tsy aleo indray ve atao hoe :  » Yaourt TIKO atakalo Bononoka ?  » 😉

    Ny nahatonga anay hiantsoa azy « Mafiloha » anie dia satria « single » be foana ikala e !!!
    Tokony hitandrina ihany fa be ny pedophile sy Mpanolana ao amin’ny Tanàna ry Mafiloha a !
    I Solo R no vaky loha fa be ny mpikarakara. Izay tonga aloha tompo no « hanankasina e !

    Ny faniriana hatrizay dia ny Fiaraha-miasa ary tokony ho TOKANA sahala amin’i Dada ireo GTT roa ireo. Araka ny fahafantarako dia Mi-assurer ny raharaha administratif fotsiny ny GTT IdF ao Parisy ao, anefa ny mahagaga dia misy President manokana, ka izay no mampieritreritra hoe Iray ihany ve ireo sa Roa ? Nefa moa, izay ataony dia ataony sao mahazo ny « akombony ny vava » eo indray.

    Misavasava izany lanitra izany, ka angamba mety kokoa ny hangiana amin’izay. Tsy mety koa mantsy raha mbola mampidongy ny hafa, sao manary ny akoho taman-trano.

    Raha vao mahazo toerana dia mety ho tonga malaky hanatrika izay ho VOALAZA aorian’ny « 7 Octobre sy 8 Pctobre » : Daty hanan-danja!…..

    Ny tena ho goavana dia ny
    FINOANA FA EFA MIOMANA ISIKA ETO DAGO, na ho ENY na ho TSIA, no ho lany !

    Izaho manokana aloha, na ho Eny na ho TSIA, dia ny miomana amin’ny angaredona METY hitranga.

  10. Inty ary mba misy hira hiraiko na atolotro ho anao ê !
    « Some people can be bad ; the things they do the things they say » hono !
    So, don’t worry and don’t midong ! !! Sunshin will come back soon !

  11. Koa ny iray IDF ny iray Zeneva ê ! Misy Lareniô, Marsay sy Tolozy, ets…..! Indray andro any ve tsy hitambatra ihany ireo ? Sa…? Tokony hisy daholo ny toerana misy Oniversite rehetra !

  12. Inona indray ry HoAiza ity hoe tsy any ampiangonana na ampanaovana vakansy ity ä ? MDR !!
    Tsy single izany izy ry Tahiry, fa tena miaraka aminy foana Radada an ! Tsy hitanao angaha ?

  13. Misy ihan ny mampifandray … ny resaka
    f’indrai2 dia an an an

    Mety miasa ny naman’ikalaManja, sa … mafiloha marina

    hum hum tena misy anga itony: « akombony ny vava »

  14. Resaka ka mba atao re ry HoAiza â ! Mba mikandra kosa angamba ny akamany ê ; zanak’Andriamanitra toa izao ve dia avela ho irery fotsiny eo, hoy ilay olon’izay ? Fahaverezana be ho an’ny malagasy !!
    Omen-tsika bizou aloha izy fa tena mpitolona mahafatram-po ê !
    Mmmouuuuaaa hoy ranavalona izay ! Mdr !!

  15. Eo am-panomanana ny fiverenan’ny Filoha, dia mba andao aloha hifanamby kely ê ! Tsy fomban-tsika ny miloka vola toa an-dry mpanao endi-baolina, fa manal’azy kely !
    Miady ny foza iray arona, ary hisy painsy ho tapaka mihintsy eo !! Iza daholo no ho tapa-painsy eo aminareo ? Iza no ho voaketoka voalohany eo ?

  16. Tsy aleo ve izy samy izy ihany no hifanapaka painsy ao ? Efa manomboka amin’i Ramarosahona.
    Ny ahy faniriana : Ho tapa-painsy daholo ireo fa ny voalohany tokony ho tapaka dia :
    Ry Ratsiana Orana – Lé Dolé – Randriamahefarisoa Etienne – Ndrianarijaona (sasanangy) – Tsy manan-kaja Resampa – Tapakazo(hajo) Randriam-paty-arivelo – Tsikirity – Lichien Rakotoarimasy – Be Panda Risara – ary ny …….zandrin’i Rainitay sy Rainitay , i zokilahin’i Rainitay milaza azy ho Minisitry ny Info aloha dia dôfisy e !
    Saika mbola ahanoy fa foza iray harona izany anie, mbola hifampitadiavana e !

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *