RAKOTOAMBOA JENA LOUIS : TSY MISY FIFIDIANANA VANONA ETO RAHA TSY MODY NY FILOHA RAVALOMANANA MARC

IMG_2479

Tao anatin’ny roavolana no tety an-kianja ny tenanay hoy ny Cst Rakotoamboa Jean Louis teny amin’ny Magro Behoririka androany. Ny antony hoy izy, dia manomana ny kongresin’ny antoko Teza ny 29 sy 30 Novambra izao izahay ka nitety ireo fototra rehetra. Raha ny tokony ho izy dia tamin’ny herintaona no saika hanaovana izany fa saingy noho ny tolona teto amin’ity firenena ity ary tolona nandraisanay ny kihonay, izay no tena marina. Raha tadidinareo hoy ity olomboantendry ity, dia norobaina ny fanana’I Mox, Hanta mivady nogadraina naelfa teny Tsiafahy nefa tsy nisy porofo akory ilazana fa hoe namono olona Ralitera. Na izany aza hoy izy, dia nijoro izahay fa amin’ity taona ity dia tsy maintsy manao kongresy ny antoko Teza  satria anisan’ny antoko manana ny discipline, tsy maintsy hampihatra izany demokrasia ao anaty izany. Raha te hilingilingy hiteny izany demokrasia manerana ny Nosy izany. Koa izany no ialantsiny , ialana fondro aminareo fa somary sahirana amin’izany izahay. Na izany na tsy izany hoy ity mpanao plitika ity, dia nisy ireo namana izay tonga nitlona teto, ka isaorana azy ny nanohy ny tolona. Amin’izao dingana misy antsika hoy izy, tsy maintsy manana répére isika, ary tsy maintsy mahafantatra  ny hoe aiza ny lalan-kombana satria mifamahofaho be ihany ny raharaha . Mampatsiahy ny tenako hoy Rakotoamboa, fa tamin’ny fotoana dia niditra tao amin’ny fitondrana isika, nampiseho ny bonne foi sy bonne volonté na dia fantatra aza fa ngezabe ny fahefan-d Rajoelina ary tsy mitovy ny rapport de force dia nampiseho izany teo imason’izao tontolo izao sy ny vahoaka malagasy isika. Ny zavatra niseho anefa hoy izy, hatramin’izay dia ny voalohany indrindra ao anatin’ny governemanta, tsy mitovy ny fifandanjan’ny hery enti miatrika ny atao. Ny faharoa  manaraka izay di ataty amin’ny parlemantera dia hitantsika ireo lalàna rehetra izay nivoaka tao dia tsangatanana no nisy. Ataon-drajoelina araka izay mampety azy foana izany ary ny loi d’aministie ataony izay tsy hiverenan’ny filoha RavalomananaMarc. Ny lalàm-pifidianana hoy Rakotoamboa, dia namboarina izay tsy afahan’ny filoha Ravalomanana Marc milatsaka, izay tsy eto ao anatin’ny enimbolana dia tsy mahazo milatsaka. Raha jerena hoy izy, ao amin’ny Cenit dia ny maro an’isa ao izy ireo, raha jerena toy izany ihany koa ny ao amin’ny komity mpanaramaso ny tondrozotra di ambola izy daholo no ao, ary ny FFM ihany koa torak’izay.Rha heverina fa hoe izay no tsy afahan’ny filoha Ravalomanana Marc hivoaka, ary heveriny fa hipetra-potsiny amin’izaoisika. Tsia tompoko hoy izy, fa mamatotra ny tenany izy amin’izany rehetra izanyary dia ho hitantsika eo.  NY teny ataoko aminareo hoy Rakotoamboa dia ny fiarahan’izy rehetra ireo dia ny tsy fitiavana ny filoha Ravalomanana Marc fotsiny, fa fiarahan-jiolahy no misy ao. Izany jiolahy izany hoy ny fanazavana, rehefa miaraka dia fantatrareo fa mifamono. Tsy maintsy na tiana na tsy tiana hoy izy, miafara amin’ny ady an-trano izany ary efa manomboka izy io. Hitantsika ny fanilikilihan’ny samy izy, ary ny fanaovana taim-bava. Ny andraikintsika dia ny mikopak’afo sy ny mampiady kitra angely. Na tiana na tsy tiana dia tsy misy fifidianana vanonaizany eto raha tsy miverina ny filoha Ravalomanana Marc, ary raha tsy afaka manomana ny fifidianana ara-potoana izy. Izay no dina ifanaovantsika eto hoy izy.Ny zavatra azo ekena hoy izy dia afaka milatsaka daholo ny rehetra di any vahoaka no mitsara.

12 pensées sur “RAKOTOAMBOA JENA LOUIS : TSY MISY FIFIDIANANA VANONA ETO RAHA TSY MODY NY FILOHA RAVALOMANANA MARC”

  1. Mazava izao iza marina ireo olona mitady hamadika ny tolona. Mampiseho amin’ny fomba miankolaka fa mifikitra amin’ny vola sy harena ary ny….FITIAVAN-TENA SY MIATSARA IVELA-TSIHY, ka niditra tao amin’ny Systeme HAT noho ny vola sy ny FIALONANA. Eny ny FIALONANA !
    Ho tsoriko mazava ny olona eritreretiko amin’izany :

    – BOTOZAZA sy HARISON hilarion( KIRANGY MAHAY MIAFINA NEFA TENA TANANA AN-KAVANAN’i BOTOZAZA)
    – Miala tsiny fa isan’izany Ikala Naika Eliane voasiton’ny fitiavana hahazo toerana, ka azo antsoina ho MPIJAPY. efa ela no natao izay handraisana azy amin’ny fifandraisana amin’ny EU kanefa ny hitady toerana ambonimbony hatrany no tadiaviny.
    – FETSISON A.R izay tsy miafina intsony fa tena ampiasain’ny HAT hampisaraka sy hanaparitaka ny Mouvance Ravalomanana
    – Ny sisa moa dia efa fantry ny be sy ny maro ihany.
    – Misy Iraika lahy, tena fetsy lahy koa, izay tsy mbola lazaina ny anarany. Fa raha misy te-hahala ireo rehetra tafiditra amin’ny Syteme HAT, dia jereo tsara ny sary miseho, fa tsy mipoitra izy ireo rehefa ny Mpitarika ny Mouvance no mikabary ao amin’ny MAGRO.


    Na tiana na tsy tiana ilay antsoin’ny sasany hoe Maitresse, no atokisan’i Dada, ka na iza faly na iza tsy faly dia : Mamy Rakotoarivelo sy Maitre Hanitra(mahavita azy), ary i Guy Rivo Randrianarisoa no Filohan’ny Mpanohana ny ARA-DALANA.Rehefa ireo no mbola Mpitarika, dia handeha ny tolona, fa ny sisan’izay DIA TSY MAINTSY MANARAKA raha TENA manohana an’i Dada sy ny Ara-Dalàna.


    Tena diso lalanA IZAY MILAZA fa ny fiadiana amin’ny UNILATERALISME no tokony ho atao voalohany, ary voamarika izany, fa ny fodian’i Dada no imasoana.
    Miady amin’ny Unilateralisme dia milaza fa MIANDRY hatrany izay ataon’i Rajoelina ary MIANDRY izay ataon’i Rajoelina…… VAO….. mihezaka manao kabary ambony vavahady.
    Ireny ilay atao hoe mandihy tsy afa-tavony, fa ny mahamaika dia ny hahazo toerana.
    Aoka samy isika tsy hifampianatra sy hifanome lesona, fa izay tiana tohanana dia tohano, fa ny fanaratsiana toy ny « Maitresse »….. Ajanony HAINGANA.
    Izany anie no nahatonga an’i Bogor hanova ilay hoe K.M ho zavatra ratsy e !
    Aoka amin’izay samy hisaina ka tsy hanome valiny intsony.

  2. Mankasitraka Rakotoamboa a!!hilaina dia hilaina ny olona toa anao
    sy GUY RIVO, olona manana hazondamosina azo hianteherana ary
    TSY MIVADIKA.Mazava ny TOLONAREO koa TOHIZO TOMPOKO o!!homba anareo anie
    ilay avo indrindra.

  3. Atolotro ho any ny zanaky i DADA rehetra ity hira ity.Dia mahereza daholo

    *http://www.youtube.com/watch?feature=player_detailpage&v=T20lqOSYxHs

  4. Voalohany indrindra, dia mbola averiko eto fa ny fiarovana ny vahoaka sy ny hoaviny, no antony hiseràko eto. Izay problème-n’ny TIM any, tsy anjarako ny mandamin’azy, fa efa nanome andraikitra momban’izany taman’olona ny Filoha Ravalomanana ! Misy antony angamba izany, ary IZY IRERY NO MAHAFANTATRA AN’IZANY !!

    Izay vavan’ny foza any ry Tahiry tsy problème amiko mihintsy rahatoa ka mbola NY FANOHANANA NY ARA-DALÀNA NO HIFANERARESÀNA ETO Â !

    Izay taim-bava sy ompa tsy hanakan’ahy hisaogany sy hisotro an’izay tiako androany na rahampitso ! Ny herisetra sy ny sotasota nataon’ny foza aza, TSY NAHASAKANA NY FIAINAN’NY ANKIZINAY TSY HANDROSO, SY HIHAINA TSARA IHANY KOA !!

    Fanohanana sy fanampiana, ary fieritreretana ny hoavin’ny FIANAKAVIANA REHETRA, SY NY VAHOAKA MALAGASY NO ATAO ATO !

    Raha izay fanompàna olona sisa no any hery entina hanohànana fanonganam-panjakàna, sy entina miaro an’ireo jiolahy sy dahalo ireo, dia averiko any aminy AN-TSAINA IZAY REHETRA AVOAKANY !

    Izaho dia tsy hiady na hitolona amin’izay olona mioson-tay, fa haloto eo koa ! Aleoko manàja tena !

    Raha misera eto isika REHETRA, ny tanjona dia mifanome vaovao, mba mandinika sy mifanoro hevitra amin’ireo MPITOLONA REHETRA, NA IREO AO AMIN’NY MAGRO NA IREO « LIDERA », NA OLON-TSOTRA SENDRA MANDALO ATO !

    Ny TOKAN-TRANO TSY AHAHAKA hoy ny fitenenana, ARY NIARAHA-NAHITA NY ZAVA-MISEHO REHETRA, ka raha ireo izay miseho ho mpitarika no mbola manaiky « taigenan’ireo izay efa namadika », ataony tohatra fiakarana indray, na koa mivily any amin’ny lalana tsy tokony aleha, dia TSY TOKONY HITONONA HO MPITOLONA SY MPIARO NY ARA-DALÀNA INTSONY !

    Tsy rehefa manakaiky ny vaha-olana rehetra, vao mitady olana hafa indray ! Sao dia alahelon-kanina no betsaka ?

    TSY MAHAGAGA « KOA » RAHA NITENY NY FILOHA HOE, IZY NO MANAO NY 90% AN’NY ASA !

    Ka araky ny voalazanao io, aoka ny rehetra samy handini-tena marina, fa ny mpamosavy mivoaka amin’ny alina aza misy mahita !

    Scoop na dia tsy tokony resahako ato aza : I NAIKA Eliane dia resaka « solidarité » no nihidirany tao, ary ny rehetra mahafantatra an’izany !
    Betsaka ihany koa no mahafantatra fa efa ela izy no saika hiala sy hanàja tena, fa dia mbola eo ny resaka firaisan-kina !

    Amiko aloha, dia tsy tokony nihiditra tao amin’io resaka dolin dolin io izy ! Raha ny zavatra rehetra tsy mety no tanisaina eto tsy ho vita ; izao lazain’ny olona fa mitady seza AMBONIMBONY KOKOA !

  5. aleo hanao fifidiana, tsy misy any dada eo! dia tena hifankahita marina isika. KOa raha tsy an’ny FAT irery Mskara koa!

  6. AOKA ISIKA TSY HO TAITRA FA IZAY MITENY RATSY NY HAFA DIA TSY AFAKA MANOATRA INTSONY SATRIA TSY MAINTSY MANDROSO ARY MISAOTRA INDRINDRA AN’IREO IZAY MITOLONA HO AN’NY ARA-DALANA E ! RAHA IANAO ANIE NO MITENY RATSY NY HAFA DIA IANAO IZANY NO TENA RATSY E SADY KOA ASAN-DEVOLY IZANY KA TSY MAHAGAGA – NY OLON-KENDRY MAHAY MIAINA, MAHAY MIHAINO.
    AZA TAITRA E

  7. Le retour et la présence du Président de la République RAVALOMANANA MARC constituent la condition sine qua non de l’organistion de toutes élections à Madagascar..
    Sans ce retour et sa présence au Pays , pas d’élections pour des raisons de constitutionnalité , de légalité : le coup d’état du 17 mars 2009 a destitué un président élu démocratiquement selon le caendrier constitutionnel…
    Cette destitution a fait tomber l’Etat malgache dans l’illégalité que la Communauté internationale a condamné avec vigueur et constance
    Cette Communauté internationale , tr-ès sourcilleuse , ne peut reconnaître l’Etat Malgache comme légal tant que le Président RAVALOMANANA MARC ne rentre pas dans son Pays
    En plus , tous les bailleurs de fonds , les Nations-Unies , l’l’Union Européenne ,les USA , l’Allemagne ne débloquent aucune aide pour et financer les élections et financer la Rénovation du Pays fant que le Président RAVALOMANANA MARC ne rentre dans son Pays !
    La décision de ce retour ne sera pas le résultat des multiples demandes insistantes et itératives des Malgaches..
    Il ne Nous revient de décider de ce retour , qui est justifié par des raisons qui Nus dépassent certes mais que Nous pouvons comprendre !
    Le bon sens Nous commande d’être persévérant et de Nous fier à DIEU..
    Pensez que le Président est plus malheureux que Nous d’attendre l’issue de cete lutte !
    Alors prions DIEU qui sait tout et qui peut tout résoudre !

  8. Misy fihetsika (fiteny) mitady hapme ny anao ry tahiry annnn! izay manononaamin’ny vavany fa hampody an’i dada ka miray asa hahatanteraka izany, raha izaho dia tohanako foana, ny olona telo nolazainao miaraka @ Dada tsy mahavita irery an’io; ka izay toy ny lazaiko etsy ambony amiko dia sady mpanohana ny tolona no mpiara-mitolona rahateo, ny hhiantso olona maro hanatevina ny tolona aza atao, ny efa eo indray ve no tsy ho ho tohanana? Tahiry ahhh, heritrereto ihany ehhhh, tsy izay fitrangan-javatra kely tsy misy hidirany @ fodian’i Dada ary izay mampisara-kevitra akory no ilazana fa mpamadika na mpitady toerana, fa ny hitako izay mpitarika tsy notononinao teo miaraka @Botozaza sy Naika, mbola milaza sady miasa ho amin’izany FAMPODIANA AN’I DADA IZANY. Raha izaho manokana tsy miroaroa saina @reo;

  9. dé8 anga no be any

    hihihi

    miaraka @ dada8 tsy mitsapa vintana amin’ny fanodinana karazana kodiarana na dédé

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *