RAKOTOARIVONY JEAN PIERRE : AZA MANAIKY HO FITAHI’NY MIARAMILA FOZA

IMG_2388

Tao anatin’ny herinandro lasa teo hoy ny Cst Rakotoarivony Jean Pierre, teny amin’ny Magro Behoririka, dia naolakolaka ny vahoaka ary navadimbadika fa mila fandriampahalemana ny fiverenan’ny filoha Ravalomanana Marc. Resaka fotsiny izany hoy izy fa raha tonga teto ny miaramilan’ny Sadc. Ny antodiany dia tsy hijery hoe tsy mety na mety fa ny fandriampahalemana hojereny dia hoe manao ahoana ny filaminana araka izay manao azy. Isika vahoaka hoy izy, dia tsy mahalala afa-tsy ny hoe : andraikitry ny Sadc izany, fihesiky ny Sadc izany fa ny antsika dia ny hoe ; mody i dada. Noho iznay hoy ity ambasadaoro teo aloha ity dia aza manaiky hampiasa loha amin’izany. Ny antsika dia efa voavadika ho lalàna  ny tondrozotra ka na  rahampitso na rahoviana dia mihatra izany ary tonga eto ny filoha Ravalomanana ary afaka milatsaka. Noho izany dia ampiharo ny lalàna. Resaka fitsipika anatiny ao amin’ny firaisam-be iraisam-pirenena ireny. Anjarany hoy CST Jean Pierre, no manao ny andraikiny fa aza manaiky ho fitahin’ny miaramila foza. Izay voasoratra hoy izy, dia voasoratra.

13 pensées sur “RAKOTOARIVONY JEAN PIERRE : AZA MANAIKY HO FITAHI’NY MIARAMILA FOZA”

  1. Tsy voa iny ny miaramilan’ny SADC no nandeha tany, fa efa in-droa sa in-telo akory fa tsy nisy nahafantatra ! Nanaraka tsara ny zava-misy, fa ireo mpanao pôlitika no ..sadasada, nanahaka an’ilay Hugo !
    Ny malagasy no tsy mahay mandray ny andraikiny ! Zatra mangataka, sy manao sivouplé misié !!

  2. Tsy azoko ???nandeha taiza ny miaramilan’i SADC???
    ilay tsy fandraisana andraikitra aloha dia tsy vaovao loatra.
    Ny sadasada tsy ferana fa TSY MIFANOME TSINY e!!!ahoana koa no ahasahian’io olona io
    milaza fa izay voasoratra dia voasoratra???firy izay no voasoratra sy voasonia fa mba nisy
    nampiarina ve???raha tsy hiteny afa-tsy ity KISONIA lava ity fotsiny aho.

  3. Dolin Rasolosoa no isan’ny voalohany nahatonga ny vono-olona teny anoloan’ny Lapan’ny President, niaraka tamin’i Randriamahefarisoa Etienne (l’homme au complet gris). Mahafantatra tsara izany daholo ny rehetra. Nefa amin’izao fotoana dia misy membre ao amin’ny Mouvance Ravalomanana manohana sy MITAKY ny hijanonany ho Prezidan’ny CST.
    Tsy ny vola no olana, fa « ilay » olona » antsoina hoe Dolin Rasolosoa mihitsy.

    Marina ny anao Maitre Hanitra, fa mbola betsaka ny tsy maharaka ny politikan’ny HAT raha izao.
    Misaotra anao manome fanazavàna, satria hoy ianao :
    « Hanitra Razafimanantsoa : « Des super membres de bureau ». De son côté, Me Hanitra Razafimanantsoa approuve la destitution de président du CST et la dissolution du bureau permanent dont elle est pourtant membre. Selon ses explications, le problème qui prévaut au sein de cette Institution est le reflet de la mauvaise gouvernance du régime de Transition. « Nous savons tous qu’il y a au sein du gouvernement, des super-ministres que le Premier ministre ne peut contrôler et qui n’obéissent qu’à la Présidence de la Transition. Ce même cas se produit ici au CST, il y a des super-membres du bureau permanent qui font tout selon leur bon plaisir », a-t-elle mentionné. La vice-présidente du CST poursuit que si le départ du président de la Chambre haute et la dissolution du bureau permanent peut s’avérer être une solution à cette problématique, il faudrait songer à y procéder. »
    Izany ahay ka mendrika !
    Tsy misy Wait and see intsony izao, fa « des paroles et DES ACTES » no ilaina sy arahin’izay milaza ho manohana ny ara-dalàna.

  4. Resaka karama sy vola izany, tsy misy dikany raha oharina amin’ny halatra sy ny zavatra tsy mety rehetra KANEFA EKENA ê !

    Ilay olona eritreretinao ry Tahiry, angamba mahafantatra izay tokony ho atao :
    – Na, tohizina ny krizy sy izay tsy mety rehetra ao amin’ity « Tetezamita tsy mamokatra » ity, mba tsy hahafahin’ny Filoha Ravalomanana miverina ,
    – Na, « avela any aloha » izany problème izany, satria tsy izany irery no olana niseho atramin’izao !

    Ny fiverenan’ny Filoha no tokony atao laharam-pahamehana amin’izao fotoana !

    Rehefa te-handrava dia tokony efa ela no nandrava, tsy nanaiky hoe potsista no atao Filohan’izany CST izany ! Ny Filoha Ravalomanana efa nilaza koa hoe RAHA MISY TSY METY DIA EFA HITANAREO NY VARAVARANA NIHIDIRANA, DIA TOKONY HO HITANAREO NY VARAVARANA HIVOAHANA !

    Mba tiako ho fantatra ny hevitr’i Maîtresse Hanitra amin’itony Lalàna nivoaka itony, satria izy dia MPAHAY LALÀNA GAIGY BE !

    http://www.justice.gov.mg/wp-content/uploads/textes/1TEXTESNATIONAUX/TDT/L2011-013.pdf

    Droits et devoirs de « l’opposition »
    …..
    SECTION 2 – Des membres de l’opposition

    Art. 21 – Il est du devoir de l’opposition de :

    – Respecter scrupuleusement LA CONSTITUTION (IVe République), LES LOIS ET RÈGLEMENTS EN VIGUEUR
    – Préserver l’Intérêt supérieur de la nation
    – Contribuer au développement de l’esprit démocratique
    – CULTIVER LA NON-VIOLENCE COMME FORME D’EXPRESSION DEMOCRATIQUE
    ……….

    Ny foza mantsy izany mahazo manao an’izay tiana atao ! Mba nisy kritika ve mba re momban’io ?
    Izany izao no tsara resahin’ireo lidera ireo amin’ny vahoaka rahampitso !

  5. Efa eto ihany isika dia mba mifanakalo hevitra mba hivoahana ny soa sy ny tsara.
    Marina fa olona nahavanon-doza i Rasolosoa Dolin ary tokony tsy ho ao amin’ny tetezamita nefa koa marina fa raha te hampihatra ny rariny sy ny hitsiny dia efa tany amboalohany dia tokony tsy nekena io teteza-mita io.
    Manaraka izany ny fiverenan’i Marc Ravalomanana no tadiavin’ny be sy ny maro alohan’ny zavatra rehetra koa angamba ataoko fa tsy andron’ny fanakianana intsony izao fa fotoana natao hitadiavana vahaolana mba hanjakan’ny demokrasia.Efa nanao ny vitany daholo na i Maitresse( teo anivon’ny SADC) na i Députée (teo anivon’ny vondrona erôpeana) ka ny fodian’i Marc Ravalomanana no atao mba hisian’ny filaminana.
    Ireto ary misy soso-kevitra vitsivitsy momban’ireo izay ho atao tompon’andraikitra amin’ny fiarovana azy fa efa fantatra fa tsy maintsy mody izy:

    1./ Henoina aloha izay fanampan-kevitry ny SADC tany Dar-es-Salam.
    2./ Rehefa tsy mahita vahaolana ry zareo dia tsara ampahatsiahivana ilay hoe fepetra manokana momba ny fiarovana azy.
    3./ Raha tsy mahomby io dia misy izao soso-kevitra izao:atao ilay dinidinika samy malagasy ka asaina amin’izany ireo lehiben’ny mpitandro ny filaminana tsirairay avy izay sakana amin’ny fodian’i Marc Ravalomanana ,ny solotenan’ny CNOSC,ny biraon’ny FFM (fiombonan’ny finoana misy ao M/kara fa tsy ny FJKM) ary ny ankolafy Ravalomanana dia ataon’ny resaka sy ny fanazavana rehetra.
    4./ Raha mbola mandamoaka io dia anontaniana ny hevitr’ireo miaramila tsy amperin’asa hitady vahaolana sy hanome fanazavana momba an’ireo lehiben’ny mpisorona ireo.Ireo be galona dimy ireo anie tsy mahavita inona raha tsy eo ny miaramilan-daharana)
    5./ Rehefa tsy mety izay dia antsoina ny vondrona diplômatika ao Madagasikara mba hamaha ny olana izay hampiharin’ny rehetra indrindra moa fa ny tafika tsy tokony hanao politika.

  6. Rahoviana izany fanapahan-kevitra any Dar Es Salam zany fa tara zà???? Ary ny tafika ndray dia tsimaintsy hanao politika sy hiaro an’i Radomelina satria efa jamban’ny vola ka raha tsy solution henjana fa dinika zany foana dia eto tsika no raisina!

  7. Io dinika « samy malagasy » io anie no « piège à cons », nandratoana ny vahoaka malagasy !
    Nihiniana natao toy ny fako sy tay (miala tsiny amin’ilay fiteny fa tena tsss..), ny Lalàna MALAGASY rehetra, sy izay Fifanarahana natao niaraka tamin’ny Firenena hafa, mba hiarovana an’ireto jiolahy sy ireo rehetra mpanohan’azy, dia iny koa ramalagasy niroboka tao !
    Araky ny fitenin-dry zalahy taloha, dia efa tsehaka ny frantsay (mpitondra no resahiko) fa mitady izay lalana mba hivoahany moramora, ary manao izay tsy hahafa-baràk’azy ! Efa nanisy rano ao anatin’ny vera-divainy !

    Anjaran-tsika no mampiseho fa tsy azo ekena intsony ny fitarozahin’io krizy io, ary mampiseho koa fa HALAM-BAHOAKA NY POTSISTA !

    « Contribuer au développement de l’esprit démocratique »,
    « Cultiver la non-violence comme forme d’expression démocratique »,
    hoy ilay lalànam-poza !

    MBA NAVELA NANEHO NY HEVINY TAMIN’NY FOMBA DEMOCRATIQUE VE NY VAHOAKA MALAGASY ??

    Ny tefitefy sy ady gasy (fomba fanao) tsy hamokatra (solution durable), raha ny zavatra mahazo an’ny Firenena amin’izao fotoana no dinihina !

    Amin’izao fihovan’ny mpitondra sy fihetsikin’ny frantsay izao, NO TOKONY HAMPISEHO AN’IZAO TONTOLO IZAO NY VAHOAKA FA LEO SY TSY MANKASITRAKA AN’IREO JIOLAHY IREO !

    MBOLA MISY ANY, IREO DELEGASIAONINA FRANTSAY IREO, ARY TOKONY MBA HAHITA AN’IZANY !

  8. Asa aloha izay eritreritrareo fa ilay vahaolana enjana anie efa nialana ny olona.Tsy mitaky ny hanisy fivoriana eo ambohijatovo intsony ny olona fa efa nadabony iny.
    Manaraka izany mbola misy miaramila be galona 17 tsy am-perinasa. Mety ho tsara hanontaniana ihany ny tetika ananan’ireo na ny heviny.
    Ankoatran’izay raha ohatra ary ka tsy mety ny dinika samy malagasy dia aleo ary ny diplômaty sy ny emiseran’ny firenena mikambana no hisahana ny raharaha satria koa izany tsy hatokisantsika ny SADC.Io angamba ilay fepetra manokana??
    Raha te-hampiseho amin’izao tontolo izao fa tsy tiantsika hisy hiaro i Marc Ravalomanana dia tsy misy afa-tsy ny serasera no fitaovana hananantsika satria ny haino aman-jery dia efa voahidy.Manoratra amin’ny ireto rohy ireto koa no atao:

    chairperson@africa-union.org
    chairperson@united-nation.org
    catherine.ashton@ec.europa.eu

    Mba alaharo ry zareo ny soso-kevitra.

    I verbeeck moa tao amin’i PATA.Izahay koa tao no nandranto fianarana.Asa raha nahalala an’i tompokolahy Jovelson ianareo na i Naly Rakotofiringa fa nampiasa rafitra be dia be ange ireny.Tao koa i Ramose William Ranaivo.

    Malalaka ny sehatra fa avoahay ny hevintsika.

  9. verbeeck! tokony ho fantatra ato ato ny fanampan-kevitry ny SADC izay nivory tamin’ny fiantombohan’ity herinandro ity.

  10. Izany indrindra ry verbeeck no nanapahan-kevitr’iMaitre RAZAFIMANATSOA hilaza mazava tamin’ny Miaramila fa
    : IZAY miaramila te hanao politika dia mampirina ny akanjo maha miaramila azy ary manao demande de Disponibilité. Izany koa no mahatsar ilay ny hialan’i Dolin tsy ho Prezidan’ny CST intsony satria manao sabaka mibaiko miaramila (na dia retrité aza) sady
    miaro an’i Domelina, satria ireo no iray niketrika ny FAMONOANA OLONA teo Antaninarenina, sy nanohana ny Mpanonga-panjakàna niaraka tamin’ny Vozongo.


    Ny Jeneraly Edmond RASOLOMAHANDRY koa dia efa nanambara mazava fa ireo miaramila REHETRA dia tsy nilaina akory ho nihaona tamin’ireo solotenan’ny SADC (généraux),ny antony dia efa mamefy ny Tafika mihitsy na i Maitre Razafimanatsoa, na ny Jeneraly Edmond Rasolomahandry, TSY HIDITRA POLITIKA intsony. Nisy fihaonana tamin’ny Ndrianarijaona André tao aorian’izany, handinihan’ireo manamboninahitra rehetra ao amin’ny Tafika.
    Diso ihany izay manaratsy ny SADC, fa mihezaka mihitsy ireo, ary mino aho
    fa hoferan’izy ireo ny fidiran’ny Tafika amin’ny Raharaha politika ao aoriana kely.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *