RANDRIANJATOVO HENRI : EFA MISAVORITAKA NY FAT

Tsy   mitsahatra manazava sy mampita ny vaovao tsara ho fantatra mahakasika ny raharaham-pirenena ireo mpitarika avy amin’ny ankolafy Ravalomanana.  Eny amin’ny kianjan’ny Magro Behoririka hatrany no ahafan’izy ireo mitafa mivantana amin’ny vahoaka mpomba azy.Ny Cst Randrianjatovo Henri androany dia nanambara fa misavoritaka ny fat amin’izao fotoana izao. Fa misy inona marina hoy izy, no ovana tampoka eo ny komandin’ny zandarmaria. Raha mijery isika dia misy fiovana be eto Madagasikara ataon’ny fat. Efa an-tenda ny ranombary hoy izy, satria efa tsapan-dry zareo fa tsy azo ihodivirana intsony ny fodian’i dada. Hafa ny teo aloha hoe misy Notam fa ity tsy misy hevitra intsony ny fiverenany. Rajoeina tsy fantatra intsony hoe ao anaty adihevitra sa tsia. Ingahy Alain Ramaroson savaina ny tranony, ny sasany mitatatata milaza hoe ataovy ny fifidianana. Izany hoy Henri, midika fa misavoritaka ry zareo. Ny tiany atao hoy ity olomboantendry ity, dia fanjakana militaro-civil, izay efa nolazain’izy ireo tany aloha tany. Raha jerena any amin’ny toby miaramila any dia feno miaramila frantsay. Ho hitantsika ny tohiny hoy Henri fa Alain niteny fa mbola miandry ny hevitry Rajoelina. Ny fahazoako izany hoy izy, dia mizarazara ny fat. Mazava fa ny Sadc dia tsy manaiky izay ataon’ny mpitondra ankehitriny. Matoa ny filoha Ravalomanana Marc tsy niditra tamintsika teto dia tsy hoe matahotra akory izy, fa mahatoky ny mpanelanelana. Izy efa nilaza hoy Henri, fa tsy misaraka amin’ny Sadc isika fa vonona ny hanaraka izay lazain’izy ireo. Nambarany ihany koa fa tsy misy izany fiandrianam-pirenena izany, satria ny frantsay mitsabatsabaka amin’ny raharaham-pirenena. Efa lazaina hoy izy fa tsy miady io fitsarana io nefa mbola ataon-dry zareo ihany. Misy ny milaza fa hampidirana mangingina ny filoha Ravalomanana Marc . Efa niteny ny tenako hoy ity mpanao politika ity, fa raha vao tonga eto izy dia feno olona eny Ivato. Misy ihany ireo fozakely kanefa tsy hanaiky lembenana ny vahoaka. Noho izany hoy izy, dia aoka isika tsy ho mora kivy, fa efa tsipaky ny miala aina ny an’ny fat. Eto ihany no hilazana ny fahatongavan’i dada ary izy efa niteny fa roa andro mialoha dia efa ampahafantarina antsika izany. Marihina fa rahampitso dia hetsika lehibe no tanterahina eny an-toerana,ka ny Kmfb no hikarakara ny fanomanana rehetra mahakasika izany. Hisy ny fampirantiana sary amin’io fotoana io. Noho izany dia manentana ny rehetra ry zareo ho tonga maro hanatevin-daharana ny hetsika.

8 pensées sur “RANDRIANJATOVO HENRI : EFA MISAVORITAKA NY FAT”

  1. Mihaiky anareo aho R i Randrijatovo Henri sy ny leaders maro na rehetra ao @ mouvance Ravalomanana,na inona tranga,na inona zava miseho ,dia TAFAHODIN I TAJOELINA HO AVANTAGE HO AZY DAHOLO IZANY .
    atramin’ny 2009 (26 juin )izany ,ka atrany Maputo ,…addis abbeba ,ny feuille de route, i Charles Andrianasoavina i Ramarosaona..) dia izy ihany (I Rajoelina sy ny fanapotehana ny taranaka malagasy ) no mandroso atrany .
    Koa miala tsiny @ ireo leaders sy r i ao @ Mouvance Ravalomanana ny tenako ,fa raha ianareo no hendrasana tompoko na Haniry nify aza ny Akoho dia tsy handroso ity Tany ity .
    Ary ny momba ireo fikambanana hafa any an dafy koa dia mampieritreritra ny Fiatraikany @ fampandrosona ny tolona .

  2. Ahoana aloha ny fiarovana ny ain´i DADA raha miditra eto, tsy efa misy planina vitan´ire frantsay sy miaramila frantsay ve izao any, matoa i rajoelina mody tsy taitra amin´io resaka fodian´i DADa io.

    sao sanatria ka o vonoin´ireo tsivalahara ireo i DADA.

    indrindra ilay izy midina ny fiaramanidina sy vao tonga iny ,ahaona ny hiaraovana azy,
    izy hanao propagande ,ahoana ny hiaraovana azy.

    ny toerana hipetrahany sy ny fianakaviany.

    mbola ireo miparitaka sy mireniereny ireo anie ny fahavalo . ary mbola manana fahefana sy basy.

    ny frantsay mbola mifikitra sy mbola te hifikitra, manampy eo foana

  3. Nandefa antso ny GTT ,ny 3 octobre ,Fiaonana ny 7 octobre 2012,
    Hantenaina mba hitondra ny hevitra handrodanana ity Fitondrana Rajoelina @ fomba rehetra .
    aoka izay ny resabe .

  4. ravelonarivo,
    Maro dia maro ny fikambanana natsangan’ny malagasy, saingy ny ankabeazany dia indrisy, ny fandihizana sy ny misakafo no mbola tena mahafinaritra an-dry zareo atramin’izao !
    Lavitry ny maso ka lavitry ny fo ê ! Maro amin’izy ireo moa no tohanan’ny frantsay, any ka tsy sahy manenjika na mitantara ny zava-misy ry zareo, fa toa misolelaka aza no ataony !
    Efa talentan’ny malagasy io misolelaka io indrindra fa amin’izao fotoana izao ! Havako raha misy patsa ; noho izany dia ny fotsy hoditra izao no tena havany, fa izay havany malagasy any tsy misy quoi rahatoa ka maty any aza !
    Mampalahelo ilay toe-tsaina !

    Rehefa tsy avela miteny, sy rahonana ireo mpiasam-panjakàna Contrôleurs sy Inspecteurs d’Etat, rehefa nomena an’ny dadatoan’ny vadin’ilay sefon’ny mpanongana ny fitantànana ny banque centrale, dia izao indray ny naman’ny mpanongana ihany koa no lasa mpiandraikitra an’ireo mpiasan’ny BIANCO sy SAMIFIN !

    Ny paolisy sy zandary ary miaramila moa dia efa fantatra, fa tsy afaka misakafo raha tsy efa avy milelaka ny tongotr’ilay mpanongana mba tsy hilazàna zavatra hafa !

    Mampalahelo !

  5. Encore la Radio Coloniale RFI qui fait des siennes et lance une honteuse operation auprès de ceux qui ne veulent pas du Retour du PRM Ravalomanana, dont……la France !

    Ce samedi en effet, RFI (toujours pour le soutient deu Putschiste), sort l’article suivant:
    http://www.rfi.fr/afrique/20121005-madagascar-vente-avion-marc-ravalomanana-fait-polemique

    @ KM,
    Pour demain, disons honnetement que ce sera à….lundi !!! Sorry , raison familiale !!! Ce qui n’empechera pas, une pensée en prière !!!

  6. ENCORE UNE FOIS!!!!!!!!!!!!BRAVO à tous !!!!On se reveille !!!
    car :
    JEUDI QUI VIENT : SIT-IN devant l’Ambassade de France à Ambatomena !!!

    DES PAROLES ET……..DES ACTES !
    APPEL à tous les Patriotes !!!!!!!!!!

    JEUDI QUI VIENT : SIT-IN devant l’Ambassade de France à Ambatomena !!!

  7. F’angaha moa tsy efa mazava hoe: mody tsy misy fepetra i Marc Ravalomanana ary ny fanjakana tetezamita aza no tokony hiaro aza amin’ny maha-olon-pirenena azy.Ankoatran’izany dia eo koa ny SADC izay manana solontena hampahatsiahy ny tondro-zotra ho an’ireo nanao sonia an’io antontan-taratasy io fa ireo ao amin’io tetezamita io dia miankina amin’ny tondro-zotra no ananany fahefana.
    Ka noho izany maninona isika no mametraka io fanontaniana io lazain’i Misajaona io?

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *