RAVELONANOSY MAMITIANA : MISY PAIPAIK’ADY IO FIFIDIANANA IO

Namita iraka tany amin’iny faritra Tsiroanomandidy iny ny Ct Ravelonanosy Mamitiana, ka ela ela tsy tazana teny an-kianja. Araka ny nambarany androany teny amin’ny Magro Behoririka dia mijaly ny olona any amin’iny faritra iny, fa ilazaony ny tontolo ambanivohitra noho ny halatr’omby manjaka any an-toerana. Hatrany Amparafaravola hoy izy,dia ahitana izay asa dahalo izay, noho izany dia tsy any Atsimo ihany no misy dahalo fa mitaraina daholo ny rehetra. Rehefa tsy mahavita dia aleo manaja tena. Mahakasika kosa ny fahatongavan’ingahy Simao eto Madagasikara androany dia nambarany fa manontany tena ny rehetra hoe : ahoana ny hevitry ny Sadc sy Simao. Tsotra ihany ny antsika hoy ity mpanao politika ity, ampiharo ny tondrozotra, ampodio ny filoha Ravalomanana Marc fa izay no hamaha ny olana. Inona nefa hoy izy, no tahotra anareo amin’izany. Tsy misy fifidianana izany eto raha tsy tonga izy. Ny fitoniana politia ihany no antoky ny fifidianana. Noho izany hoy Mamitiana, dia raha tsy tanteraka ireo dia sarotra ny hanatanteraka fifidianana. Efa niteny momba ny Radio fahazavana isika hoy izy, fa nahoana ny FreeFm no sokafana. Rehefa teren’ny firenena Afrika Atsimo ianareo dia sokafana. Ny ao amin’ny Rnm sy Tvm aza hoy Mamitiana, dia tsy misy ampahany ho antsika dia ahoana izany ny fampielezan-kevitra. Raha tena hanao fifidianana marina dia sokafy ny radio rehetra satria efa nifanarahana izany. Ny ankolafy Ravalomanana hoy izy, dia tsy mandà ny fifampiresahana fa raha hampandeha ny tondrozotra dia tanteraho.. Raha hanao afera kosa dia maial tsiny amaianreo fa mitondra poizina eto amin’ny firenena izany. Manao antso avo ho an’ny Sadc isika hoy ity olomboantendry ity, ampodio aloha ny filoha Ravalomanana Marc araka ny fanapahan-kevitrareo. Nambarany ihany koa fa efa miasa any amin’ny fokontany any ireo solontenan’ny Cenit, kanefa misy ny tsindry avy amin’ny lehiben’ny fokontany. Dikan’izany hoy izy, dia tsy mahaelo tena io rafitra mampandeha ny fifidianana io.Kendrena ny tsy ahafahantsika mifidy ary tsy ahafahana mandray anjara amin’izany. Misy paipaikady raha izay no izy. Ny marina hoy Mamitiana , dia mitady vola atsy sy aroa ny fat hanaovana ny fifidianana fa tsy miraharaha ny fifanarahana etsy sy eroa. Manomboka mivily amin’ny tondrozotra ny fat fa miverina amin’ny fanapahan-kevitr’olon-tokana. Momba ny tolona dia nambarany fa tonga eto Ravalomanana Marc vao mijanona ny tolona. Noho izany dia izy mijoro mandray micro no manajanona izany.

9 réflexions sur « RAVELONANOSY MAMITIANA : MISY PAIPAIK’ADY IO FIFIDIANANA IO »

  1. Une équipe de la sadc dirigée par le dr Léonardo Simao sera à Madagascar du 09 au 13 octobre pour une mission de consultation des parties prenantes dans le cadre de la mise en oeuvre de la feuille de route avant les élections./

    Finalement l’envoyé des Povcons n’arrive pas ce jour,aucune date pour sa venue est annoncée .
    Koa hamafisiko indray ,Ny Malagasy ihany no hahavotra an i Madagasikara ,rehefa tsy hanao ny leaders sy ny filohany ,dia mandroso @ lalina kokoa r i Vahoaka.

  2. Tsy hanao ny vahoaka Ravelonarivo a! Tsy hanohana olona povcon sy malade araka ny voalazanao izy. Mpamono olona sy nanodikodina volam-bahoaka @tapitrisa dolara ve, atao ahoana indray ny hamerenana azy hihinana sy hanarina ny fatiantony hatramin’izay nanaovany démission izay. Omenareo tsiny foana woa ny vahoaka, satria tsy te hahalala ny dadanareo, ka hatramin-dry K aka M erida aza milaza ny vahoaka kamo be tenda.
    Fantatr’olona foana ane, na de mafy aminy aza izao krizy izao, ny olona tia tanindrazana sy te hanao zavatra e!

  3. Ny régime foza ankehitriny no régime le plus meurtrier de toute l’histoire de Madagascar. Fantatry ry Bogor ve izany ?

  4. IZAO NO TATITRA AO @ SITE TIAKO MADAGASIKARA ,

    /Rolland Ratsiraka accuse Rajoelina d’avoir pris le train en marche à propos des projets que ce dernier a inauguré à Toamasina

    dIA IZANY RESAKA IZANY NO HEVERIN NY SASANY HAMPITSAHATRA ITY TETEZAMITAN I RAJOELINA ITY.

  5. 0 ry isiaka vahoaka zanak’i Dada an! aleo angamba tairina aminizay izay tairina fa tadiviny ry SIMA Ô lalaovina isika tena tompony Madagasikarza an ! ka isika no tompony teny farany fa raha i TGV TSY VANONA dia efa hanolotra ny ainy aminy ry zareO MENA SOFINA ity araka ,ilay fiteny woe VVS.

  6. Ah salut RaVerbe!!! elaela ndray ny akama zany, ary @zay tonga de manao be fihavy. Fangaha nisy naharary be tao Raverb a! mapme be nareo a! au moins ny tenanay, mampiakatra tosidra olona iray eto isan’andro. Anisan’izany Verbeeck izay tsy matin’edala lolo mihitsy io vôplôsy beanay io. Fanga hono efa nahita Raverba a! Hita eny ihany ny maha homo, PD anareo. Misy karazan’olona ireo zanakidada ireo a!

  7. ENSEIGNEMENT PUBLIC: le Gouvernement a décidé de subventionner les droits d’inscription des élèves inscrits dans les écoles publiques, en vue de favoriser la scolarisation du plus grand nombre d’enfants et pour alléger les charges des ménages. Le montant ou le taux de cette subvention n’a pourtant pas été communiqué.
    Enfin, une bonne mesure vis à vis des enfants.J’espère qu’elle n’est pas une démarche à des fins électorales.Dans cette même optique, pourquoi ne pas couvrir les dépenses en eau de la population par les retombées qu’on perçoit de l’exportation des bois de rose?
    Juste un gage de bonne volonté.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *