TSY HANAIKY NY TSY FAHAIZA-MITANTANA ATAON’ NY FAT

Ny zavamisy any Ambohibato Faritra Fianarantsoa hoy ny Ct Raharison Roger Fidéle teny amin’ny kianjan’ny Magro Behoririka androany dia tsy mandry fahalemana ny vahoaka. Manjaka ny dahalo, ny doro tanety ka miraviravy tanana ny mponina. Izany rehetra izany hoy izy, dia noho ny tsy fahaiza-mitantana ataon’ny fat. Nitety kaomina vitsvitsy tany an-toerana ny tenanay hoy Fidéle, ka ny zavatra tsapa dia toka-po tahaka ny siny izy ireo, izay tsy mahalala afa tsy i dada ihany. Tsy manaiky izao tsy fahaiza-mitantana izao izahay hoy izy, fa i dada ihany no afaka mampandroso ny firenena. Dikan’izany hoy ity mpanao politika ity, dia miandrandra tanteraka ny fahatongavan’ny filoha Ravalomanana Marc eto an-tanindrazany ny vahoaka avy any Ambahibato. Miha mavesatra ny entana ankehitriny ka maro ireo  sakana. Noho izany dia mahareta isika. Amin’ny ankapobeny hoy ity olomboantendry ity dia tsotra ny tenin’ny vahoaka fa efa vita « gravage » ny olona hofidian’ny vahoaka dia dada ihany.

Ny Cst Randrianjatovo Henri kosa dia nananafatra ny vahoaka mba tsy ho voarebirebin’ny sasany. Nisy hoy izy ; taratasy aparitaka hitarika ny zanak’idada ho tonga teny Tanjombato any amin’izany trano bongo izany tamin’ny Sabotsy lasa teo. Ny Gmmr no manao izany fisarihan’olona izany. Voalaza ao anatin’izany taratasy izany fa «  noho ny fitarazoan’ny famahana krizy eto amin’ny firenena dia antsoina ianao, ho tonga eny amin’ny hotel trano bongo …. » Izany no ataony hoy Henri, dia efa lany henatra izy ireo. Dradradradraina etsy sy eroa ny fampihavanam-pirenena dia amin’izay mody hoe tanteraka daholo ny tondrozotra. Rehefa hanao izany fampihavanana izany hoy izy, dia tanteraho ny tondrozotra. Avoahay ny gadra politika, sokafy ny rado nakatona. Nambarany ihany koa fa matoa i dada tsy niditra teto dia efa misy zavatra voasoritra miaraka amin’ny Troika any. Noho izany hoy ity mpanao politika ity, dia aza miroaroa saina isika fa efa mazava fa tsy maintsy mody ny filoha Ravalomanana Marc ary afaka milatsaka. Tabatabaina teto ny force one, fa nankaiza Remenabila, nankaiza ny andramena, ny vola nangonina tao Anosikely. Misy ireo miaramila tena tandroka aron’ny vozona izay nihaona tamin’ny Troika hoy Henri, ka ilaina izy ireo rehefa tonga i dada. Isika vahoaka rahateo efa vonona ny hiaro azy.

7 pensées sur “TSY HANAIKY NY TSY FAHAIZA-MITANTANA ATAON’ NY FAT”

  1. Asio rivotra kely ny trano, fa danza be izany fofona izany ry zareo â !
    Fofom-poza tsy misy toy izany !! Manimba fahasalamàn’ny vantana sy saina !

    http://www.cchst.ca/oshanswers/chemicals/chem_profiles/ammonia/health_ammonia.html

    Mba hanao tahak’ireo namana ny tenako, ary miala tsiny rahatoa ka hivoaka kely haka rivotra fa tena tsy tanty ilay fofona. Asa na manao ahoana izany « olona » tsy nisasa nandritry ny iray volana izany ? Tsy mahagaga raha ny frantsay irery no mety ho tia, ary voaporofoa amin’ny ny tantaran’i Henri IV izany !!

    Na izany aza, mba ampitaina kely aloha izay vaovao azo zaraina : Tsy norarahin’ilay domelina ny fikarakaràna ny nofon’ny rafozam-baviny, fa ny bizina any Dubaï no « mahafatifaty » azy !
    Navelany ilay Mialy, hikarakara irery ny fampodiana ny vantana mangatsiaka an-dreniny, fa i lery manohy hatrany ny bizina miaraka amin’ireo « namana tsy fohy » !
    Ho tonga eny Ivato daholo koa ve izany ry zareo avy ao amin’ny Capsat, ry R. Baomba, sns…, hanome voninahitra an-dRatompokovavy Razakandisa mpanasoa miaramila ?

  2. Raha dinihana ireo mety ho vahaolana amin’izao tranga izao dia ireto avy raha ny hevitro manokana:

    1./ Tsara ho fantatra haingana izay fanapahan-kevitry ny SADC tamin’ny fivoriana tao Dar-es-Salam momba ny fiarovana mety ilaina hoan’i Ravalomanana.
    2./ Rahatoa ka sanatrian’izany tsy mahafa-po be sy ny maro ny fanapahan-kevitry noraisindry zareo tany dia mety hisy fepetra manokana ho raisina amin’ny fampodiana an’i Ravalomanana (siosio-dresaka io)
    3./ Rehefa tsy raikitra io faharoa io dia aleo ary atao resaka samy malagasy ka antsoina amin’izany ireo lehiben’ny mpitandro ny filaminana dimy lahy izay tsy manaiky ny hodian’iMarc Ravalomanana, miaraka amin’ireo solontenan’ny CNOSC, eo ihany koa ny biraon’ny FFKM ary ny ankolafy Ravalomanana mba hifampidinika.
    4./ Raha tsy tanteraka io dia iangaviana ireo manamboninahitra 17 tsy am-perinasa miampy ny fikambanana mamita mba hanome soso-kevitra momban’ny famahana an’io olana io.
    5./ Mikatso daholo izay dia ny vondrona diplomatika ao Dago no tokony hifamory ary haka ny fanaman-kevitra farany.Ahoana ny hevitrareo?

  3. fa mba olona ve ity resahanao mba ahatsapa tena ny @ resaka adidy ry kintana??
    MAHONENA ilaikely !!na maty aza izy Kintana efa voky volan’i Bois de rose a!!
    aza misosoka alahelo Tompoko!!mbola be ny ho sisa ,tombon-dalana ny azy fa samy mbola hanaraka iny lalana iny
    daholo, misy sampanana ihany ao aloha ao fa tandremo.
    Ratsimilaho tsy misy azo hatao sy hianteherana intsony eo raha tsy i dada e!!izy rahateo efa nanamafy .
    Mampalahelo Fa dia izany no izy.

  4. Ny foza TSY MPANÀJA LALÀNA SY NY ZOAN’NY VAHOAKA MALAGASY indray ity no miseho be kritika, sy mizesta !!!
    L’hôpital qui se fout de la charité !!

  5. Efa hifarana ny taom-mianarana any amin’ny oversite, kanefa mbola tsy azo ny vatsim-pianarana !
    Fianarana izany moa dia inona mihintsy amin’ity domelina ity ê ? Tadiaviny ho tahak’azy daholo ny olona !

    Etsy an-daniny, laniana amin’ny rendrarendra toy ny mahazatra ny vola satria misy bizina azo atao ! 535 000 dollars hono no lany nanaovana terrain any carion kanefa ny mpianatra rehetra, na kely na lehibe mandray ny kihoany daholo ! Rehefa tsy voadaroka amin’ny klimozena, dia tsy omena vatsim-pianarana, na koa ampitomboina tsy misy tahak’izany ny saram-pianarana !

    Na ny EPP (fananam-panajakàna) avy aza dia dorana miaraka amin’ny tranon’olona !

    http://www.midi-madagascar.mg/index.php/component/content/article/8-faits-divers/8463-betroka-ady-aminny-dahalo–trano-70-nodoranireo-mpitandro-ny-filaminana

    Biby mi-tourne, tsy misy loha mihintsy !

  6. DAHALO : panique générale à Antsirabe suite à la publication de tracts annonçant l’arrivée prochainement des dahalo dans cette localité. De nombreux habitants de plusieurs quartiers de cette localité ont déjà fui leurs villages mercredi dernier.

    Date : 26/10/1

    Antsirabe:A ne pas confondre avec la troisième ville de la Grande Ile.

    Et maintenant les dahalo se permettent de prévenir les villageois de leur projet.Mais où est la loi qui fait régner l’ordre? N’y a-t-il plus d’État?

    Je voudrais vous rappeler que Rajoelina était en Israël pour acheter des appareils électroniques d’écoutes car ce pays excelle dans le mini-électronique et le micro-informatique.Ceci dit, le gouvernement devrait suivre la même démarche afin d’équiper les forces de l’ordre de matériels efficaces pour pouvoir lutter contre les dahalo.

    Afin de parer à une telle situation de provocation de la part des dahalo, il faudrait:

    – demander aux villageois comment ces tracts sont arrivés au village
    – se saisir un de ces tracts pour retracer la source d’impression à partir d’une analyse digitale faite par une de ces machines achetées en Israël.
    – Une fois qu’on a les éléments ci-dessus, on identifie les coupables.
    – Arrestation et condamnation des coupables par un tribunal compétent.
    – Démantèlement du réseau et saisie des armes et matériels en utilisant toujours des matériels fournis par le gouvernement.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *