TSY MAHALALA AFA TSY NY FILOHA RAVALOMANANA MARC NY VAHOAKA MANERANA NY NOSY

IMG_1818

Nitohy tetsy amin’ny kianjan’ny Magro Behoririka androany ny hetsiky ny vahoaka mpomba ny ankolafy Ravalomanana. Toy ny mahazatra dia nisy hatrany ny lahateny nifandimbiasan’ireo mpitarika teny an-toerana. Ny solontenan’ny gadra politika Andriamatoa Ragodonarison Guy Roger, dia nanao fanentanana ny vahoaka hameno ny lisitry ny mpifidy eny amin’ny fokontany. Aoka isika hoy izy, handray ireny olona mitondra taratasy hanao fanisam-bahaoaka ireny. Aza mijery hoe olona avy amin’iza na iza ny olona manao izany. Diso be hoy Raguy ny fiheverenantsika fa tsy hameno ny fanisam-bahoaka. Tadidio hoy izy, fa ny filoha Ravalomanana Marc dia hilatsaka hofidiana ho filoham-pirenena amin’ny fifidianana ka vato ho azy no arotsantsika. Noho izany dia aoka isika hanaramaso ny lisim-pifidianana any amin’ny fokontany misy antsika any. Aoka ihany koa isika hanaramaso ny olona manodidina antsika. Ny mpikambana ao amin’ny kongresin’ny tetezamita Rasoanoromalala Horace dia nitatitra ny zavamisy hitany tany amin’ny faritra nalehany. Tany amin’iny faritry Menabe iny ny tenanay hoy izy, ary avy eo nandeha 200 km niala avy. Fanontaniana no napetrany hoe : manao ahoana ny endriky ny fat ? Raha miala eo an-tampon-tanan’i Menabe hoy ity olom-boantendry avy ao amin’ny boriborintany faha 6 ity, dia mamirapiratra ny fat, fa raha miala avy eo kosa dia efa rotiky bala ny vahoaka. Momba ny lalana dia nambarany fa ireo fitaovana napetraky ny filoha Ravalomanana Marc dia mipetraka eny antsisiny sisa fa mandeha any anaty rano ny olona. Fa inona marina hoy Horace no ataon’ny fat ? Fahoriana no  manjo ny vahoaka malagasy manerana ny Nosy. Raha ny fandriampahalemana indray dia nambarany fa nifanehatra tamin’ny dahalo izy ireo. Nipararetra izahay hoy izy, raha nahita azy ireo. Nilaza anefa ny vahoaka hoe : tsy hanafika anareo ireo fa ny fiaranareo tsy ampy 20millions akory, fa omby no tadiavin’ireo. Teo hoy Horace, vao tonitony ny saina. Nisy ireo olona naratra sy maty vokatr’izay asa dahalo izay. Ny zavamisy dia lalana vita tara 650km ka isaky ny 5km no sakanan’ny zadary ny fiara. Rehefa miditra lalan-tany anefa hoy izy, dia tsy ahitana zandary izany intsony. Ny mpitondra sy ny zandary izany no iray tsikombakomba amin’ireo dahalo. Raha nanontanianay hoy Horace ny vahoaka tany an-toerana hoe : iza no mpitondra anareo. Valintenin’izy ireo dia ny hoe tsy mahalala afa tsy ny filoha Ravalomanana Marc izahay, satria izy ihany no afaka mitondra fampandrosoana.

9 pensées sur “TSY MAHALALA AFA TSY NY FILOHA RAVALOMANANA MARC NY VAHOAKA MANERANA NY NOSY”

  1. TSY MAHALALA AFA TSY NY FILOHA RAVALOMANANA MARC NY VAHOAKA MANERANA NY NOSY.

    NA METY HO MARINA AZA IZANY KA HIKIAKA IO FAONA NO HATAO ,DIA I RAJOELINA SY NY ASANY NO HANDROSO ATRANY.

  2. La Communauté internationale n’écarte pas l’éventualité du report de la date des élections./

    PROFO IO FA MBOLA HAHARITRA NY FITONDRANA RAJOELINA .

  3. Ho antsika rehetra manohana an’i PREZIDA RAVALOMANANA dia mba vakio kely ity lahatsoratra nataony ny TENA FOZAORANA voky tanjy ka manjary mirediredy mitovy aminy ADALA.Ny olona haotranitony dia mendrika avaladrano ao anaty GONY.

    Hery Rasoamaromaka : Marc Ravalomanana doit avoir le consentement de tous pour rentrer
    15/10/2012 à 15:34

    Hery Rasoamaromaka s’exprime sur le cas de Marc Ravalomanana

    L’arrivée de Marc Ravalomanana vers la fin de cette semaine est murmurée dans la classe politique. Des acteurs politiques alliés au régime comme Hery Rasoamaromaka n’ont pas tardé à exprimer leur opinion sur une telle éventualité.

    Hery Rasoamaromaka, coordinateur du TGV pour la Région Analamanga se réjouit de l’existence de la Feuille de route. Grâce à ce document de sortie de crise et la direction consensuelle de la Transition, il estime que Marc Ravalomanana ne peut plus revenir au pays selon ses pratiques précédentes. « Il ne peut plus dire qu’il va revenir à une telle date. Il doit avoir le consentement de tous à l’issue de discussions pour pouvoir rentrer », a-t-il souligné. Et d’ajouter que ce retour doit faire l’objet d’études et de réflexions du fait qu’il pourrait être la source de troubles dans le pays.

    Le coordinateur régional du TGV a poursuivi son allocution en félicitant la SADC d’avoir choisi d’envoyer deux délégations d’évaluation à Madagascar. Tout en reconnaissant la force du lobbying menée par l’exilé d’Afrique du Sud, il est convaincu que les visites de ces délégations devraient permettre à la communauté internationale de se rendre compte de la réalité du contexte économique et social à Madagascar. « Certaines personnes prétendent aux yeux du monde entier qu’elles sont toujours soutenues par le Peuple malgache et que leur retour au pays est une condition sine qua non pour la mise en place de l’apaisement à Madagascar », a-t-il soutenu. Hery Rasoamaromaka est persuadé que l’arrivée de Marc Ravalomanana provoquera une vague de troubles dans le pays, et que le moment n’est pas encore opportun pour ce retour.

    Hery Rasoamaromaka ne se différencie pas de ces pseudo-politiciens qui prétendent se préoccuper des Malgaches et qui croient connaitre ce qu’un peuple de 22 millions de citoyens désire, alors que leurs partis n’ont rien affronté de plus que les élections municipales. Un fuyard en avant de plus qui sent que son poulain n’est pas de taille à affronter son prédécesseur ?

  4. Efa mazava ny dian´i SIMAO fa hamorona izao rehetra hanakanana aní filoha Ravalomanana hiditra eto.

    Ireo olon´ny SADEC hoy ah, mijijy baolina fa efa tsara petraka ny planina, efa voky vola tamin´ny Frantsay ireo filoha ao amin´ny SADEC ireo . Aoka isika tsy mihesona.

    I simao ,tsy mety milaza ny marina momba ny fodian´i DADA fa arirarirany ny resaka, izany resaka fampihavanana izany foana, hoe apaisements koa hoe. Dia lazaina fa hitondra korontana ny fodian´i DADa ,ka hanapak´hevitra ireo SADEC fa tsy mety raha mody ny Filoha Ravalomanana Marc. Dia ho ilay rajoleina no milatsaka, izay mahatonga an´i rajoelina tsy taitra momba ny fodian´i DADa , ny tafika sy ry Bomba tsy taitra fa efa maty paika ny planina momba ny tsy fodian´i DAD sy ny firosoan´ny fifidianana tsy mihemotra.

    anjarantsika vahoaka no mihetsika, tsy manaiky izany ary tsy manaiky fifidianana tsy misy an´i DADa, nefa vao misy ny korontana dia lazaina fa i DADA no tsy manaja ny FDR dia éliminé.

    fa ny Amerikana tokony mba manampy antsika vahoaka, mba tsy hanekena ny hilatsahaníreo mpanongam-panjakana sy ny forongony, ary manampy ny fodian´i DADA ihany koa.

  5. Mahagaga mihitsy ry zareo ny ataon’ny olom-bitsy fa mody tsy mahita ny zava-misy.Raha ireny olona nandeha nitsena an’i Marc Ravalomanana ireny dia hita fa maro no miandry azy ary manerana ny nosy izany.Ka ireto avy ny zavatra tokony ho fantatra raha tiana hilamina ny tany:

    1./ Milatsaka ho fidina i Marc Ravalomanana satria maro ny miandry azy ary manana zo hilatsaka izy.
    2./ Tontosaina ao anatin’ny mangarahara ny fifidianana ary miniana ny hampihatra ny demôkrasia izay voafidy.
    3./ Milatsaka ho fidina izay te-hilatsaka ka manana zo ny hilatsaka.
    4./ Avela mamita ny teteza-mita i Rajoelina araky ny voalaza ao amin’ny tondrozotra.
    5./ Ny firenena mikambana no manara-maso raha tanteraka tsara ny fepetra rehetra momba ny lalàn’ny fifidianana.

  6. Olona tahak’itony rasoamaromaka-fananam-bahoaka itony anie izao, no midelira sy manohana an’ilay domelina ao ê !

    TSY HISY FIFIDIANANA IZANY EO !! IZANY NO TADIAVINY, KOA DIA MALAHELO AHO RY RATSIMILAHO MILAZA AMINAO FA TSY HO TANTERAKA RAHOVIANA IREO TEBOKA DIMY RESAHINAO IREO (Raha mbola tahak’izao foana ny fomba famindra) !

    Zesta entin’ny mpanongana hadaniana ny volam-bahoaka etsy sy eroa fotsiny ireny dian’i domelina any amin’ny faritra ireny ; tiany ho hitan’ny vahoaka fa izy izao no filohan’ny REPOBLIKA FAHA EFATRA. MARIHINA FA TSY AZONY NATAO AKORY ILAY REFERENDUM NATAO TAMIN’NY 2010 INY, ANY KA TOKONY TSY MANAN-KERY ! FEHINY : TSY MISY.

    Rehefa zavatra tsy tokony ho ekena, dia tokony tsy ekena fa dia lavina sy lazaina amin’ny vahoaka !

    Mbola mamerina ny fanontaniako ihany aho :

    Maninona ny vahoaka malagasy no manaiky zavatra tsy azo ekena ? Mba misy manazàva an’izany amin-dry zareo ve ? Maninona koa, ry Mamy Rakotoarivelo ary ireo ministra , CT, CST avy ao amin’ny Ankolafy Ravalomanana no tsy mba misy miteny ihany koa, fa dia toa manaiky, satria manisy sonia taratasy misy soratra hoe REPOBLIKA FAHA-EFATRA ??

    Sa dia nifindràn’ny aretin’ilay domelina daholo ?

    Ny tadiavin’ny frantsay dia ny tsy hilatsahan’ny Filoha Ravalomanana, ary ry zareo tsy miraharaha an’io domelina io !

    Azo ekena ve izany ? Tsia ny valiny raha izaho manokana, satria fanohànana ankolaka ny fanonganam-panjakàna izany ! Izany toe-javatra izany no tokony ho kianin’ny vahoaka voalohany indrindra !

    Efa fantatry ny frantsay ny toe-tsain’ireto TGV (Traîtres – Galeux – Vauriens) ireto, fa dia noterena ny malagasy hampiatra an’io hoe tondrozotra io ; mangataka ny malagasy ry zareo mba hanao an’izay tsy hiletehan’ny masoandro !

    Guerre d’usures io, fa dia izay mahasoa ataon’ny Tompo ê ! Mbola ao anatin’ny haizina aloha ny malagasy atramin’izao !

  7. Ilay zavatra tokony ho toerina mihintsy no EFA TENA BE LOETRA ka
    eto no olana goavana , tsy afaka mifantoka @ zavatra iray itsony fa satria
    manandanja daholo ilay lesoka, indrisy fa izay no tena marina.
    Inona no ho lazaina @ vahoaka eo e???efa vitavita any foana ny sonia dia TERENA fotsiny ny VAHOAKA HANAIKY,
    fa mba misy fierana ve???SANATRIA!!!tena mino mafy aho fa raha mba nisy fierana t@’ ireny sonia nannamafisana ny
    sezan’i domelina ireny dia TSY MISY NANAIKY AN’i DOMELINA HO FILOHA izany mihintsy teo.
    Miala tsiny aho Kintana fa tsy ny VAHOAKA mihintsy no HANAIKY ireny sonia tsy nitondra inona ireny fa ireo MPITARI-
    BATO VILAM-BAVA, ny lazain’i vava hafa moa ny soniavin’i tanana hafa.

  8. Samy naheno ny Kabarin’i Mamy Rakotoarivelo farany daholo isika an!!!
    TSY MAINTSY MODY ALOHAN’I 18 HOY IZY I DADAdia samy eto isika ary,
    efa 16 androany.Farafaharatsiny akombona ity vava e!!!amiko ilay izy fandravana ilay tolona ,atao leomonina
    anaovana toetra tsy zaka ilay mpitolona AHAKIVY AZY IREO HIPARITAHANY. I dada anefa efa nanamafy fa
    izy ihany no MILAZA MIVANTANA ny FAHATONGAVANY , ka inona no mbola mahalingitra e!!!voavidy ve sa???
    tsy dia tonga matetika eo @ Magro Mamy R fa isaky ny tonga eo izy dia mba henoy tsara fa manome daty foana
    izy ny @ FAHATONGAVAN’i DADA hatr@’izao anefa TOMPOKO isany ……………..

  9. Ingahy Ravalomanana efa nilaza, fa IZY IRERY IHANY NO MAHAFANTATRA SY HANOME NY DATY HIVERENANY !
    Ny cinéma ataon’ny mpanongana sy ireo mpanohan’azy dia gesticulations entina handemena ny saim-bahoaka, sy HIHINÀNANA NY VOLANY hoy aho !
    Tsy hiverenana ilay fanaovan-tsonia, fa notanterahina araky ny tokony ho izy ve ? Iza no tena sakana ? Iza no NANDIKA SY TSY NANARAKA ?
    Olona nahavita fanonganam-panjakàna, tsy hiraharaha an’izay Fifanarahana any, na ny soniany aza tsy najainy !

    Misy ve ny fahalalàhana, indrindra amin’ny fanehoan-kevitra ? Amin’izao SADC ao an-toerana izao dia TOKONY HIVOAKA SY HAMPISEHO NY VAHOAKA FA MIANDRY MAFY NY FIVERENANAN’NY FILOHA RAVALOMANANA !

    TSY MIANTSY ADY NA INONA AKORY, FA MITAKY NY RARINY SY NY ARA-DALÀNA ARY INDRINDRA INDRINDRA NY FANATONTOSÀNA AN’ILAY :

    TONDROZOTRA !

    Voasoratra ao anatin’ilay tondrozotra fa izay tsy MANARAKA DIA MIALA ( ary tokony ho saziana) !!

    SAZY HO AN’IREO MPANONGANA IREO NO TOKONY TAKIANA AMIN’IZAO FOTOANA SATRIA EFA HITA, ARY MARO NY FANDIKÀNA SY ZAVATRA TSY METY ATAON-DRY ZAREO !

    Histoire de la « veuve noire » (malgache) ! Izao..monja sisa !!!!

    http://www.sandrinecohen.com/realisatrice_documentation_meurtre_devant_club_echangiste.php

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *