TSY MISY MITSOAKA ADY ETO

IMG_0545

Eto aho hoy ny Cst Leriva Manahirana, avy any Brickaville, teny amin’ny kianjan’ny Magro Behoririka androany, dia te hiteny ilay jeneraly iray mahay be iny. Manodiava anao hoy izy, ny nahazo anao. Manao olona ianao tsy nahalala maty ka rehefa ataon’ny olona vao be vava. Ny baomba teny Masay hoy Leriva, dia mailaka ianao milaza fa Mamy Rakotoarivelo, no nanao azy nefa mbola tsy nisy fitsarana akory.Tsy momba an’i Alain Ramarson akory izahay, hoy izy, fa aleo ianao ataony any. Mahatantesa valin-kitsaka fa ny nataonao olona no avalin’ny olona anao. Ianao ihany hoy ity mpanao politika ity, no miampanga ny ankolafy Ravalomanana eto amin’ny firenena rehefa misy zavatra mitranga. Momba ny FFM dia nambarany fa raha ny tenako no manome naoty azy ireo dia zero. Novana fotsiny ny anarany hoy izy, fa ny olona tsy misy miova. Iray tsikombakomba amin’ireo ray amandreny mijoro ianareo ao anatin’ny governemanta raha mankatoa ireo. Noho izany hoy Leriva, dia tsy izy ireo aminay satria olona mitongilana amin’ny fikambanana iray. Raha tany amin’ny fivorian’ny firenena mikambana Rajoelina hoy ity olomboan-tendry  avy any Brickaville ity, dia niresaka tamin’ny olona etsy sy eroa. Ny resaka nataony dia ny hoe ny filoha Ravalomanana Marc dia tsy afaka milatsaka. Ny zavamisy hoy izy ,dia nisy ny hafatra avy any amin’idada milaza fa hamafiso ao amin’ny olona ao an-kianja fa tsy maintsy tonga ny tenako, ary milatsaka hofidiana. Sao hoy Leriva, mandeha loatra ny resaka fa tsy ho avy i dada. Amin’izao fotoana izao, hoy ny mpandahanteny dia efa manomana ny fodiany izy. Dikan’izany dia isika tsy mahalala afa tsy ny filoha Ravalomanana Marc. N’inon’inona lazain-dRajoelina dia mahatoky an’idada sy ny Sadc isika. Koa alao hery ary,samia mahery isika. Ny hafatra avy any ambanivohitra lavitra any hoy ity mpikambana ao amin’ny filankevitry ny tetezamita ity, dia ny hoe adidinareo ao an-drenivohitra ny miady mafy amin’ny fodian’ny filoha Ravalomanana Marc, fa ny fifidianana kosa dia ny vahoaka maro an’isa no mitaky ny firotsahany ary mahazo mahatoky inareo fa 1er tour dia vita io. Manome toky anareo vahoaka izahay mpitarika hoy Leriva Manahirana, fa tsy misy mitsoaka ady eto, n’inon’inona fampitahorana. Mila miray hina isika hoy izy, ary eto isika no miandry an’i dada.

7 pensées sur “TSY MISY MITSOAKA ADY ETO”

  1. Ekena fa mila ilay hetsi-bahoaka izao. Ary tokony hanomana izany. Ny fitsenana an’i Dada koa dia efa atomotrta ka mila paika. Misy ve ny paiuka ? Ohatra ny @ fiarovana azy, na koa ny fiaraha miasa @ ireo Kung Fu, sy miaramila legalista na leo an’i Rajoelina. Tsy aleo ve asaina mifamono ny foza, ary ny vahoaka manamafy ny tolona. Tokony hanome toromarika mazava @ izay fa tsy ampy intsony ilay eny an-kianja.

  2. Ny TENA PAIK’ADY kosa angamba tsy ho lazaina eto ry LAZALAZAO â ! Indrindra fa toa hoe nisy nanao Ekôldegera izany hono, ny fahavalo sasany !

    Aoka re RaSolo fa lasa menatsa be i Vololona, alainareo sary lava eo ê !

    Tsara ny filazàna ny zava-misy, ary mahafinaritra daholo izany, fa ny indro kely, satria rehefa misy, dia tsy maintsy mba atao resaka kely :
    Ahoana indray ity FANAMBARÀNA « FIRAISAM-PIRENENA » ITY ??
    Nanao sonia an’io taratasy mampiomehy io koa ve ny Movansa Ravalomanana, sa dia nanaiky be toy ny fanao isan’andro ? Marina fa resaka adin’ny samy foza no niandohany. Ary ilay zanô lapan sy ilay pitybola ve tsy mba nahafantatra an’io, sa ho an’izay mpanenlingelina an-dry zareo foza ihany no namoahana an’io ?

    Izany eo ihany !
    Ary mba iza aminareo no mahafantatra an’ity tantara, tamin’ny andron’i Andriambelelo ity ? Indray andro hono, nisy sahona sy hazo niady tany. Mba te haka rivotra eny ambonin’ny tany ilay saobakaka, fa ilay hazo moa be kiredy be, ary nidrikina be fa ny sahona hono, ny mendrik’azy any anaty rano ihany !

    Raharaha mbola tsy tapitra atramin’izao, fa ao anatin’ilay hoe « conte des mille et une nuisances » izy io !
    Matahotra ny ho vonoin’ny vahoaka hono ilay antsoina hoe DJéazad izay tsy dia fantatra tsara na lahy na vavy, fa ny fantatra fotsiny dia hoe jiolahy na jiovavy ; voatery mieritreritra tantara isan’andro, entina hampiesònana ny rehetra ! Variana mihaino ary tena misanasana vavy ireto olona, ka na ny lalitra mihiditra ao am-bavany aza tsy tsapany intsony !
    Izany koa hono no nahatonga an’ilay fitenenana hoe « famahazan-dalitra » !

  3. Tafavoaka soa aman-tsara ny mpanao gazety Lalatiana sy Fidèle.Manambara izany fa:

    1./ Manao tsindry aloka ny FAT ny firenena mikambana.
    2./ Ahitana vokany mahafa-po izany.
    3./ Manomboka milefitra ny FAT.
    4./ Miasa ny SADC amin’ny maha-mpanelanelana azy.
    5./ Tokony atao ohatra izao amin’ny famerenana an’i Marc Ravalomanana.

  4. Deux des plus grands quotidiens nationaux ont écrit un article sur la violence conjugale dont un vise en particulier la junte masculine issue des forces de l’ordre.
    Qu’est ce qui arrive à nos protecteurs? Au lieu de nous protéger, ils tuent la mère patrie, il tabassent la mère de ses enfants et ils laissent mourir la mère « nature ».
    Qu’est ce qu’ils en ont fait de leur serment d’engagement?
    Veuillez lire la suite:
    http://www.lexpressmada.com/violences-conjugales-madagascar/37425-les-forces-de-l-ordre-mises-a-l-index.html
    Et pourtant, quand on porte l’uniforme, la fierté doit s’emparer de nous surtout quand on a prononcé ce fameux serment.Mais si on arrive à ce stade, alors il y a un gros problème.A mon humble avis, ces agents des forces de l’ordre sont manipulés contre leur gré:

    a./ Certains d’entre eux ne sont pas parfois maître d’eux-même (physiquement et psychiquement). Ce qu’on entend ici et là
    b./ On tente de les corrompre économiquement.
    C./ On leur fait miroiter une vie idyllique alors qu’ils savent qu’elle est éphémère.
    d./ Ils réalisent que la hiérarchie n’est plus respectée depuis qu’un jeune se rebelle contre un parent.
    e./ Leur vie leur paraît pesante car la motivation n’y est plus comme on est sorti du cadre constitutionnel et institutionnel.
    Tout ça contribue à la déshumanisation de ces pauvres  » vigiles nationaux » qui sont avant tout des êtres humains.

  5. Indray andro hono tao MAGROLAND, nitady mpanjaka. Nifanaraka ny vahoaka vitsy de vitsy tao, fa tsy ekena intsony ny monarchie, fa aleo ho fidiana ara-demokratika io mpanjakan’ny magroland io.
    Niady fo mafy samy nampiseho ny mahaizy azy ireo kandida marokarazana. Isan’ny favori ry Mamibetakoulak, ry Hanitrabourivoul, ry Manandafikotopôk, ry Boutonankiz, ry Costavavany, ry Mikitoubak, ry Mangiditiana, Ramanahir, Rakotoalik,…SNS.
    Ny mahatsikaiky anefa, de zavatra iray no mampitovy tanteraka ireo kandida ireo, de fintinina @ teny iray woe RAMPAMPIESONA. Ary ny mahagaga tokoa, rehefa mandray fitenenana ny tsirairay @izy ireo, de miesona daholo ny magroland, ka efataona tsy vita foana ny fifidianana.
    Tapakevitra ary ny vahoakan’ny magroland, izay nisy mba tafafoha t@ torimasony, fa ampy zay, de zany KM izany hono nampifoha ny vahoaka vitsikelin’ny magroland hifoha, mba hamerina an’ilay MPANJAKA taloha, nialokaloka any ZOULOULAND, antsoina woe RAVALOUMANGANOUS RAPISTAS. Namaly ny antso hono ity farany, fa ho avy aho e, ho avy aho e! De niandry magroland, niandry foana, ka e!e!e! tsy tonga mihitsy ary tsy ho tonga intsony. De tapa-kevitra noho ny fahadisoam-panantenany ny vahoaka vitsy kely tao magroland, fa hiala ao, ka ny fepetra noraisin’izy ireo farany, de nizara ny lova navelan’ilay mpanjaka taloha, de ireo vatovato nipetrahana hatoriana am-pitoerana, ireo tapatapaka planche hatao kitay any @ désert hitadiavana fanjakana hafa indray, satria na sakafo, na vola na mpanjaka de tsy hita sy tsy nisy intsony tao magroland.
    Mbola nisy anefa ireo mbola manantena ny fiverenan’ilay mpanjaka RAVALOUMANGANOUS RAPISTAS, de tsy niala teo mihitsy na de ho faty mosary eo aza, kanefa kosa izy ireo de nametraka daty farany, fa raha tsy tonga alohan’ny 18 Oct ianao roi RAVA RAPI, de ho tanàna haolo magroland, ary hikatona tanteraka @ 8 Mai 2013. BON COURAGE PETIT PEUPLE DE MAGROLAND!

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *