VPM BOTOZAZA PIERROT : NY FIRAISANKINA IHANY NO HERY

fihaonan'ny VPM sy ireo Sojabe, Mandritsara Sabotsy 147 Oktobra 12 (12)

Feno 15 taona ny Alahady 14 Okotobra 2012 teo ny « fikambanana sojabe » any amin’ny faritry Mandritsara . Nisy ny lanonana notanterahina tany an-toerana ho fanamarihana izany tsingerintaona izany, tao amin’ny stade Municipal tao an-toerana. Anisan’ny nanatrika izany ny Praiministra lefitra misahana ny toekarena sy ny indostria Botozaza Pierrot. Mbola manana ny toerana eo amin’ny fiarahamonina any amin’iny faritry sofia iny ny SOJABE, amin’izao fotoana izao. Izy ireo no mandrindra ny fiarahamonina any an-toerana, mamolavola ihany koa ny fanabeazana ny tanora. Manana andraikitra ny SOJABE amin’ny fanentanana ny mponina hiaro ny tontolo iainana, ary miaro ny soatoavina toy ny Jiny any an-toerana. Tsy azo atao araka izany ny mandingana ny SOJABE raha misy ny fanapahan-kevitra izay raisina hampandrosoana ny Tanana. Araka ny fantatra dia tsy mbola vita hatramin’izao ny lalana ao an-tampon-tanana izay ratsy dia ratsy tokoa satria tsy mba nangataka ny hevitr’izy ireo ny tomponandraikitra tamin’ny fanamboarana izany. Mbola olana ho an’ireto SOJABE ireto anefa ny tsy fifankahazoana noho ny resaka politika eto amin’ny firenena. Ny Praiministra lefitra misahana ny toekarena sy ny indostria Botozaza Pierrot dia nanao fampihavanana ireo SOJABE rehetra tao an-tanana, ka nisy ny dinika nifanaovany tamin’izy ireo. Nanao antso ny tenany mba hanamafisana ny firaisankina. Ny firaisankina ihany hoy izy, no hery ahafahana miaro ny tomboantsoan’ny rehetra sy ny hoavin’ny taranaka.Nanaiky ny hiara-dia ary hanambatra ny fomba fijeriny ireo SOJABE roa samihafa.Nanaiky ny fampihavanana notarihin’i Botozaza izy ireo koa  dia nanaiky hifandray tanana hanambatra ny hery hampandrosoana an’i Mandritsara. Ankoatra izay dia nanolotra « ecran plat » miampy « parabole » ho an’ny SOJABE i Botozaza ahafahan’izy ireo manaram-baovao. Nisy ihany koa ny vary 10 gony sy omby 3 natolotra tamin’izany. Tsy adinon’ny Praiministra lefitra misahana ny toekarena sy ny indostria ihany koa ireo mpianatra hiatrika ny fanadinam-panjakana amin’ity taom-pianarana ity, ka nanolotra kojakojam-pianarana toy ny kahie sy stylo ny tenany. Nanolotra baolina ho an’ny mpanao fanatanjahantena izy ka anisan’ny nahazo izany ny mpanao baolina kitra, ny mpanao basket. Ireo rehetra ireo dia miaraka amin’ny maillot sy ny coupe avokoa. Mbola nahazo ny anjaran’ny ihany koa ireo fikambanana vehivavy any an-toerana ka nomena 20 tapitrisa ariary.

 

 

4 pensées sur “VPM BOTOZAZA PIERROT : NY FIRAISANKINA IHANY NO HERY”

  1. Mba nazavaina tamin’ireo olona ireo ve fa nisy ny FANONGANAM-PANJAKÀNA, ANY KA NIARAN’NY SAZY NY MALAGASY REHETRA ?

    Izany firaisan-kina izany dia TSY HISY rahatoa ka tsy misy ny marimaritra hiraisana, ary ny voalohany indrindra amin’izany dia ny fanajàna ny Zo hitovizan’ny malagasy rehetra, sy ny Lalàna velona eo anivon’ny tany sy ny fanjakàna !

    Mba nolazaina tamin’ireo olona ireo ve fa TSY NASAINA TANY AMIN’NY « SOMMET-N’NY FRANCOPHONIE » NY FILOU-MPANJAKÀNA, ary inona no antony ???

  2. Izaho koa manana fanontaniana Tompoko( sady mananga-tanana)
    Taiza i Botozaza no nahazo ireo fanampiana sy volabe zaraina ireo???
    Ary maninona no izao???aiza i dadanay no mbola tsy tonga ???miaramilan’i SADC no tonga ao @ tanana ao???
    sa hiraky ny SADC????tsy mazava loatra???tsy ho voavidy mora2 ao indray izany????eto indray izany no ho
    raisina !!!

  3. La délégation de la mouvance Ravalomanana conduite par Mamy Rakotoarivelo a été reçue hier à l’hôtel Colbert par les militaires de la SADC dirigés par le général de Corps d’Armée Charles Mayunga. « Nous avons bien clarifié pendant la rencontre que le retour au pays du président Marc Ravalomanana ne causera pas des troubles. », a souligné Mamy Rakotoarivelo. Avant d’ajouter : « Nous avons confiance en la SADC qui prendra sa décision sur la question. » Une manière pour le chef de délégation de la mouvance de faire comprendre que les partisans de l’ancien président s’en remettent entièrement à la Communauté de Développement d’Afrique Australe quant au retour au pays de l’exilé d’Afrique du Sud. A noter que la mouvance Ravalomanana rencontrera demain après-midi au Colbert l’équipe de médiation de la SADC conduite par le Dr Leonardo Simao.

    RAJAOFERA Eugène

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *