Filoha Ravalomanana : ho avy aty Afrika Atsimo tsy ho ela ny filoha Obama !

obam copy

Niditra mivantana tamin’ny fivorian’ny mpitarika ny Ankolafy Ravalomanana, tetsy Bel’Air, androany, ny filoha Ravalomanana.Mazava ny baiko nomeny. »Tsy hisy fifidianana izany raha tsy miverina any Madagasikara aho » hoy ny filoha. Tsy hisy fifidianana vanona eo raha tsy misy ny fitoniana maharitra, ny fampiharana ny tondrozotra ihany no vahaolana hoy ny filoha.Tsy voafetran’izany 6 volana izany ny filatsahako ho fidiana fa fifanarahana politika no ambony indrindra,  ny tanjona dia ny fifidianana malalaka, eken’ny rehetra, hoy hatrany izy. Zava-dehibe hoantsika ihany koa hoy ny filoha, ny fahalanian’ny filoha Amerikana, Barak Obama.Hisy fiantraikany amin’ny fampiharana ny tena demokrasia aty amintsika izany.Ho avy tsy ho ela eto Afrika Atsimo ny filoha  Obama ary hoararaotina izany hiresahana aminy ny tena zava-misy marina aty Madagasikara.Ilaina ny fanampian’ny Amerikana ho famerenana ny demokrasia aty amintsika, tsy maintsy havoaka ireo gadra politika , tsy maintsy ho sokafana ny radio sy ny fahitalavitra nakatona.

Tsy adinon’ny filoha ihany koa ny nanao tsipy teny ho an’ny mpitarika. »Aoka hisy ny fifampitokisana eo amin’ny mpitarika », tandremo ny fivakivakisana »  hoy izy.

29 pensées sur “Filoha Ravalomanana : ho avy aty Afrika Atsimo tsy ho ela ny filoha Obama !”

  1. Mahatoky anao izahay Andriamatoa Filoha hajaina, fa mba miangavy re raha miangavy, aza dia ela loatra fa dia taolan-trondro sisa no mba an’ny vahoaka ê !

  2. Mahatoky anao koa ny tenanay.Soa ihany aloha fa tsy mihinana trondro ny foza na samy anaty rano aza no miaina.

  3. Hahitsiko kely ianao Ratsimiloha, fa ny foza dia anisan’ireo « fossoyeurs » any anaty rano ! Mpihinana sy mifaly amin’ny trondro…maty !

  4. Madagascar à l’honneur au Parlement européen
    23 janvier 2012 – Actualités du PE , Au Parlement , Mes dernières actualités

    J’ai officiellement créé le groupe d’amitié UE-Madagascar au Parlement européen le mercredi 11 janvier 2012 en présence de l’Ambassadeur de France à Madagascar ainsi que l’Ambassadeur de Madagascar à Bruxelles, et de nombreuses autres personnalités du monde politique ou associatif. C’est un succès, par le nombre et la pluralité des membres présents.

    L’objectif de ce groupe que je préside est de réunir parlementaires, institutions européennes, représentants malgaches et acteurs de terrain afin de mieux faire connaître la grande île et de relancer le dialogue entre l’Union européenne et Madagascar.

    Madagascar s’était en effet vu couper l’arrivée des fonds européens depuis le changement de régime politique en 2009. Il en va pourtant de la population.

    Derrière toutes ces tensions politiques, se trouve une population pauvre, survivant notamment grâce aux aides d’urgence de l’UE et aux initiatives de nombreux partenaires à Madagascar. Le groupe servira notamment à rétablir la levée de fonds européens pour les Malgaches, selon les avancées du processus de démocratisation défini sur la feuille de route, et à suivre ce dernier.

    A noter la présence de l’AFDI (Agriculteurs Français et Développement International), partenaire en Picardie de nombreux projets que j’ai également initié à Madagascar par le passé

  5. KM!tsy maninona raha efa maty ny trondro vao hanin’ny foza.Efa karbonina izy amin’izay.

    Tsy mivôna amin’ny tolona fa maninona moa ny malagasy ao afrika atsimo raha mikarakara rindran-kira handraisan’ny mpihira malagasy sy ao amin’ny kaontinanta anjara mba ho fanampiana ny any Atsimo;

    Ho antsika mianakavy:

    http://lamozika.net/titres-53-Tearano#

  6. Betsaka ny tanàna lehibe hahazahoana mikarakara an’io lazaiko io:Durban, Jo’bourgh,Pretoria, Cape town…
    Mba hevitra atsipy.

  7. Alefa DADAA aaaa !!! mba hazavao amin’ny teny ANGLISY amin’i OBAMA ny zava-misy.
    Ianareo samy olon-kendry sy misaina ary tsy mila miteny frantay.
    Misaotra ho any vahoaka ary mirary soa sy fahombiazana TOMPOKO.

  8. Mon message au boulet Boulland et à tous ses potes de l’UMP françafricaine et franc-maçonnique :

    Toi, le suppléant BOULLAND, ignores que les malgaches HAÏSSENT le gouverneur CHATAIGNER, aujourd’hui déchu de ses fonctions d’ambassadeur de Rajoelina et remisé au placard par le nouveau Président HOLLANDE, Dieu merci !

    No way in Madagasikara, Boulland ! Shut up !

    Le peuple malagasy refuse ta fausse amitié intéressée. Va t’ingérer ailleurs ! Nous ne te reconnaissons pas, nous n’accordons aucune légitimité à tes paroles.

    Dégage ! Occupe toi des 1000 habitants de ton petit patelin de Betz et les vaches seront bien gardées !

    Veloma, vazaha kely !

  9. Aza matahotra fa ny Anglisy aza no manavanana an’i dada tsara.
    Kororoy hatrany anaty tsinai-maintiny mihintsy dada a!!!aza avela hisy very.
    TSY MAINTSY TSARAINA I DJ , izay no vao2 nivoaka t@ vao2n’i Afrika omaly alina.

    Fa izao !!naman’i domelina be anie hono i Obama e!! fony izy mbola tery @ « 13 may « e!!MAPMĖ BĖ!!!

  10. http://www.irinnews.org/Report/96710/MADAGASCAR-Domestic-violence-rises-as-incomes-fall

    The above issue will be one of topics which need to deal with.I strongly believe that everything depend on the others:politics,economics,social,culture and environmental.That’s the reason why the following statements should be taken into consideration:
    – to elaborate an adequat politic strategy;
    – to set up a transparent economic plan;
    – to conceive a fair social system;
    – to enhance a malagasy cultural programm;
    – to implement a realistic environmental project.

  11. Dia manatena ny asa mivaigana mety erntin’ny filoha OBAMA izany ny vahoaka Malagasy. enga anie.. Aleo aloha tsy asiana teny betsaka..

  12. optimiste be ianao izany ry lazalazao.
    Na izany aza dia fantatra fa tsy hiova hevitra toy ny foza i Obama.
    Foza mandrangotra anie no eo é. Ilay vahoaka koa efa reraka loatra ka tsy mandeha amn’ny laoniny intsony ilay raharaha. Feno poizina mangidy ilay tolona

  13. Elaela!!ela be mihintsy aza tsy nahitana ano koa tonga soa ry GTT.
    Ahitsiko kely ilay hoe : » Obama dia tsy hivadibadi-dela toy ny Frantsay »
    Dia manohina ny hevitrao 100% koa aho @’ilay hoe :  » Ilay mangidy » tena lasa MAFAIKA no hiafarany,
    ka tsy msy tolona mandeha @’izay TOKONY ho alehany intsony.Marina izany ary tsy takona hafenina
    intsony.Mampiteny ny moana mihintsy, fa raha tsy mitandrina i M. Hanitra dia ho voatariny koa.
    Aza dia hilaozana ela ny tolontsika na izany aza eeeeee
    Masina ny tanindrazana!

  14. Na foza aza ianao tsy maninona fa marina ny voalazanao ary efa sy TAKONA
    HAFENINA INTSONY ilay FAMPIESONAN’i MANGIDY Rakotoarivelo koa tsy misy tsiny.

  15. L’optimisme pourrait nous faire dévier du réalisme mais…
    le scepticisme voudrait nous faire oublier le réalisme.

    Raha asianao siramamy ny paiso marikivy dia mety ho mamy fa raha asianao sira izy dia tsy ho mamy mihintsy.

  16. mampme ry velonarivo a!f’angah i dada ndray no lasa zuma?f’angah hiresaka @dada no alehany any?i zuma ary tena sahirana!dia ny tena no menatra @ity mythomanie sy folie de graandeur ity!on se tait car on ne fait plus partie des dirigeants de ce monde!qui etait aux nations unies last time?

  17. o ry Ranavalona a, paiso rakena efa lo daholo ireo. Efa halambahoaka daholo. Tsy manao inon’inna afatsy ny manatavy tena miaraka amin’ny foza.
    Efa 1 fatambary ireo, miarak’homana sy mangeja vahoaka.
    Jiolahy sy jovavy no tena feno ao.
    Ny mpitolona ao amin’ny magro ampatorian’ny sasany fotsiny. Hiatakataka aho hoy ny ankihibe fa dia mahaiza mitandrina daholo.

    Ratsimilaho — efa paiso marikivy ve na dia siramamy 1 tonne aza hanova inona. Efa marikivy, mangidy, mafaitra, tsy afaka mivoa tsiro intsony, donc POUBELLE miaraka amin’ny foza

  18. hanatitra an,i dada miaraka @marines sy ny tafondro marovava ary bomba ve i obama zany?loza zany marina !hay tena mafy i dada!fa maninona kay raha tonga de mody amboletra tsy miandry akoro pilitika zany;anareo anie ny tanana ry dada e!

  19. Vahoaka mpanohana an’i dada & ranavalona ahhhhhhh >>> tsy tsapanareo miintsy ve oe manome vahana ny FOZAORANA IANAREO MANAO AN’IO ataonareo io EHHH, efa tetiky ny fozaorana hatramizay ny hampisaratsaraka ny zanak’i Dada, deio mbbola voizinareo io ndray, fa angaha moa ny mpanohana an’i dada manohy ny asa fivelomany andavan’andro, na ny mpanohana an’i dada mitabataba ohatra anareo nefa miletika any an-trano mba hetsika mamerina an’i dada izany? mieritrereta ihany raha mbola mba zanak’i dada ihany nareo.NY OLONA MANEHO FIRAISANKINA AMIN’NY ENDRIKA HITA MASO TOA NY ENY @ MAGRO OHATRA DIA ANISAN’NY HETSIKA HANAMPY IZAY HETSIKA HAFA HIEZAHANA HAMERINA AN’I DADA. MIANGAVY ANAREO AHO RAHA TSY TIANAREO NY MPITARIKA MAGRO DIA AZA NY FOZAORANA NO OMENA VAHANA; raha mba zaanak’i dada ihany ianareo fa aleo mangina fotsiny.

  20. Dada io efa manamafy ny tsy tokony hivakivakisan’ny mpitarika, nareo ndray ty manao izay hivakisany. Zanak’i dada marina ve ianareo ? ranavalona aloha fantatro @ commentaire ataony eto fa zanak’i dada ihany saingy gaga aho fa ny zanak’i dadarehetra toa mitady hahazo ny virus ‘ny fozaorana, toa tsy azo inoana raha izany ny teninareo fa aleo ihany mihaino ny ofisialy eny @Magro, fa tsy mihaino anareo mampiady sy mampisaraka aty @ sisiny toa izao

  21. Ny tena Andry tsy domelina,

    Avy nanefa adidy, ary na dia efa somary mitaky aza ny torimaso, dia tsy naharitra nitsidika sy nijery izay zavatra nitranga indray !
    Ilay resaka « Zanak’i dada » angamba, tsy dia tsara intsony amin’izao fotoana izao no ventesina ombieny ombieny !

    Ny tokony ho lazaina ( ary tsy ho anao irery ity lazaiko ity fa ho an’ny rehetra) dia ny hoe : Mpiaro ny ara-dalàna (izay somary adino), na mpiaro ny mpanongana (foza araky ny filazan’ny rehetra) !

    Matoa ny olona manao fanakianina, dia mba misy zavatra tsapany fa tsy mety izay ! Izaho mpiaro ny ara-dalàna tsy voatery hiaino na hanaraka izay rehetra voalazan’ireo mpitarika ao amin’ny Magro rahatoa ka misy zavatra hitako tsy dia mety ataon’ireo olona ireo !

    Tanindrazako koa i Madagasikara, ary manana zo ny tenako hilaza an’izay tsy mety, fa tsy ondry akory ka hanaraka be fahatany izay voalaza ao !

    Tsy midika mihintsy izany hoe hitovy hevitra amin’ny foza ny tenako !

    Matoa anie ny olona miteny dia mahita sy mahatsapa zavatra ê ! Manimpy hevitra na mampitandrina, fa tsy hoe be fanakianana amin’ny tsy antony !

    Tsy hoe rehefa mpanao pôlitika manana karatra, dia tena « izy lay » ! Be loatra ny ohatra azo raisina !

    Mba manaova ankety fotsiny hoe : Iza ilay nandeha antsokosoko, « nitsidika » ny ambasady frantsay tany Afrika atsimo ?
    Efa lazaina fa ny mpamosavy mandeha alina aza misy mahita foana !

    Raha milaza eto aho fa tsy dia tiako loatra io resaka zanak’i dada io, tsy midika mihintsy izany fa tsy miaro, na tsy manohan’azy aho !!

    NY ARA-DALÀNA ALOHA, ARY FANAMBARANA NY HERY REHETRA IZAO NO ZAVATRA ILAINA !!! NA ZANAK’I DADA NA TSIA, REHEFA MITAKY NY ARA-DALÀNA SY MANOHITRA AN’IREO MPANONGAM-PANJAKÀNA IREO, DIA IZAY AMIKO NO TENA ILAINA !

    Aza fady fa somary miverimberina izay tiana ambara !

    La feuille de route « a valeur de Constitution » ( a autant de valeur qu’une Constitution) ; izay raha tsy diso ny tenako no zavatra voalàza !

    Tsy midika mihintsy izany hoe FOANA DAHOLO IZAY VOASORATRA AO AMIN’NY LALÀM-PANORENAN’NY REPOBLIKA FAHA-TELO ! Io lazaina fa Lalàm-panorenan’ny Repoblika faha-efatra io dia TSY MANAN-KERY, kanefa ny mahagaga dia tsy misy mitsangana ireo ao ANATY SYSTEMA, MILAZA NY TENA MARINA ! FANAOVAN-TSONIA TARATASY, MISY HOE REPOBLIKA FAHA-EFATRA AZA ATAO !!

    Volana septambra 2011 no natao sonia ilay tondrozotra ; efa tsy ho ela dia ho tonga ny desambra 2012 kanefa tsy mbola notanterahina ihany ilay tondrozotra !

    Miandry inona hoy aho ? Ny tena mpiaro ny ara-dalàna dia tena mitolona, ary milaza an’izay tsy mety rehetra mba ho tanteraka tsy ampitarazoka ny fanatanterahàna an’ilay tondrozotra, fa tsy manao be resaka etsy sy eroa ! « Tsy mody miseho manao zavatra ihany koa rehefa maneno ny lakolosy » !

    NY RINDRINA AZA INDRAINDRAY, MANANA SOFINA !

  22. Tenin’ny Filoha Ravalomanana :

    « Tsy tolona ho ahy no atao fa ho an’ny Malagasy » !

    Maniry dia maniry aho, mba hiditra ao an-dohan’ny tsirairay izany teny mafonja izany, ary mba hanaraka an’izany koa ny MPIARO NY ARA-DALÀNA REHETRA !

    Mankasitraka sy midera anao Andriamatoa Filoha ! Izao hiarahana atao izao no tena atao hoe TOLOM-PIAVOTANA HO AN’NY FIRENENA, HO AN’NY NY TARANAKA SY FARA AMAN-DIMBY !

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *