Magro Behoririka : « Tsy miala eto izahay raha tsy tafody ny filoha Ravalomanana Marc « 

Nitohy hatrany teny amin’ny Magro Behoririka ny hetsiky ny vahoaka mpomba ny ankolafy Ravalomanana. Toy ny mahazatra dia nisy ny fifandimbiasam-pitenenana nataon’ny mpitarika teny an-toerana. Anisan’ny nandray fitenenana ny Ct Ernest avy any Lalangina. Nambarany fa tsy misy miala eto raha tsy tonga eto ny filoha Ravalomanana Marc. Ny anjaran’ny fitondrana hoy izy dia ny mamono afo fotsiny ankehitriny. Antsoina eny Ambohitsorohitra ny mpianatra dia tambazana vola. Tsy tokony hanao izany ianareo mpianatra fa manapotika ny firenena. Tafaresaka tamin’ny vahiny iray ny tenako hoy ity olomboantendry ity, ary nilaza izy ny hoe mahagaga fa firenena lehibe io dia tsy tafavoaka. Ho anay hoy io vahiny io dia voafehy ny toekarena. Ny antsika kosa hoy Ernest dia hanjakan’ny fialonana sy adilahy politika eto. Efa miezaka ny vahoaka malagasy hoy izy miady amin’ireo manambasy. Ny miaramila no sakana amin’ny famahana ny krizy. Andrasana ho tapitra ve ny fanana eto vao hihetsika ianareo ? Noho izany dia nanipy teny amin’ny tafika ny tenany. Andrasana ho tapitra ve ny harena ary efa mijaly ny vahoaka koa tongava saina ianareo. Misy hoy izy ny milaza amin’ny gazety fa ho avy ny famantsiam-bola avy any ivelany. Tsy misy izany hoy ity mpanao politika ity, raha tsy miverina ny filoha Ravalomanana Marc. Atao izay fomba rehetra handemena ny malagasy hoe mandeha ny raharaham-pirenena. Tsy mandeha io hoy Ernest, fa matoa tsy misy ny vola andoavana ny karaman’ny mpandraharaha eny amin’ny oniveristé dia tsy misy ny vola ao amin’ny tetibola. Nanafatra ny vahoaka ny tenany mba hanambatra ny hery fa izay ihany no hahafahana manala io fitondrana io.

2 pensées sur “Magro Behoririka : « Tsy miala eto izahay raha tsy tafody ny filoha Ravalomanana Marc « ”

  1. Ary aza sasatra ny miemotra moa ry Mpitarika a!!
    i dada aza efa niteny fa tsy adilahi-politika intsony no misy
    fa « efa FANAPOTEHINA FIRENENA ».aza ahilika any @’izay politika intsony ny resaka fa
    tsy nisy nianatra politika izany koa ireo fa JIOLAHY MPANGALATRA SY MPANDROBA ary
    MPIVARITRA TANINDRAZANA no misy, ilay efa zatra mivarotra ANABAVY SY RENY ARY
    ZANANY no MISEHO HO MPITONDRA dia izao no izy TOMPOKO isany ô!!!!

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *