MAGRO : OMANY DIENY IZAO NY FIAROVANA NY AIN’ I DADA FA TSY MAINTSY MIVERINA IZY

Efa manomboka hita taratra ny fandresena ho antsika hoy ny Ct Feno teny amin’ny Magro Behoririka androany. Efa maro hoy izy ny gropy efa mitambatambatra. Nahagaga ny nahita ilay Profesera iray tamin’ny fahitalavitra omaly izay nilaza hoe fandaminana teknika no vita fa ny politika mbola tsy milamina. Ny takian’ny ara-dalàna hoy izy dia ny filoha Ravalomanana Marc izay naongana teo, izay tsy nahavita ny fe-potoana niasany. Ny antsika hoy izy dia miverina eto i dada ary tsy azo ahodikodina amin’izany ny saintsika. Namaly ny voalazan’ny Rakotomavo Lanto ihany koa ny tenany izay milaza hoe : rehefa tsy hanao fifidianana dia tsy miaraka aminay. Nametrkaa fanontaniana moa ny tenany hoe fifidianan inona no atao eto ? Rehefa hita hoy izy ny soritra fa hilatsaka ny filoha Ravalomanana Marc dia mihazakazaka isika. Tsy matahotra izahay hoy ity mpanao politika ity na dia ao anatin’ny fahasahiranana aza izahay. Ampiadiana ny samy malagasy  toy ny mitranga amin’ny Sempana, ny fitaterana. Noho izany dia nampitandrina ny tenany fa samy malagasy ka hifankahita eto fa tsy hanao irery i Madagasikara. Be loatra hoy izy, ny ratsy vita teto ka aza manantena ireny mpanao rugby ho karamaina tahaka ny tamin’ny taona 2009 ireny.Ny Ct Ralaimampisainarinony Manoela kosa dia nilaza fa telo andro no handaniana ny tetibolam-panjakana eny Tsimbazaza. Rehefa nivory anefa ny maraina teo dia nilaza ny sasany fa alefaso hodinihana. Tsy mety hoy izy fa mitongilana ny zavatra hita ao satria ny VPM roa tsy mitovy. Ny zavanisy tao dia nisy ny toromarika ho an’ireo Tgv fa tsy mahazo manontany. Izahay hoy Manoela dia tsy hifidy an’io  ary isika manaiky fifidianana fa tanteraho aloha nytondrozotra. Betsaka ny tsy mahay mamaky ny tetibolam-panjakana ao Tsimbazaza ao hoy Manoela. Mahakasika ny fitokonana ny taksibe dia nambarany fa izao no fiovana takianareo fa ianareo izay nahazo 5000ariary ireo mimenomenona ireo. Raha teo ny filoha Ravalomanana Marc hoy izy dia mety efa 200 ariary io. Vitany ny nanome fiara 4l anao satria hainy ny nampandoso io. Omany dieny izao hoy Manoela ny fiarovana ny ain’i dada fa tsy maintsy hiverina izy.  Ny Ct Rarison Hilarion dia nanambara fa tsymisy fiaraha mitantana izany ao Tsimbazaza ao satria ny foza no maro an’isa. Tsy vitany fandresehan-dahatra hoy izy fa ny olona napetrak’i Rajoelina dia babakoto. Misy dikany ny tsy maha eto ny filohan’ny Ct Rakotoarivelo Mamy hoy izy izay namita iraka any Eoropa ary handalo any Afrika Atsimo. Ho hitanao eo ny fahatongavan’i dada. Ny anton-diany any dia ny hanomana ny fodian’i dada ary hanamafy ny ftoriana nataon’ny Ankolafy Ravalomanana amin’ny Lylison sy Richard Ravalomanana.

21 pensées sur “MAGRO : OMANY DIENY IZAO NY FIAROVANA NY AIN’ I DADA FA TSY MAINTSY MIVERINA IZY”

  1. tokony nitady hevitra izay hanonganana ireo mpanongam-panjakana ireo anie no nataonareo, nitarika ny vahoaka hilahatra adalam-be mandra-pionganan´ny foza teo, fa tsy niditra syteme, dia izao lany andro tao fotsiny, efa fantatrareo anie izany fa ny Foza no manjaka ao, sy maro anísa, sa maika amin´ny ahazo anjara saosy amin´ny vola kerekeraina ao amin´ny CST sy CT .

  2. Fa ho hatao tandra-metaka toy izao ve ilay fiarovana ny ain’ilay olona eeee????
    Sao efa tsy zakan’ny lohan’ny sasany intsony ilay politika ????mba dinio akaiky
    ihany fa MORAMORAINA BE LOATRA izy izany , dia ho vitavita fotsiny toy izany ve izy ity ray olona aaaa???
    raha izao no fandehany dia ALEO IZY HO ANY IHNY ALOHA fa MANDRERAKA BE NY MIHERITRERITRA
    azy, ny Jodasy any izao efa mandraindray FARANTSA HIVAROTANA NY DADANY……….MAHONENA!!!!!!

  3. Tohizo ihany fa ho batain’Andriamnaitra hanaraka azy any SUdaf
    Madagasikara vao ho taitra daholo!!@’izay angamba vao ho ahatsapa
    tena ny tsirairay fa TANY MASINA IO KA TSY AZO ZIMBAZIMBAINA TOY IZAO.

  4. Misajaona & ranavalona > > > > Tena miahiahy izahay zanak’i Dada @ olona toa anareo izay manana hevitra tandrametaka ireo hoe tena zanak’i dada marina ve ianareo? sa mody manao zanak’i Dada nefa mitaona tsikelikely ny sain’ny zanak’i dada hanatona ny foza sy ny hevi-pozany. Misajaona ahhh;RAHA NANANDRANA NITARIKA OLONA TENY AN-DALAM-BE NY MPITARIKA TALOHA satria nanantena hifanohana @tsika taritiny: dia nandositra isika ( na izahay fa nareo tsy hay fa mety ho foza ihany ) rehefa mipoaka ny baomban-dra baomba dia ireo mpitarika ireo sisa tavela, na ireo no efa ciblé ka na ny tranony aza fantatry ny fozaorana, dia hanaovany sarika am-pandriana any na mody ampanantsoany any Betongolo d avy eo gadrainy; dia isika (na izahay) mitsetsetra fotsiny sisa no azo atao rehefa any ny mpitarika. Aminareo ve izay no tolona dia ny hifanenjika amin-draBaomba sa ny hitady ny hevitra rehetra hampodiana an’i Dada? Raha ny an’ny zanak’i Dada dia ny hevitra hampodiana azy no tolona; ka raha 2 taona mahery nitolona tsy tao anaty systeme, tsy nahomby fa nialantsika fotsiny ny mpitarika rehefa voasambotra, dia aleo ndray manova ao anaty sehatra izay sehatra heken’izao tontolo izao. AZA TARITINA AMIN’IZANY INTSONY NY OLONA FA HEVITRA HITA FA TSY NAHOMBY NY ANAREO. FA NY FOZAORANA NO MANDEHA MIHEMOTRA TOA IZANY.

  5. Ny anareo mandà ny fidirana ao anaty systeme io ny fijerinay zanak’i dada azy dia : na zanak’i dada ihany izy saingy diso fanantenana satria METY TSY VOAFIDY HO ISAN’NY MEMBRE ANY @ INSTITUTION ANY ( satria mety mbola namandry Raharinaivo & ry Yves Aimé ilay mitady izay hihinanana fotsiny) DIA MIALONA IZAY TAFIDITRA ANY ( raha izay aloha dia soa ihany tsy tafiditra tany ianareo) na ianareo tonga dia FOZAORANA HATRANY ANATY TSINAIMAINTINAREO FA MODY MANAO ZANAK’I DADA MBA HAMPISARA-TSAINA NY ZANAK’I DADA HANDRAVANA NY TOLONA; TSY HO AZONAREO AMIN’IZANY NY TENA ZANAK’i DADA FA MANOHANA HATRANY NY LALANA EFA NARAHAN’IREO MPITARIKA HAMPODIANA AN’I DADA TSY ANATY SAKOROKA.

  6. Ny tena Andry Tsy Domelina!
    Tena Zanakidada 100% ireo atakenareo ireo. Ary io Ranavalona io, vitany mihitsy ny manome ny reniny niteraka azy, hiara-matory @ndRainivoanjo isan’alina. Ty dadadadanareo ity ihany ane no nampijangajanga an-dRa8 t@ Onja hitam-poko hitam-pierenena iny e!
    Zao, de mahasahy miteny Ranavalona eto woe, hamidiny @ Frantsay ny dadany. Inona no hiraharahian’ny olona TSY DADA NITERAKA AZY SOAVALY EFA MATY ANY. Mody ampiesonina fotsiny magroreraka sao manipy gants, de zay mbola mampi exister kely an-dra8, ao Mada ao. Atao ahaoana koa moa, olona kamo miasa ireo ao @ Magro ireo, mandany andro fotsiny, de omen-dry zalahy kobaka mafana, de voky de mody de rahampitso indray.
    Nareo mieritreritra anareo ho inona e? Foza zany woa, mafy fiketoka, raha tsy izany ve Rainivoanjo miseho ho natanjaka be t@ lafiny rehetra iny, nanesitany tena no nihafarany. Manana ny stratégies rehetra hiatrehana ny adversaires -ny, ary inona no ataky tsy natao ny FOZA fa resiny foana. Manana ny miaramila mpiadiny, voalamina tsara, na ara-bola na ara-pahaizana. Nanantena ny Zanaka zazarin-dRa8 woe, ataonay zay hampaharitra ny krizy hampiongana ny FOZA, fa vao maika nanome hery azy. Hatramin’ny CI nandrandran’ireto hanaohana an-Drainy aza ity, lasa manohana sy mandohalika @ FOZA. Ary jereo eto fa ny stratégie n’ny Foza no mampiady an-trano an’ireto. Raha za nareo woe, efa nisitrika nilevim-belona aho raha toy izao no fihafarana. Mifanipaka otran’ny valala an-karona sisa rehefa lany jijy tanteraka. De hoy zahay woe, kevoka be zahay satria Foza nampinana an-dRainivoanjo sy ny taranany, zay tsy hahazo pouvoir mandra-pahafatiny intsony.

  7. MISY OLONA EFA MIVIKA TOKONY EFA HO HATERINA ANY @ 18em
    na PARIS IO NA ANJANAMASINA ato.
    HO POTERINA TOA AN’i Topmada koa angamba ity serasera ity no tena anton’izao, tena marary saina!!
    rehefa voavidy ianareo dia amidio any daholo izay amidinareo fa aza ny ANARAN’i DADANAY NO MBA
    HATAO FITAOVANA HITARITANA OLONA @ LALAN-DRATSINAREO, MAZAVA VE RY MARARY SAINA?

  8. « Ny CT Raharison Hilarion dia nanambarafa tsy misy fiaraha-mitantana izany ao Tsimbazaza ao satria ny foza no maro an’isa » !

    Mahavaly tsara ny resakao io ry Ny tena Andry tsy domelina â !
    Ary tsy ao Tsimbazaza ihany io fa na aiza na aiza, satria voalohany indrindra, tsy olom-boafidy ireo fa notendrena !
    Faharoa, ny PDS ary sefom-ponkotany sns… dia saika nesorin’ny mpanongana daholo izay mpanelingelina dia ny azy no napetrany ; fehin’izany dia saika tsy misy olom-boafidim-bahoaka intsony no misahana ny raharam-pirenena ao Madagasikara !

    Ny sasany aza mangataka amnistie kanefa mitantana volam-bahoaka !

  9. Tsy hitanao ve Kintana fa ity :
    ny tena Andry… – nath….ireo dia foza mpisantoka ho zanaky Dada mitady
    HANDRAVA ity serasera ity , ireo anarana ALIKA rehetra ireo dia olona iray , SARINDIKY VOAKARAMA
    na MARARY SAINA fa aza mety hadalain’ireo ialah!!!mino koa aho fa mbola ry Bogor sy Rabe sns io fa
    HIALAO KINTANA a!!!

  10. efa fantatra dia ny mialoha io trangan-javatra io fa mbola LINGITRA
    ihany niditra tao nefa inona no VOKATRA???dia izao vao MIDELIRA a!!!
    efa tara!!fialan-tsiny sisa fa tsy NAMOKATRA e!! nataony APONDRA mpitarika ny entany e!!
    (hoy ianao izay).

  11. Izaho indray tsy dia ho radical, fa mety mpiaro ny ara-dalàna ihany hoy aho ry zareo, fa ny fomba fahitàna ny raharaha no tsy dia mitovy, fa ny tanjona iray ihany na roa !

    Fanontaniana iray no tsara ho dinihan-tsika eto satria efa tsy asian-dresaka intsony ny hoe IZA NO NAHAVANIN-DOZA TEO ANIVON’NY TANY SY NY FANJAKANA : INONA SY AMIN’NY FOMBA AHOANA MARINA MOA IZANY HOE FAMPIARANA AN’ILAY TONDROZOTRA IZANY ??

  12. za ndray aloha ry mafibeTGV na bogor . . . tsy mino izay lazainao eo, fa nareo aloha efa mpandainga iray trano sy iray lavaka; ka na hiteny inona eo ianao efa haiko foana ny tanjonao ; fa ny mampalahelo ahy dia iretsy zanak’i dada mitady ho voafitakao izay fotsiny no hamaliako anao izao fa ry Ranavalona sns lazainao io anie fantatro @ ataony eto fa zanak’i dada ehhh, saingy ankehitriny ny hataony no mampiahiahy, fa zanak’i dada toa manohitra ny zavatra heken’i dada. Izany hoe zaza maditra angaha izany no azo ilazana azy angamba

  13. Tiako ihany ary mafinaritra ahy ny firesak’i Kintana ka, Dia mampiheritreritra an-dranavalona koa aho, fa mety ho tena marina ny tenin’i kintana io, fa ny fomba fijery no tsy mitovy. Raha ny filazanareo dia toa ohatry ny tsy aty Mada ianareo? tsy haiko , fa izaho aty, ary tena miaina isan’andro ao amin’ny Magro ( mbola hazavaiko @ bogor tgv io avy eo) fantatro ny hatao ao @ Magro ao, fantatro ny voizina ao, ary izany no nahasahiako, niteny ireo nolazaiko ambony eo ireo; fa tsy fiaraha-misôsy no ao; fa na nisy sôsy tao na tsy nisy rehefa dingana tsy maintsy natao dia tsy maintsy niditra tao foana ihany ireo. tsy haiko izay mitatitra ny vaovao aty tonga any aminareo any, fa tena olon-tsotra mijery mahitsy ny raharaha aty aho no miteny aminareo izao fa tsy hoe olona manana tanjona pôlitika akory ka hoe manana hevitra harovana satria mitsinjo toerana pôlitika. Ny fiaraha-mitantana ef fantatra io, fa tsy handeha, fa ny hidiran’ireo ao dia mba hanehoana fa manaraka izay nosoniaviny i Dada sy ny zanany rehetra fa tsy toa ilay kely mpangalatra fahefana io akory, ary ao no tsy maintsy miady satria ny tety ivelany nandritra ny 2 taona mahery alohan’ny nidirana tao aloha dia hita fa tsy nahomby. NY HEVITRAREO ANIE NO EFA NATAO TALOHA FA TSY HITA IZAY VOKANY EHHH. FA @ZAO TSY MANDEHA IRERY INTSONY NY TOLONA FA DIA MIARA MIADY AMIN’NY CI NY HANATANTERAHANA NY FdR ISIKA IZAO , IZAY IZAO NY ADINTSIKA

  14. Bogor maf b foza tgv >>> Tonga ao amin’ny Magro isan’andro ny olona satria tsy maintsy toherina aloha ny asan-demony nataonareo, nanimbana ny firenena manontolo, ary anisan’izany fanimbana nataonareo izany ny fanimbanareo ny asan’olona be dia be, ary mbola vitsy aza ireo amin’ny magro ireo fa tsy ireo fotsiny no nosimbanareeo ny asany fa ireo aloha dia maro no anisany no very asa t@ fanonganam-panjakana nataonareo. IZAY FOTSINY NO HAMALIAKO ANAO, KA RAHA MITENY IANAO @ZAO HOE: KAMO MIASA IREO AO @ MAGRO IREO, TSISY ATAO, . . . TSY HANOZONA ANAO AHO FA MBOLA HIVALY AMINAO IZANY FANDATSANA ATAONAO IZANY @REO OLONA IREO IZAY NOHO NY NATAONAREO IHANY NO NAHATONGA AZY HO TOA IZAO, @zao fotoana izao be ny orinasa mikatona, ny fiasana mbola miasa mampihena ny mpiasa ao aminy sns, . . . SAROTRA @ZAO NY MAHITA ASA NEFA DIA LATSAINAO TOA IZANY IZIREO? TSY MIHATRA AMINA TOKOA ANGAH DIA HAINAO NO MITENY AN’IREO AN4IZANY

  15. Ny tena Andry tsy domelina ,
    Tsy hoe « mety tena marina » fa tena marina !
    Fa izao, tsy dia ny fandehananao eny amin’ny Magro isan’andro, no hahafantaranao izay resaka mandeha sy trangan-javatra aty ambadika !

    Misy ilay fitenenana hoe, ny tokan-trano tsy ahahaka ; noho izany dia tsy azo resahina eto daholo ny tena fandehan-javatra.
    Fa rehefa hitan’ny rehetra mibaribary ny fahadisoana, dia tsy maintsy alefa ny resaka, na fanenjehana na tsia ny fandraisan’ny hafa azy !

    Ny hoavin’ny firenena no tokony ho jerena, fa tsy kajikajy pôlitika !

    Izao koa ê, ny hitsikitsika tsy mandidihy foana, fa ao raha !

  16. NY TENA ANDRY TSY DOMELINA: Io Rana a! ny marina ihany no mandratra a! Ary marina ny nareo ry Ny Tena Andry Tsy Domelina a! raha za aloha nareo, ovana kely lay anarana, fa manjary mamitaka ny namanao, hampisy ahiahy. Raha za manokana de tena mpanohana an-dRainivoajo 100% ianareo, tsy mitovy an’io fomba fijerin’ny namanareo io. Mety ho Andry ny anaranareo, de ataovy Andry fotsiny, mba tsy hampiahiahy, fa rehefa foza de foza, refa zanakosy de zanakosy.
    Ie, be ny zavatra tsy nandeha teo @ nitondran-dRajoelina, be ny asa potika, nikatona ny famatsiam-bola ivelany. Azonao antoka ve fa raha Raosy no teo @ toerany mbola tafatoetra teo nandritra izay telotaona izay?
    Mazava be, rehefa nametra-pialana Raosy, mba tsy lazaiko woe, niongana, noho ny tahotra t@ famonoan’olona de nandositra, de tena kivy ny BEKINTANA satria ny olona narovany sy notoanany ity no nanipy gants. Mazava be, nofoanany avy hatrany ny AGOA, zay tsena nampandeha be ireny zone franche, ireny, de mazava fa rehefa tsy mahita tsena ny zone, de potika. Mazava be koa fa nahay ni-jouer le victime teo anatrehan’ny CI izay nanohana azy 100%, t@ fotoanandrony Raosy, ka nanafoana ny famatsiam-bola izay 70% budget n’ny état. Tsy vitan’izay, fa mbola nanao antso avo, Raosy ny hanasaziana ny mpitondra teo anivon’ny OUA, izay tanteraka araka ny sitrapony, ary mbola nandeha lavitra hatrany io antso io, ny mba hanasaziana izay mbola mampiasa vola ao Madagasikara. Izany woe, ny hanapotika tanteraka an’i Mada no objectif n-dRaosy, ary hampangirifiry ny vahoaka 20 millions, mba hampiodina azy ireo @ fitondrana, ary hiverenan-dRaosy toa ny Mesia hanao fahagagana, izay nodiany tsy fantatra ny lasa ratsy politikany.
    Tsy arak’izay anefa ny zavamisy, fa nijoro hatrany niatrika ny tempête ilay MAHERIFO, ary nihatongasaina hatramin’i CI, @izao fotoana, zay miroso @ fanatanterahana ny fifidianana. Ny zavatra tsikaritra, de miha radical be ny mouv Raosy, miantso valifaty, mitady hamono olona, satria mahatsapa angamba izy ireo, fa tsisy fika intsony ny momba ny dadany. Toa tsy mahatoky intsony woa ho tafody dadanay, henjehana hatramin’ny CI mamatsy vola ny fifidianana. Asa na modiana tsy hita ilay pasipaorin’ny dadany eo ampelatanana’ny justice Sud Af, sy ny didy tsy ahafahan’ny mivoaka ny territoire. De zay io ry Zanakidada a! aleo atao mazava be ny resaka sy ny marina. Jereo fotsiny raha nahazo 100 millions de dollars t@ WISCO, ny fitondrana, jereo ireo zavatra natsangany t@ vola io tao anatin’ny fotoana fohy. Aiza ilay famatsiam-bola be MCA 100 millions de dollars nadritra ny fito taona nitondran-dRaosy izay notantanan-dRaosy mivantana hanaovana foto-drafitrasa teny @ tantsaha? toa ny vitrine fambolem-bary teny Iavoloha no natao nipoapoka?
    Tsy azo ampitahaina velively ny moyens teo am-pelatanan’i FILOHA RAJOELINA sy Raosy, fa raha Zandry no nanana zay moyens rehetra teo am-elatanan-dRaosy, efa nihoatra lavitra ny vitan-dRaosy ny vitany. De aza manahy ry zanakosy, fa hitokana miketriketrika ireny zavabita ireny atao ho atao ny FILOHA RAJOELINA, ary mafy be iny ny anay, ampiana tafika, tsy ampiana tafika, ary ankehitriny, zao vao mahiratra ny mason’ny CI fa nanao erreur de jugement izy ireo. Mazava tsara ve ry Andry a! aza miady hevitra @ foza woa, fa tapa-tenda foana, satria ny foza tsy toa anareo, fanatique tsy mahalala biby afatsy ny sahona, manao totonombibory. De izay no mahatonga ny tsy fahombiazanareo, ary zay mba manana esprit critique, na manao autocritique ny namanareo, ka mba misaina kely sy milaza ny marina, de tonga de voaenjika lazaina fa foza, de mifampiataky eo, de zay foana, cercle vicieux. Aleo omena lesona nareo ry KM sy Rana faza manakiana be fahatany tsy mitondra vahaolana. Tianay koa moa nareo otran’izao foana mba hahamaivana kely anareo satria sagnagna tsy mahay raha. Aza miresaka politika woa rehefa tsy à la hauteur.

  17. Efa fantatra, fa io ambony io jerena ê ! Aza taritina any amin’ny zavatra hafa aloha ny resaka !
    Dia ny mbola eto ihany ! Na velan’ny REHETRA namidin’ny FATY ILAY RAOPLANINA, IZAY ANISAN’NY NIAMPANGÀNA NY FILOHA RAVALOMANANA !

    Mangataka an’i Ny tena Andry tsy domelina, hametraka fanontaniana sy hanao fanadiadina ao amin’ny Magro, hanontany an’ireo mpitarika hoe : GESTION DES AFFAIRES COURANTES VE NY FAMAROTANA AN’IO FIARA-MANIDINA IO ???

    Amiko dia tsy zoan-dry zareo ao anatin’io tetezamita io mihintsy ( anisan’izany ireto hoe ministra, CT sy CST avy amin’ny movansa Ravalomanana ) no mivarotra zavatra izay mbola tsy nisy didim-pitsaràna ny mikasika momb’azy ! Tsy an’ny TIKO velively na an’ny governemanta irery iny fiara-manidina iny !

    Mazotoa manao fanadiadina ry Ny tena Andry tsy domelina, fa izahay aty efa manao ihany koa !

    Resaka PPP ( Partenariat Public Privé izay ny FMI sy ny Banque mondiale no namorona sy namporisika ) no nividianana an' »iny », izany hoe mazava fa misy volam-panjakàna, fa misy ihany koa volan’olon-tsotra, ka izay nividy moa izany dia naman’ny atao hoe « recéleur », fa izay nivarotra sy ireo rehetra izay nanaiky, dia naman’ny mpangalatra !
    Noho izany, mila ny fanazavàna avy AMIN-DRY ZAREO REHETRA AO ANATIN’IO GOVERNEMANTA IO NY VAHOAKA !!

  18. Kintana olona ve no resajhanao hanazavanao izany eeee??
    mba misy miditra @ loha-kelin’i foza ve izany ??mbola misy nofo sy rà ve
    ilay olona lazainao eto???indrisy ry dà!!!MAHONENA e!!!!vola!vola!!vola……….
    Tena nalahelo aho nahita ity sarinao, tena io sary io mihintsy no izy!!MAFY e!!!

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *