MITANTARA NY HABIBIANA NATAON-DRY LYLSON TANY ATSIMO I D’GARY

603984_492576620763756_1078372321_n

MITANTARA i D’GARY (Mpanakanto malaza eto Madagasikara sy any ivelany)

Dia toy izao ny tohin’ny resaka Betroka, satria nisy ramatoa fianakavianay zay tonga teto A/vo tamin’iny herinandro iny,zay avy ao amin’ny Fokontany VOROMIANTSA no nitantara bebekokoa ny zava-nisy tany nandritry ny asan’ireo mpitandro-filaminana(forces spcecial).

-Rehefa hiditra amin’ilay tanana reo gendarmes-militaires dia mifehiloha mena daholo ry zareo, mifehy lamba mena koa ny eny amin’ny basin-dry zareo ary mifehy lamba mena sy mainty ny tanan-dry zareo havia-havana.

-T’isy fanontaniana an’i Remenabila fa tonga dia mampihorohoro sy midaroka ,dia nisy tovovavy kely iray (13 ans) teny ambaibo(an-tsaha), notifirin-dry zareo fa tsy voa ary tonga dia nandositra tany anaty ala lay ankizy vavy kely …roa andro izy vao niverina tamin’ny fianakaviany(roa alina tany anaty ala), nisy jabely (vao avy niteraka roa volana) tsy nomena bodofotsy fa lamba flanelle iray ihany fa dia niaraka tamin’ireo fokonolona tany anaty ala koa nandositra.

-Alohan’ny handoroan-dry zareo ny tanana dia alain-dry zareo daholo aloha zay entana saro-bidy toy ny « volamena-volafotsy(vangovango),lamba flanelle….zay tsy zakan-dry zareo dia atsipitsipiny toy ny lamasinina fanjairana …dia rehefa avy eo odoran-dry zareo amin’izay reo tanana rehetra na ny lakilasy (ecole), hatramin’ilay drapeau-n’ecole, may daholo ny copie, ny bokin’omby (cahier de bovides),tahirim-bary, tahirim-balahazo….

-Ny tao amin’ny komitim-ponkotany ASELY ,dia nisy lonaky (olo-be) iray tsy nety nivoaka ny trano tonga dia nisintonin-dry zareo tao an-trano dia nokapohan-dry zareo tamin’ny vodi-basy, dia nofantsihan’ny tamin’ilay fantsika (tamin’ny latognambaravarana) ny lohany ,rehefa avy eo notapahin-dry zareo ny filahiany (ny sex), dia nampidirin-dry zareo tao anaty ny kidoro lay rangahy f’efa mitsipatsipaka dia nodoran-dry zareo amin’izay ary notifitifirina .

-Ny tany amin’ny komitim-pokontany Bekivozy sy ny tany amin’ny Fokontany MIARY dia nanaovan-dry zareo ny tifitra lance-roquette, grenade.

-Ny foko Zafindrav’ala amin’iny faritry Dist-Amboasary-sud iny dia tena tratran’izany heri-pamoretana zany daholo ,ny tao MAROMBY ohatra dia betsaka no maty voa-tifitra .

Tsy mbola fantatra loatra ny isan’ireo nosamborin-dry zareo ,satria tamin’ny nanombohan’ilay dian-dry zareo hoan’ny amin’iny faritry an-driry iny dia zay olona avy avy antsinanan’ny Betroka (an-driry),hamonjy tsena … tonga dia samborin-dry zareo daholo.Tsy mahagaga moa fa ny mpitarika(guide) ndry zareo koa dia olona avy amin’ny foko antanosy,dia mandeha ny tondro-molotra.
Ka ny filazan’ireo havanay dia f’efa mahatratra 45 no isany nosamborindry zareo, ny telo amin’ireo d’efa nalefa Tsiafahy, tsorina etoana fa ts’isy vita fitsarana daholo reo rehetra reo ,ny vahoaka reo koa dia tena tsy mifankahita ny avy aty amin’ny vill-Betroka sy ny any ambanivohitra satria samy matahotra ,na dia ny samy any ambanivohitra torak’izany koa, na ny mpivady tsy mifankahita ,ny zanaka sy ny reny satria samy niparitaka any amin’ny zay andosirany (anaty-ala) .Mampalahelo !

Fa ny mahagaga dia fa nahoana ny foko Zafindrav’ala ihany no enjehina,dorona trano,vonoina…??? .

Ireo olona ireo dia an’ny anaty ala no matory hatr’izao satria mbola matahotra-be, dia ny hariva iny izy ireo no maka balahazo zay eny an-tsaha hohanina ,ts’isy lamba isaforana…nefa zao fotoanan’ny fahavaratra, hatramin’izao tsy mbola taitra ny croix rouge !

Dia ireto zany ny fitambaran’ireo Fokontany sy ny komitim-pokontany may (16) :

Voromiantsa, Miary, Bekivozy, Asely, Ambaro-atety, Ambaro-ambany, Mahatsinjo, Manombo, Agnezan-dava, Ambatomazaka, Morafeno, Egn’omby, Amboandelaky, Abetsizaray, Ambaibo, Ambalasoa .

Ny isan’ireo olona tsy mana-kialofana : 4557.

Fa raha ny mikasika ny eny amin’ny ilan’ny antsimo-andrefana-Betroka – CR-Analamary, Fok-Ankilimary dia tena habibiana sy fandraisana-tsolotra ka tsy ho voatantara eto fa efa misy ny PV zay hatolotro anareo .

Dia mamerina fanindroany fa fisaorana lehibe no atolotro anareo, » sitraka hoentina matory ka ho valiana isaky ny mahatsiaro « .

Misaotra betsaka amin’ny fiaraha-miasa .

Mirary soa

D’GARY

29 pensées sur “MITANTARA NY HABIBIANA NATAON-DRY LYLSON TANY ATSIMO I D’GARY”

  1. Tsy misy maha-miaramaila an’ireo akory fa jiolahy mahery an-tanàna no tena marina.
    TSY HAMENATRA AN’IREO NY HANDOSITRA RAHA SENDRA MIFANENA AMIN4IZANY ATAO HOE MIARAMILA IZANY IZY.

    JIOLAHY miseho ho mahery satria misy basy eny an-tanany, fa esory ny basy dia ho hitanao eo izany : latsaka izany ny tainy sy ny ama…..
    An-koatra izany ny vola sy Jeneraly Adolf TGV no mibaiko ny sainy, satria olona terak’amboa, ary amboa hatramin’ny razany !

  2. Izao raharah izao dia tokony tsy handeha 2 izao fa tsy maintsy raisina ny fepetra rehetra. Tsy misy fialana-tsiny mihitsy ary tsdy afaka hilaza isika hoe tsy mahafantatra. Mbola hangina na ho tia tena ihany ve Ramalagasy eo anatrehan’izxao habibiana tsy roa amn-tany izao ? Ireo mpanohitra kosa dia tokony hanetsika ity resaka ity fa tsy hihanona fotsiny @ fandraisana anjara ao @ io tetezamita sandoka io. Ireo mpahay lalana koa dia tony handray fe[petra faran’izay haingana indrindra. Ary ireo izay any ivelany dia tokony henetsika izay tandrifiny, na @ filazam-baobao na @ fitoriana samihafa.
    Araka ny efa nahiana sy ny nambaran’ny Kly Charles dia i Lylison no nitifitra teny Antaninarenina t@ 7 fevrier 2009. Tsy misy tafavoaka velona ireo sy ny mpiara-dia @ jly richara Ravalomanana. Aoka ny vahoka handray ny andraikitra.

  3. Izay no olana ry LAZALAZAO ! »Aoka ny vahoka handray ny andraikitra. »
    Rahoviana no HISY nandray ANADRAIKITRA , fa sady mape no mandreraka ity wawawa ity !

    hitako tany ho any ity :
    « Faut-il vraiment que des mares de sang éclaboussent les écrans de télévision des grandes puissances bien pensantes pour que la communauté internationale réalise enfin qu’un pays tout entier se trouve sous la férule d’une oligarchie ploutocratique avide ? Ce que Bernard-Henry Lévy considère ailleurs comme une goutte d’injustice, pour le moment, reste et demeure une torture permanente, pour tout un peuple suffisamment soumis. Derrières les apparences d’une crise persistante, une bande de faiseurs passent leur temps à piller Madagascar.

    A force de subir les continuelles privations, les mesures oppressives et répressives, plus personne là-bas n’est capable de réagir intelligemment. C’est à peine croyable, mais c’est pourtant la triste vérité et l’un des multiples volets des résultats programmés de la mondialisation despotique du pouvoir de la haute finance internationale. Le drame de ce pays reste et demeure la mauvaise répartition du savoir, du pouvoir et de l’avoir. L’obtention des prêts de complaisance dans les organismes de microcrédit est une affaire de famille. Dans ce secteur, le degré de compromission des responsables a atteint un niveau tel qu’un jour ils devront presque tous s’expliquer devant un juge d’instruction. Les esprits rétrogrades d’un régime cynique entendent maintenir la majorité de leurs compatriotes dans la pauvreté, afin de permettre à la minorité qu’ils incarnent de vivre dans le luxe, le confort et la jouissance des privilèges étatiques.

    Par le biais du népotisme qui domine les attributions des marchés publiques, les bandits en col blanc se pavanent dans les endroits chics. Ils ne daignent même plus cacher leurs signes extérieurs de richesses. L’exemple le plus typique est le cas Mamy Ravatomanga, cet affairiste proche d’Andry Rajoelina. Sa présence en tant que membre des conseils d’Administration d’AIR MADAGASCAR, MADARAIL, LOGISTIQUE PETROLIERE et JIRAMA lui donne droit à des privilèges abusifs dans les octrois des marchés publics. Sous le couvert de sa propre entreprise dénommée SODIAT, il jongle sur des royalties qui se chiffres à des millions d’Euros. Les prouesses financières récentes de Jeanne Davidson Raolimalala au détriment de KRAOMA avec transfert illicite de 1.545.000,-Euros vers un compte numéroté de STANDARD BANK, au bénéfice de MINERAL GEMS INTERNATIONAL COMPANY à l’île Maurice, le 13 décembre 2009 illustrent bien le niveau d’implication de personnalités très hauts placées au niveau de la Présidence de la Transition et celle du ministre Mamy Ratovomalala. Au mépris des principes les plus élémentaires de l’orthodoxie financière des lingots d’or et des fortes sommes en devises quittent le pays vers des comptes discrets à l’étranger. Parmi les dirigeants éclaboussés par ces pratiques répréhensibles les noms de personnalités très en vue figurent en bonne place. Et le jour, qui ne saurait tarder, où les corbeaux qui ont débusqué les documents compromettants seront face à la presse, des têtes vont sûrement tomber. Sauf haute protection complice…

  4. Ataovy daholo ny intox ry zanakidada a! raha foko bara na Antandroy, na Antanaosy …sna any @iny fairtra Atsimo iny no hanaovana antsojay zany, tsisy rahaharaha vanona izany eo. Rainivoanjo, zany, tsy miala maina, ary tsy hanaiky ho lanilany vola fotsiny amin’ny vola aman-tapitrisany, lany nividianana fitaovam-piadiana antsokosoko sy hanakaramana dahalo hanakorontana any Atsimo any. Marary fo ny zanakidada, fa tsy nahomby koa ity asan-dahalo any Atsimo ity. De io ndray fa mampiasa an-dry D’Gary, hampisy adim-poko any, ary mazava be zao, fa rehefa tsy nahomby ty asa fanakorontanana ity, de io ndray fa mandranitra sy mandrangaranga adim-poko. Mba misaina ihany ry D’Gary, sao ity laza be eran-tany ity, lotoina in-dray andro @ fitiavam-bola maloton-drainivoanjo.Eny e! raiso fa vola adala tompo, fa kosa aza entina mandranitra adim-poko, sao mifototra @nareo. Ny dahalo maty sy ny forongony ane, mampalahelo mafy an’ireto fahavalom-bahoaka zanakidada mpamono olona tsy manantsiny ireto, ary marina ny tenin’i Vy Vato woe, ireny dahalo mamono olona sy forongony ireny ve, mba manaja ny zon’olombelona e! fa maninona no miaro dahalo ny zanakidada? Tokony hiala ao @ fitondrana, raha mahita fa tsy mandeha, kanefa ianao isan’ny mpitondra ao @ fitondrana. Arovy sy tohano foana ny asa fanakorontanana sy ny asan-dahalo Rainivoanjo, fa vao maika rangahy, any Sud Af no maramarana ny sisa andron-drangahy, ary ny fanenjehanareo mianakavy miaramila efa io ihany no nampihinana ny AMA mbola atao foana. Mbola mahatoky ny volabe hampidirana mercenaires ao Dago foana ve hifanandrina @ miaramila e? andramo ane, na Marins, na tafika SADEC, na ny Mercenaires, miaraka @ndrainivoanjo miditra eo, de ho hita eo woe, iza no mafibe e? Ary marina mihitsy kay le woe, milisy recruter n’i TOJO ireo dahalo any Atsimo, ireo, fito taona Rainivoanjo nitondra teo, tsy nahita izany fambolena rongony @ 1000 Ha tany Atsimo izany, zao ndray ty arovan-dry zalahy ireo mpanao trafic de drogue sy dahalo ireo. Hitako ary Ratojo malaza ho mpanamôly be. Mafy be woa ny olona ry zanakidada, fa na inona na inona intox afafinareo eto, tsy adala ny vahoaka, fa fantatr’olona foana ny mpilaza masaka sy ny tena vérité a! tena vendrana ireto ka!

  5. « Democratie(???) + mauvaise gouvernance + SADC = corruption + insécurité + inflation = Pauvreté extreme + election 2013(???) » io no azo amaritana ny fitantanana ny crise nanomboka 2009!izany we io no schema strategique ny fitondrana tetezamita ialana @ crise fa idirana @ fahantran’ny vahoaka malagasy!!!! oh : fa inona marina ary no tena ataon’reo miaramila any antsimo any ry mafibe TGV a?atramin’zao mantsy d mbl misy fôna ny vaovao @ TV sy ny radio ary ny gazety ny momba ny ts filaminana any antsimo : fa tô we ts misy vokany kory ny fandeanan’reo zay noeverina ho miaramila (sady tsy araptaovana no mbl b zesta iany, nefa ra anakana fitokonana any Tana d tena ôtran’ireny « forces armées » anafika firenena atao zanatany reny mints :sady misy cask,no mtana lance roqet, grenad, 1000traeuse, 4*4 blinD, tank… nefa vahoaka miaraka @tana-polo no advant @io an, d gaga ela!!!!democratie!!!) any antsimo any, tô mandany budget panjakana fosiny reny,tô ts enoeno mints ny filo HAT @io rahara any antsimo io, tokony manangana Strategie Nationale pour la Lutte Contre les DAHALO (SNLCD) ko angé é, sa ts aazona financement avy any ivelany zany, d tsis vola angalarina, d ts atao na d ita fa tena mampamaivana ny fahorian’ny vahoaka malagasy aza; sa ko we ts vôfaritra ao anaty ny tondrozotra d ts atao?manin ko mo ra we ny SADC sy ny tondrozoitra mints no mitondr mandritran’ny tetezamita rehefa ts mahay mandray decision irery ny fitondrana é!zany no tena mety @zay mb fatatry ny vahoaka tsara we misy pitondra marna ngé tsik é, @zao mants ts fantatra tsony we i nga Andry Rajoelina marn v no mitondr sa reo manodidina azy sa ny SADC sa ny tondrozoitra???!

  6. Mbola hihodina tsy ho ela io tantara io fa ny Longo-nareo aty Iarivo tsy manadino izao zava-mampalahelo atao anareo izao. Mivavaka aloha no mbola azo atao amin’izao mandram-pitodikin’ny basy any @ Rajoel sy ny tariny, izay tsy ho ela an! Fa hahita sary ireo.

  7. andry jusqu’a la mort ny anay e, endraso eo dada tsy hanahaka fa tsy mila an’iny intsony izahay satria nangorona ny haren’ny malagasy iny teo amin’ny fitondrany sady tambanivohitra

  8. Dia manomboka indray ity ny erinandro vaovao ! Mitohy hatrany ny désinformations ataon’ny foza, izay tsy inona fa fanambaràna ny zavatra ataony, dia mody ahilika any amin’ny hafa ! Tsy vaovao aminay fa dia tohizo (rehefa tsy mpanao gazety) mba hahafantaranay bebe kokoa an’izay nafenina sy mbola tadiavina afenina !

    Ny marina tsy maintsy mbola hipoitra foana ! Santionany ireo sary navoakan’ny Tananews farany, sy ireo nivoaka androany !

    NISY NITIFITRA AVY AO AN-DAMOSINA IREO VAHOAKA, ARY IREO MPIAMBINA NY FILOHA KOA DIA ANISAN’NY LASIBATRA !!

    Manantena fa mbola hisy malagasy tonga saina, ary hamoaka an’izay sary rehetra eny ampelatany, fa tsy dia rariny mihintsy izao zava-manjoa an’ny vahoaka malagasy izao !

    Manarak’izany, dia variana ihany aho amin-dry zalahy mpanao gazety ireto, satria ry zareo no tokony mpanome vaovao mba hahazoan’ny vahoaka mahafantatra tsara ny zava-misy ; ankaotry ny fanomezam-baovao, dia fanadiadiana sy fanazavàna ny tena fandehan-javatra no tokony ho ataony, fa tsy ny manao boloky fotsiny.

    Niaran’ny sotasota avy amin’ireto mpitondra sandoka ireto ry zalahy vao be menomenona !
    Zavatra hitako tao amin’ny Tribune androany maraina :

    Communiqué de presse du Syndicat des Journalistes Malgaches (19/11/12)

    ….
    « Concernant particulièrement les récentes plaintes à l’encontre des directeurs de publication et rédacteurs en chef des 3 quotidiens de la capitale, il est important de souligner les interventions du Directeur de la Publication de « Midi Madagascar » Zo Rakotoseheno qui a tenu à rappeler les dispositions légales prévues par la Loi N°90-031 du 21 décembre 1990 relatives à la Communication, sur les procédures qui n’ont pas été vraiment suivies avant d’entamer une quelconque poursuite judiciaire, à l’encontre des journalistes. Il a souligné que ce texte garantit l’exercice de la liberté de la presse, reconnu et garantie par la Constitution. »
    ….

    Koa eto isika izao : Constitution inona, ny Tondrozotra ve ? Ny tondrozotra angaha miresaka fanaovan-gazety izany ?
    Koa raha miresaka sy mandrangaranga Constitution ihany ianareo mpanao gazety, indrindra ny Midi izay gazetin’Ingahy Rakotoarivelo sy ny fianakaviany, Constitution inona moa no tena resahinareo ity ?

    Ekena fa ao anatin’izany hoe Tetezamita isika izao, na dia betsaka aza ny zavatra azo kianina momban’ilay izy !
    Tsy misy resaka mihintsy hoe rehefa tetezamita, dia efa miova koa izany ny Repoblika sy ny Lalàm-panorenana mifehy azy !
    Nataon’ny mpanongana ilay referendum fôpla izay tsy ankatoavin’ny CI atramin’izao, ary nolazain’ny FATY fa hoe lany sy neken’ny vahoaka ilay lalàm-panorenana fôpla narosony ; ary dia niova arak’izany ny Lalàm-panorenana !! Porofoin’Ingahy Rakotoarivelo amin’ny fanaovan-tsonia izany !

    Koa ianareo mpanao gazety, mba inona marina no hevitrareo momban’izany ? Ianareo anie no tokony mba ampianatra ny vahoaka ê ! Sa ny zavatra izay soratanareo, dia natao hazahoam-bola fotsiny, na marina na diso ny zavatra ao anatiny ?

    Mba miantehatra aminareo mpanao gazety (an-tsoratra na haino aman-jery,..) anie ny vahoaka ê ! Noho izany tokony mba miezaka milaza ny marina isan’andro ianareo, ary mba manao fitsikeràna, mba hampi-SOKATRA ny sain’ny vahoaka !

    Manana andraikitra lehibe amin’izao krizy izao ny mpanao gazety, satria niainga avy tamin’ny fanelezana zavatra tsy dia marim-pototra na lainga nafafin’ny sasany mihintsy aza indraindray, izao krizy mahatsiravina izao !

  9. Hita tao amin’ny Midi Madagascar !!

    ……..
    « La candidate du Hasin’i Madagasikara à la course à la Magistrature suprême du 8 mai 2013 pointe également du doigt les entités politiques signataires de la Feuille de route.
    Des formations politiques qu’elle considère d’ailleurs comme des « biby tsy misy lohan » (bête sans tête).
    « Ne disposant pas de véritable culture politique, les partisans de ces mouvances politiquent optent plutôt pour la pratique du culte de la personnalité. »
    ..
    « ne disposant pas de candidats potentiels, ces formations politiques qui ne sont même pas enregistrées au ministère de l’intérieur et dont les conditions d’existence ne sont pas conformes à la loi sur les partis politiques.. »
    ….

    Ilay olona aloha dia efa hita koa fa opportuniste, satria tsy nahafantatra an’izany ekôlôzia izany raha tsy tamin’ny andron’ny fanonganam-panjakàna !

    Rehefa lazaiana fa olona tsy alehany daholo ireo nanao sonia, ary antoko tsy fantatry ny ministeran’ny Aty-tany, nahoana ilay olona no miazakazaka andray anjara amin’ity hoe fifidianana karakarainy ity ?

    Maninona koa izany no tsy nolazaina hatr’izay ela be izay ?? Misy tsy milamina koa ny ao an-dohanao ao ramatoa !!!
    Ny fantatra aloha dia tsy anisan’ny mpiaro ny ara-dalàna ianao, fa anisan’ireo mpanararaotra fotsiny ! Culte de inona izany no tena adinao ?

  10. « biby tsy lohany »
    « mouvances politiques fa tsy politiquent »
    Miala tsiny fa sady miresaka aman’olona amin’ny tél no manoratra !
    MDR !!!!!!

  11. Biby tsy misy lohany aza ity mbola diso ihany !! Hi hi hi ! Asa mitaky sakafo ny kibo ???
    Aiza daholo ê ????

  12. Variana manaraka ny vaovao avy any amin’ireo mpanohana an’ireto mpanongam-panjakàna daholo ve ê ?

    Lasa misy filoha roa ny antoko frantsay izay tena nanohana an’ilay mpanongana ! Prezidà roa, samy « auto-proclamés » ! Hi hi hi !!!
    Mifanendrikendrika hoe mpangala-bato daholo, kanefa ny « traikefany » no mba entina any an-tanin’olona, hita sy re tamin’izany ny vavan’ilay hoe E. Raoult !!
    Dia izao notohanana sy napetraka ity hoe B. Atalaha sa Antalaha sa tsy haiko ity !

    Dia mba mihino marina va isika fa dia fifidianana MANGARAHARA no karakarain’io olona io ???

    Izaho manokana dia tsy mino !!

    Mitodika kely atsy amin’ireto hoe eveka ireto indray !! Tao amin’ny Tananews satria somary tara ihany ny vaovao ato !

    Talanjona dia talanjona raha namaky an’ireo voalaza tao anatin’ny fanambaràna navoakan-dry zareo ! Fitanisàna ny voka-dratsy nateraky ny fanonganam-panjakàna no tena natao, fa tsy sahy nilaza ny tena marina sy izay andrasan’ny vahoaka !

    Tandremo fa ho tasrain’Andriamanitra ianareo, ary ho tezitra mihintsy izy satria toa tsy sahy milaza ny tena marina ianareo ! Naman’ny mandainga no dikan’izany, sa dia efa manantena fa ilay lazainareo hoe Papa sa dada no hanome famotsoran-keloka ?

    Raha tena tia tanindrazana sy ny vahoaka malagasy ianareo, dia dakao any aloha ilay olona fotsifotsy be volom-bava iny, fa iny no toa tena mpamoky anareo sy tena poizina ho an’ny Firenenana malagasy !

    Raiso ny andraikitra fa mbola manana havana, rahalahy sy anabavy malagasy ianareo, ary tsy ho vitanareo ny hamelona an-dry zareo, amin’izao fahasahiranana mianjady amin’ny vahoaka izao.
    Ianareo no efa manana karama avy any ivelany satria miha betsaka ny deni de culte sa mihena ny denier de culte, tsy dia fantatra intsony ! Ny fantatra aloha dia ny ankamaroanareo, toa tsy miara-milevina amin’ny fianakaviana satria hoe OLO-MASINA, noho izany na rehefa maty aza, dia tsy tia miaraka amin’ny rehetra na dia fianakaviana aza ! Mpanota loatra izy ireo sa ahoana ny fahitànareo azy ireo ?

  13. Raha zahay manokana aloha dia aleo anankiroa ny filoha mpirenena ,@izay tsy misy miady fitondrana intsony ny zanaky dada sy zanaky tgv ,zany hoe izy roalahy tonga dia atao filoha daolo ,les deux premiéres présidents au monde se trouvent à mada.Ny voalohany any iavoloha ny faharoa ambotsirohitra.
    Ravalomanana afaka manohy ny projet teo aloha (manao arabe,mampiakatra ny orin’asa tiko erakin’ny mada,afaka mampiditra bailleur eratany sy mampanofa ny tany gasy @ireo bailleur na investisseur,afaka mampiditra sinoa betsaka IHANY hotran’i Ratsiraka MBA hameno any mada dia afaka zato taona dia ny sinoa ndray mba manoratra ny tantara ny mada hoe avy any asia ny gasy hoatrany zava misy @izao, sady afaka mividy force one faha roa indray sns….)tgv kosa afaka manohy ny projet any teo aloha(manao publicité erakiny mada,manao soirée dansante samy afa, manao trano mora vidy,menaka sy vary sns mora vidy,mitovy @Ravalo ihany ny projet sasany ).Minoa ao fa milamina ny ao tananarivo.

  14. Za aloha mahita fa tena misy ny demokrasia any Dago e! itony Tangalamena voakarama volabe sahy mandainga ankitsirano itony, rehefa tena natao ny fanadihadiana, hay document tsy mari-pototra sy tsy mitombina daholo no entina mitabataba.
    Ô ry KM a! betsaka ny GAZETIN’NY MPANOHITRA, vatsian-dRainivoanjo vola manokana, fa raha vaovao maripototra daholo ireo fiampangana miaramila ireo, efa nivandravandra an-tsary sy haino aman-jery io, noho ny fahalalahan’ny fitenenana.Ny mahagaga, raha lazaina fa tsy manao ny asany ny mpitandro ny filaminana, de kianina sy atao maty enjika. Mandray ny andraikiny indray, mbola mahazo fanakianana koa. Ny mahatsikaiky sy mampihoron-koditra aza, de sahy maka partie, amin’ny dahalo sy ny asan-dahalo mihitsy ny zanankidada, de miteny droit de l’homme, kanefa ny dahalo arovanareo ve, mba mijery zany droit de l’homme izany, manafika fanan’olona nohariany nandritra ny androm-piainany, robain’ireny tsivalahara ireny indray alina, manaraka ireny moa ny vono olona, fanolanana vehivavy, famonoana zazamena ahosotra @ basy sy ny lefona ny rany, @ fanaovana ody, tahaka an’ity TOKANONON’NY ZANAKIDADA izay saiky niharan’ny hatezeram-bahoaka tany Betroka, nihorakorahan’ny olona ny hamonoana azy sur place, fa mbola fiarovan’ny miaramila an’ilay zon’olombelona, no tsy nahafaty azy.
    De ny marina ry KM, ny vaovao marina ho trandrahana mihitsy no tsy misy a! Ary io no hisamboran’i R-Bombe, anareo, spécialiste @ famafazana vaovao tsy marina hanakorontanana sy hampiadiana ny samy malagasy fotsiny.
    Mba misaina kely fotsiny ane e! zay zavatra nolazainareo fa hitranga, haingana, na hitranga atsy ho atsy,nandritra izay 4 taona izay, inona no tanteraka? Mba miara-mitondra ao @ tetezamita ianareo, minisitra marobe, CST,sy CT, marobe, filohana andrim-panjakana roa matanjaka be i Hanitra sy Ramamy, inona no vahaolona mba natolotrareo, sy nentinareo? Raha za aloha ny t@ toeran’ireo, efa menatr’olona sy nisitrika aho, tsy mahavita azy, kanefa ny taimbava variraraka ary na de ity fireharehana ho nianatra be ity aza, toa tsy hita zay eo, fa araka ny tenin’ilay iraikalahy etsy mbony woe, T2 niala, de mokony be sy intox ary adina ankoholahy fataka fotsiny, fa tsy sahy rehefa tena mandroatra, fa mandositra an’elakelan-trano, sy any an-tanin’olona no betsaka. Ny maha faible tsy manana tena stratégie maty paika, no hanjakanay TGV mafibe, ny zanadrainivoanjo kely say sy kely sandry ary tsy ampy solaitra.

  15. Eo ihany fa tsy lavitra e!Somary tsy salama koa ny ankizy .
    dia gaga ianao??sendra izay taranak’alika no mitondra ka aiza no tsy
    izao no zava-miseho e!!afa-po tsara ny foza @’zao, mihinana sy migilabona eo antrehan’ny zavamisy.l

    Za Gasy ! ny devoly sisa no mitindra ny firenena e!!

  16. denizy a écrit :
    ny tenako dia tovovavy mipetraka ao toulouse, manequin, manana boutique iray ao vassacos,manana holety lehibe eto madagascar za,membre ao amin’ny GMMC na ilay chorale mpanao gospel, tia mihaingo ny tenako , tia sakafo matsiro ihany koa, tia mihira, tia mamonjy fety, tia kerimesy be, tia mifaninana mandihy tropicaly, ratsy saina be za satria mpangala badin’olona, maimbo elika be za dia alamo ihany no ampiasaiko, tsy dia manana fotoana hisasana za noho ny asako raha tsy isan-kerinandro ihany,tia mitsifotra za,tia mampiasa figo vy za , ny cadeau tena tiako dia bandana vert jaune rouge, raha ny endriko indray aloha bomanga mangirana be sady ngita volo be mitsy fa za mahay tsapiky be a, ny artiste tena tiako dia ramora favori, mpanendaka ny sipako taloha, teodore no anarany, mpanao rugby ao amin FTA manjakaray,manana villa lehibe etsy la reunion kely za, efa in 7 nisara bady, tena nijaly anie ry reto za e, feno rangodrangotra ny tarehiko,za somary vakivaky tongotra be,efa elaela ihany za tsy niborosy nify,tia mivazavaza be za,za tonga dia midaroka izay rehetra tsy mitovy hevitra amiko marihiko etoana anefa fa tena olona manam pitiavana be za satria mivavaka any amin’ny apokalipsy,
    raha misy manam paniriana ny hanorina fiainana tena matotra miaraka amiko dia aza misalasala miantso ny 033 02 77771 na tsikoko@yahoo.fr,
    tandremo fa betsaka ny mpialona: Denizy
    avec discretion

  17. Mivaralila ve BOGOR ity . lasa mivadibadika tahaka ny tanalahy eto foana, izao lasa TGV mafibe sy Pirina indray no betsaka any . efa torakovitra fa ho avy ny dadanay sa matahotra fa ho tapitra ny andron-Drajoelina .

    mampamangy amin´ny fahoriana fa ho vita Rajoelina .

  18. Dia ahoana izany ry D’Gary satria anie toa kofa akamanao ao @ all stars ao no nanohana an’io rajoelina io e?

    Km,

    Ny mantsin’i Madagasikara ve no miteny izany? Fa inona hono no « culture politique »-ny?

  19. Dia mba gaga ihany ny tenako ry Alidera ! Toa ramatoa miteniteny foana, moa ve tsy version feminine an’ilay iray !
    Raha dinihina amin’ny taonany, raha tena tia tanindrazana marina, efa ela no tokony ho fantatry ny olona ny zavatra mba tena tiany ho atao amin’io firenenana io, sy ny anarany !
    Saingy ny culture politique-ny angamba dia ny hoe : Du moment que l’engin est censé rouler sur des rails, et qu’il mène quelque part ou non, je monte dessus! Faux TZV, vieille loco diezel, drézine manuelle,…qu’importe !
    MDR !!

    Je « serai » la plus intelligente et la plus belle pour vous b…erner ( na samy mieritreritra an’izay tohiny angamba) !

  20. eeeeeeeeeeeee!!!!!!
    bon courage zany nareo any antsimo any faha raha izay eto tananarivo dia tsy anetsika na akikely iray aza ho anareo!!!
    madagasicara zao efa firenena ny tsy iray ray, dia samy manao izay mapiety anareo any, aza manantena famonjena , naha ko olona hitsangana iaro ny zo nareo, faha izay ato tananarivo dia samy tia tena daholy
    mangez votre merde la ou vous etes!!!!!!!!!

  21. Ie tena mivaralila ry Masinjaona a! ny olona mivaralila ve lazaina fa matahotra Rainivoanjo, kanefa lay olona atahorana aza ity tsy eo, kely sandry tsisy aina akory fa ankoholahy fataka. Mbola tsisy nanenjika akory aza, defa iny fa mitsoaka mahana satria mpamono olona. De inona no atahoranay ankoholahy fataka? Mangina fotsiny rehefa voaratran’ny marina, ary ny analyse nay tsy zakan’ny atedohakelinareo. Mangina rehefa tlany jijy.

  22. le congolais Christian d’amnesty internationale est bien placé pour porter des jugements sur notre armée!lisez bien
    RDC: l’ONU dénonce « la barbarie » des viols et des exactions au Sud-Kivu
    (AFP) –
    GENÈVE (AFP) — L’ONU a dénoncé vendredi la « barbarie » des exactions et viols répétés commis par les rebelles des Forces démocratiques de libération du Rwanda (FDLR) et l’armée au Sud-Kivu, dans l’est de la République démocratique du Congo (RDC).
    « Les viols continuent. Il y a une explosion de la violence et des exactions qui sont le fait aussi bien des forces armées régulières que des FDLR (…) malgré le récent cri d’alarme de la communauté humanitaire », a expliqué la porte-parole du Bureau de coordination des affaires humanitaires de l’ONU (Ocha) Elizabeth Byrs.
    « Le dernier cas en date qui est le plus troublant et le plus dramatique est celui du viol d’une fillette de trois ans le 20 mai par les groupes armées » sur le territoire de Kalehe dans le nord de la région, a raconté la porte-parole lors d’un point de presse.
    « La pauvre enfant est morte avant d’arriver à l’hôpital, ses blessures étant trop importantes pour être soignée. Sa mère a indiqué à des humanitaires que toutes ses soeurs âgées de 12,14 et 17 ans avaient été également violées au moins une fois par des hommes armés », a-t-elle ajouté.
    « C’est un cas qui représente la barbarie, l’horreur qui est en train de se passer au Sud-Kivu », a insisté Mme Byrs.
    Quelque 59 cas de viols ont été enregistrés entre le 1er et le 23 mai à Minova, une localité de Kalehe. En avril, 49 viols y avaient été signalés, a-t-elle précisé.
    Au total, plus de 1.330 personnes ont été victimes de viols au cours du premier trimestre dans cette région, selon l’agence onusienne.
    Cette « dégradation de la situation » limite par ailleurs l’accès des humanitaires aux civils et en particulier aux nombreuses personnes déplacées.
    Plus de 20.000 nouveaux déplacés ont été rapportés à Shabunda, dans l’ouest de la région dont une partie n’est plus accessible que par voie aérienne, a encore signalé Mme Byrs.
    Selon les données de l’ONU, les derniers affrontements entre l’armée et les rebelles hutu rwandais au Sud-Kivu ont provoqué le déplacement de 124.000 civils depuis mars. Fin mai, le nombre total des personnes déplacées de la région était estimé à 445.900.
    Copyright © 2012 AFP. Tous droits réservés.

  23. ny zavatra mampanahy manko, sosokevitra ny ahy fa tsy hoe manohitra an iza aakory aho, fa D’gary manko mpanakanto, manamarina ve izany fa tena marina tokoa ny teny ambarany rehetra? ohatran ‘Ilay mpanakanto iray teto izay tsy tononiko ny anarany, nisy marina ny teniny, fa nanaony « a l’extreme ny akamaroan ny zavatra nambarany »

  24. D’gary mpifoka sy mpivarotra rongony! ny mpangalatr’omby no tena namany!! HIVOAKA TSY HO ELA NY MARINA MOMBA AN’I D’GARY MPANAMÔLY! I MONJA ROINDEFO NO MANIRAKA SY MPIRAY PETSAPETSA AMINY!!!! VOKATRY NY FIFOHANA RONGONY DIA MANDAINGA SY MANELY TSAHO!

  25. denizy a écrit :
    ny tenako dia tovovavy mipetraka ao toulouse, manequin, manana boutique iray ao vassacos,manana holety lehibe eto madagascar za,membre ao amin’ny GMMC na ilay chorale mpanao gospel, tia mihaingo ny tenako , tia sakafo matsiro ihany koa, tia mihira, tia mamonjy fety, tia kerimesy be, tia mifaninana mandihy tropicaly, ratsy saina be za satria mpangala badin’olona, maimbo elika be za dia alamo ihany no ampiasaiko, tsy dia manana fotoana hisasana za noho ny asako raha tsy isan-kerinandro ihany,tia mitsifotra za,tia mampiasa figo vy za , ny cadeau tena tiako dia bandana vert jaune rouge, raha ny endriko indray aloha bomanga mangirana be sady ngita volo be mitsy fa za mahay tsapiky be a, ny artiste tena tiako dia ramora favori, mpanendaka ny sipako taloha, teodore no anarany, mpanao rugby ao amin FTA manjakaray,manana villa lehibe etsy la reunion kely za, efa in 7 nisara bady, tena nijaly anie ry reto za e, feno rangodrangotra ny tarehiko,za somary vakivaky tongotra be,efa elaela ihany za tsy niborosy nify,tia mivazavaza be za,za tonga dia midaroka izay rehetra tsy mitovy hevitra amiko marihiko etoana anefa fa tena olona manam pitiavana be za satria mivavaka any amin’ny apokalipsy,
    raha misy manam paniriana ny hanorina fiainana tena matotra miaraka amiko dia aza misalasala miantso ny 033 02 77771 na tsikoko@yahoo.fr,
    tandremo fa betsaka ny mpialona: Denizy
    avec discretion

  26. AZa dia miteniteny fôna kosa eeeee!manaova fanadihadiana tsara vao manaparitaka vaovao! mety fianakaviana dahalo ko nge le havan i D’gary e

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *