NAMPIASA HERY INDRAY NY EMMO-REG, TSY NIHEMOTRA NY MPIANATRA

Na dia teo aza ny fampidirana am-ponja ireo mpianatra enina mianadahy dia tsy nihemotra nanohy ny fitokonana ireo mpianatra teny Ankatso androany. Ny maraina dia efa vory marobe teny amin’ny Esplanade Ankatso ireo mpianatra nanome toromarika ireo namany amin’ny hanatanterahana ny fitokonana. Ora iray taorian’izay izany hoe tokony ho tamin’ny 10 ora dia nitondra sora-baventy izy ireo ary nihorakoraka nidina ny fiantsoanan’ny taksibe 119. Ankoatra ny fitakiana ny vatsim-pianarana dia anisan’ny takian’izy ireo ihany koa ny famoahana ireo namany nampidirina am-ponja. Tsy nijanona teo anefa izy ireo fa nidina teny akaikin’ny Clt Tsiadana, niaraka tamin’ny fandoroana kodiarana, hazo. Ireo fiarana izay nijanona teny amin’ny sisin’arabe dia nataon’izy ireo sakana. Nisahotaka avokoa ny mponina sy mpampiasa ny lalana teny an-toerana.  Tokony ora iray taorian’izay indray dia tonga ireo fiara 4×4 maromaro feno hery mpamoretana nandrava ny mpanao fihetsiketsehana tamin’ny fandefasana bamoba mandatsa-dranomaso. Avy hatrany dia nandositra ireto mpianatra namonjy niditra tany amin’ny faritry ny oniveristé. Ireo hery mpamoretana kosa dia tsy sahy nitsofoka tany anatiny fa nijanona taty amin’ny fiantsonan’ny taksibe 119. Ireto mpianatra dia tsy nitsahatra nitoraka avy eny ambony ary avy aty mabany kosa no nandefa baomba mandatsa-dranomaso ireto be baonty ireto. Nifampihainohaino teo moa ny roa tonta.

6 pensées sur “NAMPIASA HERY INDRAY NY EMMO-REG, TSY NIHEMOTRA NY MPIANATRA”

  1. Fa tena ilay mpianatra ve aloha no manao ilay HERISETRA handranintana
    ilay GIDRO mba hanamborana ilay mpianatra sy ampisehoan’ireto alika ny
    HABIBIANY????sao dia mba diso ny paik’ adinareo rankizy ka mampalahelo ny voasambotsambotra
    foana na maratra @ tsy amin’ny antony a!!ny ahiahy tsy hiavanana fa efa hita anie izao t@ andron’i
    deba e!!dia ireto gidro koa BIZINA ny azireo isaky ny mivoaka ireo dia SAOSY HANDAROKA ANAREO
    fa tsy HANDAMINA an!!!efa tsy ny fanjakana anie no maniraka ireo fa ireto KARANA SY FRANTSAY
    sns MPANJANAKA e!!MAILO IHANY RANKIZY a!!!na atambaro ny hery fa tsiponin’ny alika fotsiny dia
    hataony fitadiavam-bola fotsiny anie ianareo e!!!MAHEREZA RANKIZY MALALA fa izao no izy!!!!!

  2. Ravelonarivo, a!

    sao hanimba ny fodian´i Dada efa antomotra izany korontana izany , efa naharitra ihany hatrizay, ary efa mandeha ny strategia Politika ,ka aza rangitina ny olona, tsy ny mouvansy ravalomanana no tokony antsoina raha hanamafy oriny fa ny ray aman-drenin´ny mpianatra sy ny vahoaka efa mangirifirin´ny jaly noho ny krizy. Ireo vahoaka Leo, .. Fa tsy ireo mitondra anaran´ny Filoha Ravalomanana fa manjary hanimba ny filatsahany ho fidiana. efa betsaka ny te hamingana azy ,dia mila mitandrina tsara .

  3. Izaho aza mba gaga fa toa lasa secte tsy mifangaro na @ iza na @ iza ny ao @ MAGRO.Toa variana @ fivavahanana sy fanilihana fotsiny, nefa ny tolon’ireo mpianatra ireo dia tokony ho tohanana mihitsy. Aiza ireo mpitarika, Sa i Zafilahy hanao toy ilay teny Ambohijatovo t@ 28 avril 2012. vao niteny ny lehiben’ny miaramila tonga dia nanaiky sady mbola nanao hoe hatero izahay/ MPITARIKA MPAMADIKA

  4. BOURSES D’ETUDE : les étudiants malgaches en Chine, réclament leurs bourses au ministère de l’Enseignement supérieur malgache. Celui-ci évoque des difficultés budgétaires, mais affirme être en train de résoudre le problème avec les ministères de l’éducation et celui des Finances.

    Ny sekoly any aminareo any izao no anisan’ny tsara indrindra amin’izao fotoana izao ka dia mahereza ary ry tanora isany fa ianareo ny ho avin’ny firenena.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *