NY FILOHA RAVALOMANANA MARC IHANY NO AN’NY VAHOAKA MALAGASY

IMG_3555

Nitohy teny amin’ny Magro Behoririka androany ny hetsiky ny vahoaka mpomba ny Ankolafy Ravalomanana. Anisan’ny nandray fitenenana teny an-toerana ny Ct Leriva Manahirana. Nambarany fa matoa niditra tao amin’ny fitondrana dia nisy ny sonia mazava tsara natao tao tafiditra ny andininy faha 45. Tsy matahotra izany ny Ankolafy Ravalomanana hoy izy. Ny zavatra notakiantsika dia dia ny fampiharana ny andininy faha 16,17,20 ao amin’ny tondrozotra. Ny andininy faha 20 io hoy ity olomboantendry avy any Brickaville ity dia ny fivoriana tany Sandton no nanapaka izany, izay milaza fa tsy maintsy miverina ireo sesi-tany politika, noho izany dia tazonintsika izay. Na misy basy mipoaka azy hoy izy dia tsy maintsy milatsaka ny filoha Ravalomanana Marc. Aoka ianareo ao amin’ny Cenit tsy ho ampiresahan’ny olona, fa izahay dia milaza fa tsy misy fifidianana demokratika izany eto raha tsy tonga i dada. Raha te hanao fifidianana ianareo hoy Leriva dia manaova zavatra tsy mitanila. Namafisiny fa ny filoha Ravalomanana Marc ihany ny an’ny vahoaka Malagasy. Mazava ny nambaran’ny ambasadaoro Afrikana Tatsimo hoy izy fa tsy maintsy misy fanapahan-kevitra ho raisin’ny Troika fa efa ela loatra ny krizy. Alao hery ary ho antsika kivikivy hoy izy namarana ny lahateniny. Ny Ct Ralahiseheno Guy Maxime kosa dia nilaza anisan’ny hiderana ny filoha Ravalomanana Marc dia rehefa zavatra nosoniaviny dia ekeny.  Mihazakazaka ny raharaham-pirenena hoy izy, ary tsy mijanona ny fisamborana ataon’ny fat. Efa tena politika hafa mihitsy no iatrehan-dRajoelina ny raharaha politika. Efa taona no nitolomatsika ho an’ny filoha Ravalomanana Marc hoy Guy Maxime kanefa tsy maintsy mijoro hatramin’ny farany isika.  Mahakasika ny tetibolam-panjakana dia nambarany fa mazava ny fomba fijerin’ny Ankolafy Ravalomanana fa tetibola amin’ny taona 2013 dia miainga amin’ny tetikasa. Ny aditsika hoy izy dia marolafy. Mety tsy voatsika izao fa voatsika rahampitso. Tsy misy afa tsy ny fijoroana amin’ny marina ihany hoy ny fanazavany.

4 pensées sur “NY FILOHA RAVALOMANANA MARC IHANY NO AN’NY VAHOAKA MALAGASY”

  1. Ny rà, volamena, vatosoa ary andramena efa navadikin’ny sasany ho tany sy trano be, dia mbola hitanisa sy handany andro amin’ny resaka eo ve ry zareo â ?

    Alefaso daholo ny fitoriana izay nodradradradraina, dia asaivo mihetsika ny vahoaka manatitra ny kôpian’ny antontan-taratasy eny amin’ny vondrona eraopeana !

    Ataovy izay tokony ho atao ry vahoaka fa aza dia maty mitanin’andro eo fotsiny ianareo na dia deraina ihany aza noho ny faharetanareo hatramin’izay â !

    Aza manantena ny gasy any ivelany fa ny any izao efa manomana ny fety krisimasy, efa manofonofy vorintsiloza sy foagrà, sy ny alim-pandihizana samihafa !
    Izay mahazo ny havany any, tsy raharahiny akory ! Lavitry ny maso lavitry ny fo marina !

    Ny sasany tsy mitsahatra manangana société sao dia mivadika tampoka ny rasa ! Eo ireo any Nanterre, dia ny an’ilay raikalahy ity dia any atsimotsimon’ny lafrantsa any hono !

    http://www.tim-madagascar.org/forum/read.php?1,760344

    Tena mandrevirevy an’ilay vadin’i lery mihintsy, ka dia tsy maintsy natao hoe MIALY mihintsy ny anaran’ilay orin’asa vao natsangana tamin’ny 2011 ! Mandeha dia mandeha ny bizina !

    Ny vola mba azon’ny TIKO, ny azy, nentiny namelomana ny malagasy !

  2. Dia izany tokoa ve ry Kintana???ireo voatanisanao ireo @ voalohany ireo tokoa
    ve no izy??? tena tsy rariny lesy a!!!mbola hoa avy ny an’ireo fa tsy misy ho afa-maina eo e!!
    MAHONENA MARINA E!!!MATY AHO RY ANINDRAZAKO!!!!

  3. Inona aza ity fanontaniana ity ê ?

    Izay rehetra manohana mivantana na ankolaka an’ireo mpanongam-panjakàna ireo, dia tompon’andraikitra amin’izay zava-misy rehetra !
    Rehefa tsy miasa intsony ny mpitsara sy mpitandro filaminana, rehefa fanjakàn’ny baroa sisa no hiainan’ny vahoaka, rehefa lasa toy izany hoe sôdôma sy gômôro izany sisa i Madagascar, NOHO IZA ???

    Eo ireo efa mipika ka zaza 3 taona no anaovana zavatra tsy miady ; eo koa ny very tadidy koa ny filahiany no natao kitoza, ny an’ny sasany moa vorivorin-kena !!

    Fiainam-biby sisa, dia mbola tsy misy tonga saina ihany !!

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *