RAKOTONIRINA MANANDAFY : TSY HANDANY IO TETIBOLAM-PANJAKANA IO IZAHAY

IMG_3754

Izao no iainantsika eto hoy ny Cst Rakotonirina Manandafy androany teny amin’ny Magro Behoririka. Vao nanongam-panjakana Rajoelina hoy izy dia nomena anarana fahefana avon’ny tetezamita. Amin’izao fotoana izao dia nivoa anarana io fitondrana io izay lasa Hat niampy Cst sy Ct. Tsy maintsy misy dingana  ataoany hanovana io. Ny zavatra ifanolananay amin’izao hoy Manandafy dia ny tetibolam-panjakana. Ny tetibola izay lanianay ao dia heveriny fa volan-dRajoelina. Io no hitsarana hoe miray tsikombakomba ve izahay sa tsia. Rehefa handany ny tetibola hoy ity mpanao politika ity dia tsy maintsy misy ny teny ierena. Rehefa nanontaniana ny ministry ny vola dia milaza fa tsy mahay izany. Ny tenako hoy Manandafy dia nilaza fa eosrinay ianao rehefa tsy hanao. Tonga nihazakazaka nifona izy kanefa tsy nanaiky izany izahay. Misy mpiasan’ny banky iraisam-pirenena hoy izy nitantara hoe izao no faharavan’ny fihariankarena snsn.. Ny fanafody atao dia ny fitodrana ny tetibolam-panjakana amin’ny latsabato ataon’ny Cst sy Ct. Tsy handany io izahay hoy Manandafy raha tsy atao laniera amin’ny nataon’ny banky iraisam-pirenena. Izahay hoy izy tsy baiko-dRajoelina fa ireo namany ihany no baikony. Izahay dia milaza aminareo fa tsy iray tsikombakomba fa mitady izay hanarenana ny firenentsika.Harenintsika haingana hoy izy ny Cst sy Ct ka olona mahadidy sy mahatapaka no ataontsika ao.

13 pensées sur “RAKOTONIRINA MANANDAFY : TSY HANDANY IO TETIBOLAM-PANJAKANA IO IZAHAY”

  1. bla bla bla bla, nankaiza moa ry Monsieur Manandafi lay vola 11 milliard tao amin’ny hilton t@ ianao nosamborina????

    Ianao no foza misabaka mody midradradradra hoe averinay eto I DADA nefa tsy misy tafavokanareo hatrizao!!!

    Enga anie hoavy ny fitsarambahoaka de hahazo valiny daolo nareo mpanao politika maloto reo!!!

  2. ary ianao io ry rakotozafy mirana inona no efa mba vitanao manaratsy olona eto aminitony angamba sa tsy izany mampihomehy ianaoizao no tena foza orana be masiso toetsaina

  3. Marna nenao ry Kiloonga,i rakotozafy mirana efa mapme, ny fanontaniany koa mapme; raha nisy izany vola izany ve, ka nosamborina izy, moa ve aminao afaka mitondra vola be toa izany any @ toerana itazomana azy any izy? ary tsy ry Cdt Charles sy ny namany nisambotra azy t@ zany ve, no tompon’andraikitra @zany raha tsy hita izany vila izany? Pdt Manandafy aza pijama no nanaovany reefa nentin’i Cdt Charles tamin’ny vozon’ankanjony izy, tsy nahavita nihomana akory de azonao antoka ve fa nissy fomba nahafahany nitondra vola @zany? mapme fa de shhhh, vakiana fotsiny

  4. MIALA TSINY @ ATOA MANADAFY NY TENA ,FA NY TETY BOLA MANTSY DIA LANY REHEFA NY MARO ANISA NO MANDANY AZY ANY @ ASSEMBLEE,
    AGAMBA ITY CT SY CST ITY IZAY RAJOELINA NO MARO ANISA DIA HANDANY IO TETIBOLA IO ……

    KA SAO VOAFITAKA @ KABARY NY VAHOAKA .

  5. Izahay mba tany amin’ny carlton tamin’ny fotoana nisamborana an’i manandafy fa nirevy sipa kely izy no tao ary dia tena nisy vola anaovana ny tolona tao fa lasan’ny miaramila izay no tena marina fa aza miady nareo,aleo kosa izy mba hirevy sipa kely e

  6. Adaboy any izany resaka sipa kely sy vola izany, fa tsy nisy nahita an’izany aloha ê !
    Ny zavatra fantatra sy hita amin’izao fotoana dia io voalazan’i ravelonarivo io !

    Vitsy an’isa ry zareo ao amin’io fitondràna io, ary na iza no mibaiko na iza, dia efa MANDRAY ANJARA AO ANATIN’IO FITONDRÀNA IO NY MOVANSA !

    Ny hevitry ny maro ihany no tsy maintsy ampiarina na ratsy io na tsara, koa na himenomenona in-jato eo aza ianao r’Ingahy Manandafy, dia tsy maintsy ho lany foana izay teti-bola tian-dry zareo ho laniana ! Izay no vokatry ny fihidirana ao anatin’io sytema na rafitra io, sao dia hisy hanenjika eto indray ny tenako !

    Ny ela nihetezana lava volo, fa ilay réalisme toa tsy dia hita firy intsony !

    Izao ny firenena tsy an-tany tsy am-parafara ! Tsy reconnu kanefa toa reconnu, noho ny zavatra nekena kanefa tsy tokony nohekena !

    Ho any Paramahibo ( resaka sûr io nama ) izao Ingahy Mamy satria toa hoe nahazo Invitation, amin’ity fivoriambe-n’ny ACP-UE ity ! Mba hiady mafy sa hitsangatsangana fotsiny ? Ingahy Louis Michel, manara-maso tsara ny raharahan-tsika, koa tandremo sao dia manao zavatra tsy miady any !
    Mba tokony hanao tatitra amin’ny malagasy rehefa mandalo ao Paris ao, sa tsy hanam-potoana ? Tsara mantsy mba miresaka momban’ireny fanambaràna tao amin’ny Colbert ireny, satria izany ilay atao hoe fiaraha-miasa miaraka amin’ny GTT sns izay nifanarahana tamin-dry zareo !

  7. Tohizako kely indray ny resaka fa tsy tiako atao lavabe, dia tsy misy hamaky !
    Efa misy falifaly fa hoe hivoaka atsy ho atsy ny gazetin’ny mpiaro ny ara-dalàna ! Teo koa ny fanambaràna fa efa mahazo miverina daholo ireo lazaina fa niaran’ny sesin-tany !
    Aza gaga koa ianareo raha handre koa ato ato fa hoe nisy gadra paolitika roa na telo navoaka !

    Fanambaràna mantsy izany fa EFA TENA MANATANTERAKA NY TONDROZOTRA NY PHATY ! Ny amnistie moa, DIA IZAY REHETRA MANGATAKA IHANY NO MAHAZO, REHEFA VOADINIKIN’NY « MPITSARA » NY DÔSIE-N’NY TSIRAIRAY AVY !!!

    IZAY TSY MANGATAKA DIA TSY MAHAZO, FA « ANY NY TRANONY » !!

    Resaka entin-dry zareo, hahazoana ilay vola be daholo izany, na hisy fifidianana na tsia !

    Eo indray vao hoe « AHOANA ITY » ????

  8. resaka tao @ site tim-madagasikara :
    Raha toa tsy miova ny firafitr’ireo andrim-panjakana na sampana niforona hatramin’ny nisian’ny tondrozotra, dia tsy hisy fanatenana azo apetraka amin’ny zavatra andrandraina : fifidianana mangarahara, malalaka ary ara-demokratika

    KA RAHA IZANY TOKOA DIA NY TETEZAMITAN i rajoelina sy ny hat no ho ela velona.

  9. Tetezamita izay tena mifandika amin’ny Accord de Cotonou, sy ny Charte africaine des Droits de l’Homme et de la Gouvernance !

    Voahitsakitsaka ny zo an-dRamalagasy fa tsy misy mahafantatra, satria diso mahay sy variana mitady vola loatra !

    Vao manomboka ny fiainana baoridelika ! Santatra ambavarano izao, fa ny manetsa be mbola ho avy ê !!

    Chantons, dansons, mangeons et trinquons à la santé de Lucifer ainsi que de ses cons disciples !

    La vie du malgache ne vaut pas plus que celle du sokatra ! Sokatra, mot très à la mode avec ses variantes nisokatra, misokatra, hisokatra et la plus connue SOKAFY !! MDR !!!

  10. aza tapenam-bava ny zanak’i dada fa rehefa tsy mahatafaverina an’i dada ry manandafy sy ny namany dia aleo vasohana fa ela loatra e!aza ahodikodina intsony ny resaka fa ny vami aza nodakan’i mamy rakotoarivelo satria manaposaka ny toetra ratsiny dia tsy mahazo miditra ao amin’ny magro tsony sy ireo association hafa maro be

  11. Nanao sonia an’ilay fifanarahana ny CI, satria vonona ny handray anjara amin’ny fikarakaràna an’izany fifidianana izany !
    Misy ampahany tokony ho raisin’ny malagasy andraikitra momban’izany fikarakaràna izany, ary tafiditra ao anatin’ny tetimbolam-pirenena 2013 izany fandraisana anjara izany !
    Dia ahoana izany ity resaka tsy « handany » teti-bola ity ?

    Ny sasany mimenomenona ao amin’ny Magro, ny sasany manao bizou-bizou amin’ny olona izay lazaina fa vôlera ! Ny sasany tsy hita hoe tena manao inona ?

    Mba mahatsiaro sy mahita ny fahorian’ny vahoaka marina va ianareo ? Tompony mangatak’atiny, sa dia tena mpiara-misôsy marina ?

    Tandremo ihany ny retoro ataon’ny malira ê, fa toa lehilahy sy vehivavy lehibe tsy ampy saina daholo no fijerin’ny olona anareo ! Mba menatra legôna â !! Atramin’izato hoe eveka avy, no toa mivaralila daholo ! Itony hoe ramino moa tsy mampihino intsony !
    Ilay pasitera kalaza amin’ny fanaovana pôlitika moa dia tsy lazaina intsony !!

    Famotehana an’i Madagasikara tsy mbola misy toa izao ! Tompon’andraikitra daholo ianareo !

  12. ..Izay mihintsy  » TOMPON’ANDRAIKITRA DAHOLO IANAREO »
    ny PASITERA na MOPERA na MPIANDRY KISOA TOA ITONY
    ZANAKISOA ny RAD NAJORO sns…….MBA MANONGOA TENA TOMPOKO ô!!!!

  13. Fa ahoana ihany izy ity ê ?
    Mba « amendements » firy no narosonareo ê ?? Toa hoe tsy nisy na iray akory aza, ary toa hoe zavatra hafa mihintsy aza no natao ?
    Angaha rehefa tsy handany an’ilay izy, dia tsy mba mametraka amendements ?

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *