RAVELONANOSY MAMITIANA TSY MAINTSY NY FILOHA RAVALOMANANA MARC NO HAMAHA NY KRIZY

Nitondra fanazavana tamin’ny vahoaka teny amin’ny Magro behoririka androany ny Ct Ravelonanosy Mamitiana, momba ny fandaniana ny tetibolam-panjakana 2013 izay nandalo teny anivon’ny Ct. Anio hariva hoy izy no tokony hotaphina io volavolan-dalàna momba ny tetibolam-panjakana io kanefa rehefa ry zalahy no nitarika ny fivoriana dia nataony Tgv tokoa. Olona 14 no nandray fitenenana ny maraina sy hariva hoy ity olomboantendry avy eto Analamanga ity, ka izahay vao teny an-dalantsara nefa ny fifidianana efa mandeha. Tsy nomena fitenenana mihitsy ny Ankolafy Ravalomanana kanefa isaky ny misy fivoriana dia omena fitenenana 10 minitra ny filohan’ny vondrona parlemantera. Dikan’izany hoy Mamitiana, dia sady tsy alefa ao amin’ny tetibola ka tsy fantatra ny momba ny vola azo tany Ambatovy, ny bois de rose. Ny vola mivoaka dia ireo ministera misy ny Ankolafy Ravalomanana dia nahena 20% ny tetibola fa ny fiadidiana ny tetezamita no nampitomboina. Natao tian-kano tsy tian-kano hoy izy, ny tetibola. Noho izany dia tsy nandray anjara tamin’ny fandaniana io ny Ankolafy Ravalomanana fa mety hafa ireo olona dimy nanao tsia. Misafotofoto hoy ity mpanao politika ity, ny fitantanana ao amin’io tetezamita io. Ny volam-panjakana dia hanaovana fampielezan-kevitra satria be dia be ny fandaniam-bolam-panjakana. Milaza hoy Mamitiana, fa hanao fifidianana ny fat kanefa na ny antoka ara-politika aza tsy misy ao. Maika hanao fifidianana fotsiny ireo hoy izy fa tsy maika hampihatra ny tondrooztra, ny fampihavanana. Io tetibola io hoy ity filohan’ny vondrona parlemantera Ankolafy Ravalomanana ity dia tena fandaniambola ao anatin’io tetezamita io. Tsy hisy indray ny fifidianana hoy Mamitiana satria ny filoha Ravalomanana Marc mbola tsy eto, ny gadra politika mbola tsy nivoaka. Noho izany dia tongava maro eto an-kianja fa ny sorin-dalana ihany no antsika. Ny frantsay aza hoy izy dia milaza omaly fa izay tapaky ny Sadc ihany no hampiharina noho izany dia tsy maintsy mody i dada. Izahay hoy izy dia mitaky ny Sadc hoe ataovy haingana ny fanapahan-kevitrareo amin’ny fampodiana an’i dada, fa izahay tsy matahotra fifidianana. Ity tolona ity hoy ity mpanao politika ity dia tsy mijanona raha tsy tonga ny filoha Ravalomanana Marc, tsy mivaha ihany koa ny krizy. Nambarany fa matoa 4 taona tsy nivaha ny krizy , tsy misy fifidianana fa tsy maintsy ny filoha Ravalomanana Marc no hamaha izany.

22 pensées sur “RAVELONANOSY MAMITIANA TSY MAINTSY NY FILOHA RAVALOMANANA MARC NO HAMAHA NY KRIZY”

  1. RAKOTONIRINA MANANDAFY : TSY HANDANY IO TETIBOLAM-PANJAKANA IO IZAHAY.

    Atoa MAMITIANA RAVELONANOSY ,TSY HALEHANY IANAREO ,DISO LALA NY TOLONA ,I RAJOELINA SY FAMETRAHANA NY FIRENENA AMPBANIN NY JIOGAN NY JIOLAHY SY NY FRANTSAY DIA MITOHY ,
    ZAVATRA EFA FANTATRA daholo no tanterinareo ao @ Magro .
    Ary tongava saina fa tsy mety intsony ny fomba fiadinareo .
    Ary toa ny mamitabahoaka ianareo ,
    tsy handany tetibola i Manadafy ,
    Dia i Mamitiana Mamaly hoe mafy i tgv ao @ ct ka tsy laitra nay .
    AOKA NY VAHOAKA NO HANAVOTRA NY TENANY @ IZAY .

  2. IL EST PLUS QU’URGENT QUE LA SADC INTERVIENNE ICI ET MAINTENANT ..POUR METTRE EN PLACE LA NOUVELLE TRANSITION CONSENSUELLE QUI MET FIN IMMEDIATEMENT AUX TURPITUDES DE CES USURPATEURS !

    Le temps est venu de montrer notre de volonté e sortir notre Pays de cette crise artificielle qui n’ a eu aucune raison justifiée pour faire subir aux Malgaches les exactins de cette sauvagerie conçue et dictée par des commanditaires malgaches , français , karana de M.ar soutenue , conseillée de l’étranger et s’appuyant sur le tandem de repression formé
    -par des éléments des forces armées (armée ,gendarmerie , police) employés tels des mercenaires -sans foi ni loi-
    -par l’apparel judiciaire dont les juges restent complices du pouvoir au nom de leur état de fonctionnaires publics , quels que soient les dirigeants ( oui mais cet alibi est valable quand les dirigeants sont élus selon les dispositions d’une constitution ) !
    Trois ans et demi sont passés ,la peur , les privations et les inquiétudes quotidiennes paralysent les Malgaches qui ne disposent plus de rien pour survivre , qui n’ont plus aucun système de protection et de sécurité leur permettant de voir et de miser sur l’instant d’après pour espérer un quelcnque répit…!
    Les Malgaches de tout âge , de toutes conditions de M.car ne sont plus que des sous-hommes , ne dispposant même plus le minimum vital…
    Cette situation ne doit plus durer et que des aides alimentaires massives apportées d’urgence par la SADC à laquelle Nous sommes membres , offertes par l’ Union Européenne ,par USA ,par la Croix Rouge internationale , par les Nations -Unies..
    Une intervention autre que verbale , autre que des palabres et des conférences bidules ici et là est plus que nécessaire , est obligatoire car trop de vies humaines sont mises en danger
    Des bataillons d’assistance de pacification de la SADC doivent être dépêchés sur le terrain afin de stopper ce génocide ( plus de 800 morts sans aucne raison dans le Sud..)
    N’attendons pas que ce crime contre l’humanité à Madagascar ne s’aggrave..Et ne disons pas pour Nous excuser qu’un peu plus ou un peu moins de morts ne change en rien rapidement cette situation !
    NON cette sentence vite décidée est cruelle et n’est plus humaine., n’est acceptable.!..pour tout homme et pour toute femme censés et qui respectent l’état de droit et le droit humain de vouloir vivre dans la sérénité ,ce qui a été le cas durant huit ans avant le coup d’état .
    Au nom de toutes ces victiimes innocentes Nous demandons ces interventions de sauvetage , de lutte contre la sauvagerie de ces hommes soudoyés et drogués !
    Ne retardons ces interventions pour des raisons iqui n’ont aucune justification .
    Autres dispositifs ( santé publique ,hygiène , eau potable et évacuation des eaux
    usées ..)d’intervention d’urgence à Madagascar pour venir au secours de ces sous-hommes Malgaches qui sont victime de la faillite et du détournement du peu de recettes publiques et prédations des aides alimentaires d’urgence . :
    AIDEZ ET FACILITEZ LE RETOUR AU PAYS DE NOTRE PRESIDENT DE LA REPUBLIQUE RAVALOMANANA MARC ET SA FAMILLE ACCOMPAGNES PAR LES FORCES D’ASSISTANCEMILITARISEE DE PACIFICATION DE LA SADC POUR FAIRE APPLIQUER LA FEUILLE DE ROUTE ET POUR SECURISER ET PSSIFIER LE PAYS EN NEUTRALISANT TOUTES LES FORCES ARMEES HOSTILES AU RETOUR DE L’ETAT DE DROIT DU PAYS !
    NOUS TROUVONS QUE TROP C’EST TROP D’AVOIR LAIISSE – FAIRE LES PUTSCHISTES MAFIEUX , DIRIGES DE L’ETRANGER DURANT CES TROIS ANS ET DEMI POUR PERMETTRE LA MAIN MISE SUR MADAGASCAR AFIN DE POUVOIR FAIRE MAIN BASSE SUR LES RICHESSES NATURELLES DU PAYS !

  3. Tsy fotoanan’ny fatoritoriana izao ry zareo, fa izao mihintsy no fotoana anehoan’ny zavatra tokony tsy azo ekena sy tokony mba atao â !

    Aiza daholo ianareo ?

    Marina ny anao ry ravelonarivo â ! Mba amboary amin’izay ny communication-nareo ao amin’ny Magro ao, fa tsy doma ny vahoaka !

    Mba inona izao itony hita tao amin’ny gazety itony ?


    « Mais à entendre Roland Ravatomanga (d’après ce qui se dit, oncle de celui qui est soupçonné de s’adonner à des trafics de bois de rose), ministre de l’Agriculture, la veille des deux séances plénières d’hier, des discussions auraient été engagées concernant les griefs de la Mouvance Ravalomanana.  » Il y avait eu une répartition inégale du budget. Nous avons réclamé des rectifications et il y avait eu des réponses satisfaisantes ».
    ….
    Iloniaina Alain
    mercredi 21 novembre 2012

    Fandaniana an’ilay teti-bola :
    Mahery kelin’ny 180 any no naiky, ary hoe 3 no nandahy !

    Zavatra mba tokony nataonareo izao, dia nitondra ny kôpian’io teti-bola io, dia nanazava tamin’ny vahoaka ; nazavaina tsara hoe hanaovana inona avy ilay vola !!
    Efa fantatra ianareo fa vitsa an’isa, ary fantatrareo hatry ny ela fa tsy hahavita na inona na inona ao ianareo fa ho toy ny tsangan’olona fotsiny, ka toa lasa resaka be fotsiny ity izy sisa !

    Vokatry ny fanaovan-tsonia daholo izany. Rehefa natao ihany ilay sonia, mba inona marina no tianareo atao amin’izay, satria MBOLA TSY MANAIKY MANANTANTERAKA AN’ILAY FDR NY MPANONGANA ?

    Nahoana koa no tsy misy resaka momban’ilay famarotana an’ilay AF II, sa Ingahy Solo Razafy no tsy nahavita nanao ny tatitra ? Toa tsy misy resaka momban’ilay mantsy, sa dia ao anatin’ny sorin-dalana koa izany ?

  4. Ce débat sur le budget 2013 ressemble à un jeu de poker menteur car les putschistes sont convaincus qu’ils vont pouvoir l’utiliser en le détournant..
    Les Ct de la Mouvance RAVALOMANANA n’ont voté ce budget car ils croient qu’avant 2013 ,la situation politique du Pays a de nombreuses chances d’évoluer vers l’ordre constiturionnel et l’état de droit d’ici 2013r et ce budget tmberrait à l’eau !

  5. MANOME LITIKA!!!KISONIA!KISONIA ihany HATAO e!!!
    dia avelao ny vahoaka HITRITRONGY ôôôô……………
    Aiza i MANGIDY @’izany fandehanjavatra izany???ASIO FANAZAVANA KELY AZAFADY ôôô…
    Raha izao no fandehany dia i MANGIDY ihany dia efa AHAVITA An’i DADA RAHA MODY EO IZY.
    Dia hanaiky izao ve ianao ry dada???dia mbola tsy haka fepetra HENJANA ihany ve dada e???
    efa tsy izy intsony izao dada a!!TSY RARINY e!!!efa JODASY no miaraka aminao fa MAILO DADA a!!!
    VOAVIDINY t@ kely foana ianao ary na ny AINAO aza efa eo ampelatanany, MINOA AHY IANAO ry
    DADA!!tsy misy hantenaina @’ireo Olonao ireo ntsony fa SARIBAKOLY SISA NO MIJORO, SARIBAKOLIN’i
    DOMELINA.

  6. Ra hitako i Ravinanto no tsy hita intsony!!hay efa raharaha maloto
    sisa ny ao @ Ankolafy ao.MAHONENA!!!!!
    Mba mijereva fitaratra ry zareo raha mbola misy azo saronana ihany ilay tsy fahombiazana a!!

  7. Dada ahhhh, misaotra anao izahay zanakao, ny @ hafatra lehibe nomena farany anay izay, ny mba tsy hizarazaran’ny samy zanakao mpanohana anao, ka indreto izahay vahoaka zanakao mpanohana anao miaraka @ireo mpitarika zanakao mpanohana anao miara miosona aminay isan’andro eto an-kianja, tsy mety kivy, tsy miala, satria mbola tsy tratra ny tanjona; indreto izahay mamaly ny antsonao ka miray hina tokoa, ary manohy ny tolona miaraka aminao hamerenana anao, Saingy mba hanaro ireo zanakao sasany eto @ty tranonkala ity, izay manohitra izany teninao izany, fa tsy vitan’ny mitady hampisaratsaraka ny samy zanakao izireo, fa tena te hamela anao hiady irery ka hampiala ny zanakao mpomba anao rehetra tsy hanohana anao intsony. Haratsiany sy hompainy ny mpitarika ary androany ty raha mijery ny hataon’ireo eo ambony eo dia izahay rehetra mpiady eny an-kianja mihitsy indray no hasiany mafy. HANARO IZIREO DADA FA FANTATRA IHANY FA ZANAKAO IHANY IZIREO SAINGY METY HO ILAY ZANAKA NANIA TAFAVOAKA IVELAN’NY VALA ANGAMBA,

  8. Ny tena tsara ry rahalahiko zanak’i dada isany, rehefa manakiana, de mba asio sosokevitra miaraka aminy, fa tolona iraisantsika izy ity na dia samy manana ny fiheverany aza @ lalana ahatrarana ny tanjona.Fa raha hoe asaina miala fotsiny ao ireo mpitarika tsisy sosokevvitra hafa fa hiverina @ taloha indray izay efa tsy tao anaty systeme nefa tsisy ninoninona vita dia tsy resy lahatra ny @zany intsony izahay; Aleo aloha ao anatiny ao indray miady @ hampiharana ny FdR. Ny hambarako fotsiny aloha, toy ny efa lazaiko foana eto ka mampifamaly antsika, na samy hafa aza ny lalana nefa iray ny tanjona, dia tsy ny fanakanana ny lalan’ izay tsy mitovy @ an’ny tena no vahaolana, fa ny fanamafisan’ny tsirairay avy ny lalana nofidiany, rehefa samy tsy ho tafaradalana ihany. Raha izaho manokana, manaiky aho eto fa samy saropiaro ny @lalana nofidiany isika, samy zanak’i dada isika, dia aoka tsy hifamingana, aleo izahay andeha @ lalanay, dia ianareo koa afaka mandeha @ lalanareo, manjary diso fahavalo isika, manjary ry bogor sy ny tariny fotsiny no faly mijery antsika tsy mifanara-kevitra eto. Nefa tsy maninona na nisy ireny tsy fitoviana ireny aza, satria « ny hisavorovoroan-kilatoana » hoy ny Ntaolo razantsika, ary hoy Ilay ivavahako ao amin’ny « Marka 9 :38. Ary hoy i Jaona taminy: « Mpampianatra ô, nahita olona anankiray namoaka demonia tamin’ny anaranao izahay, ka noraranay izy, satria tsy nanaraka antsika. »
    Marka 9 :39. Fa hoy i Jesosy: « Aza mandrara azy; fa tsy misy olona izay hanao asa lehibe amin’ny anarako ka hahateny ratsy Ahy vetivety.
    Marka 9 :40.FA IZAY TSY MANOHITRA ANTSIKA DIA MOMBA ANTSIKA. »
    Ny tiana hambara dia hoe aleo hiasa izahay dia miasa ianareo, fa sao izany koa no mety mampahomby haingana ity tolontsika iraisana ity rehefa tsy manam-basy hiadiana ihany isika. Misaotra anareo.

  9. Ô ry Ny tena Andry tsy domelina ô,
    Izahay mba manome sopapa anareo hatr’izay indray ve, no lazainao fa mampisaratsaraka ny mpitolona ê ? Sao dia tsy mety ê !
    Tsara mba ho fantatrao fa tsy misy mivaona aminay mihintsy ny resaka, tetika sy kajikajy rehetra avy ao Bel Air ao, ary ny hôtelin’i Mamy (tsy Rakotoarivelo akory) !
    Ny tokan-trano tsy ahahaka hoy aho, fa efa mba miezaka daholo ny rehetra amin’ny fanohanana, fanoroana hevitra, fa misy manao be marenina !
    Tsy fantatro ianao io rahatoa ka anisan’ny mpihaino vaovao, sa anisan’ireo mpanely vaovao, fa mba diniho ihany izay mba lazain’ny olona ato (ankaotr’izay rediredin’ny foza) !
    Mba manaova toa ireny mpanao hoso-doko ireny ê, somary mihemotra kely vao mahita hoe aiza avy ny mety sy tsy mety !! Indraindray somary lavitra mihintsy aza vao mahita ny tsy mety rehetra !
    Ianao angamba variana mihaino, fa izahay mandinika avy lavitra kanefa manana lopy ( na teleskôpy izay tianao ) ihany koa !

    Mila hatambatra ny hery hoy ianao ? Impiry izahay no manosika an’ireo mpitarika mba hanao an’izany ? Tsy ny ao amin’ny Magro irery anie no mpanohana ny ara-dalàna sy mitaky ny fiverenan’ny Filoha Ravalomanana ê !

    Noho izany lazao amin’ireo mpitarika ireo fa mila miova famindra ry zareo, raha tsy izany, ahiako ho tafitohana !!

  10. Eisy ah sisa Ny tena Andry Tsy domelina sy Rana KIDADADADA . Manoro hevitra anareo reo aho aloha mba, asaivo mandefa billet d’avion Rainivoanjo, hanafarana ny reny niteraka anareo mpidadadada ireo, atsy Sud Af mba hampionona an-dRaosy ao @ Hotel de lux ao. Mitandrema anefa ary mierà @ilay tena tompony de i Lalao Be, sao tsy mifanaraka.
    Zuma rahateo koa jaolahy, de asaivo mamita ny adidiny any @ Zuma koa reninareo, sao mba averiny @ tompony ny pasipaorony, de avelany mandao ny territoire.
    Aza mody fanina Ramamitiana fa io aloha no taolana tsy ahafahan-draikelinareo mivoaka, zay vao mijery zavatra hafa a!
    Ary toa mandadilady @ fitondrana sisa ry K aka M erida, ny mouv Raosy, mba hanao accord politique, ny @ fodian’ny dadanareo, sy ny filatsahany ho fidiana a! lany fika tanteraka nga? sa efa tsy mahatoky intsony ny médiation sy ny CI?
    Efa ela woa no nitenenanay teto woe, mampiresaka fotsiny ane ireo ngetroka @ magro ireo, fa hadalan’izay mandany ny androny tsy manan-katao eny @ magroreka eny e!
    Jereo ane ry Ny tena Andry Tsy Domelina. Milaza rangahy fa mivory eny isan’andro, mba isao ireo olona ireo, ireo ve no atao woe vahoaka?
    Ny vahoaka de ireny, niaraka nanotrona an’i FILOHA RAJOELINA nanao lancement projet lalankely omaly ireny. Dradraina lava, fa tsy mahasahy mivoaka ao Ambotsirohitra manantona vahoaka izy, de ireny ny valin-kafatra. Mbola aiza ny fitokanana HOPITALIBE MANARAPENITRA 9 isaky ny renivohitry ny faritany @ herinandro ambony, zay herintaona sy tapany fotsiny no nanaovany azy? Mbola aiza ny kianja mitafobean’Atsonjombe mahazaka 50000 olona, lehibe aty Afrika? ny temple de rugby Andohatapenaka? Ankoatra zay efa vita tany aloha. Lasa woa Mada io, fa ao anatin’ny fihafiana no ahitana ny mamy. Zahay mahatoky ny Filoha Rajoelina, na de tsisy famatsiam-bola aza, mahavita midemerda, tsy tahaka an-dRaosy be zesta nilomano tao anatin’ny vola, ka ny empire TIKO-ny no nahafatifaty azy, fa tsy nahatsangana hopitaly na de iray aza isaky ny renivohi-paritany fito taona nitondrana. De averinay foana, nareo samy nareo ihany no mifamono sy mifandringana eo. De inona koa no vitan’izay Rainivoanjo mpandositra nanao ratsy afatsy ny mitazam-potsiny ery ampitan-dranomasina mielanelana 400 km ery.
    Mbola aiza ni hanjo @ ratsy atao e! filohanareo irery Ravalomangana ry Rana sy KM ary ianareo magroreraka olom-bitsy kely ireo, fa tsy filohan’ny malagasy. Ny anay de ilay jeune kely mahavita zavatra iny izay sahy misetra ny mafy t@ ataky zay nanaovana azy na anatiny na ivelany, nijoro foana, ary vonona izahay hiara-miafy aminy, satria raha ny fiasany, de mahavelom-panantena ny ho avin’i Madagasikara. Fa tsy otran-dRainivoanjo, rehefa tonga @ ady sarotra de ny mandositra no fanafody. Izay no hahafantarana ny tena vrai homme d’état, fa tsy be vava sy matikambo, mpangalatra sy mpamono olona mpitarin-dositra otran-Draosy.

  11. Gros bras nokaramaina ve no lazaina fa mba vahoaka ? Mitohy ny fika môly natao teny amin’ny 13 mai ! MDR !!!
    Hôpitaly manara-penitra non opérationnel ? Fakàna commission vola nozarazaraina !!
    Oxygène hitsaboina marary aza tsy voavidy, ny tanàna rehetra potika, ny vahoaka matin’ny hanoanana !!! Tena tsy mampiomehy intsony !! Tss !!

    Izany no tena atao hoe havendranam-poza !!

    Ny tena Andry tsy domelina,
    Ankaotry ny fodian’ny Filoha, ny tanjona sy ny baikony dia efa fantatry ny rehetra ! Tanteraho ( ampiaro ) ara-bakiteny hoy ny Filoha ny ANDININ’NY FDR REHETRA !!!

    Hitanareo ny varavarana nihidirana sns…, efa tsy any amin’izany ny resaka fa ESORY IZAY TSY MANARAKA AN’IZAY NIFANARAHANA SY MBOLA MAMITAKA NY VAHOAKA !!

    Fomba fandraisako azy io, fa ny anao angamba dia hoe tohizana fa izay alehany any, alehany ! Asa..?

    Ny foza efa MAMPIASA NY VOLAM-BAHOAKA AMIN’NY FANOFÀNA GRÔBRÀ SNS, MANAO FAMPIELEZAN-KEVITRA, ary izay hisekosekoan’ny vendrana ato, dia ihanareo hivavaka sy hitazam-potsiny ?

    Nanao fanambaràna ho an’ny vahoaka malagasy, ary indrindra ho an’ny katôlika ireo eveka malagasy, ary naverin-dry zareo tatao anatin’izany ny fanambaràna nataon’ny Pape, momban’ny atao hoe justice et réconciliation :

    « Tsy maintsy tadiavina ary tsaraina izay nanao fahadisoana  » raha fehezina izay voalazany !

    « Les victimes ont droit à la vérité et à la Justice. Il est important actuellement et pour l’avenir de purifier la mémoire, afin de construire un avenir meilleur » !

    Tokony mba dinihan’ny rehetra io fanambaràna io !

  12. oui Mamitian!mais comment faire?il a des epines sur tout le corps!vous avez dit qu’il a tjrs son passeport et peut circuler librement!or il est en residence surveillée!zuma d’autres chevres à fouetter et le laisse de coté
    12h00 MARC RAVALOMANANA : les avocats de l’anvien chef d’Etat, Marc Ravalomanana, vont saisir la Cour constitutionnelle sud-africaine pour réclamer le passeport de leur client. Ils protestent contre un jugement prononcé par un tribunal de Pretoria, confirmant une précédente décision du 07 septembre. – entendu ce matin sur rfi

  13. Ny fantatray aloha, dia eny ampelatanany ny pasipaorony, ary afaka mivezivezy tsara any amin’izay tiany aleha izy ê !

    Tananews : Révélations de Sarla !! Demain samedi 24 novembre, 5 ( cinq ) heures de video..pour la postérité !

    Mbola misy hilaza indray fa sosie angamba izany ho hita ao izany !! MDR !!!

  14. Hopitaly be moderna ireo aza voatsangany, ko izay hividanana bouteille oxygène sy fandriana ary fanafody tsy ho hitany? Ho gratuit daholo ireo a! hafa ny t@ andron-dRaosy capitalisme libéral pur et dur , zay manambola ihany no afaka mitsabo tena any @ clinique privée. Jereo tsara ny hakanton’ny Hôtel de Ville Tana, Tamatave, ireo trano mora. Tsy vitan-dRaosy daholo izany e! Jereo ny kinjabe baolina kitra any Mahajanga, Tamatave, 3 taona tao anaty krizy no nananganana izany rehetra izany an! aiza ty Raosy nitondra 7 taona nigalabona t@ volabe notrosaina ninono irery niaraka t@ Tojo ny trafic bois de Rose? Tapaka woa ny lelan’ireto, ary tsy hahita hambara intsony. Hay ve le avocat mbola ni- saisir ny cour constitutionnelle Sud Af fa tsy lainga be nitatatatana tao @ magro woe, any à dada ny pasipoarony de afaka mivezivezy niaraka taminay tatsy sy taroa izy e! reto woa raha intox sy lainga raofina, champion mihitsy. Tsy avelan-dry zalahy io woa. Atahorako aza, efa dila aloha lay 6 mois, de mbola tsy avelan-dry zalahy koa mandra-pifaran’ny daty farany @ filatsahan-kofidiana.
    Wayne eo foana woa ny tsy manan-katao afatsy ny handainga sy hanao intox eto. Tsy mahita vahaolana fa raha hanakiana dadany. Zahay koa mafibe rahateo, vitanay ny mitarika olom-baovao eto, sy mamapiady ny samy zanakosy. Tsy ampy solaitra woa nareo raha fahaiza-mandahatra fa mba mi-chapeau! sa ahoana?

  15. mafiTbeGV >>> Nenay aloha ny filoham-pirenena voafidim-bahoaka no lazaina hoe Raiamandrenin’ny Malagasy, constitution no milaza an’izany, izay no maha dada azy aminay, fa ny zaza maditra moa manda ny rainy tsy ho rainy tsy mahagaga iny, ary ny reny d ny firenena fa tsy mpijangajanga sy mpangalatra toa an-dRadomelina akory izy, ka mivarotra ny firenena @ireo Farantsiay efa nanabotry nanjanaka firenena taloha saingy mitorona marina fa fozaorana, d entiny miverina any @ mpanjanaka indray ilay firenena efa saika tafavoaka teo.
    Ny zanak’i dada indray tsy voaisanao izany, fa na dia noravanareo aza ny orinasa malagasy maro, sy nosimbanareo ny fiveloman’ny olona dia maro no niezaka ka efa mba manana sy mahazo asa @zao, ka ny andavan’andro ireo hitanao ireo satria efa maro no miasa, ary ireo hitanao ireo dia ny olona izay mbola mety ho sahirana @ fitadiavana asa izany ka mbola manana ny fotoana ary tsy manary an’i dada izany sy mifanotrona @ireo efa miasa mitazona sy maneho fa mbola ao foana ny zanak’i dada, tsy kivy, tsy resy, ka tonga isan’andro ao, fa rehefa sabotsy d mba jereo kely fa tafahaona ireo, ary efa nanontany miintsy aho teto ndraimandeha sabotsy izay, fa tsy sahy niditra rabogor oe aiza rabogor @zao? dia jereo ndray rahampitso, d sasao tsara ny maso, fa tsy toa ny an’ny fozaorana t@ 2009, olona karamaina daholo ny 80% fa ny ambiny dia ireo mora nofitahana sy ireo malahelon-toerana tsy mety lany @ fifidianana, d nohezahana novitaina haingana ny fanonganam-panjakana t@ nividianana ny be galoina mba tsy hanara-dalàna, hiala @ maha neutr azy; ka nanala ny dadanay t@ kalach sy ny tank, satria le lazaina vahoaka toa vitsy kely tsy mahongana , ny vola hanakaramana an’ireo sao lany aloha koa ka tsy hahongana an’i dada akory ,
    Ary ny Hopitaly lazaina manarapenitra, aloha dia tanin’olona vita titre sy kadartr aloha no natao an-keriny nananganana azy raha ny eto Tanà, efa halatra manarapenitra aloha izay; ary izahay anie tsy gaga fa le volan’ny bois de roses sy le mpanjanaka no hahavitana ireny nefa sady harem-pirenena ahodinkodina no mbola asa lazainy fa an’ny tenany irery, nefa volam-bahoaka, ary ny loza dia tsy izay hihinanan’ny olona sy hahasalama azy no atao satria fantany fa harary ny olona tsy ampy sakafo, sahirana ara-pivelomana ka tsy maintsy harary d aleo hopitaly no hatsangana; neefa ny olona t@ dada salama tsara voky ronono, sy miinana vitamine; ka na ireo hopitaly vitsy ireo fotsiny aza dia efa ampy sady ampy fitaaovana tsara satria vitsy ny olona marary.
    Farany aloha ny kianja, jereo ny tantara ho avy eo, fa bizna be io, fa raha vao vita ny kianja ahorina eny @ tanin’olona nalaina an-keriny io, d efa mananontanona any fa efa nisy nividy koa io ao Malacam io, ka ny tena nanaovana ny kianja hafa aloha d hanambatambazana ireo nokaramainy t@ 2009 ireto mba tsy hivadika aminy satria miha mafy koa ny fiainan’ ny ankamaroan’ireo @zao, nefa tsy vita ny hamelona azy rehetra ireo, fa milatsaka foana anaty fahantrana lalina ireo @zao, no sady hanalana ny kianja Malacam tsy ho kianjan’ny Rugby intsony fa efa naaovana bizna ary efa hafa ny tompony.
    Lavalava ndray aloha iny , mba misy hohanin’drabogor ndray

  16. Kintana aaaaaaa! efa milaza aminao aho fa TSY IZY IO FA OLONA MARARY SAINA a!!!
    ialah anie sy mino ahy e!!! manao FANAINIANA ! MODY ADALA!! ny zavatra teneniny aza tsy
    fantany, sady mahay MIDITRA izy no MIVOAKA toa LELON-JAZA.
    izy daholo ireo anarana vao FOROPORONINA ireo fa ny tena mampalahelo ahy dia ilay FISANDOANA
    ho zanak’i Dada nefa OLONA TSY MENDRIKA AKORY fa MANOSO-POTAKA azy fotsiny @’ilay fomba
    firesaka atao FANAINIANA HANOMEZANA FANAFINTOINANA OLONA FOTSINY.

  17. miova pseudo ndray aho fa matahotra fa nandainga kay ilay mafibetgv io!efa azon,i dada ny pasipaorony!ilay akama ty koa tsyy maharaka ;ITY NO VAOVAO FARANY /TSISY PASIPAORO ANY AMIN’I dada!nisy nangalatra tao @hotel!hay mba misy mpisam koa any
    Ravalomanana’s passport case to go to S.African court
    (AFP) – 21 hours ago
    JOHANNESBURG — Ousted Madagascan leader Marc Ravalomanana who is exiled in South Africa will ask the country’s highest court to overturn a High Court decision preventing him from returning home, his lawyer said on Thursday.
    Ravalomanana’s passport was seized in September by South African authorities, forcing him to only leave the country to attend regional meetings.
    His lawyer, Brian Currin, said the Constitutional Court was to be asked urgently to overturn a High Court judgement which forced Ravalomanana to surrender his passport, and restricted his return to Madagascar.
    The court ordered that he be only allowed to return to Madagascar when he is invited to attend the Southern African Development Community (SADC) meetings.
    The regional block has been facilitating peace talk between him and his rival Andry Rajoelina, who toppled him in 2009 in a bloody coup. Ravalomanana has lived in South Africa since being forced out of the vast Indian Ocean island nation.
    In August, a first round of face-to-face talks between the leaders ended without a resolution.
    Rajoelina’s administration has twice blocked him from returning home and on his second attempt authorities in Antananarivo shut down the airport, forcing his aircraft to fly back to Johannesburg.
    He has also been convicted in absentia for the killing of demonstrators by his presidential guard during protests that led to his overthrow. Thirty-six people were killed and hundreds wounded.
    Copyright © 2012 AFP. All rights reserved. More »
    Related articles
    • Ravalomanana’s passport case to go to S.African court
    AFP – 21 hours ago
    • More coverage (2) »

  18. Ho an’ireo ao amin’ny fitondràna, fa maninona no tsy torianareo ireo AFP ireo, satria mbola mamafy lainga erak’izao tontolo izao, kanefa ny porofo rehetra efa eny ampelatananareo ?
    Aiza no hisy raharaha vanona ?

    Io resaka 7 fevrier io foana ve no mbola voizina mandritry ny firy taona ?
    Izany ry Ny tena Andry tsy domelina no ANISAN’NY MAMPIMENOMENONA SY MAHA TEZITRA ny mpiaro ny ara-dalàna, rahatoa ka mbola tsy fantatrao â !

    « He is also been convictedin absentia for the killing of demonstrators by his presidential guard during protests that led to his overthrow. Thirty-six people were killed and hundreds wounded » !!

    Matoa ny AFP tsy manao rectification amin’izay vaovao avoakany, dia satria tsy misy miteny, na faible be ny specialiste momban’ny Lalàna ao amin’ny Magro !!! Asan’ny mpitarika izany, fa tsy voatery ny GTT irery no hiady mafy koa, amin’ny fiarovana ny HAJAN’NY Filoha Ravalomanana !!

    Nilokaloka hoe atao ny fiaraha-miasa, dia inona anefa no zavatra re ?? Aza gaga ianao raha misy olona sorena any ho any !!

    Lazao an’izany Ingahy Rakotoarivelo sy ilay tary valovotak’Ambositra, izay vao tsy ela no nandalo tao Bagnolet ! Mila mihetsika mafy ry lerony, …raha hietsika !!

  19. Zahay ry RESADRESADRAZOKY, tsy zazakely, ka azo hitantarana ty habobo rehetra ity,ka olona enjehin’ny justice izao, de omenay ny pasipaorony rehefa miteny ny SADEC woe, avereno @n-dRaosy ny pasipaorony fa hiverina hody izy hilatsaka ho fidina fa aleo aloha hidaboka any zay fitsaranareo zay mahavoarohiroy azy any. Rehefa avy eo izy miverina ndray mamaly ny fiampanganareo azy indray, fa andraso aloha izy alefanay SADEC mody, ho lany prezida; de avy eo azonareo tsaraina rehafa prezidan’i Madagasikara.
    Ary ambony ary de woe, NAIKA no nilaza io vaovao io, eto ndray de ny AFD. NY HEVITRA TENA TSARA DE TENENO RAIKELINAREO HIDITRA YOUTUBE na FACEBOOK, na TWITTER mampiseho io document io eo am-pelatanany, de zay angaha no mety handresy lahatra. Nareo rahateo taitaibaombina avokoa, fa za ihany no mandrehatra vanja momba an’io pasipaoro io eto, de mikoropaka daholo ny zanakosy mitady lainga atsy sy aroa hamonoana afo. Io ane le nolazaiko woe, aty amiko ny komandy e!
    Ry Andry Tsy Domelina ndray ity, sahy mamoha fotamandry ny @ireo tany eo Andohatapenaka an’ny tantsaha nanaovan-dRaosy didin’ny be sandry, ny sasany de novidiany tsy ara-drariny, zay nanoloana iny novidiany iny, de nototofany, ary misy ireo tantsaha tsy mbola nahavita kadasitra noho ny fifandovana, de noraisiny fotsiny, misy ary hono, novidiany ariary symbolique, de maninona no tsy notononina woe, tanin’olona fa teneno woe, tanin’ny dadakelinay ry NTAD a! Nisy aza rehefa nijery ilay tetikasa TIKO saika hatsangany teo Raosy, nanaraotra nihazakazaka nijery azy teny, nitaky woe, voatototrao ato ny taniko prezida, tonga de valy boraingina woe, rehefa tsy faly mampiakara. De hoy izay woe, miverina @ vahoaka ny azy, rehefa nanaovana hopitaly sy kianja rugby, fa tsy hangoronan’izay efa mpanefoefo harena foana. Mbola resaketotra daholo ty woe, amidin’i Andry @ Frantsay Madagasika; fa ny hitam-poko hitam-pirenena, defa saika namidin-dRaosy t@ Sud koreana ny tanim-bahoaka tany région Sofia aman’aliny hekitara maro. Samia woa mitanisa, mahaiza mandresy lahatra, fa Madagasikara zany, tsy hivady @n-dRaosy namono sy nandringana ny zanany tsy manantsiny izany, ka tsy manana dada mpamono olona zany zahay malagasy, sy raim-pianakaviana manao abandon de famille.
    Hay ve ry NTATD efa nahita asa daholo ankabeazanareo tao @ magro, rangahy zany aloha zao no mbola sômera kamo be tenda a? mijanona foana ao @ magro ao?
    Aza manao resa-jaza sy mamoromporona woa, fa kivy ny olona tsy te ho ao intsony ny tena marina. Tsy misy krizy zany any Dago, fa nahita asa daholo nareo, sa nampidirin’i Ramamy sy Rahantra mpamafa trano any @ biraony any? 2 na 3 fotsiny angamba no voaray. Aza manao sainjaza woa raha te hifanandrina aminay, fa mba ataovy mafonja tsara ny hevitra. Zay avoakanareo eo foana ane no ahafahanay mitanisa ny hadalan’ny raikelinareo, satria tsy dada niteraka anareo iny ary tsy hatakalonareo ny dadanareo niteraka anareo velively. Sa hanao otran-dRANA woe, nopotehiko mihitsy ny fihavanako @ireo havanay akaiky mpomba an-dRajoelina. Mafy tokoa zany nadosiran-dRaikely zany ry zalahy ka! kanefa na jus 1 kaopy aza tsy vidin’lery ho an’ireo miaritra mitolona ho azy isan’andro ireo. Betsaka ihany ny olona tsy mandinika sy tsy mieritreritra ny fiainana, fa tsy nahita olona otran’ireto ao @ magroreraka, manipuler-n’ny sasany mitaingin-tseza sy mamanambola be miditra in-1 mandeha isam-bolana ao, sy lay raikalahy migalabona any @ hôtel de luxe be miaraka ny volabe nangalariny zay tsy ho laniny hatramin’ny zafipaladihany, de woewoe miaraka @ tehaky ny mafiady mipoapoaka be! aza mba donto otran-dreo ao ireo fa mampalahelo ny mieritreritra azy ndraindray. Mafy ihany rehefa azo ampiesonina a! 4 taona izay? Mahereza foana , fa betsaka ny fanantenana poakaty sy ny kobaka mafana ry NTATD a!

  20. Mba diovy kely ry MyDago ny site-nareo fa toa taim-poza itony sy no manao lava resaka mamafy lainga ato â !
    Amin’izay olona miseho ho zesoia kanefa ny fisainana tsy mandeha lavitra, fa dia faly manohana an’ireto mpamono vahoaka fotsiny !

    Mba ataovy ao anatin’ity ati-dohakelinao ry dikim-poza na dia mitovy ahabe amin’ny pitipoà aza izato izy, fa ireto hôpitaly izay lazaina fa manara-penitra ireto hoy aho, dia sady tsy ho tonga lafatra izany !
    Mba misaina kely iray minitra raha tsy mahavita izany ao anaty iray segaondra : Tsy hamotika ny klinikan’ilay mpanome vola azy ilay domelina !!!
    I lery aza mbola mitaky betsaka lavitra noho ny laniny ! Tsy mahagaga raha mibizina, sy natao mambra ao amin’ny CA-n’ny Air Mad, izay mbola mety homen’azy koa amin’ny farany !

    Elakelan-trano mba hanaovana zesta, kanefa setry ny fikarakaràna elakelam-pe ! Hi hi hi !! Asa na iza avy no voakarakara tsara tao ?

    miala tsiny aho ry namana isany, fa dia tsy tonga saina mihintsy ireto foza ireto ê !

    Matimatimaty foana toy ny valala nosamborim-boka ny mpiray tanindrazana !

    Rahoviana no mba hanao grevy ny mpitantitra rehetra, taxi, taxibe sy ny taxi-brousse ?

    Ny an’ny sasany aza fikasian-tànana fotsiny dia efa manao grevy, dia izao foana indray ve no ho hita amin’ny gazety ? Mafy izany mitady vola izany, kanefa dia hamohizan’aina mihintsy amin’izao fotoana !!

    Lasa « roulette russe » ny fitondràna taxi marina an ! Vehivavy aza mahavita mivarotra basy sy manatsatok’antsy koa, ka mba diniho amin’izany !

    Fanjakan’ny baroa sy ny daholo ary mpamono olona sisa ! Tsy mahagaga raha mpanongam-panjakàna no lazaina fa hoe Filoha ! Nivadik’ondana mihintsy ny malagasy !

    http://lexpressmada.com/fiadanana-madagascar/38724-un-chauffeur-de-taxi-assassine.html

    Miaro ny vahoaka sy ny fanànany hono ireto miaramila mpanongam-panjakàna ! Izao no santionan’ny vokatra hita aloha atramin’izao !

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *