RAVELOSON CONSTANT : MISOLOKY FAHEFANA RAJOELIN

IMG_4364

Rehefa lany tao amin’ny parlemantera ny tetibolam-panjkana hoy ny Ct Raveloson Constant androany teny amin’ny Magro Behoririka dia lasa hanaovan-dRajoelina fampielezan-kevitra. Tsy henatra tsy tahotra mangarom-bilany ary ny volantsika ihany no hanaovany izany. Na kendaina amin’ny resabola aza ny ministry ny Ankolafy Ravalomanana hoy izy dia nanatitra masomboly tany Antsohihy ihany. Tsy mahavoa antsika ireo. Eto Antananarivo isika izao ka dia ambara aminareo hoy Constant, fa ny AFD no namatsy vola io lalan-kely io. Mikaikona ny AFD fa efa ho roa taona no namolavolana io satria tsy any kotomofo sy Rajoelina io. Efa nilaza ny AFD hoy izy fa ny ampadehanana ny fifidianana no raharaha. Ramatoa Ratsivalaka no misoloky hoe any prezidansa ity tetezamita ity. Tsy atao hanaovana fampielazan-kevitra hoy izy ny zavatra toy izany fa tsy azy manokana. Ny mandray taratasy avy amin’ireo masoivoho avy any ivelany no asany fa ankoatra izay dia mpisoloky fahefana Rajoelina satria eto Antananarivo no miseho mandihidihy. Noho izany dia aoka ianareo hoy izy ahavita hiteny hoe soloky no ataon-dRajoelina sy Ratsivalaka. Asany mandavan-taona io fa saingy solokiany ny vola. Sahia miteny sy manazava ianareo. Tereo fa efa pempo matoa mangarom-bilany.

1 pensée sur “RAVELOSON CONSTANT : MISOLOKY FAHEFANA RAJOELIN”

  1. RAKOTONIRINA MANANDAFY : TSY HANDANY IO TETIBOLAM-PANJAKANA IO IZAHAY,

    teny teto @ mydago t@17 novembre 2012,

    dia hoy ny adjoint an i Manandafy hoe:

    Rehefa lany tao amin’ny parlemantera ny tetibolam-panjkana hoy ny Ct Raveloson Constant androany teny amin’ny Magro Behoririka dia lasa hanaovan-dRajoelina fampielezan-kevitra.

    HOY NY VAHOAKA HOE ,NY VOAMASONY MPITSIRINA DIA RAJOELINA SY RATSIRAHONANA .

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *