RAVENONANOSY MAMITIANA :TSY AFA MIALA AMIN NY TONDROZOTRA ISIKA RAHA HIOMANA HANAO FIFIDIANANA SY HITANTANA NY FIRENENA

IMG_4350

Fahombiazana ho an’ny Ankolafy Ravalomanana hoy ny Ct Ravelonanosy Mamitiana androany tetsy amin’ny Magro Behoririka, ny nahafahana nandray anjara tamin’ireny fifanatrehana teo amin’ny governemanta sy ny Cst ireny. Noho izany dia ny andraikitsika dia ny manao radio trottoir satria io no haingana. Isaorana hoy izy ireo Cst ireo fa ohatry ny kianjan’ny Magro mihitsy tao Anosikely tao. N’inon’inona fiomanana ho amin’izany fifidianana sy fitantanana ny firenena dia tsy afa miala amin’ny tondrozotra. Ny andininy faha 16,17,20 hoy Mamitiana dia tsy maintsy ampiharina. Tena mahafinaritra hoy izy fa na ireo tsy niaraka tamintsika aza milaza fa ity firenena ity tsy tafavoaka raha tsy tonga i dada. Ampaherezo ny namana ary hifanome tanana isika. Nambaran’ity olomboantendry avy any Ankazobe ity ihany koa fa misy indray ny fitantanan’olon-tokana amin’izao fotoana izao, hitantsika izany amin’ny fomba fitantanana. Voalazan’ny mpitondra teny omaly hoy izy ny raharaha wisco, ka vola avy no hanaovana ny hopitaly manaram-penitra. Tena tsy mazava hoy ity mpanao politika ity, ny fitantanana ny vola eto amin’ny firenena, fa na ny Qmm, ny fiaramanidina sns dia tsy tafiditra ao amin’ny teti-bolam-panjakana. Tsy mazava ny fitantanana io hopitaly manaram-penitra io, kanefa ny vola nanaovana azy tsy fantatra. Io anefa hoy Mamitiana no nanenjehina ny mpitondra tany aloha rehefa akaiky  fifidianana. Raha tena hanao fifidianana hoy izy dia tsy tokony hamerina ny zavatra ratsy tany aloha. Ny ratsy dia ny jadona , tsy fahaiza mitantana. Fitondrana mandeha irery ka izay no mahasarotra ny fifidiananana satria ao amin’ny tondrozotra dia milaza fa tsy maintsy misy ny fiaraha mitantana, famontsoran-keloka faobe, famoahana ny gadra politika. Aiza izany izao hoy izy. Ny zavamitranga ankehitriny dia misy paipaikady amin’ny fifidianana, ny fampielezan-kevitra mialoha tsy lazaina intsony, ka izany ve tsy mangalatra départ. Midika izany hoy ity olomboantendry ity, fa fatahorana an’i dada daholo. Noho izany dia mila mailo isika manaramaso ny zavamisy. Ny filoha efa nilaza hoy izy fa tsy maintsy tonga eto izy. Ny zavamiseho eto hoy izy dia samy manao fanonganam-panjakana daholo. Tamin’ny fivoriana omaly dia nilaza Vyvato tamin’ny Praiministra fa io Ni.. Ni anao io dia fanonganam-panjakana. Tsy voasoratra ao amin’ny tondrozotra izany fa ny anay hoy Mamitiana dia mody i dada. Mitombo ny tetibola ao amin’ny prezindasa ao kanefa izy aza hametram-pialana raha hilatsaka. Tamin’ny taona 2009 hoy izy dia fanonganam-panjakana ary izao indray dia ny tsy famelana ny filoha Ravalomananana Marc hiditra eto noho izany dia fandravana ny tondrozotra izany ary ny fanaovana fitondran’olon-tokana.Tsy mandeha amin’ny tokony ho izy ny fitananana ara-bolam-panjakana fa misavorovoro ny fampiharana azy. Misy kajikajy politika ny fampiasana ny fitaovam-panjakana amin’ny vola hoy Mamitiana, mba ahazoana ny fon’ny olona. Fantatry ny vahoaka ihany ny hofidiana amin’ny taona 2013. Raha te hiala amin’izao lrizy izao isika dia tsy misy afa tsy ny fiaraha mitantana tena izy, ny fampiharana ny tondrozotra.

11 pensées sur “RAVENONANOSY MAMITIANA :TSY AFA MIALA AMIN NY TONDROZOTRA ISIKA RAHA HIOMANA HANAO FIFIDIANANA SY HITANTANA NY FIRENENA”

  1. KA IZA NO MANDROSO I RAJOELINA SY NY FANSAFRIKA ,SA RAVALO SY NY MOUVANCE ARY NY LEADERS SY NY STRATEGIES EFA TELO TAONA ,

    NOHO IZANY ENTANO NY VAHOAKA HANAVOTRA NY TANINDRAZANA .

    Madagascar: Marc Ravalomanana interdit de quitter son exil sud-africain
    Marc Ravalomanana, le 17 février 2011.
    Marc Ravalomanana, le 17 février 2011.
    Reuters / Mike Hutchings
    Par RFI

    A six mois de l’élection présidentielle à Madagascar, la situation se complique pour Marc Ravalomanana. La justice d’Afrique du Sud, où il vit en exil depuis 2009, vient à nouveau de l’interdire de sortir du territoire. Une décision qui pourrait empêcher son retour sur la Grande île, et donc sa participation au prochain scrutin.

    Interdiction de sortie du territoire et confiscation du passeport, c’est bien ce qu’a décidé un tribunal de Pretoria. Il confirme ainsi un précédent jugement, pris en septembre dernier.

    C’est qu’en Afrique du Sud, Marc Ravalomanana est sous le coup d’une enquête pour crimes contre l’humanité lors du coup d’Etat, il y a trois ans. La garde présidentielle avait alors tiré sur les manifestants, faisant 36 morts. Des faits pour lesquels l’ex-chef d’Etat a été condamné par la justice malgache.

    Mais ces accusations, Marc Ravalomanana les a toujours rejetées. Il dénonce une manœuvre de son opposant, l’actuel président de la transition, pour l’empêcher de revenir sur la Grande île.

    La décision sud-africaine semble en effet exclure de nouvelles tentatives de retour. Mais elle ne ferme pas toutes les portes. Elle précise : si la Communauté de développement des Etats d’Afrique australe (SADC) le demande, Marc Ravalomanana, pourra se rendre dans tout pays, dont Madagascar.

    La SADC, médiatrice dans la crise malgache, doit justement évaluer si un retour de l’ancien président est possible. Ses conclusions sont attendues prochainement.
    tags: Andry Rajoelina – Justice – Madagascar – Marc Ravalomanana

  2. Tsy dia azoko loatra ny dikan’ilay article feno lainga entinao eto ry ravelonarivo ! Mba azavao kely aza fady na ho ahy manokana, na ho an’ny rehetra, satria misy antony angamba no nametrahanao an’io ato ! Misaotra indrindra !

    17 février 2011, interdit de sortir du territoire ?
    Ny fantatra sy toe-javatra hitan’izao tontolo izao aloha, dia ny 19 février 2011 izy mianakavy dia tao anaty fiara-manidina ; saingy nentin’ny tahotra ny FATY dia namoaka NOTAM !

    http://youtu.be/2bpJDYwb53k

  3. Ny 21 janvier 2012 ( septembre 2011 voasonia ny FDR )ry zareo, dia nandray fiaramanidina , hamonjy ny tanindrazana ary hanavotra ny vahoaka, fa dia mbola namoaka NOTAM indray ny mpanongana ary tsy menatra mihintsy nandika Lalàna iraisam-pirenena, ary dia noterena hiverin-dalana ilay fiaramanidina !

    Androany 28 novembre 2012, dia mbola eny ampelatanany ny pasipaoro-ny

    Tsiahy !

  4. Anisan’ny vaovao farany ary tokony ho dinihan’ny rehetra !

    Paramahibo – SURINAME

    MADAGASCAR : IL faut agir !!
    « Des éléctions libres, crédibles et démocratiques à Madagascar NE SERONT POSSIBLES QUE SI LA NEUTRALITE DE LA TRANSITION POLITIQUE, LE RETOUR DES EXILES, ET LA PARTICIPATION DE TOUS À L’ELECTION PRESIDENTIELLE SERONT GARANTIES, a dit M. MICHEL. Il a exhorté la SADC à « prendre les mesures nécessaires », Y COMPRIS  » LE RECOURS AUX SANCTIONS », pour une APPLICATION INTEGRALE DE LA FEUILLE DE ROUTE ».

    Louis Michel, Co-Président de l’Assemblée paritaire ACP-UE

    Tiré du communiqué de presse de l’ACP-UE, du 27 novembre 2012

    Ny fampiarana sazy, dia voasoratra ao anatin’ilay FDR ; mazava ny voalazan’Ingahy Louis Michel raha ny FANANTANTERAHANA AN’ILAY FDR ARA-BAKITENY NO JERENA !

    Fifidianana mangarahara no tanjona, ary tsy ho tanteraka marina izany raha mbola tahak’izao foana ny malagasy ! Efa manome toro-hevitra ny olona rehetra, fa mbola tsy tonga saina, asa dia inona loatra ny antony !

    Midika io fa vonona ny hanohana ny ACP-UE amin’ny fampiarana ny sazy, rahatoa ka mangataka an’izany ny vahoaka sy ireo rehetra izay mahita fa tsy misy zavatra vanona amin’izao fotoana, ary manohy ny adalàny ny mpanongana !
    Diso fantatry ry zareo loatra ny zava-misy, kanefa ny malagasy tolorana zavatra mahasoa azy indray ity, no toa miavonavona sy matin-kambo !

  5. Hanitra,Stanslas… mba efa mba nasianareo valiny ve ity fanotaniany ity ,sa laozanareo MIREDIREDY ERAKY NY TANETY fotsiny.

    Ahoana no ahafahana mandrodana an-drajoelina sy ny forongony ??? Envoyé par: Ra-8 Ra-8 ihany Ra-8 hatrany. (Adresse IP journalisée)
    Date: mer. 28 novembre 2012 03:57:07

    Ahoana no ahafahana mandrodana an-drajoelina sy ny forongony ???

  6. FIARAHA-MITANTANA TENA IZY izany dia tsy vahaolana intsony ! Resaka be fandanian’andro izany ! Tsy misy zavatra azo antenaina amin’ireo mpanongana ireo, ary fantatrareo tsara izany ! Hiandry an-dry zareo mpanongana hiova ve ianareo ? Aza dia manofy loatra ê !

    Fantaro fotsiny fa i Ratsirahonana izay tsy nisy nanàsa satria tsy misy antony tokony hanasàn’azy, dia nitonantonana any SURINAME ! Hanao inona any ? Hanodikodina lohan’olona ?

    Io fanambaràna nataon’Ingahy Louis Michel io ambony io, ny valin-teny azony !

    Aza manaiky hifindràn’ny aretin’ny mpanongana ianareo, satria toa izay mampietiety ny fahitanareo ny toe-javatra no lazaina sy atao ; mba tokony hisy laojikany ny fandinihina ny tantara sy ny zava-niseho rehetra, mba ahafahàna miaro ny tena ara-dalàna !!
    Takio miaraka amin’ny vahoaka izay tokony takiana !! Miankina amin’izany ny hoavin’ny firenena ! Izany koa no andrasan’ny CI hatry ny ela !

  7. Misaotra @ fanomezana ilay vao2 tsara vao maraina Kintana a!
    Olona efa lany henatra ireny e!!hatsiaka sisa no hitafiany lamba, nidiran-doza mihintsy
    ny firenena sendra ny olona toa ilay ratsikirity ireny.
    Dia bisous be ho an’i Louis Michel , fa ny sisa ahoana e!!!hiandry mahazo eto foana ve???
    efa omeny antsika anie ilay baolina fa ilay tongotra handaka azy no toa votsa be liatra.
    Alefaso zalah!!!i domelina anie tsy hisara-nono na iviana na oviana e! izay no nanamborany an’iTokanono,
    tsy ampy ny renikely sy ratsikirity. TAIRO ZALAH! INONA NO ANDRASANA e!

  8. Tena hadinoko ilay Video! saika nahazo aho!!!
    Milay be !!mbola hoa vy e!! tsy taitra tsy maika, ary TSY MAINTSY!!!

  9. Ny vahoaka efa miandry fotsiny fa ireo mpitarika mihintsy no variana mampiara-peo amin’Ingahy Rajoelina sy ny ekipany.Milaza tsy tia ny lohany nefa misafidy ny masony!

  10. Izay mitovy ihany no miaraka e! i Louis Michel mpangalatra sy mpanodikodina volana ONG tany RDC izay mbola mifampitady @ justice congolaise sy Belge ve no mampizesta eto. Raha nahay iny, vitany ny nanakana ny UE tsy hamatsy vola ny fifidianana sy ireo foto-drafidrasa momba ny sosialy ao Mada, fa vola adala tompo ny an-dRaosy hanakaramana ireny, sady tsy nisasaran-dRaosy koa moa de afafifafiny any, tsapatsapa vodin’ankoho io raha tsy tay atody. Hain’olona tsara ny minono ny volan-dRaosy, satria olona tsy nianatra, tsy afaka hiady rehefa lanin’olona any fotsiny, de afafy katrana fa hoany fa hoany fotsiny. Ry Mamy, sy ry Rakosta, sy Zafilahy ary ry Hanitra sy ry Naika ane hono ka mizara vola be tsy tapaka avy ao Atsimo ao e! Toa nifanolana be ny momba an’io hono ry zalahy sy ny TEZA Rakotochien fa kely ny anjarany. Mampalahelo ihany Raosy iny @ lafiny iray, indrindra ireo magroreraka kely tsy mahazo na de pitika kely fotsiny mba miady ao isan’andro. Ka vola adala tompo ireny koa.
    Ny CI zany woa, aza manantena, fefa fantany ny lalana hizoran’i Mada. Jereo fotsiny izao fa nahazo fankatoavana t@ géant japonais ndray ny transition. Mandeha tsikelikely io nama a! Ny Alemana, ny Anglisy, ny UE,ny Aostraliana, ny Suisse, ny Indiana, ny Japonais, goavana be daholo ireo a! Ary fa naninona ary ny Norveziana toa tena akamabean-dRaosy fahiny no mamatsy vola ny fifidianana? Pôlitika io ane woa iray segondra de mivadika e!asakasakareo mpivavaka mahatoky ireto lavaraoby manao politika ireto. Nenareo entina barofo ny politika, fa ny an’olona, fisainana sy stratégie, izay ane ny mampilay ny FOZA e! tsy miaiky foana ve? Ny OSY zany tonga de totonombibory fotsiny ny adiny, hany ka vaky midona @ rindrimbato ny loha vao tonga saina woe, tsy mety zany adiko zany, de iny ndray fa mamerina ny toy ny natao teo ihany. An!an!an! tena mampihaiky volana ny hadondronan’ireto mouv Raosy ireto aho!
    Sopapa kely ty ry KM a! efa manana poulin vaovao ny UE, ka ta@ filohan’ny Tanzanie taty Paris, de hoy hono Hollande woe, touche pas à nos(UE) pote; de niveri-maina ny GENA, hany ka tsy hitan’ny SADEC intsony zay atao e!
    Alefaso foana ny tora-po ry Rana sy K aka M erida fa mi passionner be anay ny mamaky ny désespoir nareo eto, ka na de milaza ny vaovao marina navoakan’ny RFI aza Ravelonarivo manao démenti an-dry Naika sy ny AFP zay nomba an-dRaosy hatramin’izay, ny marina ry KM tsy mba maty a! mbola tsisy pasipaoro zany any an-tanan-dRaikelinareo.
    Raha tafaverina aminy eo ve ny pasipaoron-dRaosy tsy izy no midedaka voalohany eny @ magro sy hampiseho vidéo @ youtube sy facebook. Hainareo ihany maha rainihambo ny dadakelinareo. Mialatsiny aloha raha miteny woe, dadakely satria nareo manana dada niteraka daholo, fa Raosy dadakelinareo sipan’ny bôfinareo ampirafisinareo @ dadanareo biologique. De mazotoa mitsako kininina ndray e! Zany foana RAVELONARIVO a! aza kivy milaza ny marina fa izay milaza ny marina eto de lazaina fa mpamadika, fa rehefa voky lainga izay voizina lava eto nareo, zay tsy miteraka résultat na de ny pitiny aza, vao maika aza manimba ny tolonareo, de milay be zay, de rahampitso ndray mandainga misimisy kokoa miaraka @ Solo Razafy, de handainga hatrany, mandrapahafaty, kanefa ny olona efa mahavita fihanihanana makotrokotroka eny Mahamasina mandray Filoha vaovao izay tsy Raosy tranainy @ 2013. De mandra-panoratra ndray ry Zanakosy ô!

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *