TAMBAZOTRA MPAMONO OLONA IO FITONDRANA IO

Efa ao anatin,’ny fotoam-pahavaratra tanteraka isika amin’izao fotoana izao. Na dia teo aza ny firotsahan’ny orana androany dia tsy nahasakana ny vahoaka ho tonga teny an-kianja izany. Anisan’ny nandray anjara fitenenana teny an-toerana androany ny solontenan’ny mpivarotra ramatoa Viky. Marina hoy izy fa samy zanak’iny faritra sofia isika raha niresaka mikasika an-dramatoa Ruffine ny tenany. Tany Bealalana ny tenanay hoy izy nanao vakansy dia efa hafahafa ny kabary izay nataony tany fa tsy nisy niresaka momba an’i dada. Manalabaraka ny faritra Sofia hoy izy ny zavatra ataonao. Ny Ankolafy Ravalomanana no nanendry anao teo kanefa manao marika V ianao, noho izany dia tsy mety izany. Ny solontenan’ny fikambanana FDL kosa dia nilaza fa fanakorontanana no ataon’ny fitondrana fat eto. Mazava hoy izy ireo fa nisy filohan’ny kaoperativa iray tafaresaka taminay izay nilaza fa io fitondrana io no manao izay hisian’ny fikorontanana. Tofoka sy leo izahay hoy izy ireo. Ny solontenan’ny FVOTM kosa dia nilaza fa tsy tako afenina intsony ny ataon’ny fat izay milaza lainga etsy sy eroa, tsy mety tonga saina. Mihazakazaka manao fifidianana avokoa hoy izy ireo ny ekipan-dRajoelina. Noho izany dia mahalala menatra. Momba ny miaramila dia nanambara ny FVOTM fa inona ny olanareo. Hatahoranareo ny fahatongavan’I dadanay kanefa izy hamonjy ny firenena. Olona iray ve dia hatahoranareo toy izao. Ny mpikambana ao amin’ny kongresin’ny tetezamita Rasoanoromalala Horace dia nanambara fa misy ny tambazotra namono olona ny 26 janoary sy 07 febroary. Manana horonantsary mikasika iny izahay hoy izy ka vonona hanome izany. Nisy mpitondra fanjakana nitondra olona teny ary nilaza io olona io fa faritra mena. Raiso hoy Horace ny andraikitra fa aza aolakolaka ny resaka. Mbola io tambazotra io no mandripaka ny olona any Atsimo. Milaza ny jeneraly baomba hoy izy fa eto Antananarivo no nanao fanadiadiana ny amnistia international, kanefa izy ireo nidina tany an-toerana. Tokony tsy ho afamaina ireo olona. Tsy manaiky isika fa tsy maintsy mivoaka ny marina.Ny Ct Feno dia nilaza fa variana ihany ny tenako nijery ny fampielezan-kevitra nation-dRajoelina tato ato. Ny antsika hoy izy dia indray mamafy ihany rehefa tonga ny fotoanany. Ny Cst Rakotonomenjanahary Jean Ernest dia nanambara fa efa miseho ny fambara amin’ny faharavan’io fitondrana io amin’ny zavamisy ataony. Raha nilaza Rajoelina hoy izy omaly fa ny tondrozotra no hivoahana amin’ny krizy. Ny azy hoy ity olomboantendry ity dia hafa ny lazain’ny vava ary hafa ny ataon’ny tanana. Raha milaza hamaha krizy ny fat dia tsy hisy izany satria mbola voasazy ireo. Izao tontolo izao hoy izy dia tsy hanaiky azy ireo raha tsy tonga eto ny filoha Ravalomanana Marc. Ny raharaha 26 janoary sy 07 febroary no hatahoran-dry zalahy satria izy ireo ihany no nanao azy. Efa mipoitra ny marina hoy izy, ary tsy maintsy hiseho. Ny Ct Rarison Hilarion dia nilaza fa nivory ny FFKM . Noho izany dia nanao antso ho azy ireo ny tenany. Miankina amin’ny hoavinareo ny famahana ny krizy ka raha mitarazoka izany dia ianareo no mamotika ny ho avin’ny Malagasy. Iangaviana hoy Hilarion ny FFKM tsy hivoana amin’ny tondrozotra. Mazava hoy izy ny tenin’I lavasanga fa ny tondrozotra ihany. Manaiky ireo izany fa any amin’I dada ny lakile. Isika hoy izy dia efa efatoana no nilaza fa ny filoha Ravalomanana Marc no famahana ny krizy. Izaho mino hoy Hilarion fa ny fanapahan-kevitry ny FFKM amin’ny herinandro io dia ho hafaliana ho antsika. Marina hoy izy fa mila vola ny FFKM ka aoka tsy ho Rajoelina no hitabataba hoe namatsy vola. Miantso ny iraisam-pirenena izahay hoy izy hilaza hoe izy ireo no namantsy vola.

8 pensées sur “TAMBAZOTRA MPAMONO OLONA IO FITONDRANA IO”

  1. hampitarazohy ihany ny tolona r i ernest ,hanitra ,mamy,manandafy ,manoela,…..dia miaravoky @rajoelina ianareo ,kanefa tsy ho voky noho nedala ianarteo.
    ary ny vahoaka dia hitady lalana kafa fa tsy hiaraka @ lalana mikatso lava izao.

  2. AMPY IZAY NY TATITRA AO @ MAGRO R I CT SY CST SY Y TARINY ,FA KARAKARAO RAJOELINA RAHA TIA TANINDRAZANA IANREO .

  3. ho anareo roalahy ireo dia tsotra valiteny mandehana any madagate fa io ny anareo foza
    ny antony ao magro milaza ny zavamitranga eo anivony cst sy ct ary ny ministra
    raha tsy ao anatiny ireo andrimpanjakana ireo ny mouvansa ravalo dia miteny irery ny ao magro

  4. wawawa, wawawa ! ampy zay r’ity a ! salamin’ny lelahy tsy mahay mirevy ! asiko asiko nefa vao mandroso dia efa latsaka ! ra tena hanao tenisany dia lel..eo @zay le tgv io e ! ny basivava tsy aleany !

  5. aza mba manao fisainana foza orana ohatran’io ry berthe be tapony a!ny zanak’i dada tsy ohatranao io mihitsy

  6. MDR !! Ho an’ny HPM ve io ry Berthe â ?

    Toa ohatry ny hitako ny endrik’i Misajaona sy Neninoro mahita ny voasoratr’ity Berthe.
    Ary i ranavalona sy HoAiza (izay nankaiza), mba ahoana ???

    Marina fa tsy dia miady loatra ny ataon’ity Berthe ity, fa raha dinihina, dia manohina maso sy saina toy ny soratra ataon-dry foza ato ihany ny fahitako azy io !

    Izao no mba hirahiram-pony ê !
    Efa maty eritreritra, very saina sy ny fanahy daholo ê, tsy mahagaga rahatoa ka samy manao izay tiany atao !

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *