« TSY HANAIKY IZAHAY RAHA MISY MIKITIKITIKA NY FILOHA RAVALOMANANA »

IMG_3006

Nitohy hatrany ny hetsiky ny vahoaka mpomba ny Ankolafy Ravalomanana etsy amin’ny Magro Behoririka. Nisy hatrany ny lahateny nifandimbiasana toy ny mahazatra androany teny an-toerana. Anisan’ny nandray anjara fitenenana tamin’izany ny filohan’ny fikambanan’ny ben’ny tanana eto Madagasikara andriamatoa Ralahiseheno Guy Maxime. Nambarany fa ny maraina teo tokony ho tamin’ny fito ora sy sasany dia nisy ny mpanao gazety nikorontana hoe ahoana fa efa tonga eto an-tanindrazana ny filoha Ravalomanana Marc. Tsy sanatria hoy izy ka jiolahy ny prezidà ka hitsaitsaika hiditra eto. Tsotra hoy ity olom-boantendry ity ny raharaha. Olana ara-politika ny eto dia tsy maintsy vahaolana politika no hamahana azy. Ny fodian’ny filoha Ravalomanana Marc hoy izy dia tsy  miantsy ofisialy ary hotsenainay amin’ny fomba manetriketrika. Tao anatin’ny taona maro hoy ity mpanao politika dia ny fomba fanao tamin’ny taona 2009 no ataony nefa tsy nahomby izany. Raha any aminay any Atsimo hoy izy  izany tangalamena izany dia olona manana ny maha izy azy. Tsara ho fantatsika hoy Guy Maxime fa vao vita ny fifidianana tany Etazonia dia nitsidika any Afrika Atsimo ny filoha Obama. Misy dikany ara-politika aty Afrika izany hoy izy ka tsara arahantsika maso. Etazonia dia efa tena mandroso amin’ny lafiny demokrasia. Tsy maintsy hisy fiatraikany amin’ny famahana ny krizy eto Madagasikara izany. Ny vondrona Eoropeana sy Afrikana hoy izy dia efa nanaporofo tamin’ny fanambarany fa  tsy misy afa tsy ny fampiharana ny tondrozotra ihany. Ny ala nenina amin’izany dia ny fampiharana io tondrozotra io. Ny filoha Ravalomanana Marc hoy Ralaiseheno  dia efa nanamafy izany fa ny Sadc no handray an-tanana ny fampodiana azy rehefa tsy hanao ny fat. Tsy misy fisalasalana avy amintsika hoy izy fa miandry am-pitoniana isika. Aza mieritreritra zavatra hafa isika fa ny mpamadika efa lasa ary ny fijoroantsika manoloana ny tolona no zavadehibe. Ny solontenan’ny Tim Antananarivo Renivohitra  Ragodonarison Guy Roger dia nilaza fa efa ela no niandry ny filoha Ravalomanana iska fa ny fotoana sisa andrasana. Noho izany hoy izy dia entano ny olona hanatevin-daharana ny hetsika eto an-kianja. Maheno isika hoy izy any amin’ny radio any fa mampitandrina amin’ny fahatongavan’i dada eto ny foza. Misaotra anareo izahay hoy izy nampilaza fa izahay ihany koa dia tsy hanaiky raha misy mikitikitika ny filoha Ravalomanana Marc.

28 pensées sur “« TSY HANAIKY IZAHAY RAHA MISY MIKITIKITIKA NY FILOHA RAVALOMANANA »”

  1. Aza dia mihemotra rė Tompoko fa mba mandrosoa a!!
    taraiky be nareo! i dada aza efa nanamafy fa  » FANAPOTEHINA TANINDRAZANA
    NO MISY ETO FA TSY RESAKA POLITIKA INTSONY » ary marina izany fa resaka fanapotehina
    sy FIVAROTANA tanindrazana ( ohatry ny fivarotany ny anabaviny sy ny reniny ary ny zanany VAVY avy)
    no misy fa tsy PÔLITIKA izany intsony e!!!!aiza moa ny tolona no ahaomby???dada miezaka miroso aloha
    fa ny mpanara-dia azy kosa MISINTO-MAHERY MAKANY AFARA.

  2. Fa andrasana hisy hikitika koa izany vao ho taitra ve???
    fa tsy ny fiarovana azy no atao manara-penitra???sao dia
    haingo diso an’i Iarivo no hiafarany eo ary????voalavo an-tanatsaka, aza misy mbola
    manantena, fa aleo izy hijanona any ihany aloha raha mbola tsy azo antoka ny fiarovana
    azy.Mbola misy fisalasalana izany an! TSY MAMELY!!!

  3. Izaho aloha tsy mbola naheno an’i Marc Ravalomanana niteny hoe resy hatramin’izao.

    Iza no tsy mahazo fankatoavana?
    iza no tsy be mpijery rehefa mikabary any amin’ny UN.
    Iza no matahotra fifidianana?
    Iza no tsy azoazon’ny olona rehefa mitety farintany?Tsy tonga any Atsimo mihintsy.
    Iza no tsy mahazo fanampiana ara-bola fa lasan’ny mozambikana?

    Ny marina mitavozavoza mety tsy maharesy lainga tsara lahatra fa ny lainga tsara lahatra tsy mahaleo ny dohikan’ny rariny.

  4. tonga eto ny fotoana,
    raha ny expérience niainana nandritra ny COUP D’ETAT de 2009 – de mbola tohizana ihany
    ===> iny lalan’iny so slipery (silipy ery), jusqu’au-boutisme ANEANTISSEMENT de gasikara malala an – f’angaha rehef avy eo hanao kamikaze eran’ny nosy indray mba ho lasa poudre de cendre

    Fitondrana secte
    (miala tsiny somary directe f’efa feno hatry ny ela ny kapoaka mangidiKO) ==>
    inspiraka Sodome et Gomorrhe itony révolisiona oranze

  5. manaoana nareo, avelao hikitika izay sahy e!zahay aty anatihazo isotry hiaro an’i dada jusqu’a la mort mitsy

  6. mbola miandry an’i zandrikeliko Obamaka aho ;hiresaka aminy aho;miandry fifanarahana pilitika aho;ho avy tsy ho ela ny volan,ny knapsa!aza matahora fa sesehako lainga ianareo;vitako io;tsisy afaka manakana ahy tsy hody ary hilatsaka andavaka eto;na izany anefa dia miandry ny sonia sy fanapahankevitry ny tgv aho!tsy manaiky an,izany tgv zany aho fa soniany fotsiny no ilaiko!inona ary ‘ty!manaiky ahy izao tontolo izao;tsisy fifidianana eto raha tsy tonga aho;tsisy miraharaha zany 8 novambra zany!ahy ny fahefana fa nampindramiko an,i tgv fotsiny!miandry ny sonia tsy manakery avy aminy aho; ory ora

  7. aza mandany andro aty tena ry Imbolahoavy raha foza fa zahay tsy mila foza a,tenisany mpanimba firenena efa ho 4 taona zao tenisany no nitondra nefa tsy ita zay vita,ho latsa tay eo tena ref tonga dada ary tsy misy fifidianana zany eo ry kondrana ty a zay fa raha mbola mitady dia mbola misy sahaza atena aty na vava na totondry, ny zanak’i dada koa tsy miala amtenisany zany e

  8. andininy faha firy kay no misy ilay fitakiana ifanarahana politika zany ao @federoty fa mba liana izahay?Sa fitalahoana @fat indray?Marina raha mbo misy hiditra @zany ntsony reo fat ireo!tsisy fifanarahana politika intsony fa izay voasoratra dia voasoratra angamba;sady dada efa nilaza fa federoty ihany;ny andininy 45 ihany hono ampiasaina hoy dada

  9. Ratsimilaho> ilay SADC fa voalaza fa mpanelanelana mantsy hita mibaribary zao fa manohana an’i Andry, ka eo no mahavariana hoe ny sadc sy ny fat mintsy no miaraka mampitarazoka ny crise eto m/car. Maninona no proposition hafa foana no hatolotra fa tsy ny FR no tanterahina h@ farany??? ka tsy midika ve fa resy izany, ny preuve tsy tafody mintsy président

  10. razokikely,
    Ilay FDR manontolo no atao hoe « Fifanarahàna pôlitika » ; tahak’izany koa ilay nantsoina hoe « Accord de Maputo », izay io FDR io no niafarany !

    Ny zavatra hita aloha dia ilay Maputo, nolavin’ilay domelina satria nopendarin’ireto mpanohan’azy izy, rehefa avy nanao sonia ka nanao tatitra !

    Amin’izao fotoana izao izy dia faly dia faly amin’io FDR io, satria nahazo titra amin’izay hoe Prezidà. Ny tena mahafaly azy moa, dia NANAIKY NY REHETRA hanome fahefàna goavana ho azy !
    Porofon’izany amin’izao fotoana, nisy nilaza fa tokony ho any Eraopa i Beriziky fa tsy avelan’ilay domelina hivoaka ny trano ! Voahidy amin’ny lakile !

    Ingahy Beriziky anefa nilokaloka fa hoe io FDR io ihany no patrô-ny ! Ny tsara ho fantatra anefa dia ao anatin’ny governemanta iray, dia ny sefon’ny governemanta no patrô-n’ny ministra !

    Dia mba ahoana izany ireto hoe ministra avy amin’ny movansa Ravalomanana ireto, raha ny sefon-dry zareo aza ataon’ilay domelina toy ny karpetra ?

    trimobe,
    Misy SADC ary misy SADC ! Tsy azo atsipy any amin’ny SADC ny fahadisoana, fa ilay malagasy mihintsy no tsy maharaka ny tantara ! Tsy mahagaga satria tsy ny tena olana no resahin’ny sasany fa zavatra hafa dia hafa no vohizina !

    Raha nisy vao tsy ela fivorian’ny GOVERNEMANTA, niaraka tamin’ny irakin’ny vondrona eraopeana sy ambasadaoro vitsivitsy, nahoana no tsy maintsy nanatrika tao i Tsikirity sy Nini ramandina ? I ramositasy moa dia nandahatra be, nandray fitenenana mihintsy !

    Mba nandray fitenenana ve ireo avy ao amin’ny movansa Ravalomanana ? Mba tokony hanao ny tena tatitra amin’ny vahoaka ry zareo !

    Ny fisian’io fivoriana io aza toa dia tsy fantatry ny rehetra !

  11. ny fahadisoana hatramin’ny voloany aloa dia ny naneken’ny filoha ravalomanana an’i rajoelina ho presidons e,tsy haiko aloa raha ry kitana manandrambo no conseiléany na i misajaona fa dia tena mila atoro tsara nareo fa zao andihizany andry rajoel tsara mits isika,lasa isika ndray no lazaina fa sons qualité,za aloa dia tena anergikana foza mitsy e! raha izao no mitohy tsy hisy fifidianana zany eo satria manao izay fara heriny ny minisitry ny fitsarana hanakana an’i dada,mila mietsika ny vaoka ao am magro fa tsy ataon’ny sasany mihaino ny kabary ambony vavahady fotsiny e,izahay aty ambany tanana efa vonona fa mila tosika avy aminareo fa aza ampiesonin’reo mpamadika palitao ao reo nareo,za hanazava aminareo ny antsipiriany raha mety dia mba aoka izay ny fifanaratsiana ny samy zanaky dada fa i andry rajoela zao no adveriseire iombonana,za koa micomperandre tsara anareo na dia somary votsa saina aza ny sasany amintsika,i andry rajoelina no fahavalo iombonana averiko ihany raha sahy izy tokony apliquation no ataony fa tsy be resaka eo izy ny article 45 sy 20 no olana no tiako azavaina aminareo,zay fa samy ho tahin’Andriamanitra e

  12. Voalohany indrindra, soa ihany fa saika niara-tonga vao maraina ( ny posts io mdr ), fa sao dia lazain’ny olona hoe izaho ihany no hoe nathalie !

    Faharoa, ho an’ity olona resahiko ity, mba kajio aloha izay soratana fa efa sirikin’ny olona, fa mody adala ! Na bakarté na okarté, tsy izany no tokony andanian-jiro ato !

    Faha-telo ary tohin’ny etsy ambony, aza manendrikendrika sy manompa na manadala olona, fa tolona ho an’ny Firenena no hidiran’ny olona ato, fa tsy hifanompa rahatoa ka mbola mihevitra ny tena ho mpiaro ny ara-dalàna, na izany zanak’i dada izany ! Ianao ihany no efa milaza an’izany koa dia alefaso izay tianao ambara, fa aza mampadany andro olona, amin’ny resaka E !

    Faha-efatra ary farany, ary ampidiro amin’ny maritoa ao an-doha raha ilaina izany satria efa noresahiko tato. Satria fantatry ny Filoha Ravalomanana fa tsy izy na ireo miaramila mpiambin’azy no namono an’ireo olona teny Ambotsirohitra ireo, satria fanonganam-panjakàna tsotra izao ny zava-niseho, dia tsy nanaiky an’io domelina ho prezidà na hitantana akory an’izany tetezamita izany izy, fa dia nataon’ny REHETRA izay nandresehan-dahatra azy (hivereno vakiana izay zava-niseho rehetra) !

    Satria fanavotana ny firenena no masaka tao an-dohany, dia nanaiky ihany izy tamin’ny farany !

    Diso izy sa tsy diso ? Anontanio ireo rehetra izay nilaza fa mety amin-tsika ny tany Maputo, sy io FDR izay tsy arahin’ny mpanongana io akory !
    Rahatoa ka noterena ry zareo hanao sonia, aoka ry zareo hilaza ny TENA marina amin’ny vahoaka !
    Efa hatry ny ela ry zareo no afaka niala sy nandràva an’io FDR izay nolazaina fa nekena tsy sazoka io. Maninona no tsy niala foana, inona no andrasana ?

    Hafatra !

    Hentàno ny vahoaka ( avy any amin’ny bakarté na okarté) hitsen’azy atro ho ato, ary hamerin’azy amin’ny toerany, rehefa tonga ny fotoana hanaovana fifidianana MANGARAHARA SY EKEN’IZAO TONTOLO IZAO !

  13. fa iza moa no lazainao fa mody adala ry kintana manandrambo, za a loa dia tsy hitovy evitra aminareo na ovina na ovina e! ny nanekena ny mpanongam panjakana ho filoha mpanjakana dia fanomezana rariny azy,ny itovizako aminao fotsiny dia ny fahatsapana fa nahavita zavatra ny filoha ravalomanana dia mila tohizana izany ary mila tohanana, raha nananako ny fahefana rehetra toa an’ny filohan’ny ct mamy rakotoarivelo dia efa ela io fitondrana io no niongana satria sady aty amiko ny vahoaka no aty amiko koa ny momba ny fandinihina ny lalana fa saingy tsy hanao zavatra ry zareo fa ny mandinika ny tetibola 2013 izay tsy miantraika vantana any amin’ny vahoaka no masaka an-dohany satria hiditra any am paosin’izy sy radomelina,satria ianao nangataka ahy mba hanentana dia mba mangataka koa za mba entano ny vahoaka ho tonga saina amin’i mamy rakotoarivelo satria izy ireo no tena facteur nampitarazoka ny tolona sady nanome vovokaina ny fitondran drajoelina izay efa saika niongana, izay fa izay foza aloa tonga dia ndana matory fa manorisory a!

  14. O ry nathalie vendrana, teo aloha nanoratra  » Doktoras » dia izao indray  » présidons » .

    ndray, ndray ndray menatra ny tena hoe. Sao doctorat azo tamin´ny andron-dRajoelina ny anoa, fa menatra ny tena, ary raha izao fomba fiteny sy fandaharan-teny tena any anaty lavapiringa mihitsy fa mandehana aloha mianatra manoboka , ambaratonga voalohany dia tetezo ny rehetra izay vao manohy fianarana ambony, izay vao manoratra mano fikarohana, mano doctorat, fa aza alaina baraka ny olona manana doctorat fa manampahaizana ireny fa tsy tahaka ano misandoka ho  » presidons doktoras »

  15. conseillé akia nathale fa tsy conseilé a!

    sans qualité akia ! fa tsy sons qualité

    allergique fa tsy anergikana foza.

    adversaire fa tsy adverseire

    comprendre fa tsy comperandre

    application fa tsy appliquation.

    aleo aloha izahy tsy manana doktoras hitsara kely andry Nathalie sady efa mba tonga saina mihatsara fanahy aminay aminízay izao .

    Ny zanak´i Dada tsy mba mifamono ankarona tahaka ny foza .

  16. Jereo anie, aiza no hitovy hevitra na hisy resaka vanona, raha tsy vakianao tsara akory izay soratako ? Ampiakaro kely ity izy ê !

    Fanekena ny mpanongam-panjakàna ho filoham-panjakàna dia fanomezana rariny azy ?
    Iza no tsy mahafantatra an’izany ?

    Tsy hevitra avy any amin’ny Filoha Ravalomanana izany !

    Nazavaiko taminao ny antony, ary mbola averiko rahatoa ka tsy azonao :

    Mila manome fanazavàna ny TENA ANTONY IREO IZAY NANAO SONIA FARANY ; ireo nilàza fa mety amin-tsika io FDR io !

    Misy aza milaza fa « 2013 sera une meilleure année ! Année de Transition » !

    Tsss !!

  17. Adaboy any izany ry Misajaona fa mody adala io â !

    Mba jereo ny zavatra nolazain’i le Lylison ao amin’ny Tananews ! Mba inona indray no ho lazain’ny ministry ny fiompiana amin’izao fanendrikendrehana sy fanosoram-potaka izao ?

  18. eny e! lazao fa mody adala ny olona rehefa mahay nareo,ny ordinatera no mandiso anireny fa tsy za fa aza dia mifanitsinitsy eo, zany ilay mahatonga ny olona ho romotsa aminareo fa mba ahitsio ilay fitenenana ry misajaona a!i kintana manandrambo koa tokony mba anao analize tsara aloa vao miteny fa mba ataovy ambonimbony ilay ady hevitra fa be fahavalo ange tsika ato anaty cite internet e!

  19. ka efa nanao ANALIZE eto @ CITE internet anie izahay sy kintana e! Mdr!

    Manová ordinatera ianao ry Nathalie fa grave be ilay ordinatera manana DOKTORAS.

    Tsara aloha rehefa miaiky fa mahay be i Kintana Manandrambo.

  20. KM !

    Koa hatr@ izao tsy hita izay noresahin´i Minisitra Hanta.

    mba impiry moa izy no mipoitra ao a@ Magro. ireny karazan´olona mora mivadika ireny ary tsy mijery afa-tsy ny tombontsoany.

    Efa notenenina hatr@ voalohany momba ity éxportation zébu ity fa tsy hay izay nahamaika azy t@ io, izao ny vokany.

    Fa na izany miezaka manasa ny lambany maloto ra-Lylison, fa izao fitondrana foza izao ny farany ny aminy dia ho aiza izy ?? Tsiafahy miandry .

  21. na la pons io na le pont samy tetezana fa za tsy miraharaha satria tsy natao hanopo fransais koa aloa za,ary afaka mifampitesta fransais anie tsika fa tsy izay kintana manandrambo no mba hireharehanao, za ol tany paris no nianatra tonga dia tsoriko aminao zany ry misajaona

  22. Somary taraiky aho …… MDR
    Mba manajà tena ry akama fa tsy izy io a!!
    « JEREO NY TENANAO DIA VONJEO NY TOERANAO  » Kintana sy Ratsimilaho a!
    MAHONENA itony zanaka adala!!!mbola musy toerana ary anjanamasina fa any @
    Hopitaly no matory @ tany ny marary.Efa tsy misy intsony ilay hoe: izay marary Andriana,
    mifamototra ambony ambny ny fiainan-dRamalagasy sisa fa sendra izay totom-bintana no
    miseho ho mpitondra.

  23. Nathalie is clever at drawing men’s attention

    She is NADIA Christelle Tanora

    DO NOT EVER GET EASILY TRAPPED INTO HER VOUVOUVOU (CQFD à 3V)

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *