VOT : MITAKY NY HAMPIHARANA NY TONDROZOTRA

mydago.com- Vot 17 nov 12 (23)

Feno telo taona androany ny Vondron’Olon-Tsotra na ny  VOT. Nisy ny hetsika notanterahin’izy ireo teny Anatihazo II nentina nanamarihana izany. Ankoatra ny lahateny samihafa nifandimbiasana ka nandraisan’anjaran’ireo solontenan’ny VOT any amin’ny faritra dia nisy ihany koa ny fanomezana toy ny vary sy mangahazo ho an’ireo fianakaviana sahirana eny amin’iny faritra iny.  Araka ny fanazavana nataon’ny filohan’ny VOT Zoé Sarah dia tafiditra ao anatin’ny fanokafana ny fankalazana faha telo taona nijoroany ny hetsika
androany. Faradoboka amin’ny fitetezam-paritra ataon’izy ireo ihany koa ny hetsika. Fantatry ny mpanao politika hoy izy fa ataon’ny fitaovana ny olona ka nandray andraikitra izahay.  Tsy misy fanehoan-kevitra eto hoy Zoé Sarah satria sakanana avokoa izay maneho hevitra. Tsy misy tanteraka ny tondrozotra hoy izy ka noho izany dia manainga ny vahoaka handray andraikitra izahay. Namafisiny fa manohana hatrany ny filoha Ravalomanana Marc ny VOT ary mitaky ny hamerenana azy eto. Resy lahatra izahay hoy izy fa izy ihany no afaka hampandroso ny firenena. Efa mijaly ny vahoaka Malagasy amin’izao fotoana izao fa ny mpanao politika variana mitady ny tomboany manokana. Mitaky ny hampiharana ny tondrozotra hoy Zoé Sarah izahay ary avoahay ny gadra politika rehetra, sokafy ny radio nakatona. Mangataka ny sehatra iraisam-pirenena ihany koa mba hihaino ny vahoaka Malagasy. Aoka hoy izy tsy fandresehan-dahatra ambony latabatra no ataonareo fa mitarazoka ny famahana ny olana. Nambarany fa mampiakatra ny hafainganam-pandeha ny VOT amin’ny fanohizana ny tolona. Izahay hoy izy tsy hanaiky raha tsy miverina ny safidin’ny vahoaka Malagasy dia ny fiverenan’ny filoha Ravalomanana Marc eto an-tanindrazany ary vonona isika fiandrasana azy.

6 pensées sur “VOT : MITAKY NY HAMPIHARANA NY TONDROZOTRA”

  1. Ny VOT manao manifa, tsy manenjika ny be baoty !
    I Ndefo manao manifa, tsy manenjika ny be baoty !

    MBA MIVOÀHA AMIN’IZAY IANAREO AVY AO AMIN’NY MAGRO AO, FA MANDADY NY TRAMBO !

    TAKIO AMIN’IZAY NY « TENA FAMPIARANA NY TONDROZOTRA » !!! ALOHAN’IZANY ALOHA DIA MBA TSARA ANGAMBA IANAO ANDRIAMATOA FILOHA HAJAINA RAVALOMANANA, MBA MANAZÀVA IMASOM-BAHOAKA HOE, : INONA MARINA ITY FAMPIARANA TONDROZOTRA ANGATAHINAO ITY !!!

    Fantatra fa dia maro ireo andiny tsy arahin’ity milaza ho prezidà, ary anisan’izany ny tsy hahafanao miverina an-tanindrazana !
    Hita teny ho eny koa, fa efa mihaotry ny 55% hono ny velaran-tany lasa na nomen’ireto mpanongana an’ny vahiny kanefa « gestion des affaires courantes » no zavatra tokony sahaniny !

    Hita tany ho any koa, fa ity ministry ny raharaham-bahiny, ary ny amnistie mbola eo ampangatahana, dia nanao an’izany « visite d’exploration » tany amin’izany atao hoe Khazakstan sa Ngahazàtany, na tsy dia haiko izay ! Gestion des affaires courantes sa personnelles koa izany ? Inona no idiran’izany firenena izany amin’ny famahàna ny krizy izay misy amin’izao fotoana ?
    Toa mandany volan’olona fotsiny, sa nataon’ny sasany ampondra mpitondra entana indray ?

    Very ny firenena ê !

  2. Dia mampalahelo ny Fisehon-javatra toy izao an!!!dia ireo
    olona ireo ve no tokony hitaky izany raha ny tena MARINA e????
    f’ireo angaha no nanao na NAMPANAO ILAY SONIA?????ilay tsy fanenjeana an’ireo dia sady
    FAMPIADIANA no koa fantany fa tsy maro an’isa ireo ary rehefa tsy resaka DADA dia omena
    lalana sao mba hanaraka ny foza SANATRIA!!fantany koa ny olona tokony enjeany e!!!

  3. Latsaka koa aho @’ilay  » apondra mpitondra entana »
    Marina mihintsy izany! ny apondra no mitondra ny entana dia
    ilay mihazona ilay apondra( fa tsy ilay TOMPON’apondra an!) no mahazo tombony ,
    tena LOZA !!!!

  4. Tandremo fa mety ho entana somary maivana fa lafo vidy an ! Aza dia mihomehy ianao ry bavy !
    Aoka hiomehy ihany aloha ê, mais je ne ris pas le danger !! MDR !!!!

    Lazain-dRazôrzety fa tsy hita na tsy misoratra ao amin’ny Ministère-n’ny Interieur akory hono ny ankamaroan’ireto antoko nanao sonia an’ilay tondrozotra ireto !

    Io ramatoa io anefa nivezivezy, namangy sy niresaka tamin’ireto frantsay mpanohana mpanongana ireto ! Dia mba nanazava an’izany tamin-dry zareo ve izy io ? Antoko fantôma izany no nanao sonia niaraka tamin’ny movansa Ravalomanana ? Ny Arema-ndRatsiraka moa nilaza fa tsy nanao sonia, ny movansa-n’Ingahy Zafy tsy hay intsony, fa toa olona tsy manana hazon-damosina no natolony ! Na zaza 14 taona aza ve tsy nahavit’azy ?

    Aiza ianao ry HoAiza fa very ny tanindrazantsika ê ? Aiza daholo ireo Tai firenena sy mpiaro ny ara-dalàna ?
    Somary tohina ihany ny tena raha nandre an’ireto palestiniana, nilaza fa vonona hitsangana ary hiaro ny taniny na dia tsy ampy fitaovana aza !
    « Nous préférons mourir debout, dans la dignité » hoy ilay rangaha efa zokinjokiny izay !
    Ndyyy, ary ramalagasy ? Satria ny mpiray tanindrazana aminy ihany, na ny havany akory aza no mipal’azy, dia mandohalika sy mitsongoloka ! Miandry izay higadonan’ilay…. tsy haiko eo !

    Mampahonena marina an !

  5. Aza miteny ratsy lesy a!ka ny antsika ny MPISOLELAKA no manimba ilay tolona anie e!!
    rehefa te hilelaka izy tsy milelaka izay lelafiny any fa ny VAHOAKA no hataony TOHITRA.
    Mandre raka be !!!iza indray ity Razôrzety ry dà???
    MITROTRONGY mihintsy aza koh!!!FA TSY MAMPANINONA NY SASANY ILAY IZY! mety be aminy na dia
    mpiray tanindrazana @ tena izao aza , aleo MANASOA NY MPANJANAKA sao matiantoka , MAHONENA!!

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *