FAHA 63 TAONA NY FILOHA RAVALOMANANA MARC : TSY NANADINO IZANY NY ZANAK’I DADA

mydago.com-magro 12 des 12 (19)

mydago.com-magro 12 des 12 (19)Feno 63 taona androany ny filoha voafidim-bahoaka Ravalomanana Marc. Na dia tsy eto Madagasikara aza ny tenany tao anatin’izay telo taona mahery nakan’ny mpanongama-panjakana ny fahefana teo am-pelantanany  izay dia tsy nitsahatra niombona hafaliana taminy ireo mpomba azy, nankalaza izany tsingerintaona nahaterahany izany. Hirahira izay nafanain’ireo mpanakanto efa miaraka amin’ny Ankolafy Ravalomanana no nentina nanamarihana izany fankalazana izany teny amin’ny Magro Behoririka androany. Ireo vehivavy ao anatin’ny fikambanana isan-karazany ao anatin’ny Ankolafy no nandravaka ny dihy sy ny fihetsika tamin’izany. Horakoram-pifaliana no nandraisan’ireo vahoaka marobe tonga teny an-toerana izany rehetra izany. Ho mariky ny fifaliana miaraka amin’ny filoah Ravalomanana Marc dia nisy ny mofomamy nozaraina teny an-toerana. Tonga nanatrika ny hetsika ny filohan’ny Ct Rakotoarivelo Mamy, niaraka amin’ireo mpikambana sasantsasany ao amin’ny Ct, Ny filoha lefitry ny Cst ny Me Razafimanantsoa Hanitra niaraka tamin’ireo mpikambana sasantsasany tao amin’ny Cst. Ny Praiministra lefitra misahana ny toe-karena sy ny Indostria Botozaza Pierrot. Tamin’ny fanapahana ny mofomamy no nilazan’ny Rakotoarivelo Mamy fa “ho tapahina ity mofomamy ity mba ho mariky ny fiarahana amin’ny filoha Ravalomanana Marc. Ny faniriantsika hoy izy dia ny hihaona aminy tsy ho ela. Ny angatahintsika androany dia ny hitantan’Andriamanitra ny diany mba hahitany vahaolana amin’izao krizy izao, sy ny hiverenany am-piroborobo ny toe-karena Malagasy”. Rehefa avy eo dia niroso tamin’ny fanapohana ”Champagne” ny rehetra. Nofaranana tamin’ny fiarahana misakafo  na ny nofon-kena mitam-pihavanana ny hetsika. Marihina fa tsy nisy ny kabary nataon’ireo mpitarika teny an-toerana, fa fanentanana ranofotsiny no natao nandritra izany.

mydago.com-magro 12 des 12 (41) mydago.com-magro 12 des 12 (42) mydago.com-magro 12 des 12 (40) mydago.com-magro 12 des 12 (39) mydago.com-magro 12 des 12 (38) mydago.com-magro 12 des 12 (37) mydago.com-magro 12 des 12 (36) mydago.com-magro 12 des 12 (35) mydago.com-magro 12 des 12 (34) mydago.com-magro 12 des 12 (33) mydago.com-magro 12 des 12 (32) mydago.com-magro 12 des 12 (31) mydago.com-magro 12 des 12 (30) mydago.com-magro 12 des 12 (29) mydago.com-magro 12 des 12 (28) mydago.com-magro 12 des 12 (27) mydago.com-magro 12 des 12 (26) mydago.com-magro 12 des 12 (25) mydago.com-magro 12 des 12 (24) mydago.com-magro 12 des 12 (23) mydago.com-magro 12 des 12 (22) mydago.com-magro 12 des 12 (21) mydago.com-magro 12 des 12 (20) mydago.com-magro 12 des 12 (19) mydago.com-magro 12 des 12 (18) mydago.com-magro 12 des 12 (17) mydago.com-magro 12 des 12 (16) mydago.com-magro 12 des 12 (15) mydago.com-magro 12 des 12 (14) mydago.com-magro 12 des 12 (13) mydago.com-magro 12 des 12 (12) mydago.com-magro 12 des 12 (11) mydago.com-magro 12 des 12 (10) mydago.com-magro 12 des 12 (9) mydago.com-magro 12 des 12 (8) mydago.com-magro 12 des 12 (7) mydago.com-magro 12 des 12 (6) mydago.com-magro 12 des 12 (5) mydago.com-magro 12 des 12 (4) mydago.com-magro 12 des 12 (3) mydago.com-magro 12 des 12 (2) mydago.com-magro 12 des 12 (11) mydago.com-magro 12 des 12 (10) mydago.com-magro 12 des 12 (9) mydago.com-magro 12 des 12 (8) mydago.com-magro 12 des 12 (7) mydago.com-magro 12 des 12 (6) mydago.com-magro 12 des 12 (4) mydago.com-magro 12 des 12 (1) mydago.com-magro 12 des 12 (2)