12 pensées sur “Merry Christmas Mr President Ravalomanana !”

  1. TANDREMO ,tsy ny leaders no HITENY ANAREO ITY ,VAO VITA NY FETY dia hiaogaoga i rajoelina .

    METY HO HANGE… I RAJOELINA ISIKA .

  2. Tratry ny Asaramanitra 2012 daholo aloha ry havana amna-tsakaiza legaliste rehetra eto.

    Asaramanitra io fa tsy asaram-poza.

    Mirary Soa daholo e!

  3. Tratry ny Noely daholo isika mpisera eto ehhh, dia tsy manadino ny mpitarika rehetra ao @ Magro sy ireo mpiara-mitolona tsy mety leo satria tsyy mankasitraka ny faharatsiana rehetra nentin’ i domelina, ary tsy ny kely indrindra, miarahaba an’i Filoha Marc Ravalomanana mianakavy tratr’izao Krisimasy izao, dia hifanatri-tava mivantana amin’ireto vahoaka manantena anao ho tonga tsy ho ela ireto eto an-tanindrazana, dia ho tahian’ny Jesoa avy anie ny tsirairay,hambinina amin’ny zavatra tsara rehetra atao.

  4. Jesus – Marie – Joseph

    Fianakaviana Kristianina

    Mirary soa ho antsika mpomba ny ara-dalàna
    ary koa isika mpanohana ny
    Filoha Marc Ravalomanana
    tsy ankanavaka!

  5. Ary ity ronono mivadika ry Beloha a! 4 taona manao Noely any an-tanin’olona. Tsy mba azon’ireto sagnagna miogaoga reto mihitsy ve ty fahavoazany e!.
    Zao ny resaka farany nifanaovan’i Zandry t@ filoha Zambiana ry vena isany a!
    Bon, efa nanapakevitra ela Rainivoanjo tsy hilatsaka, tsara izany, fa izao, tsy azo amnistier-na ialahy, raha mody alohan’ny fifidianana, fa ela tsy atokisanay fa mora mivadika. Tsy afaka mandraharaha ialahy, raha be vinany eo, ary raha mitsivalana @ candidature-ko elahy, raha vao mitontona eo Ivato ny tongotr’ela, tonga de any Tsiafahy elahy, araka ny and 45 FDR. Afaka manao fanambarana tsy hilatsaka @zay aho, fa elahy any am-ponja mamita ny andron’ialahy. Mazava ho azy, fa olona efa voahomako no handimby ahy eo, ary izaho no lasa praiminisitra. Ny vadiko ho lasa Ben’ny tanàn’Antananarivo. Tsisy hirika hidiran’ela zany eo e! Raha sandry moa no ilaina de mafy be lavitra noho ela zahay. Politika io ltia henjana be zahay noho ela a!
    De an’ialahy no safidy, raha mbola te hanohy ialahy @ 2018, na hitsapa fanindroany indray an’Antanimora izay efa nidiran’ialahy. Mba misaina woa, fa lalaovinay otran’ny baolina tatavia ialahy. Tsy maintsy mandady fa ambany e!

  6. tsiresinialahy.
    Toe-tsaina tsy alehany tahaka izao ve no erntina hanaovana politika ? Tsy dias mahatakatra ny ratsy fiteny ireny. Hita avy @ itony faikan’olona itonu ireo mpanogam-panjakana sy ny mpanohana azy. izao no no Gasy, afa-baraha izahay fa malagasy tahakn’itony foza itony. Nefa dia tena tsy mitovy toe-tsaina @ itony mpanala-baraka malagasy itony.

  7. Fa ahoana ry lazalazao a??? Aleoko leisy mpanongam-panjakana toy izay mpandatsak’ain’ny mpiray tanindrazana a! tsy ny volam-bahoaka nahodin-dRavalo ane leisy no mampatahotra azy hody, fa ny tahotra ny falifaty t@ nanomezany baiko handripahan’olona ireo e! toe-tsaina otran’izany leisy no tena manalabaraka gasy raha tianlisany ho fantatra a!
    Vitan-drainlisany ny manonitra ny vola nangalariny, fa tsy vitany kosa ny manonitra ny aina na de iray izay nalatsany aza. Dadanla raha voangona zay tena mampalahelo mafy anla, mbola velona @ volabe nangalariny sy miaina soamantsara, fa ireo maty novoniny kosa, tsy hiverina intsony. Mbola resaka azo iadian-kevitra koa moa le woe, fanonganam-panjakana, fa hitam-poko hitam-pirenena, fa nanao démission ny dadanlisany, fa ny olona ltia r

  8. raha tena mafy niaro ny sezany foana teo, toy ny ataky nanaovanlisany an’i zandry, fa zakany foana. Rainla no te hametra-pialana, de mitari-dositra otran’ny ankoho fataka, any Swaziland vao mandainga woe, niafina tany anaty ala 1 volana zay mivady, ary nandositra satria nambenana basy teo @ fihirifana. Tena bandy kely say tsisy dikany. Menatra aho raha zaho no mpanohana olona otran’izany. Dadanla woa, tsisy fika intsony ny aminy. Kôzy e!

  9. Zavatra kely ihany no zaraiko:

    Be dia be ny zavatra mitranga amin’izao fotoana izao. Malahelo sady toran-kovitra ireo mahalala: detournement, rackettage…sns, ary be dia be ireo mpitondra ambony amin’izao no impliquer. Ny tiako lazaina, « tsy madio izao fintondrana izao, na inona lazaina na inona. »
    Ny momba ny 07 février 2009.
    Nitovy tsy misy hafa tamin’ny tranga teo aloha iny trangan-javatra iny. Niongana ny filoha Tsiranana tamin’ny 72, satria nisy ny maty. Taty aoriana, sary lasa fahazarana ny manao izay hisiany ra latska mba hampiongana ny fitonrana tiana aongana: Iavoloha, 1991, CEMES 1995?, 2002, ary farany toe 2009.
    Taty aoriana aza noforonina ny gouvernement parallèle sy fangalana Ministères. Inona ny tao ambadika? Mba hisian’ny provocation manoloana ny force natao hiaro ireny Ministère sy Institution ireny.
    Ho an’ny responsable ny force, eny an-toerana, telo no mety ho safidy:
    – Hiaro ny natao harovana ka hampiasa hery. Hisy ny haratra, izay tranga izay anefa hahatonga ny olona ho romotra ka hanao haza lambo ireo force ireo ka hahatonga famonoana azy ireo. Zavatra misy izany, izay niaina izany mahatadidy.
    – Hiaro amin-kery tafahoatra ka hanjary hitovy tamin’izay nitranga tamin’ny 91, 95 2002,2009. Mazava ho azy fa tsy maintsy hiongana ilay fitondrana, ary ho any Tsiafa sy Antanimora ny resy (miaramila).Taloha anefa tsy dia voakitika loatra ireny miaramila ireny; tranga: 72, 91, 95.
    – Tsy hiaro fa handositra hanavotra aina: voaroba ny toerana tokony harovana. Tsy hiongana ny fitondra saingy aiza ho aiza ny toerana hisy ireny force natao hiaro ireny – Tsy hiandry azy ve ny Fitsarana? Na miaramila io na civil.

    Fehiny:
    Rehefa te haka fitondrana ireo mamba noana fahefana, hatao fotsiny izay hisian’ny ra latsaka de vita, saingy aiza ho aiza kosa ny toeran’ireo force nomena handraikitra ambony natao hiaro. Ekeko fa ra mandresy de 2 taona de Général, fa ra resy dia miandry ny gadra.

  10. Teny amin’ny « Avenue » ve ianao io tamin’ny 13 mai 1972, ary indrindra teo anoloan’ny Lapàn’ny Tanàna ?

    Tsy ny hanongana an’i Tsiranana mihintsy no nandehanan’ny VAHOAKA ( tsy ny mpianatra ihany ) teny, tamin’io andro io, fa fanehoana « ampilaminana » ny tsy fankasitrahany an’ilay vava hoe : Tsak tsak zato arivo !!!
    Ary tsy hetsika fanonganana ihany koa iny, fa hetsika nentina hangatahana fanovàna an’izay hita fa tsy mety teo amin’ny fitondràna, ankaotry ny praograman’ny fianarana !
    Nisy ny mpanararaotra avy eo, ary tsy lavina izany !

    2002 : PUTSCH ELECTORAL no nataon-dRatsiraka, satria tsy nanampoa mihintsy hoe ho resy !

    Ny an’i domelina dia nelafa natao sorona teny Ambohitsorohitra ny marivo salosana, handotoana ny Filoha !

    Tsy mitovy mihintsy, noho izany aza dia maika mampitovy ny tsy mitovy re ê !

    Tsy mahagaga rahatoa ka niteny ilay olona iray izay hoe, ny any aminareo dia LASA TAHAK’IZAO FOANA NY FANOVÀNA NY MPITONDRA !!

    Misy maha marina azy ilay teniny, fa dia ho tahak’izao foana satria ATAO IZAY HITOHIZAN’NY RAHARAHA RATSY !!!

    TSY MELOKA NY DAHALO SY MPANONGAM-PANJAKÀNA SATRIA HONO TIA TANINDRAZANA !!!

    Azo vonoina daholo izay olona tiana hovonoina, rehefa asiana kely hoe « noho ny antony pôlitika », ary tsy hisy sazy hiatra mihintsy !! Any Madagasikara ihany no misy an’izany !

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *