NAIKA ELIANA : REHEFA MIVERINA NY FILOHA RAVALOMANANA MARC DIA MILAMINA TANTERAKA NY FIRENENA

Namafisin’ny Cst Naika Eliana androany teny amin’ny Magro Behoririka fa ny Ankolafy Ravalomanana dia tsy nandany ny volavolan-dalàna momba ny teti-bolam-panjakana iny. Samy nahatsapa hoy izy izahay rehetra fa tsy ho an’ny tomboantsoan’ny firenena iny teti-bolam-panjakana 2013 iny. Nambarany ihany koa fa nandray ny fitondrana izahay tamin’ny alalan’ny tondrozotra izay natao sonia tamin’ny Septambra 2011 ary io no nametraka an’i Rajoelina ho filohan’ny tetezamita. Tafapetraka ihany koa ireo andrim-panjakana rehetra. Tsy ireharehanay hoy Naika ny maha Cst fa ny nidiranay tao dia ny andininy faha 16,17,19,20,30 hatramin’izao anefa dia mbola tsytanteraka. Vita sonia ny tondrozotra hoy izy ary nandalo tany amin’ny Ct sy Cst. Samy nanangana fa hanaiky io nefa izao tsy tanteraka ary efa nivadika ho lalàna. Firy ny mpamantsy vola milaza fa omena voa ianareo kanefa tanteraho ny tondrozotra indrindra ny andininy faha 20. Rajoelina hoy Naika milaza fa vonona ny hantanteraka izay tapaky ny Sadc raha toa ka tsy hanakorontana ny firenena. Rehefa mody ny filoha Ravalomanana Marc dia milamina tanteraka ny firenena. Ny tsy nandehanany tany Tanzania hoy izy dia matahotra ny hanao sonia. Ny Sadc mihitsy no hanao ny fampiharana ny tondrozotra rehefa tsy hanao ry zareo. Noho izany hoy izy dia aza matahotra isika. Momba ny “AVOTA” dia nambaran’ity olomboantendry ity fa mitaky fanadihadiana mahaleotena izahay. Maro ny milaza amin’ny gazety sy radio fa tsy marina ny zavaniseho tany.  Nisy hoy Naika ny fampiatsoan’ny governemanta ny sehatra iraisam-pirenena nanaovan’izy ireo tatitra. Izahay koa hoy izy dia nanao tatitra ary samy mahita lalana. Hivoaka tsy ho ela ny marina fa ho hitantsika eo. Mivavaka mafy isika ho an’ireo mpitondra voahozona ireo. Tamin’ny taona 2009 dia fampihorohoroana no nisy teto. Tsy misy zavatra mahasoa fa vono olona no manjaka. Zavatra négative  hoy Naika satria tsy avy amin’Andriamanitra no nahazoana azy fa an-terisetra.

5 pensées sur “NAIKA ELIANA : REHEFA MIVERINA NY FILOHA RAVALOMANANA MARC DIA MILAMINA TANTERAKA NY FIRENENA”

  1. MAUVAISE FOI,L’abscence de bonne volonté à resoudre la crise ,l’abcés on le connait ,C’EST RAJOELINA ANDRY NIRINA ,

    ARRETONS DE TOURNER AUTOUR DU POT ,IL FAUT CREVER L ABCES ,MPOTSIRO NY MASONY .

  2. Saiky latsaka koa aho @’ilay hoe:  » matahotra ny hanao sonia »
    Ny renikely mihintsy no matahotra ny hanaovan’i domelina sonia indray fa
    tsy azony hidovirana intsony ny HAGEGENA nataon’i domelina, efa zatra ny manao sonia
    hangalarana ny volam-bahoaka ka zavatra tsy HO VITA avy no hidedahana.ZĖSTA be fa SONIA io koh!

  3. Maharetà Trimobe a! efa miala any e!
    Efa eo am-panapaahna izany ry zareo @’izao,
    tsy azo hidovirana intsony io , maharetà fa hanana ny SOA e!!
    homba antsika Andriamanitra!!!Tsy maintsy mandresy ny tolona!!
    Dada tsy maintsy MODY ( teboka boribory) . 0

  4. Hivoaka ny Communiqué-n’ny SADC !

    Vakio tsara ny art. 7-3 sy 7-4 ! Dia mba ahoana ny hevitrareo nanao sonia sy nihiditra tao ??

    IZAO VE ILAY NOTADIAVINA TAMIN’ILAY HOE « METY AMIN-TSIKA » ???

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *