N’IZA N’IZA MANAKANTSAKANA NY FILOHA RAVALOMANANA DIA TSY HANAIKY INTSONY IZAHAY

DSCN1586

DSCN1586Niverina teny an-kianja indray ny vahoaka mpomba ny Ankolafy Ravalomanana androany rehefa avy nankalaza ny fetin’ny krismasy. Androany moa vao nihaona tamin’ireo vahoaka ny mpitarika ka dia samy tsy nanadino ny fiarahabana ny vahoaka noho ny nahatratrarana ny fetin’ny krismasy izay. Ny solontenan’ny vehivavy Tim Andrefan’Iarivo Nenifara dia nanambara fa misaotra anareo vahoaka tsy nanadino ny fahatongavana eto an-kianja n’inon’inona mitranga. Ny filoha Ravalomanana Marc hoy izy no nahatongavantsika eto. Noho iny krismasy iny dia nino aho hoy Nenifara fa tsy nitsahatra nivavaka isika ho an’ny filoha Ravalomanana sy ny zanany ho tonga soa eto Madagasikara ianareo. Ny solontenan’ny gadra politika Ragodonarison Roger Guy dia nitodika tamin’ingahy Rajoelina. Maninona hoy izy no teny amin’ny Akamasoa no nankalaza ny krismasy, noho izany dia misy tetika maizina ao. Rehefa hankalaza ny krismasy ihany dia tokony hiatrika vahoaka ary mifandray aminy fa matoa tsy sahy dia matahotra izany. Misaotra ny Sadc hoy izy nanome fe-potoana an-dRajoelina hatramin’ny faran’ny taona hanaovany fanambarana. Raha ohatra ka miziriziry ihany Rajoelina dia mangataka ny Sadc isika hanampy ny sazy ho an’ireo olona 109 nahazo izany. Namafisiny fa n’iza n’iza manakatsakana ny filoha Ravalomanana Marc dia tsy hanaiky intsony isika fa mivonona.Ny Ct Ranaivorazo Fenomanjato kosa dia nanambara fa raha nahita ny fanambaran-dRajoelina farany teo iny dia misy itovizany amin’ny voalazan’ny tondrozotra izany. Ny andininy faha 20 no asongadina ao anatiny. Vao nahita iny Rajoelina hoy izy dia nataohtra. Nahatsiaro irony Top amin’ny fahitalavitra ireny izay misy hira alahatra ka midina hatrany rehefa lany laza. Rehefa nandeha ny fanambaran’ny Sadc hoy izy dia lasa any aloha ny andininy faha 20 fa ilay andininy faha 45 tsy ao intsony. Nikoropaka Rajoelina nankany Tanzania hoe nankaiza ilay andininy faha 45. Nilaza ny Sadc hoy Feno fa efa lany andro izany. Lasa indray nankany Eoropa tsy nahazo valinteny avy any. Ny zavatra tsara hoy izy dia nametraka fe-potoana ny Sadc nanome herinandro hilazany ny heviny. Nanambara ihany koa izy fa ny Ankolafy Ravalomanana ao amin’ny Cenit nidina ifotony nitety faritra dia nitotorebika ny vahoaka rehefa nihaona tamin’izy ireo. Nilaza ireny olona ireny hoy izy fa miandry an’i Dada avokoa. Namafiny fa tsy misy fifidianana izany eto raha tsy misy fitoniana politika. Nanentana ny vahoaka ho tonga maro nytenany hanatevin-daharana nytolona.

17 pensées sur “N’IZA N’IZA MANAKANTSAKANA NY FILOHA RAVALOMANANA DIA TSY HANAIKY INTSONY IZAHAY”

  1. ireto olona zanaky ny dadany ireto raha mba hanao resak’etoutra tena tssssss!!!! manapa-tsinay mitsy!! ha!ha!ha!

  2. MAMPALAHELO ITY « PEUPLES DU DEMON »ITY – VAO TEO VE NY NOELY DIA MITENY RATSY – MIVAVAKA HO ANAO IZAHAY FA FENO LOLOM-PO SY TSY FITIAVANA IANAO – AVELAO NY OLONA HITENY IZAY TIANY FA AZA MITENY RATSY FA LASA RATSY BE MISY TANDROKA MOA E ! MITSETRA ANAO NY OLONA
    ARY TENA SATANA NA NY FITENINAO NA NY HA HA HA NAO – MAMPALAHELO BE – AMBANY LOATRA E !

  3. tsy maintsy milahatra miresaka,manafana sy mampiesona eto @magiro raha tsy te ho very fihinanana ireo ct sy cst reo;izay mahita fika mampiesona aloha dia mihazakazaka haingana ety ankianja;toa ilay nofy any anaty forsaonina ihany io;say efa manaramaso ry koto sy hanitsa sns

  4. qui sourit …..idiotement d’ailleurs ! car c’est une armée « vendue et achetée » par quelques ariary en plus !

  5. *8h30-> Rajoelina serait de nouveau convoqué par le Pdt de la Troïka Jakaya Kikwete à Dar es Salam demain.

    c est la souyverainete na

  6. *8h30-> Rajoelina serait de nouveau convoqué par le Pdt de la Troïka Jakaya Kikwete à Dar es Salam demain.

    POUR LE RESPECT DE LA SOUVERAINETE NATIONALE ,RAJOELINA DOIT SE FAIRE ATTENDRE ,IL DOIT FAIRE ATTENDRE LE PRESIDENT TANZANIEN POUR LE DEBUT JANVIER OU VERS LE 8 MARS .

  7. UN RAPPEL ,POUR RAJOELINA ,ANCIEN DJ COMME TOI DOIT SAVOIR LA CHANSON DE SARDOU : »
    si les RICAINS n ‘étaient pas là nous etions tous en Germany  »

    Une petite leçon d’histoire pour Rajoelina Andry ,appelé par certain petit hitler ,la France aura ete sous le Joug de l’allemagne sans l’intervention des alliers dont le Ricains.

    POUR te dire Rajoelina ,que la souveraineté nationale ,ne se resume pas à ta liberté ou des satelites autour de toi ,dont des colons et des mafieux ,ne se resume pas à ta liberté de faire ce que tu souhaites pour toi ,ta famille et tes cliques .

    La souveraineté nationale mon petit gars est essentielllement ,la liberté du peuple à tracer sa destinée ,à désigner ses dirigeants par la voix des urnes .

  8. Politika io leisy Ramisely a! tsy ireo gena DICTATEURS otran’ny dadan’ialahy akory ny hi commande anay sy ny fiandrianampirenenay. Tsy zakan’ialahy isany zany woa, Zandrikely iny. Toa notolorany ny fitombenany Ravalon’ialahy, tsy nasiany dikany akory ny nihaona taminy farany teo, inona no azon’ny SADEC n’ialahy natao, tsy miandry ny sitrapony. Asaivo miditra miaraka @ miaramilan’ny SADEC ltia raha raha tena lehilahy a!
    Aleo hamafy vola any @ gena any, Rainivoanjo, fa Rajoelina ihany no tsy laitrany. Vola tsy nisahiranana koa ireny fa nangalarina. Jereo zao, ny vidin’ny Avion air force I,II ity, zay volam-bahoaka, nanaovan’ny dadan’ialahy lohamboto fotsiny hanaovany plaisir, jereo fa ampiasain’ny fitondrana hanasoavana ny vahoaka. Hanapa-kevitra tsy hilatsaka ihany Rainivoanjo, naninona no tsy natao efa ela izany, satria nopotehan’ialahy aloha ny firenena, tsy hisy hamatsy vola, @ blocage nataon-drainla, zay vao mody tsy milatsaka. Miandry an’iny zahay, ary tsy sahy akory lisany mianakavy fa raha taimbaka de champion. Naninona no tsy tonga de nody t@ilay décision SADEC farany teo fa mbola mitomany atsy sy eroa raha lehilahy e! mahana @ ratsy natao t@ tanindrazana, koa mitady antoka tsara vao sahy hody. De ataonay mody @ pataloha iny. Arahabao faninefany ao Sud Af ndray Rainivoanjo ny taona 2013 a! aza mba sesitany @ ratsy atao ihany, fa tsisy mafy toy izany. Na de milomano @ volabe aza, tsy feno ny fifaliana, fa hafa ihany Gasikara tany mamy tsy mila mpamono olona e!

  9. tsiresinialahy. naninona ianao no nitsoaka ny 2002 , natahotra an´i filkoha ravalomanana ,nanao ny tsy fanao ,ka vaky nilefa nankao france haingana, izao marary mafy ny fo vao maheno hoe. I DADA malalanay ny filoha lanimbahoaka Ravalomanana Marc.

    Na hiova anarana in-jato eto ianao ,na Bogor, na tanora, na peuples malagasy na maingoka, na tsiresinialahy, dia foza mantsina ianao ary foza very dia mitonatonana eto ,tsy misy mpanaraka, firy iazahy zanak´i dada eto ary ianao sisam-poza dia tokana ihany fa mamoaka vava mantsina eto foana.

    na faly ianao na tsy faly, izao ny malaza sy vaovao lehibe lazaiko anao  » Le retour du mahery fo malagasy ,filoha mamimbahoaka,sy voafidim-bahoaka est imminent » et incontournable.

    mijanona eto amin´ny site eto foana ianao , fa tsy misy hanintsananay eto, foza tokana sisa nanamborana, tahaka ny tanala very sampy.

  10. Fa ato anaty haizim-pito
    de andrenesako feo
    vononk’hiady
    ho famerenana ny « ETAT DE DROIT »

    Soit!! tsiresinialahy le mamono lolo mamono vorona tsy amin’ny « y a pas » tsy tafa
    fa ILAOZAN’NY TOETR’ANDRO…

    jere iton échantillon nandaniana volam-panjakana
    sy nandripaka tanana maro sy namono olon tsy tambo isaina:
    http://www.tananews.com/2012/12/les-forces-speciales-ont-quitte-betroka-fin-de-la-mission-restauration-de-la-securite/

    ny ahy lay koulera oranza efa jerem-potsiny toa ny adal miboridana @ andro atoandro lazon’ny hafanan’ny 3V (ohatr)

    lay envelopy bleu-blanc-rouge ihan no tena tsy laitra

  11. Michel: Le mots « MOT », c’est un gros mots ou un français?
    Reto woa tena milingilingy. Mizesta @ tenin’olona, kanefa ny Frantsay ataonla maty henjika. Iza no hotezitra @lisany. Ambanianay fotsiny fa tsisy afitsoka. Mahazaka an’ialahy isany teto aho hatramin’izay ry MASINJAONA a! Saika nitombina foana ny anay ny analyse politique nentina teto.
    Zahay woa efa nilaza hatr@ ela, fa ny hidiranay eto, tsy hanohitra anla, fa ny tsy hamitahanialahy ny vahoaka mamaky anla eto. Ary tsy voatery hanoratra @ tenin’olonkafa zahay, fa manoratra @ teny gasy, mba ho azon’ny vahoaka malagay tsy vakivolo vakiana. Fa zesta sy fisehosehoana ny anla sy ry hoAiza, kanefa be fautes.
    De na de fozakely mantsina zay kevoka @ mahaizy anay aza zahay, tadidido tsara fa singambolo mandavo ny vositra. Zandrikely nampinana Rainivoanjo be niseho azy ho be sandry, kanjo niova lalimanga hahafahana mandositra. De iza no mafy hatramin’izao, ny foza sa Rainivoanjo sy ny taranany. Jereo magro maimbo kely. Olombitsy sy antibavy 4MI daholo ny ankabeazany. Mba mijere tena aloha woa vao miteny olona. De aza manantena, fa dadanla, tsy ho hita tabilao intsony eo @tantaran’i Madagasikara, fea nahavanondoza t@ firenena.

    De zay no lazaiko anla ry Masinjaona, tsy fantatrialahy ny daty nidirako taty France, ary tsy misy hatahorako ny dadan’ialahy tsy haninontsianinoana izany na de kely aza.
    Dadanla aza no miforobody aminay tsy mahasahy mody. Hatramin’izao lisany de maminavina foana woa, iza ary avy aiza ary ity fandoto kely manapaka lalandra anay sy ny dadanay eto ty? Vinavinaina daholo ty zao sy zao ty ka e!e!ee! tsy mahita mangirana. Zany lety rehefa vendrana a! Miataky olona lava kanefa ny havendranan’ny dadanela manao politika tsy jerena akory. De tairo foana fa ataonay manao sangodim-panina, lava eto, hany hery manipy gants otran-dry Njara, Bemafohy, Kaka Merida, Mamy, Joseph…sns.Mbola ho avy koa ny mpanipy gants manaraka.

  12. Hoy ny voalaza »
    « Noho iny krismasy iny dia nino aho hoy Nenifara fa tsy nitsahatra nivavaka isika ho an’ny filoha Ravalomanana sy ny zanany ho tonga soa eto Madagasikara ianareo. »
    ary eo ambany kely manao hoe :
    « n’iza n’iza manakatsakana ny filoha Ravalomanana Marc dia tsy hanaiky intsony isika fa mivonona ».
    Mametra-panotaniana aho. ny vavaka ve no entina hamerina ny filoha eto an-tanindrazana ? Diniho @ fo tony dia jereo tsara hoe : mba ho tanteraka ve izany ? efa nantao ve izany teo aloha ? dia nisy vokany ve ? Dia ahoana ny fiarovan’i Dada satria fantatra mazava izao fa hifofo ny ainy no tanojon’ireo miaramila mpanogam-panjakana satria manakana ny fihinanany izany.

    mbola voalaza eo @ lahantsoratra ihany hoe :

    « Raha ohatra kamiziriziry ihany Rajoelina dia mangataka ny Sadc isika hanampy ny sazy ho an’ireo olona 109 nahazo izany. »
    ILay sazy anie ka tsy miatra intsony, efa nivezivezy im-betsaka tany afrika ireo mpanogam-panjakana sy ny forogony, matetika aza izy ireo voaasa…
    Ny mba tiako ho lazaina dia ny hoe, aoka mba hiverina eto-an-tany @ izay ilay politika,ary hanaovana resaka matotra ny olona fa be loatra ilay fanabotriana saina.

    Raha hoy ianareo hoe tsy hanaiky intsony dia INONA IZANY NO TOKONY HATAO ?

  13. tsiresinialahy,
    Voilà un « gasy » fozaorana typique. La première honte que nous avons c’est avoir le même pays que ce fozaorana. Regardons un peu ses verbes, sa vision politique et ses expressions. Mon chien ferait mieux. Je ne crois pas du tout que ce pauvre tsiresinialahy soit un patriote. Supportant le « sans qualité » je vois en lui un sans qualité intellectuelle , pire encore sans qualité morale.
    Quand est ce que ce vaurien se rendra-t-il compte que la langue française n’implique pas nécessairement la France ? Et cette derniere n’est pas forcement la françafrique dont nous luttons?
    Fozaorana que vous etes, en France n’est pas votre place, n’est-ce pas immigre ? et Madagasccar ne veut pas de ce puanteur.

  14. LAZALAZAO,
    Il n’y a rien de positif à attendre d’un moins que rien ! Il faut le laisser se vautrer dans sa soue ; le mot soa il l’a oublié depuis belles lurettes !

    ENCORE UNE FOIS, JOYEUSES FÊTES DE FIN D ‘ANNEE À TOUTES ET À TOUS !!!

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *